| Évangile selon LUC | Lioka |
| Chapitre 1 | Chapitre 1 |
| 1 Puisque plusieurs ont entrepris de rédiger un récit des choses qui sont reçues parmi nous avec une pleine certitude, | 1 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka* tamintsika tokoa[*Na: inoana tokoa amintsika] |
| 2 comme nous les ont transmises ceux qui, dès le commencement, ont été les témoins oculaires et les ministres* de la parole**, | 2 araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory* ny teny hatramin'ny voalohany:[*Gr. mpanompo] |
| 3 il m’a semblé bon à moi aussi, qui ai suivi exactement toutes choses depuis le commencement, très-excellent Théophile, de te [les] écrire par ordre, | 3 dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra*,[*Gr. mahery indrindra; teny fanajana ny lehibe izany] |
| 4 afin que tu connaisses la certitude des choses dont tu as été instruit. | 4 mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao. |
| — v. 2* : ailleurs : serviteur, — serviteur qui a un service spécial. — v. 2** : ou : du Verbe ; voir Jean 1:1. | |
| 5 Aux jours d’Hérode, roi de Judée, il y avait un certain sacrificateur, nommé Zacharie, de la classe d’Abia ; et sa femme était des filles d’Aaron, et son nom était Élisabeth. | 5 Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany. |
| 6 Et ils étaient tous deux justes devant Dieu, marchant dans tous les commandements et dans toutes les ordonnances du *Seigneur, sans reproche. | 6 Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo. |
| 7 Et ils n’avaient pas d’enfant, parce qu’Élisabeth était stérile ; et ils étaient tous deux fort avancés en âge. | 7 Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady. |
| 8 Or il arriva, pendant qu’il exerçait la sacrificature devant Dieu dans l’ordre de sa classe, | 8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony, |
| 9 que, selon la coutume de la sacrificature, le sort lui échut d’offrir le parfum en entrant dans le temple* du *Seigneur. | 9 araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra. |
| 10 Et toute la multitude du peuple priait dehors, à l’heure du parfum. | 10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra. |
| 11 Et un ange du *Seigneur lui apparut, se tenant au côté droit de l’autel du parfum. | 11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra. |
| 12 Et Zacharie, le voyant, fut troublé, et la crainte le saisit. | 12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra. |
| 13 Et l’ange lui dit : Ne crains pas, Zacharie, parce que tes supplications ont été exaucées, et ta femme Élisabeth t’enfantera un fils, et tu appelleras son nom Jean*. | 13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany. |
| 14 Et il sera pour toi un sujet de joie et d’allégresse, et plusieurs se réjouiront de sa naissance ; | 14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany. |
| 15 car il sera grand devant le *Seigneur, et il ne boira ni vin ni cervoise* ; et il sera rempli de l’Esprit Saint déjà dès le ventre de sa mère. | 15 Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza. |
| 16 Et il fera retourner plusieurs des fils d’Israël au *Seigneur leur Dieu. | 16 Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny. |
| 17 Et il ira devant lui dans l’esprit et la puissance d’Élie, pour faire retourner les cœurs des pères vers les enfants, et les désobéissants à* la pensée des justes, pour préparer au *Seigneur un peuple bien disposé. | 17 Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24). |
| 18 Et Zacharie dit à l’ange : Comment connaîtrai-je cela ? car moi, je suis un vieillard, et ma femme est fort avancée en âge. | 18 Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko. |
| 19 Et l’ange, répondant, lui dit : Moi, je suis Gabriel, qui me tiens devant Dieu, et j’ai été envoyé pour te parler et pour t’annoncer ces bonnes nouvelles*. | 19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany. |
| 20 Et voici, tu seras muet et tu ne pourras point parler jusqu’au jour où ces choses arriveront, parce que tu n’as pas cru mes paroles qui s’accompliront en leur temps. | 20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany. |
| 21 Et le peuple attendait Zacharie ; et ils s’étonnaient de ce qu’il tardait tant dans le temple*. | 21 Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly. |
| 22 Et quand il fut sorti, il ne pouvait pas leur parler : et ils reconnurent qu’il avait vu une vision dans le temple* ; et lui-même leur faisait des signes, et il demeura muet. | 22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany. |
| 23 Et il arriva que, quand les jours de son ministère furent accomplis, il s’en alla dans sa maison. | 23 Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy. |
| — v. 9 et 21 et 22 : la maison même ; voir Matthieu 23:16. — v. 13 : en hébreu : l’Éternel a fait grâce. — v. 15 : plutôt : ni aucune boisson fermentée. — v. 17 : ou : selon. — v. 19 : litt.: t’évangéliser ces choses. | |
| 24 Or après ces jours, Élisabeth sa femme conçut, et elle se cacha cinq mois, disant : | 24 Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe: |
| 25 Le *Seigneur m’a ainsi fait aux jours où il m’a regardée, pour ôter mon opprobre parmi les hommes. | 25 Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona. |
| 26 Et au sixième mois, l’ange Gabriel fut envoyé par Dieu dans une ville de Galilée, nommée Nazareth, | 26 Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta, |
| 27 à une vierge, fiancée à un homme dont le nom était Joseph, de la maison de David ; et le nom de la vierge était Marie. | 27 ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria. |
| 28 Et l’ange étant entré auprès d’elle, dit : Je te salue, toi que [Dieu] fait jouir de sa faveur ! Le *Seigneur est avec toi ; tu es bénie entre les femmes. | 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao] |
