Le  LIVRE  du  PROPHÈTE  DANIEL Daniela
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 La troisième année* du règne de Jehoïakim, roi de Juda, Nebucadnetsar, roi de Babylone, vint à Jérusalem et l’assiégea ; 1 [Ny amin'i Daniela sy ny namany telo lahy] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, no nankanesan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2 et le Seigneur livra en sa main Jehoïakim, roi de Juda, et une partie des ustensiles de la maison de Dieu, et il les fit apporter dans le pays de Shinhar, dans la maison de son dieu : il fit porter les ustensiles dans la maison du trésor de son dieu. 2 Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
— v. 1 : date : A.C. 607.  
3 Et le roi dit à Ashpenaz, chef de ses eunuques, d’amener d’entre les fils d’Israël, et de la semence royale et d’entre les nobles, 3 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,
4 des jeunes gens en qui il n’y eût aucun défaut, et beaux de visage, et instruits en toute sagesse, et possédant des connaissances, et entendus en science, et qui fussent capables de se tenir dans le palais du roi, — et de leur enseigner les lettres et la langue des Chaldéens. 4 dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
5 Et le roi leur assigna, pour chaque jour, une portion fixe des mets délicats du roi et du vin qu’il buvait, pour les élever pendant trois ans, à la fin desquels ils se tiendraient devant le roi. 5 Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an'ireo isan'andro avy tamin'ny haniny sy avy tamin'ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka izy.
   
6 Et parmi eux il y avait, d’entre les fils de Juda, Daniel, Hanania, Mishaël, et Azaria ; 6 Ary tamin'ireo dia nisy avy amin'ny taranak'i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7 et le prince des eunuques leur donna des noms : à Daniel il donna [le nom de] Belteshatsar, et à Hanania celui de Shadrac, et à Mishaël celui de Méshac, et à Azaria celui d’Abed-Nego. 7 Ary izy ireo nomen'ny lehiben'ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
8 Et Daniel arrêta dans son cœur qu’il ne se souillerait point par les mets délicats du roi et par le vin qu’il buvait ; et il demanda au prince des eunuques [de lui permettre] de ne pas se souiller. 8 Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
   
9 Et Dieu fit trouver à Daniel faveur et grâce auprès du prince des eunuques. 9 Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.
10 Et le prince des eunuques dit à Daniel : Je crains le roi mon seigneur, qui a prescrit votre nourriture et votre boisson ; car pourquoi verrait-il vos visages plus tristes que ceux des jeunes gens de votre âge ? Et vous exposeriez ma tête auprès du roi. 10 Ary hoy ilay lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin'ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11 Et Daniel dit à l’intendant* que le prince des eunuques avait établi sur Daniel, Hanania, Mishaël et Azaria : 11 Dia hoy Daniela tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12 Éprouve, je te prie, tes serviteurs dix jours, et qu’on nous donne des légumes à manger, et de l’eau à boire ; 12 Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
13 et on regardera, en ta présence, nos visages et le visage des jeunes gens qui mangent les mets délicats du roi ; et tu agiras avec tes serviteurs d’après ce que tu verras. 13 Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao.
14 Et il les écouta dans cette affaire, et les mit à l’épreuve, dix jours ; 14 Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15 et, au bout de dix jours, leurs visages avaient meilleure apparence et étaient plus gras* que ceux de tous les jeunes gens qui mangeaient les mets délicats du roi. 15 Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.
16 Alors l’intendant ôta leurs mets délicats et le vin de leur boisson, et leur donna des légumes. 16 Dia najanon'ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
— v. 11 : ou : à Meltsar. — v. 15 : litt.: gras de chair.  
17 Et à ces jeunes gens, aux quatre, Dieu donna de la science et de l’instruction dans toutes les lettres et dans toute la sagesse ; et Daniel avait de l’intelligence en toute vision et dans les songes. 17 Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra.
18 Et, à la fin des jours où le roi avait dit de les amener, le prince des eunuques les amena devant Nebucadnetsar ; 18 Ary nony tonga ny andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy.
19 et le roi parla avec eux, et entre eux tous il n’en fut trouvé aucun comme Daniel, Hanania, Mishaël et Azaria ; et ils se tinrent devant le roi. 19 Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
20 Et dans toutes les choses qui réclamaient de la sagesse et de l’intelligence*, au sujet desquelles le roi les interrogea, il les trouva dix fois supérieurs à tous les devins** [et] enchanteurs qui étaient dans tout son royaume. 20 Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.
21 Et Daniel fut là jusqu’à la première année du roi Cyrus.* 21 Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.
— v. 20* : litt.: toute chose de sagesse d’intelligence. — v. 20** : ou : scribes, comme Genèse 41:8, 24. — v. 21 : date : A.C. 536.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et en la seconde année du règne de Nebucadnetsar,* Nebucadnetsar songea des songes, et son esprit fut agité, et son sommeil le quitta. 1 [Ny nofin'i Nebokadnezara, sy ny nilazan'i Daniela ny hevitr'izany] Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
2 Et le roi commanda d’appeler les devins, et les enchanteurs, et les magiciens, et les Chaldéens, pour exposer au roi ses songes ; et ils vinrent et se tinrent devant le roi. 2 Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin'ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka.
3 Et le roi leur dit : J’ai songé un songe, et mon esprit est agité pour connaître le songe. 3 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
4 Et les Chaldéens dirent au roi, en syriaque*: Ô roi, vis à jamais ! Dis le songe à tes serviteurs, et nous en indiquerons l’interprétation. 4 Dia niteny tamin'ny mpanjaka amin'ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
5 Le roi répondit et dit aux Chaldéens : La chose est par moi prononcée : si vous ne me faites pas connaître le songe et son interprétation, vous serez mis en pièces, et vos maisons seront réduites en tas d’immondices ; 5 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin'ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho*; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.[Na: efa hadinoko ilay nonofisiko]
6 mais, si vous indiquez le songe et son interprétation, vous recevrez de ma part des dons, et des présents, et de grands honneurs. Indiquez-moi donc le songe et son interprétation. 6 Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin'ny heviny.
