Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
APOCALYPSE Apokalypsy
ou : RÉVÉLATION  
   
Accès direct aux chapitres de l’Apocalypse : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22 Accès direct aux chapitres de l’Apocalypse : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Révélation de Jésus Christ, que Dieu lui a donnée pour montrer à ses esclaves les choses qui doivent arriver bientôt ; et il l’a signifiée, en l’envoyant par son ange, à son esclave Jean, 1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
2 qui a rendu témoignage de la parole de Dieu et du témoignage de Jésus Christ, [de] toutes [les] choses qu’il a vues. 2 Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
   
3 Bienheureux celui qui lit et ceux qui entendent les paroles de la prophétie et qui gardent les choses qui y sont écrites, car le temps est proche ! 3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
   
4 Jean, aux sept assemblées qui sont en Asie : Grâce et paix à vous, de la part de celui qui est*, et qui était, et qui vient**, et de la part des sept Esprits qui sont devant son trône, 4 Jaona mamangy ny fiangonana* fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany; [* Gr. eklesia]
5 et de la part de Jésus Christ, le témoin fidèle, le premier-né des morts, et le prince des rois de la terre ! À celui qui nous aime, et qui nous a lavés de nos péchés dans son sang ; 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Gr. nanasa]
6 — et il nous a faits un royaume, des sacrificateurs pour son Dieu et Père ; — à lui la gloire et la force aux siècles des siècles ! Amen. 6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
— v. 4* : la nature essentielle de l’Être. — v. 4** : pour le sens de «celui qui vient», voir Matthieu 11:3 ; Hébreux 10:37 ; et comparer Luc 18:30.  
7 Voici, il vient avec les nuées, et tout œil le verra, et ceux qui l’ont percé ; et toutes les tribus de la terre* se lamenteront à cause de lui. Oui, amen ! 7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
— v. 7 : ou : du pays ; voir Matthieu 5:5 et Psaume 37:11.  
8 Moi, je suis l’alpha et l’oméga*, dit le *Seigneur Dieu, celui qui est, et qui était, et qui vient, le Tout-puissant. 8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
— v. 8 : première et dernière lettre de l’alphabet grec.  
9 Moi, Jean, qui suis votre frère et qui ai part avec vous à la tribulation et au royaume et à la patience en Jésus, j’étais dans l’île appelée Patmos, pour la parole de Dieu et pour le témoignage de Jésus Christ. 9 [Ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
   
10 Je fus en Esprit, dans la journée dominicale*, et j’ouïs derrière moi une grande voix, comme d’une trompette, disant : 10 Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra,
11 Ce que tu vois, écris-le dans un livre et envoie-le aux sept assemblées : à Éphèse, et à Smyrne, et à Pergame, et à Thyatire, et à Sardes, et à Philadelphie, et à Laodicée.* 11 nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana* fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.[Gr. eklesia]
— v. 10 : la journée du Seigneur (un dimanche). — v. 11 : sept villes d’Asie mineure (voir v. 4).  
12 Et je me retournai pour voir la voix qui me parlait ; et, m’étant retourné, je vis sept lampes d’or, 12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
13 et au milieu des [sept] lampes [quelqu’un de] semblable au Fils de l’homme*, vêtu d’une robe qui allait jusqu’aux pieds, et ceint, à la poitrine, d’une ceinture d’or. 13 ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona]
14 Sa tête et ses cheveux étaient blancs comme de la laine blanche, comme de la neige ; et ses yeux, comme une flamme de feu ; 14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
15 et ses pieds, semblables à de l’airain brillant, comme embrasés dans une fournaise ; et sa voix, comme une voix de grandes eaux ; 15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.
16 — et il avait dans sa main droite sept étoiles ; et de sa bouche sortait une épée aiguë à deux tranchants ; — et son visage, comme le soleil [quand il] luit dans sa force. 16 Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
— v. 13 : ou : à un fils d’homme ; comparer Daniel 7:13 ; 10:5-6.  
17 Et, lorsque je le vis, je tombai à ses pieds comme mort ; et il mit sa droite sur moi, disant : Ne crains point ; moi, je suis le premier et le dernier, et le vivant ; et j’ai été mort ; 17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
18 et voici, je suis vivant aux siècles des siècles ; et je tiens les clefs de la mort et du hadès*. 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades]
19 Écris donc les choses que tu as vues, et les choses qui sont, et les choses qui doivent arriver après celles-ci. 19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
20 Le mystère des sept étoiles que tu as vues dans ma droite, et les* sept lampes d’or : les sept étoiles sont [les] anges** des sept assemblées, et les sept lampes sont sept assemblées. 20 dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana* fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana* fito. [* Gr. eklesia]
— v. 18 : voir la note, Matthieu 11:23. — v. 20* : selon quelques-uns : des. — v. 20** : ou : messagers.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 À l’ange* de l’assemblée qui est à Éphèse, écris : Voici ce que dit celui qui tient les sept étoiles dans sa droite, qui marche au milieu des sept lampes d’or : 1 [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia]
— v. 1* : ou : messager.  
2 Je connais tes œuvres, et ton travail, et ta patience, et que tu ne peux supporter les méchants ; et tu as éprouvé ceux qui se disent apôtres et ne le sont pas, et tu les as trouvés menteurs ; 2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy;
3 et tu as patience, et tu as supporté [des afflictions] pour mon nom, et tu ne t’es pas lassé ; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.
4 mais j’ai contre toi que tu as abandonné ton premier amour. 4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao.
5 Souviens-toi donc d’où tu es déchu, et repens-toi, et fais les premières œuvres ; autrement, je viens à toi et j’ôterai ta lampe de son lieu, à moins que tu ne te repentes. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.
6 Mais tu as ceci, que tu hais les œuvres des Nicolaïtes, lesquelles moi aussi je hais. 6 Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao]
   
