| Le NOUVEAU TESTAMENT | |
| Épître aux HÉBREUX | Hebreo |
| Accès direct aux chapitres des Hébreux : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13 | Accès direct aux chapitres des Hébreux : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13 |
| Chapitre 1 | Chapitre 1 |
| 1 Dieu ayant autrefois*, à plusieurs reprises et en plusieurs manières, | 1 [Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; |
| 2 parlé aux pères par* les prophètes, à la fin de ces jours-là, nous a parlé dans [le] Fils**, qu’il a établi héritier de toutes choses, par lequel aussi il a fait les mondes, | 2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, |
| 3 qui, étant le resplendissement de sa gloire et l’empreinte de sa substance, et soutenant toutes choses par la parole de sa* puissance, ayant fait par lui-même la purification des péchés, s’est assis à la droite de la majesté dans les hauts [lieux] ; | 3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo |
| 4 étant devenu d’autant plus excellent que les anges, qu’il a hérité d’un nom plus excellent qu’eux. | 4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. |
| 5 Car auquel des anges a-t-il jamais dit : «Tu es mon Fils, moi je t’ai aujourd’hui engendré» ? [Psaume 2:7]. Et encore : «Moi, je lui serai pour père, et lui me sera pour fils» ? [1 Chroniques 17:13]. | 5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"? (Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam. 7.14.) |
| 6 Et encore, quand il introduit* le Premier-né dans le monde habité, il dit : «Et que tous les anges de Dieu lui rendent hommage» [Psaume 97:7]. | 6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). |
| 7 Et quant aux anges, il dit : «Qui fait ses anges des esprits, et ses ministres* une flamme de feu» [Psaume 104:4]. | 7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal.104. 4). |
| 8 Mais quant au Fils : «Ton trône, ô Dieu, [est] aux siècles des siècles* ; c’est un sceptre de droiture que le sceptre de ton règne ; | 8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; |
| 9 tu as aimé la justice et haï l’iniquité* ; c’est pourquoi Dieu, ton Dieu, t’a oint d’une huile de joie au-dessus de tes compagnons» [Psaume 45:6-7]. | 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7). |
| 10 Et : «Toi, dans les commencements, *Seigneur, tu as fondé la terre, et les cieux sont les œuvres de tes mains : | 10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tananao ny lanitra; |
| 11 eux, ils périront, mais toi, tu demeures ; et ils vieilliront tous comme un habit, | 11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, |
| 12 et tu les plieras comme un vêtement, et ils seront changés ; mais toi, tu es le même*, et tes ans ne cesseront point» [Psaume 102:25-27]. | 12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27). |
| 13 Et auquel des anges a-t-il jamais dit : «Assieds-toi à ma droite, jusqu’à ce que j’aie mis tes ennemis pour marchepied de tes pieds» ? [Psaume 110:1]. | 13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) |
| 14 Ne sont-ils pas tous des esprits administrateurs, envoyés pour servir en faveur de ceux qui vont hériter du salut ? | 14 Tsy fanahy manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana] |
| — v. 1 : ou : anciennement. — v. 2* : ou : dans. — v. 2** : litt.: en Fils. — v. 3 : la sienne, celle du Fils. — v. 6 : il s’agit du fait, non du temps. — v. 7 : administrateur officiel ; ainsi aussi Romains 13:6 ; 15:16 ; Philippiens 2:25 ; Hébreux 8:2. — v. 8 : litt.: au siècle du siècle. — v. 9 : ce qui est sans loi. — v. 12 : Celui qui est et qui ne change pas ; comparer Néhémie 9:7. | |
| Chapitre 2 | Chapitre 2 |
| 1 C’est pourquoi nous devons porter une plus grande attention aux choses que nous avons entendues, de peur que nous ne nous écartions*. | 1 Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika. |
| 2 Car si la parole prononcée par les anges* a été ferme, et si toute transgression et désobéissance a reçu une juste rétribution, | 2 Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana, |
| 3 comment échapperons-nous, si nous négligeons* un si grand salut, qui, ayant commencé par être annoncé par le Seigneur, nous a été confirmé par ceux qui l’avaient entendu, | 3 hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa, |
| 4 Dieu rendant témoignage avec eux par des signes et des prodiges, et par divers miracles et distributions de l’Esprit Saint, selon sa propre volonté ? | 4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony. |
| — v. 1 : litt.: glissions loin. — v. 2 : c. à d. : la loi de Moïse (voir Actes 7:53). — v. 3 : aussi : méprisons, tenons pour rien. | |
| 5 Car ce n’est point aux anges qu’il a assujetti le monde habité à venir* dont nous parlons ; | 5 Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay. |
| 6 mais quelqu’un a rendu ce témoignage quelque part, disant : «Qu’est-ce que l’homme que tu te souviennes de lui, ou le fils de l’homme que tu le visites ? | 6 Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? |
| 7 Tu l’as fait un peu moindre que les anges ; tu l’as couronné de gloire et d’honneur, [et l’as établi sur les œuvres de tes mains] ; | 7 Nataonao ambany kely* noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao; [* Na: vetivety] |
| 8 tu as assujetti toutes choses sous ses pieds» [Psaume 8:4-6] ; car en lui assujettissant toutes choses, il n’a rien laissé qui ne lui soit assujetti ; mais maintenant nous ne voyons pas encore que toutes choses lui soient assujetties ; | 8 Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra. |
| 9 mais nous voyons Jésus, qui a été fait un peu moindre que les anges à cause de la passion de la mort*, couronné de gloire et d’honneur, en sorte que, par la grâce de Dieu, il goûtât la mort pour tout**. | 9 Fa Ilay natao ambany kely* noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. [*Na: vetivety] |