7 Ils répondirent pour la seconde fois et dirent : Que le roi dise le songe à ses serviteurs et nous en indiquerons l’interprétation. 7 Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
8 Le roi répondit et dit : Je sais très-certainement que vous voulez gagner du* temps, parce que vous voyez que la chose est par moi prononcée ; 8 Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1
9 or, si vous ne me faites pas connaître le songe, il y a un seul et même décret pour vous ; car vous avez préparé une parole mensongère et perverse pour la dire devant moi, en attendant que le temps ait changé. C’est pourquoi, dites-moi le songe, et je saurai que vous pouvez m’en indiquer l’interprétation. 9 Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety*; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny andro]
10 Les Chaldéens répondirent devant le roi et dirent : Il n’existe pas un homme sur la terre qui puisse indiquer la chose que le roi demande* ; c’est pourquoi aucun roi, quelque grand et puissant qu’il fût, n’a demandé chose pareille d’aucun devin, ou enchanteur, ou Chaldéen ; 10 Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin*'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin']
11 et la chose que le roi demande est difficile, et il n’existe personne qui puisse l’indiquer devant le roi, excepté les dieux*, dont la demeure n’est pas avec la chair. 11 Ary sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo.
— v. 1 : date : A.C. 605. — v. 4 : ou : araméen. — v. 8 : litt.: acheter le. — v. 10 : litt.: la chose du roi. — v. 11 : chaldéen : Élah, ici, au pluriel, — voir la note à Esdras 4:24. Les chapitres 2:4 à 7:28 sont écrits en araméen et ont toujours : Élah.  
12 À cause de cela, le roi s’irrita et se mit dans une très-grande colère, et commanda de détruire tous les sages de Babylone. 12 Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
13 Et un décret fut promulgué [portant] que les sages fussent tués ; et on chercha Daniel et ses compagnons, pour les tuer. 13 Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
14 Alors Daniel répondit avec prudence et avec sens à Arioc, chef des gardes du roi, qui était sorti pour tuer les sages de Babylone ; 14 Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;
15 il répondit et dit à Arioc, le grand officier* du roi : Pourquoi ce décret est-il si rigoureux de par le roi ? Alors Arioc fit connaître la chose à Daniel. 15 eny, namaly izy ka nanao tamin'i Arioka, lehibe voatendrin'ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin'ny mpanjaka? Dia nambaran'i Arioka tamin'i Daniela ilay teny.
16 Et Daniel entra et demanda au roi de lui accorder du temps pour indiquer au roi l’interprétation. 16 Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
— v. 15 : ou : chef des gardes.  
17 Alors Daniel s’en alla à sa maison et fit connaître la chose à Hanania, Mishaël et Azaria, ses compagnons, 17 Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
18 pour implorer, de la part du Dieu* des cieux, [ses] compassions au sujet de ce secret, afin que Daniel et ses compagnons ne fussent pas détruits avec le reste des sages de Babylone. 18 mba hangatahan'ireo famindram-po amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin'ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
19 Alors le secret fut révélé à Daniel dans une vision de la nuit. Alors Daniel bénit le Dieu des cieux. 19 Dia naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana amin'ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an'Andriamanitry ny lanitra Daniela.
20 Daniel répondit et dit : Béni soit le* nom de Dieu, d’éternité en éternité ! car la sagesse et la puissance sont à lui, 20 Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
21 et c’est lui qui change les temps et les saisons, qui dépose les rois et établit les rois, qui donne la sagesse aux sages et la connaissance à ceux qui connaissent l’intelligence : 21 Ary Izy no mandahatra* ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an'ny hendry sy fahalalana ho an'izay mazava saina.[Ar. manova]
22 c’est lui qui révèle les choses profondes et secrètes ; il sait ce qui est dans les ténèbres, et la lumière demeure auprès de lui. 22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
23 Toi, Dieu de mes pères, je te célèbre et je te loue, parce que tu m’as donné sagesse et puissance, et que maintenant tu m’as fait connaître ce que nous t’avons demandé, nous ayant fait connaître la chose que réclame le roi*. 23 Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin'3 ny mpanjaka.
— v. 18 : voir note verset 11. — v. 20 : litt.: son. — v. 23 : litt.: la chose du roi.  
24 C’est pourquoi Daniel entra auprès d’Arioc, que le roi avait établi pour détruire les sages de Babylone ; il alla, et lui parla ainsi : Ne détruis pas les sages de Babylone ; conduis-moi devant le roi, et j’indiquerai au roi l’interprétation. 24 Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin'i Arioka, izay notendren'ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin'i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin'i Babylona; fa ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
25 Alors Arioc fit entrer Daniel en hâte devant le roi, et lui parla ainsi : J’ai trouvé un homme, des fils de la captivité de Juda, qui fera connaître au roi l’interprétation. 25 Dia nentin'i Arioka faingana ho eo anatrehan'ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
26 Le roi répondit et dit à Daniel, dont le nom était Belteshatsar : Peux-tu me faire connaître le songe que j’ai vu et son interprétation ? 26 Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin'i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin'ny heviny va ianao?
27 Daniel répondit devant le roi, et dit : Le secret que le roi demande, les sages, les enchanteurs, les devins, les augures, n’ont pu l’indiquer au roi ; 27 Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian'ny mpanjaka dia tsy hain'ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin'ny mpanjaka;
28 mais il y a un Dieu dans les cieux qui révèle les secrets et fait savoir au roi Nebucadnetsar ce qui arrivera à la fin des jours. Ton songe et les visions de ta tête, sur ton lit, les voici : 28 kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an'i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan'ny lohanao teo amin'ny farafaranao dia izao:
   
29 Toi, ô roi,… tes pensées, sur ton lit, sont montées [dans ton esprit], ce qui doit arriver ci-après ; et celui qui révèle les secrets te fait savoir ce qui va arriver. 29 Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin'izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
30 Et quant à moi, ce n’est pas par quelque sagesse qui soit en moi plus qu’en tous les vivants, que ce secret m’a été révélé : c’est afin que l’interprétation soit connue du roi, et que tu connaisses les pensées de ton cœur. 30 Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
   
31 Toi, ô roi, tu voyais, et voici une grande statue*: cette statue était grande, et sa splendeur, extraordinaire ; elle se tint devant toi, et son aspect était terrible. 31 Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
32 La tête de cette statue était d’or pur ; sa poitrine et ses bras, d’argent ; son ventre et ses cuisses, d’airain ; 32 Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
33 ses jambes, de fer ; ses pieds, en partie de fer et en partie d’argile. 33 ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
34 Tu vis, jusqu’à ce qu’une pierre se détacha sans mains ; et elle frappa la statue dans ses pieds de fer et d’argile, et les broya ; 34 Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
35 alors furent broyés ensemble le fer, l’argile, l’airain, l’argent et l’or, et ils devinrent comme la balle de l’aire d’été ; et le vent les emporta, et il ne se trouva aucun lieu pour eux ; et la pierre qui avait frappé la statue devint une grande montagne qui remplit toute la terre. 35 Dia niara-torotoro* ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin'ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.[Na: torotoro tamin'ny indray mamely monja]
36 C’est là le songe, et nous en dirons l’interprétation devant le roi. 36 Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan'ny mpanjaka koa ny heviny.