| 29 Et elle, le voyant, fut troublée à sa parole ; et elle raisonnait en elle-même sur ce que pourrait être cette salutation. | 29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany. |
| 30 Et l’ange lui dit : Ne crains pas, Marie, car tu as trouvé grâce auprès de Dieu. | 30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao. |
| 31 Et voici, tu concevras dans ton ventre, et tu enfanteras un fils, et tu appelleras son nom Jésus. | 31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. |
| 32 Il sera grand et sera appelé le Fils du Très-haut* ; et le *Seigneur Dieu** lui donnera le trône de David son père ; | 32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy; |
| 33 et il régnera sur la maison de Jacob à toujours*, et il n’y aura pas de fin à son royaume. | 33 ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. |
| 34 Et Marie dit à l’ange : Comment ceci arrivera-t-il, puisque je ne connais pas d’homme ? | 34 Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? |
| 35 Et l’ange, répondant, lui dit : L’Esprit Saint viendra sur toi, et la puissance du Très-haut te couvrira de son ombre ; c’est pourquoi aussi la sainte chose qui naîtra sera appelée Fils de Dieu. | 35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao] |
| 36 Et voici, Élisabeth ta parente, elle aussi a conçu un fils dans sa vieillesse, et c’est ici le sixième mois pour celle qui était appelée stérile ; | 36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. |
| 37 car rien ne sera impossible à Dieu. | 37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. |
| 38 Et Marie dit : Voici l’esclave du *Seigneur ; qu’il me soit fait selon ta parole. Et l’ange se retira d’auprès d’elle. | 38 Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely. |
| — v. 32* : Très-haut, hébreu : Élion ; comparer Genèse 14:18. — v. 32** : c. à d. : Jéhovah [l’Éternel] Dieu. — v. 33 : litt.: pour les siècles (ou âges). | |
| 39 Et Marie, se levant en ces jours-là, s’en alla en hâte au pays des montagnes, dans une ville de Juda. | 39 Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda; |
| 40 Et elle entra dans la maison de Zacharie et salua Élisabeth. | 40 ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta. |
| 41 Et il arriva, comme Élisabeth entendait la salutation de Marie, que le petit enfant tressaillit dans son ventre ; et Élisabeth fut remplie de l’Esprit Saint, | 41 Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka* ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[*Na: niantsambotra] |
| 42 et elle s’écria à haute voix et dit : Tu es bénie entre les femmes, et béni est le fruit de ton ventre ! | 42 dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao. |
| 43 Et d’où me vient ceci, que la mère de mon Seigneur vienne vers moi ? | 43 Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho? |
| 44 Car voici, dès que la voix de ta salutation est parvenue à mes oreilles, le petit enfant a tressailli de joie dans mon ventre. | 44 Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko. |
| 45 Et bienheureuse est celle qui a cru ; car il y aura un accomplissement des choses qui lui ont été dites de la part du *Seigneur. | 45 Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao. |
| 46 Et Marie dit : Mon âme magnifie le *Seigneur, | 46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo, |
| 47 et mon esprit s’est réjoui en Dieu mon Sauveur, | 47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy; |
| 48 car il a regardé l’humble état de son esclave ; car voici, désormais toutes les générations me diront bienheureuse ; | 48 Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho. |
| 49 car le Puissant m’a fait de grandes choses, et son nom est saint ; | 49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany. |
| 50 et sa miséricorde est de générations en générations sur ceux qui le craignent. | 50 Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby. |
| 51 Il a agi puissamment par son bras ; il a dispersé les orgueilleux dans la pensée de leur cœur ; | 51 Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy. |
| 52 il a fait descendre les puissants de leurs trônes, et il a élevé les petits ; | 52 Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa. |
| 53 il a rempli de biens ceux qui avaient faim, et il a renvoyé les riches à vide ; | 53 Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina. |
| 54 il a pris la cause d’Israël, son serviteur, pour se souvenir de sa miséricorde | 54 Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony |
| 55 (selon qu’il avait parlé à nos pères) envers Abraham et envers sa semence, à jamais. | 55 (Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay. |
| 56 — Et Marie demeura avec elle environ trois mois ; et elle s’en retourna en sa maison. | 56 Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony. |
| 57 Or le temps où elle devait accoucher fut accompli pour Élisabeth, et elle mit au monde un fils. | 57 Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy. |
| 58 Et ses voisins et ses parents apprirent que le *Seigneur avait magnifié sa miséricorde envers elle, et ils se réjouirent avec elle. | 58 Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo. |
| 59 Et il arriva qu’au huitième jour ils vinrent pour circoncire le petit enfant ; et ils l’appelaient Zacharie, du nom de son père. | 59 Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany. |
| 60 Et sa mère, répondant, dit : Non, mais il sera appelé Jean*. | 60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy. |
| 61 Et ils lui dirent : Il n’y a personne dans ta parenté qui soit appelé de ce nom. | 61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany. |
| 62 Et ils firent signe à son père [qu’il déclarât] comment il voulait qu’il fût appelé. | 62 Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany. |