7 Que celui qui a des oreilles écoute ce que l’Esprit dit aux assemblées. À celui qui vaincra, je lui donnerai de manger de l’arbre de vie qui est dans le paradis de Dieu. 7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia]
   
8 Et à l’ange de l’assemblée qui est à Smyrne, écris : Voici ce que dit le premier et le dernier, qui a été mort et qui a repris vie : 8 [Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [* Gr. eklesia]
   
9 Je connais ta tribulation, et ta pauvreté (mais tu es riche), et l’outrage* de ceux qui se disent être Juifs ; et ils ne le sont pas, mais ils sont la synagogue de Satan. 9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3)
10 Ne crains en aucune manière les choses que tu vas souffrir. Voici, le diable va jeter [quelques-uns] d’entre vous en prison, afin que vous soyez éprouvés : et vous aurez une tribulation de dix jours. Sois fidèle jusqu’à la mort et je te donnerai la couronne de vie. 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana.
— v. 9 : ou : le blasphème.  
11 Que celui qui a des oreilles écoute ce que l’Esprit dit aux assemblées. Celui qui vaincra n’aura point à souffrir de la seconde mort. 11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia]
   
12 Et à l’ange de l’assemblée qui est à Pergame, écris : Voici ce que dit celui qui a l’épée aiguë à deux tranchants : 12 [Pergamosy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain'ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia]
   
13 Je sais où tu habites, là où est le trône de Satan ; et tu tiens ferme mon nom, et tu n’as pas renié ma foi, même* dans les jours dans lesquels Antipas était mon fidèle témoin, qui a été mis à mort parmi vous, là où Satan habite. 13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
14 Mais j’ai quelques choses contre toi : c’est que tu as là des gens qui tiennent la doctrine de Balaam, lequel enseignait à Balac à jeter une pierre d’achoppement devant les fils d’Israël, pour qu’ils mangeassent des choses sacrifiées aux idoles et qu’ils commissent la fornication*. 14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'i Balama, ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.
15 Ainsi tu en as, toi aussi, qui tiennent la doctrine des Nicolaïtes pareillement. 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.
16 Repens-toi donc ; autrement je viens à toi promptement, et je combattrai contre eux par l’épée de ma bouche. 16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.
— v. 13 : plusieurs omettent : même. — v. 14 : Nombres 25:1-3 et 31:16.  
17 Que celui qui a des oreilles écoute ce que l’Esprit dit aux assemblées. À celui qui vaincra, je lui donnerai de la manne cachée, et je lui donnerai un caillou blanc, et, sur le caillou, un nouveau nom écrit, que nul ne connaît, sinon celui qui le reçoit. 17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany. [* Gr. eklesia]
   
18 Et à l’ange de l’assemblée qui est à Thyatire, écris : Voici ce que dit le Fils de Dieu, qui a ses yeux comme une flamme de feu, et dont les pieds sont semblables à de l’airain brillant : 18 [Tyatira] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano: [* Gr. eklesia]
   
19 Je connais tes œuvres, et ton amour, et ta foi, et ton service, et ta patience, et tes dernières œuvres qui dépassent les premières. 19 Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
20 Mais j’ai contre toi, que tu laisses faire la femme* Jésabel qui se dit prophétesse ; et elle enseigne et égare mes esclaves [en les entraînant] à commettre la fornication et à manger des choses sacrifiées aux idoles. 20 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria ianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin'ny sampy.
21 Et je lui ai donné du temps afin qu’elle se repentît ; et elle ne veut pas se repentir de sa fornication. 21 Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy.
22 Voici, je la jette sur un lit, et ceux qui commettent adultère avec elle, dans une grande tribulation, à moins qu’ils ne se repentent de ses œuvres ; 22 Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.
23 et je ferai mourir de mort ses enfants ; et toutes les assemblées connaîtront que c’est moi qui sonde les reins et les cœurs ; et je vous donnerai à chacun selon vos œuvres. 23 Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana* rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra. [* Gr. eklesia]
24 Mais à vous je dis, aux autres qui sont à Thyatire, autant qu’il y en a qui n’ont pas cette doctrine, qui n’ont pas connu les profondeurs de Satan, comme ils disent : je ne vous impose pas d’autre charge ; 24 Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;
25 mais seulement, ce que vous avez, tenez-le ferme jusqu’à ce que je vienne. 25 kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
26 Et celui qui vaincra, et celui qui gardera mes œuvres jusqu’à la fin, — je lui donnerai autorité sur les nations ; 26 Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;
27 et il les paîtra avec une verge de fer, comme sont brisés les vases de poterie, selon que moi aussi j’ai reçu de mon Père ; 27 ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.
28 et je lui donnerai l’étoile du matin. 28 Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.
— v. 20 : ou : ta femme — ce qui serait une allusion au lien de Jésabel avec Achab, roi responsable ; (voir 1 Rois 16:31 ; 21:25).  
29 Que celui qui a des oreilles écoute ce que l’Esprit dit aux assemblées. 29 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et à l’ange de l’assemblée qui est à Sardes, écris : Voici ce que dit celui qui a les sept Esprits de Dieu et les sept étoiles : 1 [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia]
   