— v. 31 : ou : image  
37 Toi, ô roi, tu es le roi des rois, auquel le Dieu des cieux a donné le royaume, la puissance, et la force, et la gloire ; 37 Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan'ny mpanjaka sady nomen'Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
38 et partout où habitent les fils des hommes, les bêtes des champs et les oiseaux des cieux, il les a mis entre tes mains* et t’a fait dominer sur eux tous. Toi, tu es cette tête d’or. 38 ka ny zanak'olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan'izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
39 Et après toi s’élèvera un autre royaume, inférieur à toi ; puis un troisième [et] autre royaume, d’airain, qui dominera sur toute la terre. 39 Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin'ny tany rehetra.
40 Et le quatrième royaume sera fort comme le fer. De même que le fer broie et écrase tout, et que le fer brise toutes ces choses, il broiera et brisera. 40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin'ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
41 Et selon que tu as vu les pieds et les orteils en partie d’argile de potier et en partie de fer, le royaume sera divisé ; et il y aura en lui de la dureté du fer, selon que tu as vu le fer mêlé avec de l’argile grasse ; 41 Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan'ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42 et quant à ce que les orteils des pieds étaient en partie de fer et en partie d’argile, le royaume sera en partie fort et sera en partie fragile. 42 Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
43 Et selon que tu as vu le fer mêlé avec de l’argile grasse, ils se mêleront à la semence des hommes, mais ils n’adhéreront pas l’un à l’autre, de même que le fer ne se mêle pas avec l’argile. 43 Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga.
44 Et dans les jours de ces rois, le Dieu des cieux établira un royaume qui ne sera jamais détruit ; et ce royaume ne passera point à un autre peuple ; il broiera et détruira tous ces royaumes, mais lui, il subsistera à toujours. 44 Ary amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon- kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
45 Selon que tu as vu que, de la montagne, la pierre s’est détachée sans mains, et qu’elle a broyé le fer, l’airain, l’argile, l’argent et l’or, le grand Dieu fait connaître au roi ce qui arrivera ci-après. Et le songe est certain, et son interprétation est sûre. 45 Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin'ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin'Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin'ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
— v. 38 : ou : hommes, il a mis entre tes mains les bêtes des champs et les, etc.  
46 Alors le roi Nebucadnetsar tomba sur sa face et se prosterna devant Daniel, et commanda de lui présenter une offrande et des parfums. 46 Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
47 Le roi répondit et dit à Daniel : En vérité, votre Dieu est le Dieu des dieux et le Seigneur des rois, et le révélateur des secrets, puisque tu as pu révéler ce secret. 47 Ny mpanjaka namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
48 Alors le roi éleva Daniel en dignité, et lui fit beaucoup de grands dons, et l’établit gouverneur sur toute la province de Babylone, et grand intendant de tous les sages de Babylone. 48 Ary tamin'izany ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben'ny mpanapaka ny olon-kendrin'i Babylona rehetra.
49 Et Daniel fit une demande au roi, qui établit Shadrac, Méshac et Abed-Nego sur les services de la province de Babylone. Et Daniel [se tenait] à la porte du roi. 49 Ary Daniela nangataka tamin'ny mpanjaka, ary izy nanendry an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian'ny raharahan'i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin'ny mpanjaka.
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Nebucadnetsar, le roi, fit une statue* d’or ; sa hauteur était de soixante coudées, sa largeur, de six coudées ; il la dressa dans la plaine de Dura, dans la province de Babylone. 1 [Ny nanipazana an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra] Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
2 Et Nebucadnetsar, le roi, envoya [un ordre] pour assembler les satrapes, les préfets, les gouverneurs, les grands juges, les trésoriers, les conseillers, les légistes, et tous les magistrats des provinces, afin qu’ils vinssent pour la dédicace de la statue que Nebucadnetsar, le roi, avait dressée. 2 Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
3 Alors s’assemblèrent les satrapes, les préfets, les gouverneurs, les grands juges, les trésoriers, les conseillers, les légistes, et tous les magistrats des provinces, pour la dédicace de la statue que Nebucadnetsar, le roi, avait dressée ; et ils se tinrent devant la statue que Nebucadnetsar avait dressée. 3 Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.
— v. 1 : ou : image.  
4 Et un héraut cria avec force : Il vous est ordonné, peuples, peuplades, et langues : 4 Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
5 Aussitôt que vous entendrez le son du cor, de la flûte, de la cithare, de la sambuque, du psaltérion, de la musette, et toute espèce de musique, vous vous prosternerez et vous adorerez la statue d’or que Nebucadnetsar, le roi, a dressée ; 5 Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
6 et quiconque ne se prosternera pas et n’adorera pas, sera jeté à l’heure même au milieu d’une fournaise de feu ardent. 6 ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
7 C’est pourquoi, au moment même où tous les peuples entendirent le son du cor, de la flûte, de la cithare, de la sambuque, du psaltérion, et toute espèce de musique, tous les peuples, peuplades et langues, se prosternèrent [et] adorèrent la statue d’or que Nebucadnetsar, le roi, avait dressée. 7 Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
   
8 À cause de cela, en ce même moment, des hommes chaldéens s’approchèrent et accusèrent* les Juifs. 8 Ary tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga* ny Jiosy.[Ar. nihinana ny nofon']
9 Ils prirent la parole et dirent au roi Nebucadnetsar : 9 Dia niteny izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
10 Ô roi, vis à jamais ! Toi, ô roi, tu as donné ordre que tout homme qui entendrait le son du cor, de la flûte, de la cithare, de la sambuque, du psaltérion, de la musette, et toute espèce de musique, se prosterne et adore la statue d’or, 10 Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona volamena;
11 et que quiconque ne se prosternerait pas et n’adorerait pas, serait jeté au milieu d’une fournaise de feu ardent. 11 fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
12 Il y a des hommes juifs, que tu as établis sur les services de la province de Babylone, Shadrac, Méshac et Abed-Nego : ces hommes ne tiennent pas compte de toi, ô roi ; ils ne servent pas tes dieux, et la statue d’or que tu as dressée ils ne l’adorent pas. 12 Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
13 Alors Nebucadnetsar, en colère et en fureur, commanda d’amener Shadrac, Méshac et Abed-Nego ; alors on amena ces hommes devant le roi. 13 Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
14 Nebucadnetsar prit la parole et leur dit : Est-ce à dessein, Shadrac, Méshac et Abed-Nego, que vous ne servez pas mon dieu, et que vous n’adorez pas la statue d’or que j’ai dressée ? 14 Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako?