| 63 Et ayant demandé des tablettes, il écrivit, disant : Jean est son nom. | 63 Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra. |
| 64 Et ils en furent tous étonnés. Et à l’instant sa bouche fut ouverte et sa langue [déliée] ; et il parlait, louant Dieu. | 64 Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra. |
| 65 Et tous leurs voisins furent saisis de crainte ; et on s’entretenait de toutes ces choses par tout le pays des montagnes de la Judée ; | 65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany. |
| 66 et tous ceux qui les entendirent, les mirent dans leur cœur, disant : Que sera donc cet enfant ? Et la main du *Seigneur était avec lui. | 66 Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy. |
| — v. 60 : voir note verset 13. | |
| 67 Et Zacharie, son père, fut rempli de l’Esprit Saint, et prophétisa, disant : | 67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: |
| 68 Béni soit le *Seigneur, le Dieu d’Israël, car il a visité et sauvé* son peuple, | 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, |
| 69 et nous a suscité une corne* de délivrance dans la maison de David son serviteur, | 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy |
| 70 selon ce qu’il avait dit par la bouche de ses saints prophètes, qui ont été de tout temps, | 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), |
| 71 une délivrance de nos ennemis et de la main de tous ceux qui nous haïssent ; | 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; |
| 72 pour accomplir la miséricorde envers nos pères et pour se souvenir de sa sainte alliance, | 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, |
| 73 du serment qu’il a juré à Abraham notre père, | 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, |
| 74 de nous accorder, étant libérés* de la main de nos ennemis, de le servir sans crainte, | 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, |
| 75 en sainteté et en justice devant lui, tous nos jours. | 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. |
| 76 Et toi, petit enfant, tu seras appelé prophète du Très-haut : car tu iras devant la face du *Seigneur pour préparer ses voies, | 76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany. |
| 77 pour donner la connaissance du salut* à son peuple, dans la rémission de leurs péchés, | 77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony, |
| 78 par les entrailles de miséricorde de notre Dieu, selon lesquelles l’Orient* d’en haut nous a visités, | 78 Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[*Na: niposahan'] |
| 79 afin de luire à ceux qui sont assis dans les ténèbres et dans l’ombre de la mort, pour conduire nos pieds dans le chemin de la paix. | 79 Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana. |
| — v. 68 : litt.: opéré la rédemption pour. — v. 69 : emblème de force. — v. 74 : ailleurs : délivrer, comme 1 Thessaloniciens 1:10. — v. 77 : délivrance, versets 69, 71. — v. 78 : proprement : lever, levant ; les Septante rendaient ainsi le Germe de Jérémie 23:5, etc. | |
| 80 Et l’enfant croissait et se fortifiait en esprit ; et il fut dans les déserts jusqu’au jour de sa manifestation* à Israël. | 80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely. |
| — v. 80 : manifestation publique. | |
| Chapitre 2 | Chapitre 2 |
| 1 Or il arriva, en ces jours-là, qu’un décret fut rendu de la part de César Auguste*, [portant] qu’il fût fait un recensement de toute la terre habitée. | 1 Ary tamin'izany andro izany dia nisy didy navoak'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny vahoaka rehetra amin'ny fanjakany. |
| 2 (Le recensement lui-même se fit seulement* lorsque Cyrénius eut le gouvernement de la Syrie). | 2 (Izany no fanoratana voalohany* natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)[*Na: Ny tena fanoratana voalohany anefa dia] |
| 3 Et tous allaient pour être enregistrés, chacun en sa propre ville. | 3 Dia samy nankany amin'ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana. |
| 4 Et Joseph aussi monta de Galilée, de la ville de Nazareth, en Judée, dans la ville* de David qui est appelée Bethléhem, parce qu’il était de la maison et de la famille de David, | 4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny), |
| 5 pour être enregistré avec Marie, la femme qui lui était fiancée, laquelle était enceinte. | 5 mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka. |
| 6 Et il arriva, pendant qu’ils étaient là, que les jours où elle devait accoucher s’accomplirent ; | 6 Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany. |
| 7 et elle mit au monde son fils premier-né, et l’emmaillota, et le coucha dans la crèche, parce qu’il n’y avait pas de place pour eux dans l’hôtellerie. | 7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny. |
| — v. 1 : le premier empereur de Rome. — v. 2 : litt.: premièrement. — v. 4 : ou : une ville. | |
| 8 Et il y avait dans la même contrée des bergers demeurant aux champs, et gardant leur troupeau durant les veilles de la nuit. | 8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. |
| 9 Et voici, un ange du *Seigneur se trouva avec eux, et la gloire du *Seigneur resplendit autour d’eux ; et ils furent saisis d’une fort grande peur. | 9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. |
| 10 Et l’ange leur dit : N’ayez point de peur, car voici, je vous annonce un grand sujet de joie* qui sera pour tout le peuple ; | 10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; |
| 11 car aujourd’hui, dans la cité de David, vous est né un sauveur, qui est le Christ, le Seigneur. | 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. |
| 12 Et ceci en est le signe pour vous, c’est que vous trouverez un petit enfant emmailloté et couché dans une crèche. | 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona; |