Je connais tes œuvres, — que tu as le nom de vivre, et tu es mort.  
2 Sois vigilant, et affermis ce qui reste, qui s’en va mourir, car je n’ai pas trouvé tes œuvres parfaites devant mon Dieu. 2 Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)]
3 Souviens-toi donc comment tu as reçu et entendu, et garde*, et repens-toi. Si donc tu ne veilles pas, je viendrai [sur toi] comme un voleur, et tu ne sauras* point à quelle heure je viendrai sur toi. 3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory]
4 Toutefois tu as quelques noms à Sardes qui n’ont pas souillé leurs vêtements ; et ils marcheront avec moi en [vêtements] blancs, car ils en sont dignes. 4 Kanefa misy olona* vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana]
— v. 3* : ou : prends garde. — v. 3** : plusieurs : sais.  
5 Celui qui vaincra, celui-là sera vêtu de vêtements blancs, et je n’effacerai point son nom du livre de vie, et je confesserai son nom devant mon Père et devant ses anges. 5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
   
6 Que celui qui a des oreilles écoute ce que l’Esprit dit aux assemblées. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
   
7 Et à l’ange de l’assemblée qui est à Philadelphie, écris : Voici ce que dit le saint, le véritable, celui qui a la clef de David, celui qui ouvre et nul ne fermera, qui ferme et nul n’ouvrira* : 7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [* Gr. eklesia]
— v. 7 : ou : n’ouvre.  
8 Je connais tes œuvres. Voici, j’ai mis devant toi une porte ouverte* que personne ne peut fermer, car tu as peu de force, et tu as gardé ma parole, et tu n’as pas renié mon nom. 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]
9 Voici, je donne [de ceux] de la synagogue de Satan qui se disent être Juifs, — et ils ne le sont pas, mais ils mentent ; voici, je les ferai venir et se prosterner devant tes pieds, et ils connaîtront que moi je t’ai aimé. 9 Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10 Parce que tu as gardé la parole de ma patience, moi aussi je te garderai de l’heure de l’épreuve qui va venir sur la terre habitée tout entière, pour éprouver ceux qui habitent sur la terre. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11 Je viens bientôt* ; tiens ferme ce que tu as, afin que personne ne prenne ta couronne. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
— v. 8 : proprement : qui a été ouverte. — v. 11 : promptement, vitement.  
12 Celui qui vaincra, je le ferai une colonne dans le temple* de mon Dieu, et il ne sortira plus jamais dehors ; et j’écrirai sur lui le nom de mon Dieu, et le nom de la cité de mon Dieu, de la nouvelle Jérusalem qui descend du ciel d’auprès de mon Dieu, et mon nouveau nom. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
— v. 12 : la maison même (ici et dans toute l’Apocalypse) ; voir note à Matthieu 23:16.  
13 Que celui qui a des oreilles écoute ce que l’Esprit dit aux assemblées. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
   
14 Et à l’ange de l’assemblée qui est à Laodicée, écris : Voici ce que dit l’Amen, le témoin fidèle et véritable, le commencement de la création de Dieu : 14 [Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia]
   
15 Je connais tes œuvres, — que tu n’es ni froid ni bouillant. Je voudrais que tu fusses ou froid ou bouillant ! 15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.
16 Ainsi, parce que tu es tiède et que tu n’es ni froid ni bouillant, je vais te vomir de ma bouche. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao;
17 Parce que tu dis : Je suis riche, et je me suis enrichi, et je n’ai besoin de rien, et que tu ne connais pas que, toi, tu es le malheureux et le misérable, et pauvre, et aveugle, et nu : 17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
18 je te conseille d’acheter de moi de l’or passé au feu, afin que tu deviennes* riche, et des vêtements blancs, afin que tu sois vêtu et que la honte de ta nudité ne paraisse pas, et un collyre pour oindre tes yeux, afin que tu voies*. 18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
19 Moi, je reprends et je châtie tous ceux que j’aime ; aie donc du zèle et repens-toi. 19 Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay]
20 Voici, je me tiens à la porte et je frappe : si quelqu’un entend ma voix et qu’il ouvre la porte, j’entrerai chez lui et je souperai avec lui, et lui avec moi. 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
— v. 18 : proprement : que tu sois devenu, arrivé à cet état ; de même pour «que tu voies», à la fin du verset.  
21 Celui qui vaincra, — je lui donnerai de s’asseoir avec moi sur mon trône, comme moi aussi j’ai vaincu et je me suis assis avec mon Père sur son trône. 21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.
   