15 Maintenant, si, au moment où vous entendrez le son du cor, de la flûte, de la cithare, de la sambuque, du psaltérion, de la musette, et toute espèce de musique, vous êtes prêts à vous prosterner et à adorer la statue que j’ai faite … ; mais si vous ne l’adorez pas, à l’instant même vous serez jetés au milieu de la fournaise de feu ardent. Et qui est le Dieu qui vous délivrera de ma main ? 15 Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
16 Shadrac, Méshac et Abed-Nego répondirent et dirent au roi : Nebucadnetsar, il n’est pas nécessaire que nous te répondions sur ce sujet. 16 Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.
17 S’il en est [comme tu dis], notre Dieu que nous servons peut nous délivrer de la fournaise de feu ardent, et il [nous] délivrera de ta main, ô roi ! 17 Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.
18 Et sinon, sache, ô roi, que nous ne servirons pas tes dieux, et que nous n’adorerons pas la statue d’or que tu as dressée. 18 Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
— v. 8 : accuser, ici, et 6:24, litt.: manger les morceaux de.  
19 Alors Nebucadnetsar fut rempli de fureur, et l’apparence de son visage fut changée envers Shadrac, Méshac et Abed-Nego. Il prit la parole et commanda de chauffer la fournaise sept fois plus qu’on n’était accoutumé de la* chauffer ; 19 Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
20 et il commanda aux hommes les plus vaillants de son armée, de lier Shadrac, Méshac et Abed-Nego, et de les jeter dans la fournaise de feu ardent. 20 Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
21 Alors ces hommes furent liés dans leurs caleçons, leurs tuniques, et leurs manteaux et leurs vêtements, et jetés au milieu de la fournaise de feu ardent. 21 Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
22 Parce que la parole du roi était rigoureuse et la fournaise extrêmement chauffée, la flamme du feu tua ces hommes qui avaient fait monter Shadrac, Méshac et Abed-Nego ; 22 ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy* an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra]
23 et ces trois hommes, Shadrac, Méshac et Abed-Nego, tombèrent liés au milieu de la fournaise de feu ardent. 23 Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
— v. 19 : litt.: qu’on ne l’avait vue.  
24 Alors le roi Nebucadnetsar, consterné, se leva précipitamment [et] prit la parole et dit à ses conseillers : N’avons-nous pas jeté au milieu du feu trois hommes liés ? Ils répondirent et dirent au roi : Certainement, ô roi ! 24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
25 Il répondit et dit : Voici, je vois quatre hommes déliés, se promenant au milieu du feu, et ils n’ont aucun mal ; et l’aspect du quatrième est semblable à un fils de Dieu*. 25 Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra.
26 Alors Nebucadnetsar s’approcha de l’ouverture de la fournaise de feu ardent ; il prit la parole et dit : Shadrac, Méshac et Abed-Nego, serviteurs du Dieu Très-haut, sortez et venez ! Alors Shadrac, Méshac et Abed-Nego sortirent du milieu du feu. 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
27 Et les satrapes, les préfets, les gouverneurs, et les conseillers du roi, qui étaient assemblés, virent ces hommes sur le corps desquels le feu n’avait eu aucune puissance : les cheveux de leur tête n’avaient pas été brûlés, et leurs caleçons n’avaient pas changé, et l’odeur du feu n’avait pas passé sur eux. 27 Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy.
28 Nebucadnetsar prit la parole et dit : Béni soit le Dieu de Shadrac, de Méshac et d’Abed-Nego, qui a envoyé son ange et a sauvé ses serviteurs qui se sont confiés en lui, et ont changé la parole du roi, et ont livré leurs corps, afin de ne servir et n’adorer aucun autre dieu que leur Dieu. 28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
29 Et de par moi l’ordre est donné qu’en tout peuple, peuplade, et langue, quiconque parlera mal du Dieu de Shadrac, de Méshac et d’Abed-Nego, sera mis en pièces, et sa maison sera réduite en un tas d’immondices, parce qu’il n’y a pas d’autre Dieu qui puisse sauver ainsi. 29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
30 Alors le roi éleva* Shadrac, Méshac et Abed-Nego dans la province de Babylone. 30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.
— v. 25 : ou : des dieux ; chaldéen : Élah, au pluriel, comme 2:11. — v. 30 : élever, élever à de grands honneurs.  
*  
Chapitre 4  
1 Nebucadnetsar, le roi, à tous les peuples, peuplades et langues, qui habitent sur toute la terre : Que votre paix soit multipliée ! 31 [Ny nofy nananaran'Andriamanitra an'i Nebokadnezara, sy ny nahatanterahan'izany nofy izany] Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
2 Il m’a semblé bon de faire connaître les signes et les prodiges que le Dieu Très-haut a opérés à mon égard. 32 Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
3 Ses signes, combien ils sont grands ! Et ses prodiges, combien ils sont puissants ! Son royaume est un royaume éternel, et sa domination est de génération en génération. 33 Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
  *
  Chapitre 4
4 Moi, Nebucadnetsar, j’étais en paix dans ma maison, et florissant dans mon palais. 1 Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra* tao an-dapako.[Ar. maitso]
5 Je vis un songe, et il m’effraya, et les pensées que j’avais sur mon lit, et les visions de ma tête, me troublèrent. 2 Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.
6 Et de par moi fut donné un ordre qu’on amenât devant moi tous les sages de Babylone pour qu’ils me fissent connaître l’interprétation du songe. 3 Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.
7 Alors vinrent les devins, les enchanteurs, les Chaldéens, et les augures ; et je dis le songe devant eux, mais ils ne m’en firent pas connaître l’interprétation ; 4 Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
8 mais, à la fin, entra devant moi Daniel, dont le nom est Belteshatsar, selon le nom de mon dieu, et en qui est l’esprit des dieux saints ; et je dis le songe devant lui. 5 Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran'andriamanitro, sady misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
   
9 Belteshatsar, chef des devins, puisque je sais que l’esprit des dieux saints est en toi, et qu’aucun secret ne t’embarrasse, dis-moi les visions du songe que j’ai vu, et son interprétation. 6 Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.
10 Or les visions de ma tête, sur mon lit, [étaient celles-ci] : je voyais, et voici, un arbre au milieu de la terre, et sa hauteur était grande. 7 Fa izao no fahitan'ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan'ny tany, ary fatratra ny hahavony.