| 13 Et soudain il y eut avec l’ange une multitude de l’armée céleste, louant Dieu, et disant : | 13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: |
| 14 Gloire à Dieu dans les lieux très-hauts ; et sur la terre, paix ; et bon plaisir dans les hommes ! | 14 Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona] |
| 15 Et il arriva, lorsque les anges s’en furent allés d’avec eux au ciel, que les bergers dirent entre eux : Allons donc jusqu’à Bethléhem, et voyons cette chose qui est arrivée que le *Seigneur nous a fait connaître. | 15 Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika. |
| 16 Et ils allèrent en hâte, et ils trouvèrent Marie et Joseph, et le petit enfant couché dans la crèche. | 16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona. |
| 17 Et l’ayant vu, ils divulguèrent la* parole qui leur avait été dite touchant ce petit enfant. | 17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. |
| 18 Et tous ceux qui l’ouïrent s’étonnèrent des choses qui leur étaient dites par les bergers. | 18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy. |
| 19 Et Marie gardait toutes ces choses par devers elle, les repassant dans son cœur. | 19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. |
| 20 Et les bergers s’en retournèrent, glorifiant et louant Dieu de toutes les choses qu’ils avaient entendues et vues, selon qu’il leur en avait été parlé. | 20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy. |
| — v. 10 : litt.: je vous évangélise une grande joie. — v. 17 : litt.: touchant la. | |
| 21 Et quand huit jours furent accomplis pour le circoncire, son nom fut appelé Jésus, nom duquel il avait été appelé par l’ange avant qu’il fût conçu dans le ventre. | 21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy. |
| 22 Et quand les jours de leur purification, selon la loi de Moïse, furent accomplis, ils le portèrent à Jérusalem, pour le présenter au *Seigneur | 22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo |
| 23 (selon qu’il est écrit dans la loi du *Seigneur, que tout mâle qui ouvre la matrice sera appelé saint au *Seigneur)*, | 23 araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2) |
| 24 et pour offrir un sacrifice, selon ce qui est prescrit dans la loi du *Seigneur, une paire de tourterelles ou deux jeunes colombes*. | 24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8). |
| — v. 23, 24 : voir Exode 13:2, 12, 15 ; Lévitique 12. | |
| 25 Et voici, il y avait à Jérusalem un homme dont le nom était Siméon ; et cet homme était juste et pieux, et il attendait la consolation d’Israël ; et l’Esprit Saint était sur lui. | 25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. |
| 26 Et il avait été averti divinement par l’Esprit Saint qu’il ne verrait pas la mort, que premièrement il n’eût vu le Christ du *Seigneur. | 26 Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. |
| 27 Et il vint par l’Esprit dans le temple ; et comme les parents apportaient le petit enfant Jésus pour faire à son égard selon l’usage de la loi, | 27 Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza, |
| 28 il* le prit entre ses bras et bénit Dieu et dit : | 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: |
| 29 Maintenant, Seigneur*, tu laisses aller ton esclave en paix selon ta parole ; | 29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao; |
| 30 car mes yeux ont vu ton salut*, | 30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, |
| 31 lequel tu as préparé devant la face de tous les peuples : | 31 Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra, |
| 32 une lumière pour la révélation des nations, et la gloire de ton peuple Israël. | 32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao. |
| 33 Et son père et sa mère s’étonnaient des choses qui étaient dites de lui. | 33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy. |
| 34 Et Siméon les bénit et dit à Marie sa mère : Voici, celui-ci est mis pour la chute et le relèvement de plusieurs en Israël, et pour un signe que l’on contredira | 34 Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina |
| 35 (et même une épée transpercera ta propre âme), en sorte que les pensées de plusieurs cœurs soient révélées. | 35 ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro. |
| — v. 28 : ou : lui aussi. — v. 29 : maître d’un esclave ; ailleurs : souverain. — v. 30 : plutôt ce qui sauve que le salut en lui-même ; comparer 3:6 et Actes 28:28. | |
| 36 Et il y avait Anne, une prophétesse, fille de Phanuel, de la tribu d’Aser (elle était fort avancée en âge, ayant vécu avec un mari sept ans depuis sa virginité, | 36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy, |
| 37 et veuve d’environ *quatre-vingt-quatre ans), qui ne quittait pas le temple, servant [Dieu] en jeûnes et en prières, nuit et jour ; | 37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina. |
| 38 celle-ci, survenant en ce même moment, louait le *Seigneur, et parlait de lui à tous ceux qui, à Jérusalem, attendaient la délivrance*. | 38 Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema. |
| — v. 37 : plusieurs lisent : jusqu’à. — v. 38 : ou : la rédemption. | |
| 39 Et quand ils eurent tout accompli selon la loi du *Seigneur, ils s’en retournèrent en Galilée, à Nazareth, leur ville. | 39 Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany. |
| 40 Et l’enfant croissait et se fortifiait, étant rempli de sagesse ; et la faveur de Dieu était sur lui. | 40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy. |
| 41 Et ses parents allaient chaque année à Jérusalem, à la fête de Pâque. | 41 Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska. |
| 42 Et quand il eut douze ans, comme ils étaient montés à Jérusalem, selon la coutume de la fête, | 42 Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana. |