| 10 Car il convenait pour lui, à cause de qui sont toutes choses et par qui sont toutes choses, que, amenant plusieurs fils à la gloire, il consommât* le chef de leur salut par des souffrances**. | 10 Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana. |
| 11 Car, et celui qui sanctifie et ceux qui sont sanctifiés sont tous d’un ; c’est pourquoi il n’a pas honte de les appeler frères, | 11 Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy" |
| 12 disant : «J’annoncerai ton nom à mes frères ; au milieu de l’assemblée je chanterai tes louanges» [Psaume 22:22]. | 12 ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no hiderako Anao" (Sal 22.22). [* Gr. eklesia] |
| 13 Et encore : «Moi, je me confierai en lui» [Ésaïe 8:17]. Et encore : «Me voici, moi, et les enfants que Dieu m’a donnés» [Ésaïe 8:18]. | 13 Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18). |
| 14 Donc puisque les enfants ont eu part* au sang et à la chair, lui aussi semblablement y a participé, afin que, par la mort, il rendît impuissant celui qui avait le pouvoir** de la mort, c’est-à-dire le diable ; | 14 Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly, |
| 15 et qu’il délivrât tous ceux qui, par la crainte de la mort, étaient, pendant toute leur vie, assujettis à la servitude. | 15 ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. |
| 16 Car, certes, il ne prend pas les anges, mais il prend* la semence d’Abraham. | 16 Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny. |
| 17 C’est pourquoi il dut*, en toutes choses, être rendu semblable à ses frères, afin qu’il fût un miséricordieux et fidèle souverain sacrificateur dans les choses qui concernent Dieu, pour faire propitiation pour les péchés du peuple. | 17 Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. |
| 18 Car, en ce qu’il a souffert lui-même, étant tenté, il est à même de secourir ceux qui sont tentés. | 18 Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [* Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy] |
| — v. 5 : le siècle que le Messie devait introduire, en contraste avec ce qui, pour le Juif, était ce siècle-ci, le siècle de la loi. — v. 9* : du fait d’avoir souffert la mort. — v. 9** : ou : chacun. — v. 10* : consommer, ou rendre parfait, dans l’épître aux Hébreux, c’est faire tout ce qui est nécessaire pour rendre propre à remplir un office. — v. 10** : passion, au verset 9. — v. 14* : ont été placés et sont dans cette condition comme leur commun lot. — v. 14** : plus litt.: la force. — v. 16 : dans le sens de : prendre la cause d’une personne pour lui venir en aide, litt.: la délivrer (voir Jérémie 31:32). — v. 17 : lorsqu’il devint homme : c’est historique. | |
| Chapitre 3 | Chapitre 3 |
| 1 C’est pourquoi, frères saints, participants à l’appel céleste, considérez l’apôtre et le souverain sacrificateur de notre confession, | 1 [Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy, |
| 2 Jésus, qui est fidèle à celui qui l’a établi, comme Moïse aussi [l’a été] dans toute sa maison*. | 2 Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7] |
| 3 Car celui-là a été jugé digne d’une gloire d’autant plus grande que celle de Moïse, que celui qui a bâti la maison a plus d’honneur que la maison. | 3 Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. |
| 4 Car toute maison est bâtie par quelqu’un ; mais celui qui a bâti toutes choses, est Dieu*. | 4 Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra. |
| 5 Et Moïse a bien été fidèle dans toute sa maison, comme serviteur, en témoignage des choses qui devaient être dites ; | 5 Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; |
| 6 mais Christ, comme Fils, sur sa maison ; et nous sommes sa maison, si du moins nous retenons ferme jusqu’au bout la confiance et la gloire de l’espérance. | 6 fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana. |
| — v. 2 : la maison de Dieu ; voir Nombres 12:7. — v. 4 : ou : c’est Dieu. | |
| 7 C’est pourquoi, — comme dit l’Esprit Saint : «Aujourd’hui, si vous entendez sa voix, | 7 Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, |
| 8 n’endurcissez pas vos cœurs comme dans l’irritation au jour de la tentation dans le désert, | 8 Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra, |
| 9 où vos pères m’ont tenté en m’éprouvant, et ont vu mes œuvres durant quarante ans. | 9 Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy. |
| 10 C’est pourquoi j’ai été indigné contre cette génération, et j’ai dit : Ils s’égarent toujours dans leur cœur et ils n’ont point connu mes voies. | 10 Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako; |
| 11 Ainsi je jurai dans ma colère : S’ils entrent dans mon repos !»*[Psaume 95:7-11]. | 11 Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11). |
| 12 Prenez garde*, frères, qu’il n’y ait en quelqu’un de vous un méchant cœur d’incrédulité, en ce qu’il abandonne le Dieu vivant ; | 12 Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona; |
| 13 mais exhortez-vous* l’un l’autre chaque jour, aussi longtemps qu’il est dit : «Aujourd’hui», afin qu’aucun d’entre vous ne s’endurcisse par la séduction du péché. | 13 fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota. |
| 14 Car nous sommes devenus les compagnons du Christ, si du moins nous retenons ferme jusqu’au bout le commencement de notre* assurance, selon** qu’il est dit : | 14 Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany; |
| 15 «Aujourd’hui, si vous entendez sa voix, n’endurcissez pas vos cœurs, comme dans l’irritation». (Car qui sont ceux qui, l’ayant entendu, l’irritèrent ? | 15 raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8). |
| 16 Mais [est-ce que ce ne furent] pas tous ceux qui sont sortis d’Égypte par Moïse ? | 16 Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va? |
| 17 Et contre lesquels fut-il indigné durant quarante ans ? N’est-ce pas contre ceux qui ont péché et dont les corps sont tombés dans le désert ? | 17 Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny? |