11 L’arbre crût et devint fort, et sa hauteur atteignit jusqu’aux cieux, et on le voyait jusqu’au bout de toute la terre. 8 Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin'ny faran'ny tany rehetra.
12 Son feuillage était beau et son fruit abondant, et en lui il y avait de la nourriture pour tous ; sous son ombre se tenaient les bêtes des champs, et dans ses branches habitaient les oiseaux des cieux ; et de lui toute chair se nourrissait. 9 Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany, sady teo aminy no nisy hanina ho an'ny rehetra; teny ambaniny no nialokalofan'ny bibidia, ary teny amin'ny sampany no nitoeran'ny voro-manidina, ary ny nofo rehetra nahazo hanina avy aminy.
13 Je voyais, dans les visions de ma tête, sur mon lit, et voici un veillant, un saint, descendit des cieux. 10 Nijery tamin'ny fahitan'ny lohako teo am-pandriako aho, ka, indro, nisy mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra.
14 Il cria avec force, et dit ainsi : Abattez l’arbre et coupez ses branches, faites tomber son feuillage et dispersez son fruit ; que les bêtes s’enfuient de dessous lui, et les oiseaux, de ses branches. 11 Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aelezo ny voany; aoka ny biby hipariaka avy eo ambaniny, ary ny vorona hiboridana avy eny amin'ny rantsany.
15 Toutefois, laissez dans la terre le tronc de ses racines, avec un lien de fer et d’airain [autour de lui], dans l’herbe des champs ; et qu’il soit baigné de la rosée des cieux, et qu’il ait, avec les bêtes, sa part à l’herbe de la terre ; 12 Nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin'ny biby any amin'ny ahitra amin'ny tany;
16 que son cœur d’homme soit changé, et qu’un cœur de bête lui soit donné ; et que sept temps passent sur lui. 13 aoka hovana ny fony tsy ho fon'olombelona, ary aoka ho fom-biby no ho ao aminy; ary aoka ho fetr'andro fito no holanina aminy.
17 Cette sentence est par le décret des veillants, et la chose, par la parole des saints, afin que les vivants sachent que le Très-haut domine sur le royaume des hommes, et qu’il le donne à qui il veut, et y élève le plus vil des hommes. 14 Didin'ny mpiambina izany zavatra izany; eny, avy amin'ny tendrin'ireo masina izany zavatra izany, hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany, ary olona ambany toetra no ampanapahiny azy.
18 Ce songe, moi, le roi Nebucadnetsar, je l’ai vu ; et toi, Belteshatsar, dis-en l’interprétation, puisque tous les sages de mon royaume n’ont pas pu me faire connaître l’interprétation ; mais toi, tu le peux, car l’esprit des dieux saints est en toi. 15 Izany no nofy izay hitako, izaho Nebokadnezara. Ary ianao kosa, ry Beltesazara, milazà ny heviny, fa ny olon-kendry rehetra amin'ny fanjakako tsy nisy nahay nampahafantatra ahy ny hevitr'izany; fa ianao no mahay azy, satria misy fanahin'ireo andriamanitra masina no anatinao.
   
19 Alors Daniel, dont le nom est Belteshatsar, fut stupéfié pour une heure environ, et ses pensées le troublèrent. Le roi prit la parole et dit : Belteshatsar, que le songe et son interprétation ne te troublent pas. Belteshatsar répondit et dit : Mon seigneur ! que le songe soit pour ceux qui te haïssent, et son interprétation pour tes ennemis. 16 Dia gaga vetivety Daniela, izay atao hoe Beltesazara, ary ny eritreriny naharaiki-tahotra azy. Ary niteny ny mpanjaka nanao hoe: Ry Beltesazara ô, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny nofy na ny heviny. Beltesazara namaly ka nanao hoe: Tompokolahy ô, ny nofy anie ho an'izay mankahala anao, ary ny heviny ho an'izay fahavalonao.
20 L’arbre que tu as vu, qui croissait et devenait fort, et dont la hauteur atteignait jusqu’aux cieux, et qu’on voyait de toute la terre, 17 Io hazo hitanao io, dia ilay nihalehibe sy nihahery, ka ny hahavony nipaka tamin'ny lanitra, ary ny fijery azy hatramin'ny tany rehetra,
21 et dont le feuillage était beau et le fruit abondant, et qui avait de la nourriture pour tous, sous lequel habitaient les bêtes des champs, et dans les branches duquel demeuraient les oiseaux des cieux : 18 ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an'ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran'ny bibi-dia, ary teny amin'ny rantsany no nitoeran'ny voro-manidina,
22 c’est toi, ô roi, qui t’es agrandi et es devenu puissant ; et ta grandeur s’est accrue et atteint jusqu’aux cieux, et ta domination, jusqu’au bout de la terre. 19 ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin'ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin'ny faran'ny tany.
23 Et quant à ce que le roi a vu un veillant, un saint, descendre des cieux et dire : Abattez l’arbre et détruisez-le ; toutefois laissez dans la terre le tronc de ses racines, avec un lien de fer et d’airain [autour de lui], dans l’herbe des champs, et qu’il soit baigné de la rosée des cieux, et qu’il ait sa part avec les bêtes des champs jusqu’à ce que sept temps passent sur lui, — 20 Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
24 c’est ici l’interprétation, ô roi, et la décision du Très-haut, ce qui va arriver au roi, mon seigneur : 21 izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra amin'itompokolahy mpanjaka:
25 On te chassera du milieu des hommes, et ta demeure sera avec les bêtes des champs, et on te fera manger l’herbe comme les bœufs, et tu seras baigné de la rosée des cieux, et sept temps passeront sur toi, jusqu’à ce que tu connaisses que le Très-haut domine sur le royaume des hommes, et qu’il le donne à qui il veut. 22 Horoahina hiala amin'ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin'ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan'ny andon'ny lanitra, ary fetr'andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
26 Et quant à ce qu’on a dit de laisser le tronc des racines de l’arbre, ton royaume te demeurera, quand tu auras connu que les cieux dominent. 23 Ary ny nasainy namelana ny fotony: ny fanjakanao mbola hampodina ho anao tokoa, rehefa fantatrao fa ny lanitra no manapaka.