22 Que celui qui a des oreilles écoute ce que l’Esprit dit aux assemblées. 22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Après ces choses, je vis : et voici, une porte ouverte dans le ciel, et la première voix que j’avais ouïe, comme d’une trompette parlant avec moi, disant : Monte ici, et je te montrerai les choses qui doivent arriver après celles-ci. 1 [Fideran'ny any an-danitra an'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
   
2 Sur-le-champ je fus en Esprit : et voici, un trône était placé dans le ciel, et sur le trône, [quelqu’un était] assis ; 2 Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
3 et celui qui était assis était, à le voir, semblable à une pierre de jaspe et de sardius ; et autour du trône, un arc-en-ciel, à le voir, semblable à une émeraude ; 3 Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
4 et autour du trône, vingt-quatre trônes, et sur les trônes, vingt-quatre anciens assis, vêtus de vêtements blancs, et sur leurs têtes des couronnes d’or. 4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona* efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [* Gr. presbytera]
5 Et du trône sortent des éclairs et des voix et des tonnerres ; et [il y a] sept lampes* de feu, brûlant devant le trône, qui sont les sept Esprits de Dieu ; 5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.
6 et devant le trône, comme une mer de verre, semblable à du cristal ; et au milieu du trône et à l’entour du trône, quatre animaux pleins d’yeux devant et derrière. 6 Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
7 Et le premier animal est semblable à un lion ; et le second animal, semblable à un veau ; et le troisième animal a la face comme d’un homme* ; et le quatrième animal est semblable à un aigle volant. 7 Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
8 Et les quatre animaux, chacun d’eux ayant six ailes, sont, tout autour et au dedans, pleins d’yeux ; et ils ne cessent de dire, jour et nuit : Saint, saint, saint, *Seigneur, Dieu, Tout-puissant*, celui qui était, et qui est, et qui vient. 8 Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
9 Et quand les animaux rendront gloire et honneur et action de grâces à celui qui est assis sur le trône, à celui qui vit aux siècles des siècles, 9 Ary raha ny zava-manan'aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay,
10 les vingt-quatre anciens tomberont [sur leurs faces] devant celui qui est assis sur le trône, et se prosterneront devant celui qui vit aux siècles des siècles ; et ils jetteront leurs couronnes devant le trône, disant : 10 dia hiankohoka eo anoloan'izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana ny loholona* efatra amby roa-polo ka hivavaka amin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan'ny seza fiandrianana ka hanao hoe:
11 Tu es digne, notre Seigneur et notre Dieu, de recevoir la gloire, et l’honneur, et la puissance ; car c’est toi qui as créé toutes choses, et c’est à cause de ta volonté qu’elles étaient, et qu’elles furent créées. 11 Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
— v. 5 : lampe, ailleurs : flambeau. — v. 7 : quelques-uns : comme un homme. — v. 8 : voir Ésaïe 6:2-3.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et je vis dans la droite de celui qui était assis* sur le trône, un livre, écrit au dedans et sur le revers, scellé de sept sceaux. 1 [Ny nandraisan'ny Mpanavotra ny boky izay nisy tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy] Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
2 Et je vis un ange puissant, proclamant à haute voix : Qui est digne d’ouvrir le livre et d’en rompre les sceaux ? 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
3 Et personne, ni dans le ciel, ni sur la terre, ni au-dessous de la terre, ne pouvait ouvrir le livre ni le regarder. 3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
4 Et moi, je pleurais fort, parce que nul n’était trouvé digne d’ouvrir le livre ni de le regarder. 4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
5 Et l’un des anciens me dit : Ne pleure pas ; voici, le lion qui est de la tribu de Juda*, la racine de David, a vaincu pour ouvrir le livre et ses sept sceaux. 5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. [* Gr. presbytera]
— v. 1 : ou : qui est assis ; c’est un titre : Celui qui est assis sur le trône. — v. 5 : comparer Genèse 49:9.  
6 Et je vis au milieu du trône et des quatre animaux, et au milieu des anciens, un agneau qui se tenait là, comme immolé, ayant sept cornes et sept yeux, qui sont les sept Esprits de Dieu, envoyés sur toute la terre. 6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona* dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [* Gr. presbytera]
7 Et il vint et prit [le livre] de la main droite de celui qui était assis* sur le trône. 7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
8 Et lorsqu’il eut pris le livre, les quatre animaux et les vingt-quatre anciens tombèrent [sur leurs faces] devant l’Agneau, ayant chacun une harpe et des coupes d’or pleines de parfums, qui sont les prières des saints. 8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona* efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [* Gr. presbytera]
9 Et ils chantent un cantique nouveau, disant : Tu es digne de prendre le livre, et d’en ouvrir les sceaux ; car tu as été immolé, et tu as acheté pour Dieu par ton sang, de toute tribu, et langue, et peuple, et nation ; 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
10 et tu les as faits rois* et sacrificateurs pour notre Dieu, et ils régneront sur la terre. 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.
— v. 7 : voir note v. 1. — v. 10 : plusieurs lisent : un royaume ; comparer 1:6.  
11 Et je vis : et j’ouïs une voix de beaucoup d’anges à l’entour du trône et des animaux et des anciens ; et leur nombre était des myriades de myriades et des milliers de milliers, 11 Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona*, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, [* Gr. presbytera]
12 disant à haute voix : Digne est l’Agneau qui a été immolé, de recevoir la puissance, et richesse, et sagesse, et force, et honneur, et gloire, et bénédiction. 12 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
13 Et j’entendis toutes les créatures qui sont dans le ciel, et sur la terre, et au-dessous de la terre, et sur la mer, et toutes les choses qui y sont, disant : À celui qui est assis sur le trône et à l’Agneau, la bénédiction, et l’honneur, et la gloire, et la force, aux siècles des siècles ! 13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
14 Et les quatre animaux disaient : Amen ! Et les anciens tombèrent [sur leurs faces] et rendirent hommage. 14 Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona* dia niankohoka ka nivavaka. [* Gr. presbytera]
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et je vis, lorsque l’Agneau ouvrit l’un des sept sceaux, et j’entendis l’un des quatre animaux disant comme une voix de tonnerre : Viens [et vois]. 1 [Ny namahana ny tombo-kase enina] Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan'aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
2 Et je vis : et voici un cheval blanc, et celui qui était assis dessus ayant un arc ; et une couronne lui fut donnée, et il sortit en vainqueur et pour vaincre. 2 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
   