| 43 et qu’ils avaient accompli les jours [de la fête], comme ils s’en retournaient, l’enfant Jésus demeura dans Jérusalem ; et ses parents ne le savaient pas. | 43 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany; |
| 44 Mais croyant qu’il était dans la troupe des voyageurs, ils marchèrent le chemin d’un jour et le cherchèrent parmi leurs parents et leurs connaissances ; | 44 ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany. |
| 45 et ne le trouvant pas, ils s’en retournèrent à Jérusalem à sa recherche. | 45 Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy. |
| 46 Et il arriva qu’après trois jours ils le trouvèrent dans le temple, assis au milieu des docteurs, les écoutant et les interrogeant. | 46 Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. |
| 47 Et tous ceux qui l’entendaient s’étonnaient de son intelligence et de ses réponses. | 47 Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. |
| 48 Et quand ils le virent, ils furent frappés d’étonnement, et sa mère lui dit : Mon enfant, pourquoi nous as-tu fait ainsi ? Voici, ton père et moi nous te cherchions, étant en grande peine. | 48 Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao! |
| 49 Et il leur dit : Pourquoi me cherchiez-vous ? Ne saviez-vous pas qu’il me faut être aux affaires de mon Père ? | 49 Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na: eto amin'ny raharahan'] |
| 50 Et ils ne comprirent pas la parole qu’il leur disait. | 50 Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy. |
| 51 Et il descendit avec eux, et vint à Nazareth, et leur était soumis. Et sa mère conservait toutes ces paroles dans son cœur. | 51 Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony. |
| 52 Et Jésus avançait en sagesse et en stature, et en faveur auprès de Dieu et des hommes. | 52 Ary Jesosy nitombo saina sy tena* sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.[*Na: taona] |
| Chapitre 3 | Chapitre 3 |
| 1 Or, en la quinzième année du règne de Tibère César, Ponce Pilate étant gouverneur de la Judée, et Hérode tétrarque de la Galilée, et Philippe son frère tétrarque de l’Iturée et de la contrée de Trachonite, et Lysanias tétrarque de l’Abilène, | 1 Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena, |
| 2 sous la souveraine sacrificature d’Anne et de Caïphe, la parole de Dieu vint à Jean, le fils de Zacharie, au désert. | 2 ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra. |
| 3 Et il alla dans tout le pays des environs du Jourdain, prêchant le baptême de repentance en rémission de péchés ; | 3 Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka; |
| 4 comme il est écrit au livre des paroles d’Ésaïe le prophète : «Voix de celui qui crie dans le désert : Préparez le chemin du *Seigneur, faites droits ses sentiers. | 4 araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany. |
| 5 Toute vallée sera comblée, et toute montagne et toute colline sera abaissée, et les choses tortues seront rendues droites, et les [sentiers] raboteux deviendront des sentiers unis ; | 5 Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina; |
| 6 et toute chair verra le salut* de Dieu» [Ésaïe 40:3-5]. | 6 Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5). |
| 7 Il disait donc aux foules qui sortaient pour être baptisées par lui : Race de vipères, qui vous a avertis de fuir la colère qui vient ? | 7 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? |
| 8 Produisez donc des fruits qui conviennent à la repentance ; et ne vous mettez pas à dire en vous-mêmes : Nous avons Abraham pour père ; car je vous dis que Dieu peut, de ces pierres, susciter des enfants à Abraham. | 8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. |
| 9 Et déjà même la cognée est mise à la racine des arbres ; tout arbre donc qui ne produit pas de bon fruit, est coupé et jeté au feu. | 9 Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo. |
| 10 Et les foules l’interrogèrent, disant : Que faut-il donc que nous fassions ? | 10 Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay? |
| 11 Et répondant, il leur dit : Que celui qui a deux tuniques en donne à celui qui n’en a point, et que celui qui a des vivres fasse de même. | 11 Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy. |
| 12 Et des publicains vinrent aussi pour être baptisés ; et ils lui dirent : Maître*, que faut-il que nous fassions ? | 12 Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay? |
| 13 Et il leur dit : Ne percevez rien au delà de ce qui vous est ordonné. | 13 Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo. |
| 14 Et des gens de guerre l’interrogèrent aussi, disant : Et nous, que faut-il que nous fassions ? Et il leur dit : Ne commettez pas d’extorsions, ni n’accusez faussement personne, et contentez-vous de vos gages. | 14 Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo. |
| 15 — Et comme le peuple était dans l’attente, et que tous raisonnaient dans leurs cœurs à l’égard de Jean si lui ne serait point le Christ, | 15 Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia, |
| 16 Jean répondait à tous, disant : Moi, je vous baptise avec de l’eau ; mais il vient, celui qui est plus puissant que moi, duquel je ne suis pas digne de délier la courroie des sandales : lui vous baptisera de* l’Esprit Saint et de feu. | 16 dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; |
| 17 Il a son van dans sa main, et il nettoiera entièrement son aire et assemblera le froment dans son grenier, mais il brûlera la balle au feu inextinguible. | 17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina. |
| 18 Et faisant aussi plusieurs autres exhortations, il évangélisait donc le peuple ; | 18 Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona. |
| 19 mais Hérode le tétrarque, étant repris par lui au sujet d’Hérodias, la femme de son frère, et à cause de toutes les choses méchantes qu’Hérode avait faites, | 19 Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony, |
| 20 ajouta encore à toutes les autres celle de mettre Jean en prison. | 20 dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa. |
| — v. 6 : voir note à 2:30. — v. 12 : celui qui enseigne, docteur (ici, et ailleurs souvent). — v. 16 : en, dans la puissance de. | |
| 21 Et il arriva que, comme tout le peuple était baptisé, Jésus aussi étant baptisé et priant, le ciel s’ouvrit ; | 21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; |
| 22 et l’Esprit Saint descendit sur lui sous une forme corporelle, comme une colombe ; et il y eut une voix qui venait du ciel : Tu es mon Fils bien-aimé ; en toi j’ai trouvé mon plaisir. | 22 ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. |
| 23 Et Jésus lui-même commençait d’avoir environ trente ans*, étant, comme on l’estimait, fils de Joseph : d’Héli, | 23 Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely, |
| 24 de Matthat, de Lévi, de Melchi, de Janna, de Joseph, | 24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa, |
| 25 de Mattathie, d’Amos, de Nahum, d’Esli, de Naggé, | 25 zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay, |
| 26 de Maath, de Mattathie, de Séméi, de Joseph, de Juda, | 26 zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda, |
| 27 de Johanna, de Rhésa, de Zorobabel, de Salathiel, de Néri, | 27 zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela*, zanak'i Nery,[*Gr. Salatiela] |
| 28 de Melchi, d’Addi, de Cosam, d’Elmodam, d’Er, | 28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era, |
| 29 de José, d’Éliézer, de Jorim, de Matthat, de Lévi, | 29 zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy, |
| 30 de Siméon, de Juda, de Joseph, de Jonan, d’Éliakim, | 30 zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, |
| 31 de Méléa, de Maïnan, de Mattatha, de Nathan, de David, | 31 zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida, |
| 32 de Jessé, d’Obed, de Booz, de Salmon, de Naasson, | 32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona, |
| 33 d’Aminadab, d’Aram, d’Esrom, de Pharès, de Juda, | 33 zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny*, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[*Na: (Arama)] |
| 34 de Jacob, d’Isaac, d’Abraham, de Thara, de Nachor, | 34 zanak'i Jakoba, zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora, |
| 35 de Seruch, de Ragaü, de Phalek, d’Éber, de Sala, | 35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela, |
| 36 de Caïnan, d’Arphaxad, de Sem, de Noé, de Lamech, | 36 zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, |
| 37 de Mathusala, d’Énoch, de Jared, de Maléléel, de Caïnan, | 37 zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, |
| 38 d’Énos, de Seth, d’Adam, de Dieu. | 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra. |
| — v. 23 : ou : lui-même avait environ trente ans, au début de son ministère. | |
| Chapitre 4 | Chapitre 4 |
| 1 Or Jésus, plein de l’Esprit Saint, s’en retourna du Jourdain et fut mené par* l’Esprit dans le désert, | 1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy |
| 2 étant tenté par le diable quarante jours. Et il ne mangea rien pendant ces jours-là ; et lorsqu’ils furent accomplis, il eut faim. | 2 ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. |
| 3 Et le diable lui dit : Si tu es Fils de Dieu, dis à cette pierre qu’elle devienne du pain. | 3 Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. |
| 4 Et Jésus lui répondit, disant : Il est écrit que «l’homme ne vivra pas de pain seulement, mais de toute parole de Dieu» [Deutéronome 8:3]. | 4 Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). |
| — v. 1 : en, dans la puissance de. | |
| 5 Et le diable, le menant sur une haute montagne, lui montra, en un instant, tous les royaumes de la terre habitée. | 5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. |
| 6 Et le diable lui dit : Je te donnerai toute cette autorité et la gloire de ces royaumes* ; car elle m’a été donnée, et je la donne à qui je veux. | 6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; |
| 7 Si donc tu te prosternes* devant moi, elle sera toute à toi. | 7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. |
| 8 Et Jésus, lui répondant, dit : Il est écrit : «Tu rendras hommage au *Seigneur ton Dieu, et tu le serviras lui seul» [Deutéronome 6:13]. | 8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20). |
| — v. 6 : litt.: leur gloire. — v. 7 : prosterner, ailleurs : rendre hommage. | |
| 9 Et il l’amena à Jérusalem, et le plaça sur le faîte du temple et lui dit : Si tu es Fils de Dieu, jette-toi d’ici en bas ; | 9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; |
| 10 car il est écrit : «Il donnera des ordres à ses anges à ton sujet, pour te garder ; | 10 fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; |
| 11 et ils te porteront sur leurs mains, de peur que tu ne heurtes ton pied contre une pierre» [Psaume 91:11-12]. | 11 Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). |
| 12 Et Jésus, répondant, lui dit : Il est dit : «Tu ne tenteras pas le *Seigneur ton Dieu» [Deutéronome 6:16]. | 12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). |
| 13 Et ayant accompli toute tentation, le diable se retira d’avec lui pour un temps*. | 13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. |
| — v. 13 : jusqu’à un [autre] temps. | |
| 14 Et Jésus s’en retourna en Galilée, dans la puissance de l’Esprit ; et sa renommée se répandit par tout le pays d’alentour. | 14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. |
| 15 Et lui-même enseignait dans leurs synagogues, étant glorifié par tous. | 15 Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra. |
| 16 Et il vint à Nazareth où il avait été élevé* ; et il entra dans la synagogue au jour du sabbat, selon sa coutume, et se leva pour lire. | 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. |
| 17 Et on lui donna le livre du prophète Ésaïe ; et ayant déployé le livre, il trouva le passage où il était écrit : | 17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: |
| 18 «L’Esprit du *Seigneur est sur moi, parce qu’il m’a oint pour annoncer de bonnes nouvelles* aux pauvres ; | 18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, |
| 19 il m’a envoyé pour publier aux captifs la délivrance*, et aux aveugles le recouvrement de la vue ; pour renvoyer libres ceux qui sont foulés, et pour publier l’an agréable du Seigneur» [Ésaïe 61:1-2]. | 19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2). |
| 20 Et ayant ployé le livre, et l’ayant rendu à celui qui était de service*, il s’assit ; et les yeux de tous ceux qui étaient dans la synagogue étaient arrêtés sur lui. | 20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga. |
| 21 Et il se mit à leur dire : Aujourd’hui cette écriture est accomplie, vous l’entendant*. | 21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. |
| 22 Et tous lui rendaient témoignage, et s’étonnaient des paroles de grâce qui sortaient de sa bouche, et ils disaient : Celui-ci n’est-il pas le fils de Joseph ? | 22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity? |
| 23 Et il leur dit : Assurément vous me direz cette parabole : Médecin, guéris-toi toi-même ; fais ici aussi dans ton pays toutes les choses que nous avons ouï dire qui ont été faites à Capernaüm. | 23 Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa. |
| 24 Et il dit : En vérité, je vous dis qu’aucun prophète n’est reçu dans son pays. | 24 Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny. |
| 25 Et, en vérité, je vous dis qu’il y avait plusieurs veuves en Israël, aux jours d’Élie, lorsque le ciel fut fermé trois ans et six mois, de sorte qu’il y eut une grande famine par tout le pays ; | 25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro* telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;[*Gr.nirindrina ny lanitra] |
| 26 et Élie ne fut envoyé vers aucune d’elles, sinon à Sarepta de la Sidonie vers une femme veuve*. | 26 nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena. |
| 27 Et il y avait plusieurs lépreux en Israël au temps d’Élisée le prophète ; et aucun d’eux ne fut rendu net, sinon Naaman, le Syrien*. | 27 Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany. |
| 28 Et ils furent tous remplis de colère dans la synagogue en entendant ces choses ; | 28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany, |
| 29 et s’étant levés, ils le chassèrent hors de la ville, et le menèrent jusqu’au bord escarpé de la montagne sur laquelle leur ville était bâtie, de manière à l’en précipiter. | 29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana. |
| 30 Mais lui, passant au milieu d’eux, s’en alla. | 30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha. |
| — v. 16 : litt.: nourri. — v. 18 : ailleurs : évangéliser. — v. 19 : plutôt : libération. — v. 20 : voir note à 1:2. — v. 21 : litt.: dans vos oreilles. — v. 26 : voir 1 Rois 17. — v. 27 : voir 2 Rois 5. | |
| 31 Et il descendit à Capernaüm, ville de Galilée, et il les enseignait au jour de sabbat. | 31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata. |
| 32 Et ils s’étonnaient de sa doctrine, parce que sa parole était avec autorité. | 32 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny. |
| 33 Et il y avait dans la synagogue un homme qui avait un esprit de démon immonde ; et il s’écria à haute voix, | 33 Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy |
| 34 disant : Ha* ! qu’y a-t-il entre nous et toi, Jésus Nazarénien ? Es-tu venu pour nous détruire ? Je te connais, qui tu es** : le Saint de Dieu. | 34 ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. |
| 35 Et Jésus le tança, disant : Tais-toi, et sors de lui. Et le démon, l’ayant jeté au milieu [de tous], sortit de lui sans lui avoir fait aucun mal. | 35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy. |
| 36 Et ils furent tous saisis d’étonnement, et ils parlaient entre eux, disant : Quelle parole est celle-ci ? car il commande avec autorité et puissance aux esprits immondes, et ils sortent. | 36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo. |
| 37 Et sa renommée se répandait dans tous les lieux d’alentour. | 37 Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany. |
| — v. 34* : ici, expression de mécontentement, comme Marc 1:24. — v. 34** : c. à d. : Je sais qui tu es. | |
| 38 Et s’étant levé, [il sortit] de la synagogue et entra dans la maison de Simon. Et la belle-mère de Simon était prise d’une grosse fièvre, et on le pria pour elle. | 38 Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy. |
| 39 Et s’étant penché sur elle, il tança la fièvre, et [la fièvre] la quitta ; et à l’instant s’étant levée, elle les servit. | 39 Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo. |
| 40 Et comme le soleil se couchait, tous ceux qui avaient des infirmes atteints de diverses maladies, les lui amenèrent ; et ayant imposé les mains à chacun d’eux, il les guérit. | 40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy. |
| 41 Et les démons aussi sortaient de plusieurs, criant et disant : Tu es le Fils de Dieu. Et, les tançant, il ne leur permettait pas de parler, parce qu’ils savaient qu’il était le Christ. | 41 Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy. |
| 42 Et quand il fut jour, il sortit et s’en alla en un lieu désert ; et les foules le recherchaient et vinrent jusqu’à lui ; et elles le retenaient, afin qu’il ne s’en allât point d’auprès d’elles. | 42 Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy. |
| 43 Mais il leur dit : Il faut que j’annonce* le royaume de Dieu aux autres villes aussi ; car j’ai été envoyé pour cela. | 43 Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy. |
| 44 Et il prêchait dans les synagogues de la Galilée. | 44 Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia. |
| — v. 43 : litt.: évangélise, c. à d. que j’annonce la bonne nouvelle du royaume. | |
| Chapitre 5 | Chapitre 5 |
| 1 Or il arriva, comme la foule se jetait sur lui pour entendre la parole de Dieu, qu’il se tenait sur le bord du lac de Génésareth. | 1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; |
| 2 Et il vit deux nacelles qui étaient au bord du lac. Or les pêcheurs en étaient descendus et lavaient leurs filets. | 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. |
| 3 Et montant dans l’une des nacelles qui était à Simon, il le pria de s’éloigner un peu de terre ; et, s’étant assis, il enseignait les foules de dessus la nacelle. | 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. |
| 4 Et quand il eut cessé de parler, il dit à Simon : Mène en pleine eau, et lâchez vos filets pour la pêche. | 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. |
| 5 Et Simon, répondant, lui dit : Maître*, nous avons travaillé toute la nuit, et nous n’avons rien pris ; mais sur ta parole je lâcherai le filet. | 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. |
| 6 Et ayant fait cela, ils enfermèrent une grande quantité de poissons, et leur filet se rompait. | 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. |
| 7 Et ils firent signe à leurs compagnons qui étaient dans l’autre nacelle de venir les aider ; et ils vinrent et remplirent les deux nacelles, de sorte qu’elles enfonçaient. | 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. |
| 8 Et Simon Pierre, ayant vu cela, se jeta aux genoux de Jésus, disant : Seigneur, retire-toi de moi, car je suis un homme pécheur. | 8 Ary rehefa hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho. |
| 9 Car la frayeur l’avait saisi, lui et tous ceux qui étaient avec lui, à cause de la prise de poissons qu’ils venaient de faire ; | 9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony. |
| 10 de même que Jacques et Jean aussi, fils de Zébédée, qui étaient associés de Simon. Et Jésus dit à Simon : Ne crains pas ; dorénavant tu prendras des hommes. | 10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i Simona. Dia hoy Jesosy tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. |
| 11 Et ayant mené les nacelles à terre, ils quittèrent tout et le suivirent. | 11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an'i Jesosy. |
| — v. 5 : celui qui est au-dessus des autres. | |
| 12 Et il arriva, comme il était dans une des villes, que voici un homme plein de lèpre ; et voyant Jésus, il se jeta sur sa face et le supplia, disant : Seigneur, si tu veux, tu peux me rendre net. | 12 Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. |
| 13 Et étendant la main, il le toucha, disant : Je veux, sois net. Et aussitôt la lèpre se retira de lui. | 13 Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay. |
| 14 Et il lui commanda de ne le dire à personne : mais va et montre-toi au sacrificateur, et offre pour ta purification selon ce que Moïse a ordonné*, pour que cela leur serve de témoignage. | 14 Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. |
| 15 Et sa renommée se répandait de plus en plus ; et de grandes foules s’assemblèrent pour l’entendre et pour être guéries de leurs infirmités ; | 15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin'ny aretiny. |
| 16 mais lui, se tenait retiré dans les déserts et priait. | 16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka. |
| — v. 14 : voir Lévitique 14. | |
| 17 Et il arriva, l’un de ces jours*, qu’il enseignait. Et des pharisiens et des docteurs de la loi, qui étaient venus de chaque bourgade de Galilée, et de Judée, et de Jérusalem, étaient assis [là], et la puissance du *Seigneur était [là] pour les guérir. | 17 Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany. |
| 18 Et voici des hommes portant sur un lit un homme qui était paralysé ; et ils cherchaient à l’introduire et à le mettre devant lui. | 18 Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany. |
| 19 Et ne trouvant pas par quel moyen ils pourraient l’introduire, à cause de la foule, ils montèrent sur le toit et le descendirent par les tuiles, avec son petit lit, au milieu, devant Jésus. | 19 Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy. |
| 20 Et voyant leur foi, il dit : Homme, tes péchés te sont pardonnés. | 20 Ary raha hitan'i Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao. |
| 21 Et les scribes et les pharisiens se mirent à raisonner, disant : Qui est celui-ci qui profère des blasphèmes ? Qui peut pardonner les péchés, si ce n’est Dieu seul ? | 21 Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy* Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9.3] |
| 22 Et Jésus, connaissant leurs pensées, répondant, leur dit : Pourquoi raisonnez-vous dans vos cœurs ? | 22 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? |
| 23 Lequel est le plus facile, de dire : Tes péchés te sont pardonnés, ou de dire : Lève-toi et marche ? | 23 Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana? |
| 24 Or, afin que vous sachiez que le fils de l’homme a le pouvoir sur la terre de pardonner les péchés (il dit au paralytique) : Je te dis, lève-toi, et, prenant ton petit lit, va dans ta maison. | 24 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. |
| 25 Et à l’instant, s’étant levé devant eux, il prit [le lit] sur lequel il était couché, et s’en alla dans sa maison, glorifiant Dieu. | 25 Ary tamin'izay dia nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an'Andriamanitra. |
| 26 Et ils furent tous saisis d’étonnement, et glorifiaient Dieu ; et ils furent remplis de crainte, disant : Nous avons vu aujourd’hui des choses étranges. | 26 Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany. |
| — v. 17 : litt.: un des jours. | |