27 C’est pourquoi, ô roi, que mon conseil te soit agréable ; et romps avec tes péchés par la justice, et avec ton iniquité, par la compassion envers les affligés, si ce peut être un prolongement de ta paix. 24 Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra* ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra* ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.[Ar. anapaho]
   
28 Tout cela arriva au roi Nebucadnetsar. 25 Izany rehetra izany no nanjo an'i Nebokadnezara mpanjaka.
29 Au bout de douze mois, il se promenait sur le palais du royaume de Babylone. 26 Ary nony afaka roa ambin'ny folo volana, dia nitsangantsangana teo an-tampon'ny tranony tao Babylona izy.
30 Le roi prit la parole et dit : N’est-ce pas ici Babylone la grande, que j’ai bâtie pour être la maison de mon royaume, par la puissance de ma force et pour la gloire de ma magnificence ? 27 Ary ny mpanjaka niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babylona lehibe, izay nataoko ho lapan'ny fanjakana tamin'ny haben'ny heriko mba ho voninahitry ny fahalehibiazako?
31 La parole était encore dans la bouche du roi, qu’une voix tomba des cieux : Roi Nebucadnetsar, il t’est dit : 28 Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ihany ny teny, dia nisy feo latsaka avy tany an-danitra nanao hoe: Ry Nebokadnezara mpanjaka, ianao indrindra no anaovana hoe: Ny fanjakana niala taminao.
32 Le royaume s’en est allé d’avec toi ; et on te chassera du milieu des hommes, et ta demeure sera avec les bêtes des champs ; on te fera manger de l’herbe comme les bœufs, et sept temps passeront sur toi, jusqu’à ce que tu connaisses que le Très-haut domine sur le royaume des hommes et qu’il le donne à qui il veut. 29 Fa horoahina hiala amin'ny olona ianao, ka ho any amin'ny bibi-dia ny fonenanao; hampihinanina ahitra toy ny omby ianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona ka manome izany ho an'izay tiany.
33 Au même instant la parole s’accomplit sur Nebucadnetsar : il fut chassé du milieu des hommes, et il mangea de l’herbe comme les bœufs, et son corps fut baigné de la rosée des cieux, jusqu’à ce que ses cheveux fussent devenus longs comme [les plumes] de l’aigle, et ses ongles, comme ceux des oiseaux. 30 Tamin'izay indrindra no nahatanterahan'izany tamin'i Nebokadnezara; fa noroahina niala tamin'ny olona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary ny tenany dia kotsan'ny andon'ny lanitra ambara-panirin'ny volony ho toy ny an'ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an'ny vorona.
   
34 Et à la fin de ces jours, moi, Nebucadnetsar, j’élevai mes yeux vers les cieux, et mon intelligence* me revint, et je bénis le Très-haut, et je louai et magnifiai celui qui vit éternellement, duquel la domination est une domination éternelle, et dont le royaume est de génération en génération ; 31 Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
35 et tous les habitants de la terre sont réputés comme néant, et il agit selon son bon plaisir dans l’armée des cieux et parmi les habitants de la terre ; et il n’y a personne qui puisse arrêter sa main et lui dire : Que fais-tu ? 32 ary ny mponina rehetra etỳ an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo maro be any an-danitra sy amin'ny mponina etỳ an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao?
36 Dans ce temps-là, mon intelligence* me revint, et, pour la gloire de mon royaume, ma magnificence et ma splendeur me revinrent, et mes conseillers et mes grands me cherchèrent, et je fus rétabli dans mon royaume, et ma grandeur fut extraordinairement augmentée. 33 Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza.
37 Maintenant, moi, Nebucadnetsar, je loue et j’exalte et je magnifie le roi des cieux, dont toutes les œuvres sont vérité, et les voies, jugement*, et qui est puissant pour abaisser ceux qui marchent avec orgueil. 34 Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
— v. 34, 36 : litt.: connaissance. — v. 37 : juste jugement.  
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Le roi Belshatsar fit un grand festin à mille de ses grands, et but du vin devant les mille.* 1 [Ny fanasana nataon'i Belsazara, sy ny sora-tanana niseho teo amin'ny rindrina] Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan'ireny no nisotroany divay.
2 Belshatsar, comme il buvait* le vin, commanda d’apporter les vases d’or et d’argent que son père Nebucadnetsar avait tirés du temple qui était à Jérusalem, afin que le roi et ses grands, ses femmes et ses concubines, y bussent. 2 Nony efa nisotro divay Belsazara, dia nasainy nalaina ny fanaka volamena sy volafotsy izay nalain'i Nebokadnezara rainy avy tao amin'ny tempoly tany Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka sy ny mpanolotsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony.
3 Alors on apporta les vases d’or qu’on avait tirés du temple de la maison de Dieu, qui était à Jérusalem ; et le roi et ses grands, ses femmes et ses concubines, y burent. 3 Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin'ny tempolin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin'ny vaditsindranony nisotro taminy.
4 Ils burent du vin, et ils louèrent les dieux d’or et d’argent, d’airain, de fer, de bois, et de pierre. 4 Eny, nisotro divay izy sady nankalaza ny andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.
5 En ce même moment, les doigts d’une main d’homme sortirent, et écrivirent, vis-à-vis du chandelier, sur le plâtre de la muraille du palais du roi ; et le roi vit l’extrémité de la main qui écrivait. 5 Tamin'izay dia nisy rantsan- tànan'olona niseho ka nanoratra tandrifin'ny jiro tamin'ny lalotra sokay teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
6 Alors le roi changea de couleur, et ses pensées le troublèrent ; et les liens de ses reins se délièrent, et ses genoux se heurtèrent l’un contre l’autre. 6 Dia nivaloarika ny tarehin'ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.
— v. 1 : date : A.C. 538, environ. — v. 2 : litt.: goûtait.  
7 Le roi cria avec force d’amener les enchanteurs, les Chaldéens et les augures. Le roi prit la parole et dit aux sages de Babylone : Quiconque lira cette écriture et m’en indiquera l’interprétation sera revêtu de pourpre, et [aura] une chaîne d’or autour de son cou, et sera le troisième gouverneur dans le royaume. 7 Dia niantso mafy ny mpanjaka hampiditra ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'ny olon-kendrin'i Babylona hoe: Na zovy na zovy no mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana izy.
8 Alors arrivèrent tous les sages du roi, mais ils ne purent lire l’écriture ni faire connaître au roi l’interprétation. 8 Dia niditra avokoa ny olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.
9 Alors le roi Belshatsar fut extrêmement troublé, et il changea de couleur ; et ses grands furent bouleversés. 9 Dia natahotra indrindra Belsazara mpanjaka, ka nivaloarika ny tarehiny, ary vaka terỳ ny mpanolo-tsainy.