3 Et lorsqu’il ouvrit le second sceau, j’entendis le second animal disant : Viens [et vois]. 3 Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan'aina faharoa nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
4 Et il sortit un autre cheval, roux ; et il fut donné à celui qui était assis dessus d’ôter la paix de la terre, et [de faire] qu’ils s’égorgeassent l’un l’autre ; et il lui fut donné une grande épée. 4 Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamonoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
   
5 Et lorsqu’il ouvrit le troisième sceau, j’entendis le troisième animal disant : Viens [et vois]. Et je vis : et voici un cheval noir ; et celui qui était assis dessus, ayant une balance dans sa main. 5 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan'aina fahatelo nanao hoe: Avia*. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
6 Et j’ouïs comme une voix au milieu des quatre animaux, disant : Une mesure* de froment pour un denier, et trois mesures d’orge pour un denier** ; et ne nuis pas à l’huile ni au vin. 6 Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: venty* ny vary tritika eran'ny fatam-bary kely**, ary venty* koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary**; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao. [* Gr. denaria] [** Gr. koiniksa]
— v. 6* : environ un litre. — v. 6** : comparer Matthieu 20:2 (prix de disette).  
7 Et lorsqu’il ouvrit le quatrième sceau, j’entendis [la voix du] quatrième animal, disant : Viens [et vois]. 7 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan'aina fahefatra nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)]
8 Et je vis : et voici un cheval livide ; et le nom de celui qui était assis dessus est la Mort ; et le hadès* suivait avec lui ; et il lui** fut donné pouvoir sur le quart de la terre, pour tuer avec l’épée, et par la famine, et par la mort, et par les bêtes sauvages de la terre. 8 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita* nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. [* Gr. Hadesy]
— v. 8* : comme 1:18 ; voir note à Matthieu 11:23. — v. 8** : plusieurs : leur.  
9 Et lorsqu’il ouvrit le cinquième sceau, je vis sous l’autel les âmes de ceux qui avaient été égorgés pour la parole de Dieu et pour le témoignage qu’ils avaient [rendu]. 9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
10 Et elles criaient à haute voix, disant : Jusques à quand, ô Souverain*, saint et véritable, ne juges-tu pas et ne venges-tu pas notre sang sur ceux qui habitent sur la terre ? 10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany?
11 Et il leur fut donné à chacun une longue robe blanche ; et il leur fut dit qu’ils se reposassent encore un peu de temps, jusqu’à ce que, et leurs compagnons d’esclavage et leurs frères qui devaient être mis à mort comme eux, fussent au complet. 11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
— v. 10 : ailleurs : maître ; voir Actes 4:24 et Luc 2:29.  
12 Et je vis, lorsqu’il ouvrit le sixième sceau : et il se fit un grand tremblement de terre, et le soleil devint noir comme un sac de poil, et la lune devint tout entière comme du sang ; 12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
13 et les étoiles du ciel tombèrent sur la terre, comme un figuier agité par un grand vent jette loin ses figues tardives. 13 Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy.
14 Et le ciel se retira comme un livre qui s’enroule, et toute montagne et toute île furent transportées de leur place. 14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
15 Et les rois de la terre, et les grands, et les chiliarques, et les riches, et les forts, et tout esclave, et [tout] homme libre, se cachèrent dans les cavernes et dans les rochers des montagnes ; 15 Ary ny mpanjakan'ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin'ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
16 et ils disent aux montagnes et aux rochers : Tombez sur nous et tenez-nous cachés de devant la face de celui qui est assis sur le trône et de devant la colère de l’Agneau ; 16 ary hoy izy tamin'ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin'ny tavan'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry;
17 car le grand jour de sa colère est venu, et qui peut subsister ? 17 fa tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'ireo*, ka iza no mahajanona? [* Na: ny fahatezerany]
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et après cela, je vis quatre anges debout aux quatre coins de la terre, retenant les quatre vents de la terre, afin qu’aucun vent ne soufflât sur la terre, ni sur la mer, ni sur aucun arbre. 1 [Ny niarovana ny Isiraely marina mba tsy hosimban'ny loza ho avy, sy ny fahasambaran'ny tonga any an-danitra ka afaka amin'ny fahoriana lehibe] Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
2 Et je vis un autre ange montant de l’orient*, ayant le sceau du Dieu vivant ; et il cria à haute voix aux quatre anges, auxquels il avait été donné de nuire à la terre et à la mer, 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
3 disant : Ne nuisez pas à la terre, ni à la mer, ni aux arbres, jusqu’à ce que nous ayons scellé au front les esclaves de notre Dieu. 3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
4 Et j’entendis le nombre de ceux qui étaient scellés : cent quarante-quatre mille scellés de toute tribu des fils d’Israël : 4 Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin'ny firenen'ny Zanak'isiraely rehetra.
5 de la tribu de Juda, douze mille scellés ; de la tribu de Ruben, douze mille ; de la tribu de Gad, douze mille ; 5 Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina.
6 de la tribu d’Aser, douze mille ; de la tribu de Nephthali, douze mille ; de la tribu de Manassé, douze mille ; 6 Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina.
7 de la tribu de Siméon, douze mille ; de la tribu de Lévi, douze mille ; de la tribu d’Issachar, douze mille ; 7 Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'Isakara roa arivo amby iray alina.
8 de la tribu de Zabulon, douze mille ; de la tribu de Joseph, douze mille ; de la tribu de Benjamin, douze mille scellés. 8 Avy tamin'ny firenen'i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
— v. 2 : ou : du lever du soleil.  
9 Après ces choses, je vis : et voici, une grande foule que personne ne pouvait dénombrer, de toute nation et tribus et peuples et langues, se tenant devant le trône et devant l’Agneau, vêtus de longues robes blanches et [ayant] des palmes dans leurs mains. 9 Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
10 Et ils crient à haute voix, disant : Le salut est à notre Dieu qui est assis sur le trône, et à l’Agneau. 10 dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry.
11 — Et tous les anges se tenaient à l’entour du trône et des anciens et des quatre animaux ; et ils tombèrent sur leurs faces devant le trône, et rendirent hommage à Dieu, 11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona* sy ny zava-manan'aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra [* Gr. presbytera]
12 disant : Amen ! La bénédiction, et la gloire, et la sagesse, et l’action de grâces, et l’honneur, et la puissance, et la force, à notre Dieu, aux siècles des siècles ! Amen. 12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena.
   
13 Et l’un des anciens répondit, me disant : Ceux-ci qui sont vêtus de longues robes blanches, qui sont-ils et d’où sont-ils venus ? 13 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy? [* Gr. presbytera]
14 Et je lui dis : Mon seigneur, tu le sais. Et il me dit : Ce sont ceux qui viennent de la grande tribulation, et ils ont lavé leurs robes* et les ont blanchies dans le sang de l’Agneau. 14 Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.
15 C’est pourquoi ils sont devant le trône de Dieu et le servent jour et nuit dans son temple* ; et celui qui est assis sur le trône dressera sa tente sur eux. 15 Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
16 Ils n’auront plus faim et ils n’auront plus soif, et le soleil ne les frappera plus, ni aucune chaleur, 16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
17 parce que l’Agneau qui est au milieu du trône les paîtra et les conduira aux fontaines des eaux de la vie, et Dieu essuiera toute larme de leurs yeux. 17 Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony (Isa. 25. 8).
— v. 14 : plus haut : longues robes. — v. 15 : la maison même (ici, et dans toute l’Apocalypse ; voir 3:12).  
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et lorsqu’il ouvrit le septième sceau, il se fit un silence au ciel d’environ une demi-heure. 1 [Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
2 Et je vis les sept anges qui se tiennent devant Dieu, et il leur fut donné sept trompettes. 2 Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
3 Et un autre ange vint et se tint debout devant l’autel, ayant un encensoir d’or ; et beaucoup de parfums lui furent donnés, pour donner [efficace] aux prières de tous les saints, sur l’autel d’or qui est devant le trône. 3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin*'ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin'ny vavaky ny olona masina rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan'ny seza fiandrianana. [* Na: amin']
4 Et la fumée des parfums monta avec les prières des saints, de la main de l’ange devant Dieu. 4 Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Et l’ange prit l’encensoir et le remplit du feu de l’autel ; et il jeta [le feu] sur la terre ; et il y eut des voix et des tonnerres et des éclairs et un tremblement de terre. 5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
   
6 Et les sept anges qui avaient les sept trompettes se préparèrent pour sonner de la trompette. 6 Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
   
7 Et le premier sonna de la trompette : et il y eut de la grêle et du feu, mêlés de sang, et ils furent jetés* sur la terre ; et le tiers de la terre fut brûlé ; et le tiers des arbres fut brûlé, et toute herbe verte fut brûlée. 7 Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin'ny tany irany; ary may ny ampahatelon'ny tany, ary may ny ampahatelon'ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
— v. 7 : ou : il fut jeté.  
8 Et le second ange sonna de la trompette : et comme une grande montagne toute en feu* fut jetée dans la mer ; et le tiers de la mer devint du sang, 8 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon'ny ranomasina;
9 et le tiers des créatures qui étaient dans la mer et qui avaient vie mourut, et le tiers des navires fut détruit. 9 ary maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon'ny sambo.
— v. 8 : litt.: brûlante de feu.  
10 Et le troisième ange sonna de la trompette : et il tomba du ciel une grande étoile, brûlant comme un flambeau ; et elle tomba sur le tiers des fleuves et sur les fontaines des eaux. 10 Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin'ny ampahatelon'ny ony sy tamin'ny loharano izany;
11 Et le nom de l’étoile est Absinthe ; et le tiers des eaux devint absinthe, et beaucoup d’hommes moururent par les eaux, parce qu’elles avaient été rendues amères. 11 ary ny anaran'ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon'ny rano; ary maro ny olona no matin'ny rano, satria efa nangidy izany.
   
12 Et le quatrième ange sonna de la trompette : et le tiers du soleil fut frappé, et le tiers de la lune, et le tiers des étoiles, afin que le tiers de ces [astres] fût obscurci, et que le jour ne parût pas pour le tiers de sa [durée], et de même pour la nuit. 12 Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon'ny masoandro sy ny ampahatelon'ny volana ary ny ampahatelon'ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon'ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
   
13 Et je vis : et j’entendis un aigle qui volait par le milieu du ciel, disant à haute voix : Malheur, malheur, malheur, à ceux qui habitent sur la terre, à cause des autres voix de la trompette des trois anges qui vont sonner de la trompette ! 13 Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan'ny lanitra aho, izay nanao tamin'ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an'izay monina eny ambonin'ny tany noho ny feo sisa an'ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et le cinquième ange sonna de la trompette : et je vis une étoile tombée du ciel sur la terre ; et la clef du puits de l’abîme lui fut donnée, 1 [Ny nitsofana ny trompetra fahadimy, sy ny nahatongavan'ny loza voalohany] Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin'ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa.
2 et elle* ouvrit le puits de l’abîme, et une fumée monta du puits, comme la fumée d’une grande fournaise, et le soleil et l’air furent obscurcis par la fumée du puits. 2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka.
3 Et de la fumée il sortit des sauterelles sur la terre ; et il leur fut donné un pouvoir semblable au pouvoir qu’ont les scorpions de la terre. 3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery* ireny, tahaka ny herin*'ny maingoka amin'ny tany. [* Gr. fahefana]
4 Et il leur fut dit qu’elles ne nuisissent ni à l’herbe de la terre, ni à aucune verdure, ni à aucun arbre, mais aux hommes qui n’ont pas le sceau de Dieu sur leurs fronts. 4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin'ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handriny ihany.
5 Et il leur fut donné de ne pas les tuer, mais qu’ils fussent tourmentés cinq mois ; et leur tourment est comme le tourment du scorpion, quand il frappe l’homme. 5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan'ny maingoka, raha mamely olona.
6 Et en ces jours-là les hommes chercheront la mort et ils ne la trouveront point ; et ils désireront de mourir, et la mort s’enfuit d’eux. 6 Ary amin'izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
7 Et la ressemblance des sauterelles était semblable à des chevaux préparés pour le combat ; et sur leurs têtes il y avait comme des couronnes semblables à de l’or ; et leurs faces étaient comme des faces d’hommes ; 7 Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin'ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan'olona.
8 et elles avaient des cheveux comme des cheveux de femmes, et leurs dents étaient comme [des dents] de lions ; 8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an'ny liona.
9 et elles avaient des cuirasses comme des cuirasses de fer, et le bruit de leurs ailes était comme le bruit de chariots à plusieurs chevaux courant au combat ; 9 Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin'ny soavaly betsaka miriotra ho amin'ny ady.
10 et elles ont des queues semblables à des scorpions, et des aiguillons ; et leur pouvoir était dans leurs queues, pour nuire aux hommes cinq mois. 10 Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin'ny rambony no misy ny heriny* hampahoriany ny olona dimy volana. [* Gr. fahefana]
11 Elles ont sur elles un roi, l’ange de l’abîme, dont le nom est en hébreu : Abaddon*, et en grec il a nom : Apollyon**. 11 Ary manana ny anjelin'ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin'ny teny Hebreo dia Abadona*, fa amin'ny teny Grika kosa dia Apolyona** no anarany. [* Abadona = Fandringanana] [** Apolyona = Mpandringana]
— v. 2 : c. à d. : l’étoile. — v. 11* : abîme ; litt.: destruction ; voir Job 26:6 — v. 6** : destructeur.  
12 Le premier malheur est passé ; voici, il arrive encore deux malheurs après ces choses. 12 Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
   
13 Et le sixième ange sonna de la trompette : et j’ouïs une voix sortant des [quatre] cornes de l’autel d’or qui était devant Dieu, 13 [Ny nitsofana ny trompetra fahenina, sy ny nahatongavan'ny loza faharoa] Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin'ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan'Andriamanitra aho,
14 disant au sixième ange qui avait la trompette : Délie les quatre anges qui sont liés sur le grand fleuve Euphrate. 14 nanao tamin'ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
15 Et les quatre anges qui étaient préparés pour l’heure et le jour et le mois et l’année, furent déliés, afin de tuer le tiers des hommes. 15 Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin'ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon'ny olona.
16 Et le nombre des armées de la cavalerie était de deux myriades de myriades : j’en entendis le nombre. 16 Ary ny isan'ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
   