| 18 Et auxquels jura-t-il qu’ils n’entreraient pas dans son repos, sinon à ceux qui ont désobéi* ? | 18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky? |
| 19 Et nous voyons qu’ils n’y purent entrer à cause de [l’]incrédulité). — | 19 Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany. |
| Chapitre 4. 1 Craignons donc qu’une promesse ayant été laissée d’entrer dans son repos, quelqu’un d’entre vous paraisse ne pas l’atteindre ; | Chapitre 4. 1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany. |
| 2 car nous aussi, nous avons été évangélisés de même que ceux-là ; mais la parole qu’ils entendirent ne leur servit de rien, n’étant pas mêlée avec de la foi dans ceux qui l’entendirent. | 2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy] |
| 3 Car nous qui avons cru, nous entrons dans le repos, comme il a dit : «Ainsi je jurai dans ma colère : S’ils entrent dans mon repos», bien que les œuvres* aient été faites dès la fondation du monde. | 3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. |
| 4 Car il a dit ainsi quelque part touchant le septième jour : «Et Dieu se reposa de toutes ses œuvres au septième jour» [Genèse 2:2] ; | 4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3). |
| 5 et encore dans ce passage : «S’ils entrent dans mon repos !» | 5 Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11]. |
| 6 Puisqu’il reste donc que quelques-uns y entrent, et que ceux qui auparavant avaient été évangélisés ne sont pas entrés à cause de leur désobéissance, | 6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana, |
| 7 encore une fois il détermine un certain jour, disant, en David*, si longtemps après : «Aujourd’hui», comme il a été dit auparavant : «Aujourd’hui, si vous entendez sa voix, n’endurcissez pas vos cœurs». | 7 dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8) |
| 8 Car si Josué leur avait donné le repos, il n’aurait pas parlé après cela d’un autre jour. | 8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany. |
| 9 Il reste donc un repos sabbatique pour le peuple de Dieu. | 9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra. |
| 10 Car celui qui est entré dans son repos, lui aussi s’est reposé de ses œuvres, comme Dieu s’est reposé des siennes propres. | 10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy] |
| 11 Appliquons-nous donc à entrer dans ce repos-là, afin que personne ne tombe en imitant une semblable désobéissance*. | 11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa. |
| 12 Car la parole de Dieu est vivante et opérante, et plus pénétrante qu’aucune épée à deux tranchants, et atteignant jusqu’à la division de l’âme et de l’esprit, des jointures et des moelles ; et elle discerne les pensées et les intentions du cœur. | 12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. |
| 13 Et il n’y a aucune créature qui soit cachée devant lui*, mais toutes choses sont nues et découvertes aux yeux de celui à qui nous avons affaire. | 13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika. |
| — v. 11 (ch. 3) : hébraïsme pour : ils n’entreront pas. — v. 12 (ch. 3) : ou : C’est pourquoi (comme dit l’Esprit Saint : «Aujourd’hui … colère : S’ils entrent dans mon repos !») prenez garde. — v. 13 (ch. 3) : ou : encouragez-vous. — v. 14*(ch. 3) : litt.: l’. — v. 14**(ch. 3) : ou : pendant. — v. 18 (ch. 3) et v. 11 (ch. 4) : voir Deutéronome 1:26, et Nombres 14:43. — v. 3 (ch. 4) : les œuvres de Dieu qui préparaient le repos. — v. 7 (ch. 4) : c. à d. : dans le Psaume de David. — v. 13 (ch. 4) : ou : elle. | |
| 14 Ayant donc un grand souverain sacrificateur qui a traversé les cieux, Jésus, le Fils de Dieu, tenons ferme [notre] confession ; | 14 [Fampitahana an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika. |
| 15 car nous n’avons pas un souverain sacrificateur qui ne puisse sympathiser à nos infirmités, mais [nous en avons un qui a été] tenté en toutes choses comme nous*, à part le péché. | 15 Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. |
| 16 Approchons-nous donc avec confiance du trône de la grâce, afin que nous recevions miséricorde et que nous trouvions grâce pour [avoir du] secours au moment opportun. | 16 Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany] |
| — v. 15 : ou : pareillement à nous. | |
| Chapitre 5 | Chapitre 5 |
| 1 Car tout souverain sacrificateur pris d’entre les hommes est établi pour les hommes dans les choses qui concernent Dieu, afin qu’il offre et des dons et des sacrifices pour les péchés, | 1 Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota, |
| 2 étant capable d’avoir de l’indulgence pour les ignorants et les errants, puisqu’il est aussi lui-même enveloppé d’infirmité ; | 2 dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany; |
| 3 et, à cause de cette infirmité, il doit offrir pour les péchés, comme pour le peuple, ainsi aussi pour lui-même. | 3 ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany. |
| 4 Or nul ne s’arroge cet* honneur ; mais [seulement] s’il est appelé de Dieu, ainsi que le fut aussi Aaron. | 4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona. |
| 5 De même le Christ aussi ne s’est pas glorifié lui-même pour être fait souverain sacrificateur, mais celui-là [l’a glorifié] qui lui a dit : «Tu es mon Fils ; moi je t’ai aujourd’hui engendré» [Psaume 2:7] ; | 5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7); |
| 6 comme il dit aussi dans un autre passage : «Tu es sacrificateur pour l’éternité selon l’ordre de Melchisédec» [Psaume 110:4] ; | 6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). |
| 7 — qui*, durant les jours de sa chair, ayant offert, avec de grands cris et avec larmes, des prières et des supplications à celui qui pouvait le sauver de** la mort, et ayant été exaucé à cause de sa piété***, | 7 Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany] |