10 La reine, à cause des paroles du roi et de ses grands, entra dans la maison du festin. La reine prit la parole et dit : Ô roi, vis à jamais ! Que tes pensées ne te troublent pas, et ne change pas de couleur : 10 Ary ny renin'ny mpanjaka niditra tao amin'ny trano fanasana noho ny tenin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy; dia niteny ny renin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, aoka tsy haharaiki-tahotra anao ny eritreritrao, na hivaloarika ny tarehinao.
11 il y a un homme dans ton royaume, en qui est l’esprit des dieux saints ; et, aux jours de ton père, de la lumière, et de l’intelligence, et une sagesse comme la sagesse des dieux, ont été trouvées en lui ; et le roi Nebucadnetsar, ton père, — ton père, ô roi, l’a établi chef des devins, des enchanteurs, des Chaldéens, des augures, 11 Misy lehilahy ato amin'ny fanjakanao izay manana fanahin'ireo andriamanitra masina ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren'ireo andriamanitra; ka nataon'i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben'ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;
12 parce qu’un esprit extraordinaire, et la connaissance et l’intelligence pour interpréter les songes et pour expliquer les énigmes et pour résoudre les problèmes difficiles, ont été trouvés en lui, en Daniel, à qui le roi a donné le nom de Belteshatsar. Que Daniel soit donc appelé, et il indiquera l’interprétation. 12 fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin'izany Daniela izany, izay nomen'ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
   
13 Alors Daniel fut introduit devant le roi. Le roi prit la parole et dit à Daniel : Es-tu ce Daniel, l’un des fils de la captivité de Juda, que le roi, mon père, a amenés de Juda ? 13 Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniela. Ary ny mpanjaka niteny ka nanao tamin'i Daniela hoe: Hianao mantsy no Daniela, ilay isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, izay nentin'ny mpanjaka raiko avy tany Joda.
14 Et j’ai entendu dire de toi que l’esprit des dieux est en toi, et que de la lumière, et de l’intelligence, et une sagesse extraordinaire se trouvent en toi. 14 Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin'ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
15 Et maintenant, les sages, les enchanteurs, ont été amenés devant moi, afin qu’ils lussent cette écriture et m’en fissent connaître l’interprétation, et ils n’ont pu indiquer l’interprétation de la chose*. 15 Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
16 Et j’ai entendu dire de toi que tu peux donner des interprétations et résoudre les problèmes difficiles. Maintenant, si tu peux lire l’écriture et m’en faire connaître l’interprétation, tu seras vêtu de pourpre, et tu auras une chaîne d’or autour de ton cou, et tu seras le troisième gouverneur dans le royaume. 16 ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana ianao.
— v. 15 : ou : des paroles.  
17 Alors Daniel répondit et dit devant le roi : Que tes présents te demeurent, et donne tes récompenses à un autre. Toutefois je lirai l’écriture au roi, et je lui en ferai connaître l’interprétation. 17 Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.
18 Ô roi*, le Dieu Très-haut donna à Nebucadnetsar, ton père, le royaume, et la grandeur, et l’honneur, et la majesté ; 18 Ny aminao, ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra efa nanome fanjakana sy fahalehibiazana sy voninahitra ary laza an'i Nebokadnezara rainao;
19 et, à cause de la grandeur qu’il lui donna, tous les peuples, les peuplades et les langues, tremblaient devant lui, et le craignaient ; il tuait qui il voulait, et il conservait en vie qui il voulait ; il exaltait qui il voulait, et il abaissait qui il voulait. 19 ary noho ny fahalehibiazana izay nomeny azy, ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra dia nangovitra sy natahotra teo anatrehany; izay tiany hovonoina dia novonoiny; ary izay tiany hovelomina dia novelominy; ary izay tiany hasandratra dia nasandrany; ary izay tiany haetry dia naetriny.
20 Mais quand son cœur s’éleva et que son esprit s’endurcit jusqu’à l’orgueil, il fut précipité du trône de son royaume, et sa dignité lui fut ôtée ; 20 Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin'ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;
21 et il fut chassé du milieu des fils des hommes, et son cœur fut rendu semblable à celui des bêtes, et sa demeure fut avec les ânes sauvages ; on le nourrit d’herbe comme les bœufs, et son corps fut baigné de la rosée des cieux, jusqu’à ce qu’il connut que le Dieu Très-haut domine sur le royaume des hommes, et qu’il y établit qui il veut. 21 dia noroahina niala tamin'ny zanak'olombelona izy; ary ny fony natao tahaka ny an'ny biby, ary ny fonenany tany amin'ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona, ary izay tiany no tendreny ho mpanjakany.
22 Et toi, son fils Belshatsar, tu n’as pas humilié ton cœur, bien que tu aies su tout cela. 22 Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany;
23 Mais tu t’es élevé contre le Seigneur des cieux ; et on a apporté devant toi les vases de sa maison, et toi et tes grands, tes femmes et tes concubines, vous y avez bu du vin ; et tu as loué les dieux d’argent et d’or, d’airain, de fer, de bois et de pierre, qui ne voient, et n’entendent, et ne comprennent point ; et le Dieu en la main duquel est ton souffle, et à qui appartiennent toutes tes voies, tu ne l’as pas glorifié. 23 fa niavonavona tamin'ny Tompon'ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin'ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon'ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
24 Alors a été envoyée de sa part l’extrémité de la main, et cette écriture a été tracée. 24 Ary noho izany dia Izy no nihavian'ilay rantsan-tanana, ka voasoratra ireo teny ireo.
25 Et voici l’écriture qui a été tracée : MENÉ, MENÉ, THEKEL, UPHARSIN* ! 25 Ary ny teny voasoratra dia izao: Mene, Mene, Tekela, Oparesina*.[Oparesina = sy Paresina]
26 Voici l’interprétation des paroles. MENÉ : Dieu a compté ton royaume, et y a mis fin. 26 Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;
27 THEKEL : Tu as été pesé à la balance, et tu as été trouvé manquant de poids. 27 Tekela, efa voalanja tamin'ny mizana ianao ka, indro, latsa-danja;
28 PÉRÈS : Ton royaume est divisé, et donné aux Mèdes et aux Perses. 28 Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an'ny Mediana sy ny Persiana.
— v. 18 : litt.: Toi, ô roi. — v. 25 : Compté, compté, pesé et divisé.  