17 Et c’est ainsi que je vis les chevaux dans la vision, et ceux qui étaient assis dessus, ayant des cuirasses de feu, et d’hyacinthe, et de soufre ; et les têtes des chevaux étaient comme des têtes de lions ; et de leur bouche sortent du feu, et de la fumée, et du soufre. 17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin'ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan'ny soavaly dia tahaka ny lohan'ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin'ny vavany.
18 Par ces trois fléaux fut tué le tiers des hommes, par le feu et la fumée et le soufre qui sortent de leur bouche ; 18 Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona.
19 car le pouvoir des chevaux est dans leur bouche et dans leurs queues ; car leurs queues sont semblables à des serpents, ayant des têtes, et par elles ils nuisent. 19 Fa ny herin*'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
20 Et les autres hommes qui n’avaient pas été tués par ces plaies, ne se repentirent pas des œuvres de leurs mains, pour ne pas rendre hommage aux démons, et aux idoles d’or, et d’argent, et d’airain, et de pierre, et de bois, qui ne peuvent ni voir, ni entendre, ni marcher ; 20 Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
21 et ils ne se repentirent pas de leurs meurtres, ni de leur magie, ni de leur fornication, ni de leurs larcins. 21 ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Et je vis un autre ange puissant descendant du ciel, revêtu d’une nuée, et l’arc-en-ciel sur sa tête, et son visage comme le soleil, et ses pieds comme des colonnes de feu ; 1 [Ny teny nentin'ny anjely anankiray, ary ny amin'ny kotrokorana fito sy ny boky kely] Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin'ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
2 et il avait dans sa main un petit livre ouvert. Et il mit son pied droit sur la mer et le gauche sur la terre ; 2 ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin'ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin'ny tany;
3 et il cria à haute voix, comme un lion rugit ; et quand il cria, les sept tonnerres firent entendre* leurs propres voix. 3 ary niantso tamin'ny feo mahery izy, tahaka ny fieron'ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.
4 Et quand les sept tonnerres eurent parlé, j’allais écrire ; et j’ouïs une voix venant du ciel, disant : Scelle les choses que les sept tonnerres ont prononcées* et ne les écris pas. 4 Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin'ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
— v. 3, 4 : litt.: parlèrent.  
5 Et l’ange que j’avais vu se tenir sur la mer et sur la terre, leva sa main droite vers le ciel, 5 Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin'ny lanitra
6 et jura par celui qui vit aux siècles des siècles, lequel a créé le ciel et les choses qui y sont, et la terre et les choses qui y sont, et la mer et les choses qui y sont, qu’il n’y aurait plus de délai, 6 ary nianiana tamin'izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro* intsony; [* Na: tsy ho ela]
7 mais qu’aux jours de la voix du septième ange, quand il sera sur le point de sonner* de la trompette, le mystère de Dieu aussi sera terminé, comme il en a annoncé la bonne nouvelle à ses esclaves les prophètes. 7 fa amin'ny andro hitsofan'ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin'ny mpaminany mpanompony
— v. 7 : ou : quand il sonnera.  
8 Et la voix que j’avais ouïe du ciel me parla de nouveau et dit : Va, prends le petit livre* qui est ouvert dans la main de l’ange qui se tient sur la mer et sur la terre. 8 Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan'ny anjely mitsangana eo ambonin'ny ranomasina sy eo ambonin'ny tany.
9 Et je m’en allai vers l’ange, lui disant de me donner le petit livre. Et il me dit : Prends-le et dévore-le ; et il remplira ton ventre d’amertume, mais dans ta bouche il sera doux comme du miel. 9 Dia nankany amin'ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
10 Et je pris le petit livre de la main de l’ange, et je le dévorai ; et il fut dans ma bouche doux comme du miel ; et quand je l’eus dévoré, mon ventre fut rempli d’amertume. 10 Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan'ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.
11 Et il me fut dit* : Il faut que tu prophétises de nouveau sur des peuples et des nations et des langues et beaucoup de rois. 11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
— v. 8, 10 : quelques-uns ont : le livre. — v. 11 : litt.: ils me disent.  
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Et il me fut donné un roseau semblable à une verge, et il me fut dit : Lève-toi et mesure* le temple** de Dieu, et l’autel, et ceux qui y adorent*** ; 1 [Ny nandrefesana ny tempoly, sy ny amin'ny vavolombelona roa] Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
2 et le parvis, qui est en dehors du temple, rejette-le et ne le mesure point, car il a été donné aux nations, et elles fouleront aux pieds la cité sainte quarante-deux mois. 2 Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao* ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy. [* Gr. atsipazo eny ivelany]
3 Et je donnerai [puissance] à mes deux témoins, et ils prophétiseront mille deux cent soixante jours, vêtus de sacs. 3 Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
— v. 1* : comparer Ézéchiel 40. — v. 1** : voir note à 3:12. — v. 1*** : ailleurs : rendre hommage.  
4 Ceux-ci sont les deux oliviers et les deux lampes qui se tiennent devant le Seigneur de la terre. 4 Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
5 Et si quelqu’un veut leur nuire, le feu sort de leur bouche et dévore leurs ennemis ; et si quelqu’un veut leur nuire, il faut qu’il soit ainsi mis à mort. 5 Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
6 Ceux-ci ont le pouvoir de fermer le ciel, afin qu’il ne tombe point de pluie durant les jours de leur prophétie* ; et ils ont pouvoir sur les eaux pour les changer en sang**, et pour frapper la terre de toutes sortes de plaies, toutes les fois qu’ils le voudront. 6 Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.