| 8 quoiqu’il fût Fils*, a appris l’obéissance par les choses qu’il a souffertes ; | 8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; |
| 9 et ayant été consommé*, il est devenu, pour tous ceux qui lui obéissent, l’auteur du salut éternel, | 9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, |
| 10 étant salué par Dieu souverain sacrificateur selon l’ordre de Melchisédec, | 10 fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka." |
| 11 au sujet duquel nous avons beaucoup de choses à dire et qui sont difficiles à expliquer, puisque vous êtes devenus paresseux à écouter. | 11 [Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo. |
| 12 Car lorsque vous devriez être des docteurs, vu le temps, vous avez de nouveau besoin qu’on vous enseigne quels sont les premiers rudiments des oracles de Dieu, et vous êtes devenus tels, que vous avez besoin de lait et non de nourriture solide ; | 12 Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina. |
| 13 car quiconque use de lait est inexpérimenté dans la parole de la justice, car il est un petit enfant ; | 13 Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. |
| 14 mais la nourriture solide est pour les hommes faits, qui, par le fait de l’habitude, ont les sens exercés à discerner le bien et le mal. | 14 Fa ho an'izay efa lehibe* ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [* Na: tanteraka] |
| — v. 4 : litt.: l’. — v. 7* : c. à d. : le Christ. —v. 7** : proprement : hors de (le sauver en le faisant sortir hors de). — v. 7*** : ou : crainte. — v. 8 : allusion au Psaume 2 cité plus haut. — v. 9 : ou : consacré, rendu apte, voir note à 2:10. | |
| Chapitre 6 | Chapitre 6 |
| 1 C’est pourquoi, laissant la parole du commencement du Christ*, avançons vers l’état d’hommes faits**, ne posant pas de nouveau [le] fondement de la repentance des œuvres mortes et de la foi en Dieu, | 1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra, |
| 2 de la doctrine des ablutions et de l’imposition des mains, et de la résurrection des morts et du jugement éternel. | 2 ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. |
| 3 Et c’est ce que nous ferons, si Dieu le permet. | 3 Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra. |
| 4 Car il est impossible que ceux qui ont été une fois éclairés, et qui ont goûté du don céleste, et qui sont devenus participants de l’Esprit Saint, | 4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina |
| 5 et qui ont goûté la bonne parole de Dieu et les miracles du siècle à venir, | 5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, |
| 6 et qui sont tombés, soient renouvelés encore à la repentance, crucifiant pour eux-mêmes le Fils de Dieu et l’exposant à l’opprobre. | 6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. |
| 7 Car la terre qui boit la pluie qui vient souvent sur elle, et qui produit des herbes utiles pour ceux pour qui elle est aussi labourée, reçoit de Dieu de la bénédiction ; | 7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra; |
| 8 mais si elle porte des épines et des chardons, elle est réprouvée et près de la malédiction, et sa fin est d’être brûlée. | 8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana. |
| 9 Mais nous sommes persuadés, en ce qui vous concerne, bien-aimés, de choses meilleures et qui tiennent au salut, quoique nous parlions ainsi. | 9 Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena. |
| 10 Car Dieu n’est pas injuste pour oublier votre œuvre et l’amour que vous avez montré pour son nom, ayant servi les saints et les servant [encore]. | 10 Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. |
| 11 Mais nous désirons que chacun de vous montre la même diligence* pour la pleine assurance de l’espérance jusqu’au bout ; | 11 Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany; |
| 12 afin que vous ne deveniez pas paresseux, mais imitateurs de ceux qui, par la foi et par la patience*, héritent ce qui avait été promis**. | 12 mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny faharetana. |
| 13 Car lorsque Dieu fit la promesse à Abraham, puisqu’il n’avait personne de plus grand par qui jurer, il jura par lui-même, | 13 Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy |
| 14 disant : «Certes, en bénissant je te bénirai, et en multipliant je te multiplierai» [Genèse 22:17]. | 14 ka nanao hoe: "Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17). |
| 15 Et ainsi Abraham, ayant eu patience, obtint ce qui avait été promis*. | 15 Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana. |
| 16 Car les hommes jurent par quelqu’un qui est plus grand qu’eux, et le serment est pour eux un terme à toute dispute, pour rendre ferme [ce qui est convenu]. | 16 Fa ny olona dia mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra. |
| 17 Et Dieu, voulant en cela montrer plus abondamment aux héritiers de la promesse l’immutabilité de son conseil, est intervenu par un serment, | 17 Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany, |
| 18 afin que, par deux choses immuables, dans lesquelles il était impossible que Dieu mentît, nous ayons une ferme consolation, nous qui nous sommes enfuis pour saisir l’espérance proposée, | 18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, |
| 19 laquelle nous avons comme une ancre de l’âme, sûre et ferme, et qui entre jusqu’au dedans du voile | 19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny efitra lamba; |
| 20 où Jésus est entré comme précurseur pour nous, étant devenu souverain sacrificateur pour l’éternité selon l’ordre de Melchisédec. | 20 tany no nidiran'i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka" Izy. |
| — v. 1* : c. à d. : les premiers éléments de la doctrine. — v. 1** : ou : vers la perfection. — v. 11 : ou : empressement, zèle. — v. 12 : ailleurs : constance, longanimité. — v. 12** et 15 : litt.: la promesse. | |
| Chapitre 7 | Chapitre 7 |
| 1 Car ce Melchisédec, roi de Salem, sacrificateur du Dieu Très-haut*, qui alla au-devant d’Abraham lorsqu’il revenait de la défaite des rois, et qui le bénit, | 1 [Fampitahana an'i Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy, |
| 2 auquel aussi Abraham donna pour part la dîme de tout*, premièrement, étant interprété, roi de justice, et puis aussi roi de Salem, c’est-à-dire roi de paix ; | 2 sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana; |
| 3 sans père, sans mère, sans généalogie, n’ayant ni commencement de jours, ni fin de vie, mais assimilé au Fils de Dieu, demeure sacrificateur à perpétuité. | 3 tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva. |
| 4 Mais considérez combien grand était celui à qui même Abraham donna une dîme du butin, lui le patriarche. | 4 Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina. |
| 5 Et ceux d’entre les fils de Lévi qui reçoivent la sacrificature ont bien un commandement de dîmer le peuple selon la loi, c’est-à-dire leurs frères, bien qu’ils soient sortis des reins d’Abraham ; | 5 Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny; |
| 6 mais celui qui ne tire pas généalogiquement son origine d’eux, a dîmé Abraham et a béni celui qui avait les promesses. | 6 nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana. |
| 7 Or, sans contredit, le moindre est béni par celui qui est plus excellent. | 7 Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany. |
| 8 Et ici, des hommes qui meurent reçoivent des dîmes ; mais là, celui de qui il est rendu témoignage qu’il vit ; | 8 Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona. |
| 9 et, pour ainsi dire, Lévi même, qui reçoit des dîmes, a été dîmé en Abraham, | 9 Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama, |
| 10 car il était encore dans les reins de son père quand Melchisédec alla au-devant de lui. | 10 satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama. |
| — v. 1 : voir Luc 1:32. — v. 2 : voir Genèse 14:18-20. | |
| 11 Si donc la perfection était* par la sacrificature lévitique (car c’est en relation avec elle** que le peuple a reçu sa loi), quel besoin était-il encore qu’un autre sacrificateur se levât selon l’ordre de Melchisédec et qui ne fût pas nommé selon l’ordre d’Aaron ? | 11 Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona? |
| 12 Car la sacrificature étant changée, il y a aussi par nécessité un changement de loi. | 12 Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna. |
| 13 Car celui à l’égard duquel ces choses sont dites appartient à une autre tribu, dont personne n’a été attaché* à l’autel ; | 13 Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara. |
| 14 car il est évident que notre Seigneur a surgi* de Juda, tribu à l’égard de laquelle Moïse n’a rien dit concernant des sacrificateurs. | 14 Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona. |
| 15 Et cela est encore bien plus évident, si, à la ressemblance de Melchisédec, un autre sacrificateur se lève, | 15 Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka, |
| 16 qui n’a pas été établi selon la loi d’un commandement charnel, mais selon la puissance d’une vie impérissable. | 16 izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana. |
| 17 Car [ce] témoignage [lui] est rendu : «Tu es sacrificateur pour l’éternité, selon l’ordre de Melchisédec» [Psaume 110:4]. | 17 Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). |
| — v. 11* : ou : Si donc il y avait perfection. — v. 11** : ou : car c’est sur ce fondement. — v. 13 : ou : n’a été affecté au service de. — v. 14 : ou : s’est levé ; les Septante rendaient le «Germe» de Jérémie 23:5 ; Zacharie 3:8, etc., par : lever [du soleil], ou orient, lever d’un astre : voir Luc 1:78. | |
| 18 Car il y a abrogation du commandement qui a précédé, à cause de sa faiblesse et de son inutilité | 18 Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany |
| 19 (car la loi n’a rien amené à la perfection), et introduction d’une meilleure espérance par laquelle nous approchons de Dieu. | 19 (fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra. |
| 20 Et en tant que [cela n’a] pas [eu lieu] sans serment | 20 Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana |
| 21 (car ceux-là sont devenus sacrificateurs sans serment, mais celui-ci [l’est devenu] avec serment, par celui qui a dit de lui* : «Le *Seigneur a juré et ne se repentira pas : Tu es sacrificateur pour l’éternité [selon l’ordre de Melchisédec]»), | 21 - fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4) |
| 22 c’est d’une alliance d’autant meilleure que Jésus a été fait le garant. | 22 - dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra. |
| 23 Et ceux-là étaient plusieurs sacrificateurs, parce que la mort les empêchait de demeurer ; | 23 Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy; |
| 24 mais celui-ci, parce qu’il demeure éternellement, a la sacrificature qui ne se transmet pas*. | 24 fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; |
| 25 De là vient aussi qu’il peut sauver entièrement* ceux qui s’approchent de Dieu par lui, étant toujours vivant pour intercéder pour eux. | 25 koa amin'izany dia mahavonjy tokoa* izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany] |
| 26 Car un tel souverain sacrificateur nous convenait, saint*, innocent, sans souillure, séparé des pécheurs, et élevé** plus haut que les cieux, | 26 Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra, |
| 27 qui n’est pas journellement dans la nécessité, comme les souverains sacrificateurs, d’offrir des sacrifices, d’abord pour ses propres péchés, ensuite pour ceux du peuple ; car cela, il l’a fait une fois pour toutes, s’étant offert lui-même. | 27 Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy. |
| 28 Car la loi établit pour souverains sacrificateurs des hommes qui sont dans l’infirmité*, mais la parole du serment, qui est après la loi, [établit] un Fils qui est consommé pour l’éternité. | 28 Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay. |
| — v. 21 : ou : celui qui lui a dit. — v. 24 : ou : qui ne change pas, ou intransmissible. — v. 25 : litt.: jusqu’à l’achèvement. — v. 26* : ou : pieux ; voir Actes 2:27. — v. 26** : litt.: devenu. — v. 28 : litt.: des hommes ayant infirmité. | |
| Chapitre 8 | Chapitre 8 |
| 1 Or la somme de ce que nous disons, c’est que nous avons un tel souverain sacrificateur qui s’est assis* à la droite du trône de la majesté dans les cieux, | 1 [Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra, |
| 2 ministre* des lieux saints et du vrai tabernacle que le *Seigneur a dressé, non pas l’homme. | 2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona. |
| — v. 1 : ou : qui est assis. — v. 2 : ici, et vers. 6, voir la note à Romains 15:16. | |
| 3 Car tout souverain sacrificateur est établi pour offrir des dons et des sacrifices ; c’est pourquoi il était nécessaire que celui-ci aussi eût quelque chose à offrir. | 3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy. |
| 4 Si donc il était sur la terre, il ne serait pas sacrificateur, puisqu’il y a ceux qui offrent des dons selon la loi, | 4 Koa raha etỳ ambonin'ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna, |
| 5 lesquels servent la figure et l’ombre des choses célestes : comme Moïse, quand il allait construire le tabernacle, a été averti divinement ; car : «Prends garde», dit-il, «à faire toutes choses selon le modèle qui t’a été montré sur la montagne» [Exode 25:40]. | 5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40). |
| 6 Or maintenant [Christ] a obtenu un ministère* d’autant plus excellent, qu’il est médiateur d’une meilleure alliance qui est établie** sur de meilleures promesses ; | 6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra. |
| 7 car si cette première [alliance] avait été irréprochable, il n’eût jamais été cherché de lieu pour une seconde ; | 7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an'ny faharoa. |
| 8 car, en censurant*, il leur dit : «Voici, des jours viennent, dit le *Seigneur, et je conclurai, pour la maison d’Israël et pour la maison de Juda, une nouvelle alliance, | 8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda, |
| 9 non selon l’alliance que j’ai faite avec leurs pères, au jour où je les pris par la main pour les tirer du pays d’Égypte ; car ils n’ont pas persévéré dans mon alliance, et moi je les ai délaissés, dit le *Seigneur. | 9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah. |
| 10 Car c’est ici l’alliance que j’établirai pour* la maison d’Israël après ces jours-là, dit le *Seigneur : En mettant** mes lois dans leur entendement***, je les écrirai aussi sur leurs cœurs, et je leur serai pour Dieu, et ils me seront pour peuple, | 10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; |
| 11 et ils n’enseigneront point chacun son concitoyen et chacun son frère, disant : Connais le *Seigneur ; car ils me connaîtront tous, depuis le plus petit jusqu’au plus grand d’entre eux ; | 11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; |
| 12 car je serai clément à l’égard de leurs injustices, et je ne me souviendrai plus jamais* de leurs péchés ni de leurs iniquités**» [Jérémie 31:31-34]. | 12 Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" (Jer. 31. 31-34). |
| 13 En disant : «une nouvelle», il a rendu ancienne la première : or ce qui devient ancien et qui vieillit, est près de disparaître. | 13 Amin'ny anaovany hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona. |
| — v. 6* : service officiel, comme Luc 1:23 ; ailleurs administration. — v. 6** : formellement établie, comme par une loi. — v. 8 : ou : en blâmant. — v. 10* : ici, plutôt : à. — v. 10** : litt.: donnant. — v. 10*** : = intelligence, pensée, en opposition aux sentiments (cœur). — v. 12* : ou : absolument plus. — v. 12** : litt.: actes sans loi, sans frein. | |
| Chapitre 9 | Chapitre 9 |
| 1 La première* donc avait aussi des ordonnances pour le culte, et le sanctuaire, un [sanctuaire] terrestre. | 1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany. |
| 2 Car un tabernacle fut construit*, — le premier**, qui est appelé saint, dans lequel était le chandelier, et la table, et la proposition des pains ; | 2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho. |
| 3 et après le second voile, un tabernacle* qui est appelé saint des saints, | 3 Ary ao anatin'ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana masina indrindra," |
| 4 ayant l’encensoir d’or, et l’arche de l’alliance entièrement couverte d’or tout autour, dans laquelle était la cruche d’or qui renfermait la manne, et la verge d’Aaron qui avait bourgeonné, et les tables de l’alliance ; | 4 izay nisy lovia* volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; [* Na: alitara] |
| 5 et, au-dessus de l’arche, des chérubins de gloire ombrageant le propitiatoire ; sur quoi nous n’avons pas à parler dans ce moment en détail. | 5 ary teo ambonin'io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny. |
| — v. 1 : la première alliance. — v. 2* : voir Exode 26. — v. 2** : c. à d. : la première partie, le lieu saint. — v. 3 : c. à d. : la deuxième partie, le lieu très-saint ou saint des saints. | |
| 6 Or ces choses étant ainsi disposées, les sacrificateurs entrent constamment dans le premier tabernacle, accomplissant le service* ; | 6 Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin'ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana. |
| 7 mais, dans le second, le seul souverain sacrificateur, une fois l’an, non sans du sang qu’il offre pour lui-même et pour les fautes* du peuple, | 7 Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana; |
| 8 l’Esprit Saint indiquant ceci : le chemin des lieux saints* n’a pas encore été manifesté, tandis que le premier tabernacle a encore sa place, | 8 koa izany no anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin'ny fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany; |
| 9 lequel est une figure pour le* temps présent, dans lequel sont offerts des dons et des sacrifices qui ne peuvent pas rendre parfait quant à la conscience celui qui rend le culte**, | 9 fanoharana izany amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana |
| 10 [culte qui consiste] seulement en viandes*, en breuvages, en diverses ablutions, ordonnances charnelles imposées jusqu’au temps du redressement**. | 10 (fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana. |
| 11 Mais Christ étant venu, souverain sacrificateur des biens à venir*, par le tabernacle plus grand et plus parfait qui n’est pas fait de main, c’est-à-dire qui n’est pas de cette création, | 11 Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao, |
| 12 et non avec le sang de boucs et de veaux, mais avec son propre sang, est entré une fois pour toutes dans les lieux saints*, ayant obtenu une rédemption éternelle. | 12 ary tsy mba nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay. |
| 13 Car si le sang de boucs et de taureaux, — et la cendre d’une génisse avec laquelle on fait aspersion sur ceux qui sont souillés, — sanctifie pour la pureté de la chair, | 13 Fa raha ny ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo, |
| 14 combien plus le sang du Christ, qui, par l’Esprit éternel, s’est offert lui-même à Dieu sans tache, purifiera-t-il votre conscience des œuvres mortes, pour que vous serviez* le Dieu vivant ! | 14 mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona. |
| 15 Et c’est pourquoi il est médiateur d’une* nouvelle alliance, en sorte que, la mort étant intervenue pour la rançon des transgressions qui étaient sous la première alliance, ceux qui sont appelés reçoivent l’héritage éternel qui a été promis**. | 15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. |
| 16 (Car là où il y a un testament*, il est nécessaire que la mort du testateur intervienne ; | 16 Fa raha misy didim-pananana*, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. [* Na: fanekena] |
| 17 car un testament est valide lorsque la mort est intervenue, puisqu’il n’a pas de force tant que le testateur vit). | 17 Fa mafy ny didim-pananana*, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy. [* Na: fanekena] |
| 18 De là vient qu’aussi la première [alliance] n’a pas été inaugurée sans du sang. | 18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà. |
| 19 Car chaque commandement, pour ce qui concerne la loi, ayant été proclamé par Moïse à tout le peuple, il prit le sang des veaux et des boucs, avec de l’eau et de la laine écarlate et de l’hysope, et en fit aspersion sur le livre lui-même et sur tout le peuple, | 19 Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra; |
| 20 en disant : «C’est ici le sang de l’alliance que Dieu vous a ordonnée» [Exode 24:8]. | 20 dia hoy izy; Ity no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8). |
| 21 Et, de la même manière, il fit aspersion du sang sur le tabernacle aussi et sur tous les ustensiles du service. | 21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. |
| 22 Et presque toutes choses sont purifiées par du sang, selon la loi ; et sans effusion de sang il n’y a pas de rémission. | 22 Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. |
| 23 Il était donc nécessaire que les images des choses qui sont dans les cieux fussent purifiées par de telles choses, mais que les choses célestes elles-mêmes le fussent par de meilleurs sacrifices que ceux-là. | 23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny. |
| 24 Car le Christ n’est pas entré dans des lieux saints* faits de main, copies des vrais, mais dans le ciel même, afin de paraître maintenant pour nous devant la face** de Dieu, | 24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika; |
| 25 — ni, non plus, afin de s’offrir lui-même plusieurs fois, ainsi que le souverain sacrificateur entre dans les lieux saints* chaque année avec un sang autre [que le sien] | 25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa; |
| 26 (puisque [dans ce cas] il aurait fallu qu’il souffrît plusieurs fois depuis la fondation du monde) ; mais maintenant, en la consommation des siècles, il a été manifesté une fois pour l’abolition du péché par son sacrifice*. | 26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany. |
| 27 Et comme il est réservé aux hommes de mourir une fois, — et après cela [le] jugement, | 27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana, |
| 28 ainsi le Christ aussi, ayant été offert une fois pour porter les péchés de plusieurs, apparaîtra une seconde fois, sans péché*, à salut à ceux qui l’attendent. | 28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena. |
| — v. 6 : litt.: les services. — v. 7 : ou : péchés d’ignorance. — v. 8, 12, 24, 25 : ou : lieu très-saint ; mais à présent, le voile étant déchiré, les deux sont un. — v. 9* : ou : jusqu’au. — v. 9**, 14 : rendre culte, ailleurs : servir ; c’est s’approcher de Dieu avec des prières, ou en offrant, en quelque manière que ce soit, un service religieux. — v. 10* : plutôt : aliments. — v. 10** : le temps de la remise en ordre. — v. 11 : des bénédictions que le Christ devait amener. — v. 15 : ou : de la. — v. 15** : litt.: la promesse de l’héritage éternel. — v. 16 : alliance et testament sont le même mot en grec ; proprement : une disposition. — v. 24** : litt.: à la face. — v. 26 : ou : le sacrifice de lui-même. — v. 28 : à part le péché, n’ayant plus rien à faire avec lui. | |
| Chapitre 10 | Chapitre 10 |
| 1 Car la loi, ayant l’ombre des biens à venir, non l’image même des choses, ne peut jamais, par les mêmes sacrifices que l’on offre continuellement chaque année, rendre parfaits ceux qui s’approchent. | 1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. |
| 2 Autrement n’eussent-ils pas cessé d’être offerts, puisque ceux qui rendent le culte, étant une fois purifiés, n’auraient plus eu aucune conscience de péchés ? | 2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy? |
| 3 Mais il y a dans ces [sacrifices], chaque année, un acte remémoratif de péchés. | 3 Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. |
| 4 Car il est impossible que le sang de taureaux et de boucs ôte les péchés. | 4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. |
| 5 C’est pourquoi, en entrant dans le monde, il dit : «Tu n’as pas voulu de sacrifice ni d’offrande, mais tu m’as formé un corps. | 5 Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy; |
| 6 Tu n’as pas pris plaisir aux holocaustes ni aux sacrifices pour le péché ; | 6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; |
| 7 alors j’ai dit : Voici, je viens, — il est écrit de moi dans* le rouleau du livre — pour faire, ô Dieu, ta volonté» [Psaume 40:6-8]. | 7 Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8). |
| 8 Ayant dit plus haut* : «Tu n’as pas voulu de sacrifices, ni d’offrandes, ni d’holocaustes, ni de sacrifices pour le péché, et tu n’y as pas pris plaisir» — lesquels sont offerts selon la loi, | 8 Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao", |
| 9 — alors il dit : «Voici, je viens pour faire ta volonté». Il ôte le premier afin d’établir le second. | 9 dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. |
| 10 C’est par cette volonté que nous avons été sanctifiés, par l’offrande du corps de Jésus Christ [faite] une fois pour toutes. | 10 Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. |
| 11 — Et tout sacrificateur se tient debout chaque jour, faisant le service et offrant souvent les mêmes sacrifices qui ne peuvent jamais ôter les péchés ; | 11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; |
| 12 mais celui-ci, ayant offert un seul sacrifice pour les péchés, s’est assis à perpétuité à la droite de Dieu, | 12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] |
| 13 attendant désormais «jusqu’à ce que ses ennemis soient mis pour marchepied de ses pieds» [Psaume 110:1]. | 13 ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. |
| 14 Car, par une seule offrande, il a rendu parfaits à perpétuité ceux qui sont sanctifiés. | 14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. |
| 15 Et l’Esprit Saint aussi nous en rend témoignage ; car, | 15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: |
| 16 après avoir dit : «C’est ici l’alliance que j’établirai pour eux après ces jours-là, dit le Seigneur : En mettant* mes lois dans leurs cœurs, je les écrirai aussi sur leurs entendements», | 16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," |
| 17 [il dit] : «Et je ne me souviendrai plus jamais* de leurs péchés ni de leurs iniquités**» [Jérémie 31:33-34]. | 17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34). |
| 18 Or, là où il y a rémission de ces choses, il n’y a plus d’offrande pour le péché. | 18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony. |
| — v. 7 : ou : en tête. — v. 8 : ou : auparavant. — v. 16 : litt.: donnant. — v. 17* : ou : absolument plus. — v. 17** : litt.: actes sans loi, sans frein : comme 8:12. | |
| 19 Ayant donc, frères, une pleine liberté pour entrer dans les lieux saints* par le sang de Jésus, | 19 [Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, |
| 20 par le chemin nouveau et vivant qu’il nous a consacré à travers le voile, c’est-à-dire sa chair, | 20 amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, |
| 21 et ayant un grand sacrificateur [établi] sur la maison de Dieu, | 21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, |
| 22 approchons-nous avec un cœur vrai, en pleine assurance de foi, [ayant] les cœurs par aspersion purifiés* d’une mauvaise conscience et le corps lavé** d’eau pure. | 22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy] |
| 23 Retenons la confession de notre* espérance sans chanceler, car celui qui a promis est fidèle ; | 23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); |
| 24 et prenons garde l’un à l’autre pour nous exciter à l’amour et aux bonnes œuvres, | 24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; |
| 25 n’abandonnant pas le rassemblement de nous-mêmes, comme quelques-uns ont l’habitude [de faire], mais nous exhortant [l’un l’autre], et cela d’autant plus que vous voyez le jour approcher. | 25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. |
| 26 Car si nous péchons volontairement après avoir reçu la connaissance de la vérité, il ne reste plus de sacrifice pour les péchés, | 26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, |
| 27 mais une certaine attente terrible de jugement et l’ardeur d’un feu qui va dévorer les adversaires. | 27 fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. |
| 28 Si quelqu’un a méprisé la loi de Moïse, il meurt sans miséricorde sur [la déposition de] deux ou [de] trois témoins : | 28 Izay manohitra ny lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po; |
| 29 d’une punition combien plus sévère pensez-vous que sera jugé digne celui qui a foulé aux pieds le Fils de Dieu, et qui a estimé profane* le sang de l’alliance par lequel il avait été sanctifié, et qui a outragé l’Esprit de grâce ? | 29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? |
| 30 Car nous connaissons celui qui a dit : «À moi la vengeance ; moi je rendrai, dit le *Seigneur» ; et encore : «Le *Seigneur jugera son peuple» [Deutéronome 32:35-36]. | 30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36). |
| 31 C’est une chose terrible que de tomber entre les mains du Dieu vivant ! | 31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona. |
| — v. 19 : voir la note à 9:8. — v. 22* : litt.: quant au cœur, aspergés. — v. 22** : lavé, baigné : il s’agit du corps tout entier ; voir la note à lavé, Jean 13:10. — v. 23 : litt.: l’. — v. 29 : ou : impur. | |
| 32 Mais rappelez dans votre mémoire les jours précédents, dans lesquels, ayant été éclairés, vous avez enduré un grand combat de souffrances, |