29 Alors Belshatsar donna des ordres*, et on vêtit Daniel de pourpre, et [on mit] une chaîne d’or à son cou, et on proclama qu’il serait le troisième gouverneur dans le royaume. 29 Ary Belsazara dia nanome teny, ka dia nampiakanjoina volomparasy Daniela, sady nasiana rojo volamena ny vozony, ary nisy niantso azy ho isan'ny mpanapaka telo lahy amin'ny fanjakana.
30 En cette nuit-là, Belshatsar, roi des Chaldéens, fut tué. 30 Ary tamin'io alina io ihany dia novonoina Belsazara, mpanjakan'ny Kaldeana.
— v. 29 : litt.: dit. Chapitre 6
31 Et Darius, le Mède, reçut le royaume, étant âgé d’environ soixante-deux ans. 1 Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.
*  
Chapitre 6  
1 Il plut à Darius d’établir sur le royaume cent vingt satrapes, pour qu’ils fussent dans tout le royaume ; 2 [Ny amin'ny nanipazana an'i Daniela tao an-davaky ny liona] Sitrak'i Dariosa ny hanendry solo-mpanjaka roa-polo amby zato hanapaka ny fanjakana, izay hanapaka ny fanjakana rehetra.
2 et au-dessus d’eux, trois présidents, dont Daniel était l’un, pour que ces satrapes leur rendissent compte, et que le roi ne souffrît aucun dommage. 3 Koa tamin'ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin'ireo, mba hilazan'ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.
3 Et ce Daniel surpassa les présidents et les satrapes, parce qu’il y avait en lui un esprit extraordinaire ; et le roi pensa à l’établir sur tout le royaume. 4 Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin'ny fanjakana rehetra.
   
4 Alors les présidents et les satrapes cherchèrent à trouver dans [l’administration du] royaume quelque sujet d’accusation contre Daniel ; et ils ne pouvaient trouver aucun sujet d’accusation ni aucune faute, parce qu’il était fidèle ; et aucun manquement ni aucune faute ne se trouva en lui. 5 Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy.
5 Et ces hommes dirent : Nous ne trouverons dans ce Daniel aucun sujet d’accusation, à moins que nous n’en trouvions contre lui à cause de la loi de son Dieu. 6 Dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin'ny lalan'Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.
6 Alors ces présidents et ces satrapes s’assemblèrent en foule auprès du roi, et lui parlèrent ainsi : Roi Darius, vis à jamais ! 7 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo komandy lehibe sy solo-mpanjaka ireo; ary izao no nataony taminy: Ry Dariosa mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
7 Tous les présidents du royaume, les préfets et les satrapes, les conseillers et les gouverneurs, ont tenu conseil ensemble pour établir un statut royal et mettre en vigueur une défense, [portant] que quiconque fera une demande à quelque dieu ou à quelque homme que ce soit, durant trente jours, excepté à toi, ô roi, sera jeté dans la fosse aux lions. 8 Ny komandy lehibe rehetra amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin'ny telo-polo andro, na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
8 Maintenant, ô roi, établis la défense, et signe l’écrit afin qu’il ne soit pas changé, selon la loi des Mèdes et des Perses, qui ne peut être abrogée. 9 Ankehitriny, ry mpanjaka ô, ataovy mafy ny lalàna, ka asio sonia mba tsy hiova, araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
9 À cause de cela, le roi Darius signa l’écrit et la défense.  
  10 Ary noho izany dia nasian'i Dariosa mpanjaka sonia izany lalàna sy didy izany.
10 Or Daniel, quand il sut que l’écrit était signé, entra dans sa maison ; et, ses fenêtres étant ouvertes dans sa chambre haute, du côté de Jérusalem, il s’agenouillait sur ses genoux trois fois le jour, et priait, et rendait grâce devant son Dieu, comme il avait fait auparavant. 11 Nony fantatr'i Daniela fa efa voaisy sonia ny didy, dia nankao an-tranony izy; ary ny varavarankelin'ny tranony ambony nanandrify an'i Jerosalema dia nivoha. Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany.
11 Mais ces hommes s’assemblèrent en foule et trouvèrent Daniel qui priait et présentait sa supplication devant son Dieu. 12 Dia somaritaka nivory ireo lehilahy ireo ka nahita an'i Daniela mangataka sy mifona eo anatrehan'Andriamaniny.
12 Alors ils s’approchèrent et dirent devant le roi, touchant la défense du roi : N’as-tu pas signé une défense, [portant] que tout homme qui, durant trente jours, ferait une demande à quelque dieu ou à quelque homme que ce fût, excepté à toi, ô roi, serait jeté dans la fosse aux lions ? Le roi répondit et dit : La chose est certaine, selon la loi des Mèdes et des Perses, qui ne peut être abrogée. 13 Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan'ny mpanjaka noho ny amin'ilay lalàn'ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin'Andriamanitra na amin'olona, ato anatin'ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn'ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
13 Alors ils répondirent et dirent devant le roi : Daniel, qui est d’entre les fils de la captivité de Juda, ne tient pas compte de toi, ô roi, ni de la défense que tu as signée, mais il fait sa requête trois fois par jour. 14 Dia niteny ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda, dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia, ry mpanjaka ô, fa manao fangatahana intelo isan'andro izy.
14 Alors le roi, quand il entendit ces paroles, en fut fort affligé, et il pensa avec sollicitude à Daniel afin de le sauver, et jusqu’au coucher du soleil il s’efforça de le délivrer. 15 Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
15 Alors ces hommes s’assemblèrent en foule auprès du roi, et dirent au roi : Sache, ô roi, que c’est la loi des Mèdes et des Perses, qu’aucune défense ou statut que le roi a établi, ne peut être changé. 16 Dia somaritaka nivory ho any amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn'ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
16 Alors le roi donna des ordres, et on amena Daniel, et on le jeta dans la fosse aux lions. 17 Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao.
   
Le roi prit la parole et dit à Daniel : Ton Dieu que tu sers continuellement, lui, te sauvera.  
17 Et une pierre fut apportée et mise sur l’ouverture de la fosse, et le roi la scella de son cachet et du cachet de ses grands, afin que l’intention à l’égard de Daniel ne fût pas changée. 18 Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela.
18 Alors le roi s’en alla dans son palais, et il passa la nuit en jeûnant, et ne voulut pas qu’on lui amenât des concubines* ; et son sommeil s’enfuit loin de lui. 19 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno* nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na: zazavavy mpandihy]
— v. 18 : quelques-uns : de la nourriture ; d’autres : des instruments de musique.  
19 Ensuite le roi se leva avec l’aurore, au point du jour, et s’en alla en hâte à la fosse aux lions. 20 Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingan