| LE LIVRE DE JOB | Joba |
| Chapitre 1 | Chapitre 1 |
| 1 Il y avait dans le pays d’Uts un homme dont le nom était Job ; et cet homme était parfait* et droit, craignant Dieu et se retirant du mal. | 1 [Ny amin'ny toetr'i Joba sy ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy. |
| 2 Et il lui naquit sept fils et trois filles ; | 2 Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy. |
| 3 et il possédait sept mille brebis*, et trois mille chameaux, et cinq cents paires de bœufs, et cinq cents ânesses ; et [il avait] un très-grand nombre de serviteurs ; et cet homme était plus grand que tous les fils de l’orient. | 3 Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany. |
| — v. 1 : complet, à qui rien ne manque ; comparer 2 Sam. 22:24. — v. 3 : et chèvres. | |
| 4 Et ses fils allaient et faisaient un festin, chacun dans [sa] maison, à son jour ; et ils envoyaient appeler leurs trois sœurs pour manger et pour boire avec eux. | 4 Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy. |
| 5 Et il arrivait que, quand les jours de festin étaient terminés, Job envoyait [vers eux] et les sanctifiait : il se levait de bonne heure le matin et offrait des holocaustes selon leur nombre à tous, car Job disait : Peut-être mes fils ont-ils péché et ont-ils maudit Dieu dans leurs cœurs. Job faisait toujours ainsi. | 5 Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva. |
| 6 Or, un* jour, il arriva que les fils de Dieu vinrent se présenter devant l’Éternel, et Satan** aussi vint au milieu d’eux. | 6 Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy. |
| 7 Et l’Éternel dit à Satan : D’où viens-tu ? Et Satan répondit à l’Éternel et dit : De courir çà et là sur la terre et de m’y promener. | 7 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny. |
| 8 Et l’Éternel dit à Satan : As-tu considéré mon serviteur Job, qu’il n’y a sur la terre aucun homme comme lui, parfait et droit, craignant Dieu, et se retirant du mal ? | 8 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy. |
| 9 Et Satan répondit à l’Éternel et dit : Est-ce pour rien que Job craint Dieu ? | 9 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra? |
| 10 Ne l’as-tu pas, toi, entouré de toutes parts d’une haie de protection, lui, et sa maison, et tout ce qui lui appartient ? Tu as béni le travail de ses mains, et tu as fait abonder son avoir sur la terre. | 10 Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny. |
| 11 Mais étends ta main et touche à tout ce qu’il a : [tu verras] s’il ne te maudit pas en face. | 11 Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza* izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy] |
| 12 Et l’Éternel dit à Satan : Voici, tout ce qu’il a est en ta main, seulement tu n’étendras pas ta main sur lui. Et Satan sortit de la présence de l’Éternel. | 12 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah. |
| — v. 6* : litt.: le ; comparer 2 Rois 4:18. — v. 6** : litt.: le Satan, c. à d. l’adversaire. | |
| 13 Et, un jour, il arriva que ses fils et ses filles mangeaient et buvaient du vin dans la maison de leur frère premier-né ; | 13 Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy; |
| 14 et un messager vint à Job et dit : Les bœufs labouraient et les ânesses paissaient auprès d’eux, | 14 ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany, |
| 15 et ceux de Sheba sont tombés [sur eux] et les ont pris, et ils ont frappé les jeunes hommes par le tranchant de l’épée ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. | 15 dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. |
| 16 Celui-ci parlait encore, qu’un autre vint et dit : Le feu de Dieu est tombé du ciel et a brûlé les brebis et les jeunes hommes, et les a consumés ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. | 16 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. |
| 17 Celui-ci parlait encore, qu’un autre vint et dit : Les Chaldéens ont formé trois bandes, et se sont jetés sur les chameaux et les ont pris, et ils ont frappé les jeunes hommes par le tranchant de l’épée ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. | 17 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. |
| 18 Celui-ci parlait encore, qu’un autre vint et dit : Tes fils et tes filles mangeaient et buvaient du vin dans la maison de leur frère premier-né, | 18 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa; |
| 19 et voici, un grand vent est venu de delà le désert et a donné contre les quatre coins de la maison, et elle est tombée sur les jeunes gens et ils sont morts ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. | 19 ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao. |
| 20 Et Job se leva, et déchira sa robe, et rasa sa tête, et se jeta à terre et se prosterna. | 20 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka |
| 21 Et il dit : Nu je suis sorti du sein de ma mère, et nu j’y retournerai ; l’Éternel a donné, et l’Éternel a pris ; que le nom de l’Éternel soit béni ! | 21 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah |
| 22 En tout cela Job ne pécha pas, et n’attribua rien à Dieu qui fût inconvenable*. | 22 Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra. |
| — v. 22 : ou : et ne proféra rien d’inconvenant contre Dieu. | |
| Chapitre 2 | Chapitre 2 |
| 1 Or, un jour, il arriva que les fils de Dieu vinrent se présenter devant l’Éternel, et Satan aussi vint au milieu d’eux se présenter devant l’Éternel. | 1 [Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah. |
| 2 Et l’Éternel dit à Satan : D’où viens-tu ? Et Satan répondit à l’Éternel et dit : De courir çà et là sur la terre et de m’y promener. | 2 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny. |
| 3 Et l’Éternel dit à Satan : As-tu considéré mon serviteur Job, qu’il n’y a sur la terre aucun homme comme lui, parfait et droit, craignant Dieu, et se retirant du mal ? Et encore il reste ferme dans sa perfection, alors que tu m’as incité contre lui pour l’engloutir sans cause. | 3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao. |
| 4 Et Satan répondit à l’Éternel et dit : Peau pour peau, et tout ce qu’un homme a, il le donnera pour sa vie ; | 4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy. |
| 5 mais étends ta main et touche à ses os et à sa chair : [tu verras] s’il ne te maudit pas en face. | 5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy] |
| 6 Et l’Éternel dit à Satan : Le voilà entre tes mains, seulement épargne sa vie. | 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana. |
| 7 Et Satan sortit de la présence de l’Éternel ; et il frappa Job d’un ulcère malin, depuis la plante de ses pieds jusqu’au sommet de sa tête. | 7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany. |
| 8 Et il prit un tesson pour s’en gratter, et il était assis dans la cendre. | 8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona. |
| 9 Et sa femme lui dit : Restes-tu encore ferme dans ta perfection ? Maudis Dieu et meurs. | 9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty. |
| 10 Et il lui dit : Tu parles comme parlerait l’une des insensées ; nous avons reçu le bien aussi de la part de Dieu, et nous ne recevrions pas le mal ? En tout cela Job ne pécha point de ses lèvres. | 10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba. |
| 11 Et trois amis de Job apprirent tout ce mal qui lui était arrivé et vinrent chacun de son lieu, Éliphaz, le Thémanite, et Bildad, le Shukhite, et Tsophar, le Naamathite ; et ils s’entendirent ensemble pour venir le plaindre et le consoler. | 11 Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy. |
| 12 Et ils levèrent les yeux de loin, et ils ne le reconnurent pas ; et ils élevèrent leur voix et pleurèrent, et ils déchirèrent chacun sa robe et répandirent de la poussière sur leurs têtes [en la jetant] vers les cieux. | 12 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany. |
| 13 Et ils s’assirent avec lui à terre sept jours et sept nuits, et nul ne lui dit une parole, car ils voyaient que sa douleur était très-grande. | 13 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany. |
| * | * |
| Chapitre 3 | Chapitre 3 |
| 1 Après cela, Job ouvrit sa bouche et maudit son jour. | 1 [Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny |
| 2 Et Job prit la parole et dit : | 2 nanao hoe: |
| 3 Périsse le jour auquel je naquis, et la nuit qui dit : Un homme a été conçu ! | 3 Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina! |
| 4 Ce jour-là, qu’il soit ténèbres ; que #Dieu* ne s’en enquière pas d’en haut, et que la lumière ne resplendisse pas sur lui ! | 4 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy; |
| 5 Que les ténèbres et l’ombre de la mort le réclament ; que les nuées demeurent sur lui ; que ce qui assombrit les jours le terrifie ! | 5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy] |
| 6 Cette nuit-là, que l’obscurité s’en empare ; qu’elle ne se réjouisse point parmi les jours de l’année, qu’elle n’entre pas dans le nombre des mois ! | 6 Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana; |
| 7 Voici, que cette nuit-là soit stérile ; que les cris de joie n’y entrent pas ! | 7 Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby; |
| 8 Que ceux qui maudissent le jour la maudissent, ceux qui sont prêts à réveiller Léviathan ! | 8 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona; |
| 9 Que les étoiles de son crépuscule soient obscurcies ; qu’elle attende la lumière, et qu’il n’y en ait point, et qu’elle ne voie pas les cils de l’aurore ! | 9 Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy, |
| 10 Parce qu’elle n’a pas fermé les portes du sein qui m’a porté*, et n’a pas caché la misère de devant mes yeux. | 10 Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko. |
| — v. 4 : hébreu : Éloah ; voir note à Deut. 32:15. — v. 10 : litt.: de mon sein. | |
| * | * |
| 11 Pourquoi ne suis-je pas mort dès la matrice, n’ai-je pas expiré quand je sortis du ventre ? | 11 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e? |
| 12 Pourquoi les genoux m’ont-ils rencontré, et pourquoi les mamelles, pour les téter ? | 12 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako? |
| 13 Car maintenant je serais couché et je serais tranquille, je dormirais : alors j’aurais du repos, | 13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra, |
| 14 Avec les rois et les conseillers de la terre qui se bâtissent des solitudes*, | 14 Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe] |
| 15 Ou avec les princes qui ont de l’or, qui ont rempli d’argent leurs maisons ; | 15 Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony; |
| 16 Ou, comme un avorton caché, je n’aurais pas été, — comme les petits enfants qui n’ont pas vu la lumière. | 16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory. |
| 17 Là, les méchants ont cessé leur tumulte, et là ceux dont les forces sont épuisées par la fatigue sont en repos ; | 17 Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra; |
| 18 Les prisonniers demeurent ensemble tranquilles, ils n’entendent pas la voix de l’exacteur ; | 18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy. |
| 19 Là sont le petit et le grand, et le serviteur libéré de son maître. | 19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony. |
| — v. 14 : ou : qui rebâtissent des édifices ruinés. | |
| * | * |
| 20 Pourquoi la lumière est-elle donnée au misérable, et la vie à ceux qui ont l’amertume dans l’âme, | 20 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana? |
| 21 À ceux qui attendent la mort, et elle n’est pas là, — qui la cherchent plus que des trésors cachés, | 21 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina: |
| 22 Qui se réjouissent jusqu’aux transports [et] sont dans l’allégresse, parce qu’ils* ont trouvé le sépulcre, — | 22 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana, |
| 23 À l’homme de qui le chemin est caché et que #Dieu a enfermé de toutes parts ? | 23 Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina. |
| 24 Car mon gémissement vient avant mon pain, et mes rugissements débordent comme des eaux. | 24 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako; |
| 25 Car j’ai eu une crainte, et elle est venue sur moi, et ce que j’appréhendais m’est arrivé. | 25 Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy. |
| 26 Je n’étais pas en sécurité, et je n’étais pas tranquille ni en repos, et le trouble est venu. | 26 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby. |
| — v. 22 : ou : lorsqu’ils. | |
| * | * |
| Chapitre 4 | Chapitre 4 |
| 1 Et Éliphaz, le Thémanite, répondit et dit : | 1 [Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: |
| 2 Si nous essayons de t’adresser une parole, en seras-tu irrité ? Mais qui pourrait se retenir de parler ? | 2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany? |
| 3 Voici, tu en as enseigné beaucoup, et tu as fortifié les mains languissantes ; | 3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao; |
| 4 Tes paroles ont tenu droit celui qui chancelait, et tu as affermi les genoux qui ployaient ; | 4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao |
| 5 Mais maintenant [le malheur] est venu sur toi, et tu es irrité ; il t’atteint, et tu es troublé. | 5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao |
| 6 Ta crainte [de Dieu] n’est-elle pas ta confiance, et l’intégrité* de tes voies, ton espérance ? | 6 Tsy ny fivavahanao* va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao] |
| — v. 6 : litt.: perfection ; voir la note à 1:1. | |
| * | * |
| 7 Souviens-toi, je te prie, qui a péri étant innocent ? et où les hommes droits ont-ils été détruits ? | 7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? |
| 8 Selon ce que j’ai vu, ceux qui labourent l’iniquité et qui sèment la misère, la moissonnent. | 8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany. |
| 9 Ils périssent par le souffle de #Dieu, et sont consumés par le souffle de ses narines. | 9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy. |
| 10 Le rugissement du lion et la voix du [lion] rugissant [sont étouffés], et les dents des jeunes lions sont brisées ; | 10 Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana; |
| 11 Le fort lion périt faute de proie, et les petits de la lionne sont dispersés. | 11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy. |
| * | * |
| 12 Une parole vint à moi secrètement, et mon oreille en saisit la susurration, | 12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy, |
| 13 Au milieu des pensées que font naître les visions de la nuit, quand un sommeil profond tombe sur les hommes ; | 13 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona, |
| 14 La frayeur vint sur moi, et le frisson, et elle fit trembler la multitude de mes os ; | 14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany. |
| 15 Et un esprit passa devant moi : les cheveux de ma chair se dressèrent. | 15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako. |
| 16 Il se tint là ; je ne reconnus pas son apparence : une forme était devant mes yeux. J’entendis un léger murmure et une voix : | 16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe: |
| 17 Un mortel sera-t-il plus juste que #Dieu, l’homme sera-t-il plus pur que celui qui l’a fait ? | 17 Ho marina noho* Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan'] |
| 18 Voici, il ne se fie pas à ses serviteurs, et ses anges il les charge de folie ; | 18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra. |
| 19 Combien plus à ceux qui habitent dans des maisons d’argile dont le fondement est dans la poussière, qui sont écrasés comme la teigne ! | 19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany*, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany] |
| 20 Du matin au soir, ils sont frappés ; ils périssent pour toujours sans qu’on y fasse attention. | 20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy. |
| 21 Leurs cordes* ne leur sont-elles pas arrachées ? Ils meurent, et sans sagesse. | 21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena. |
| — v. 21 : les cordes qui retiennent une tente ; comparer És. 33:20. | |
| Chapitre 5 | Chapitre 5 |
| 1 Crie donc ! y a-t-il quelqu’un qui te réponde ? Et vers lequel des saints te tourneras-tu ? | 1 Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao? |
| 2 Car le chagrin fait mourir le sot, et la jalousie* tue le simple. | 2 Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana. |
| 3 J’ai vu le sot s’enraciner, et soudain j’ai maudit sa demeure ; | 3 Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho; |
| 4 Ses fils sont loin de la sûreté, et sont écrasés dans la porte, et il n’y a personne pour délivrer ; | 4 Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy; |
| 5 Sa moisson, l’affamé la mange, et jusque parmi les épines il la prend ; et le piège guette son bien. | 5 Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany |
| 6 Car l’affliction ne sort pas de la poussière, et la misère ne germe pas du sol ; | 6 Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana, |
| 7 Car l’homme est né pour la misère, comme les étincelles* volent en haut. | 7 Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra |
| 8 Mais moi je rechercherai *Dieu*, et devant Dieu je placerai ma cause, — | 8 Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko, |
| 9 Qui fait de grandes choses qu’on ne peut sonder, des merveilles à ne pouvoir les compter ; | 9 Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa, |
| 10 Qui donne la pluie sur la face de la terre, et envoie des eaux sur la face des campagnes, | 10 Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha, |
| 11 Plaçant en haut ceux qui sont abaissés ; et ceux qui sont en deuil sont élevés au bonheur. | 11 Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory, |
| 12 Il dissipe les projets des hommes rusés, et leurs mains n’accomplissent pas leurs conseils. | 12 Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany; |
| 13 Il prend les sages* dans leur ruse, et le conseil des astucieux est précipité** : | 13 Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava; |
| 14 De jour, ils rencontrent les ténèbres, et en plein midi ils marchent à tâtons, comme de nuit. | 14 Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina; |
| 15 Et il sauve le pauvre de l’épée, de leur bouche, et de la main du fort ; | 15 Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy. |
| 16 Et il arrive au chétif ce qu’il espère, et l’iniquité a la bouche fermée. | 16 Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava |
| — v. 2 : ou : la colère. — v. 7 : litt.: les fils de la flamme. — v. 8 : hébreu : El ; voir la note à Genèse 14:18. — v. 13* : ou : habiles. — v. 13** : ou : renversé. | |
| * | * |
| 17 Voici, bienheureux l’homme que #Dieu reprend ! Ne méprise donc pas le châtiment du Tout-puissant. | 17 Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha; |
| 18 Car c’est lui qui fait la plaie et qui la bande ; il frappe, et ses mains guérissent. | 18 Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana. |
| 19 En six détresses il te délivrera, et, dans sept, le mal ne t’atteindra pas. | 19 Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao. |
| 20 Dans la famine il te délivrera de la mort, et, dans la guerre, de la puissance* de l’épée. | 20 Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy; |
| 21 Tu seras à couvert du fouet de la langue, et tu ne craindras pas le désastre quand il viendra. | 21 Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana; |
| 22 Tu te riras du désastre et de la faim, et tu n’auras pas peur des bêtes de la terre ; | 22 Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia; |
| 23 Car tu auras une alliance avec les pierres des champs, et les bêtes des champs seront en paix avec toi. | 23 Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao; |
| 24 Tu sauras que ta tente est prospère, tu visiteras ta demeure* et tu n’y trouveras rien de manque, | 24 Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao; |
| 25 Et tu sauras que ta postérité est nombreuse, et tes rejetons, comme l’herbe de la terre. | 25 Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany; |
| 26 Tu entreras au sépulcre en bonne vieillesse, comme on enlève le tas de gerbes en sa saison. | 26 Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana. |
| 27 Voici, nous avons examiné cela ; il en est ainsi. Écoute-le, et sache-le pour toi-même. | 27 Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara. |
| — v. 20 : litt.: des mains. — v. 24 : ou : tes parcs. | |
| Chapitre 6 | Chapitre 6 |
| 1 Et Job répondit et dit : | 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe: |
| Oh ! si mon chagrin était bien pesé, | |
| 2 et si on mettait toute* ma calamité dans la balance ! | 2 Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako! |
| 3 Car maintenant elle pèserait plus que le sable des mers ; c’est pourquoi mes paroles sont outrées ; | 3 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho. |
| 4 Car les flèches du Tout-puissant sont en moi, leur venin boit mon esprit ; les frayeurs de #Dieu se rangent en bataille contre moi. | 4 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy. |
| 5 L’âne sauvage brait-il auprès de l’herbe ? Le bœuf mugit-il auprès de son fourrage ? | 5 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany? |
| 6 Ce qui est insipide, le mange-t-on sans sel ? Y a-t-il de la saveur dans le blanc d’un œuf ? | 6 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody*? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra] |
| 7 Ce que mon âme refusait de toucher est comme* ma dégoûtante nourriture. | 7 Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza. |
| — v. 2 : litt.: ensemble. — v. 7 : ou : est devenu comme. | |
| * | * |
| 8 Oh ! si ma demande s’accomplissait, et si #Dieu m’accordait mon désir, | 8 Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko! |
| 9 S’il plaisait à #Dieu de m’écraser, de lâcher sa main et de me retrancher ! | 9 Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko, |
| 10 Alors il y aurait encore pour moi une consolation, et, dans la douleur qui ne m’épargne pas, je me réjouirais de ce que je* n’ai pas renié les paroles du Saint. | 10 Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho. |
| 11 Quelle est ma force pour que j’attende, et quelle est ma fin pour que je patiente ? | 11 Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny androko] |
| 12 Ma force est-elle la force des pierres ? Ma chair est-elle d’airain ? | 12 Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko? |
| 13 N’est-ce pas qu’il n’y a point de secours en moi, et que toute capacité est chassée loin de moi ? | 13 Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana? |
| — v. 10 : ou : car je. | |
| * | * |
| 14 À celui qui est défaillant est due la miséricorde de la part de son ami, sinon il abandonnera la crainte du Tout-Puissant. | 14 Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. |
| 15 Mes frères m’ont trahi comme un torrent, comme le lit des torrents qui passent, | 15 Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra, |
| 16 Qui sont troubles à cause des glaces, dans lesquels la neige se cache ; | 16 Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala; |
| 17 Au temps où ils se resserrent* ils tarissent, quand la chaleur les frappe ils disparaissent de leur lieu : | 17 Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy; |
| 18 Ils serpentent dans les sentiers de leur cours, ils s’en vont dans le désert, et périssent. | 18 Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona. |
| 19 Les caravanes de Théma les cherchaient du regard, les voyageurs de Sheba s’attendaient à eux ; | 19 Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy; |
| 20 Ils ont été honteux de leur confiance ; ils sont venus là, et ont été confondus. | 20 Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay. |
| 21 De même maintenant vous n’êtes rien ; vous avez vu un objet de terreur, et vous vous êtes effrayés. | 21 Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra. |
| 22 Ai-je dit : Donnez-moi, et de votre richesse faites-moi des présents, | 22 Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo, |
| 23 Et délivrez-moi de la main de l’oppresseur, et rachetez-moi de la main des terribles ? | 23 Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha? |
| — v. 17 : c. à d. à l’époque de leur baisse | |
| * | * |
| 24 Enseignez-moi, et je me tairai ; et faites-moi comprendre en quoi je me trompe. | 24 Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho. |
| 25 Combien sont puissantes les paroles justes ! Mais la censure de votre part que reprend-elle ? | 25 Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo? |
| 26 Songez-vous à censurer des discours ? Mais les paroles d’un désespéré ne sont faites que pour le vent. | 26 Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo. |
| 27 Certes, vous tombez sur l’orphelin, et vous creusez [une fosse] pour votre ami. | 27 Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra. |
| 28 Et maintenant, si vous voulez, regardez-moi ; vous mentirais-je donc en face ? | 28 Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho. |
| 29 Revenez, je vous prie ; qu’il n’y ait pas d’injustice ; oui, revenez encore : ma justice sera là. | 29 Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako. |
| 30 Y a-t-il de l’iniquité en ma langue ? Mon palais ne discernerait-il pas la méchanceté ? | 30 Moa misy heloka va eo amin'ny lelako? |
| Chapitre 7 | Chapitre 7 |
| 1 L’homme n’a-t-il pas une vie de labeur sur la terre ? Et ses jours ne sont-ils pas comme les jours d’un mercenaire ? | 1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny? |
| 2 Comme l’esclave* soupire après l’ombre, et comme le mercenaire attend son salaire, | 2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany, |
| 3 Ainsi j’ai eu pour partage des mois de déception, et des nuits de misère me sont assignées. | 3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy. |
| 4 Si je me couche, alors je dis : Quand me lèverai-je et quand l’obscurité prendra-t-elle fin ? et je suis excédé d’agitations jusqu’au point du jour. | 4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva] |
| 5 Ma chair est couverte de vers et de croûtes de terre, ma peau se retire et suppure. | 5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray. |
| 6 Mes jours s’en vont plus vite qu’une navette, et finissent sans espérance. | 6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana. |
| 7 Souviens-toi que ma vie n’est qu’un souffle : mon œil ne reverra pas le bien ; | 7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. |
| 8 L’œil qui me regarde ne me reverra plus ; tes yeux sont sur moi, et je ne suis plus. | 8 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. |
| 9 La nuée disparaît et s’en va ; ainsi celui qui descend au shéol* n’en remonte pas, | 9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola] |
| 10 Il ne revient plus dans sa maison, et son lieu ne le reconnaît plus. | 10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. |
| — v. 2 : ailleurs : serviteur. — v. 9 : voir Genèse 37:35. | |
| * | * |
| 11 Aussi je ne retiendrai pas ma bouche ; je parlerai dans la détresse de mon esprit, je discourrai dans l’amertume de mon âme. | 11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko. |
| 12 Suis-je une mer, suis-je un monstre marin, que tu établisses des gardes autour de moi ? | 12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana? |
| 13 Quand je dis : Mon lit me consolera, ma couche allégera ma détresse, | 13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako. |
| 14 Alors tu m’effrayes par des songes, tu me terrifies par des visions, | 14 Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry; |
| 15 Et mon âme choisit la suffocation, — plutôt la mort que mes os : | 15 Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako* izato;[Heb. taolako] |
| 16 J’en suis dégoûté ; je ne vivrai pas à toujours. Laisse-moi, car mes jours sont vanité*. | 16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. |
| — v. 16 : ici, plutôt : souffle, vapeur. | |
| * | * |
| 17 Qu’est-ce que l’homme que tu fasses grand cas de lui, et que ton cœur s’occupe de lui, | 17 Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao, |
| 18 Et que tu le visites chaque matin, que tu l’éprouves à tout moment ? | 18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso? |
| 19 Pourquoi ne détournes-tu pas les yeux de moi, et ne me laisses-tu pas tranquille jusqu’à ce que j’aie avalé ma salive ? | 19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora? |
| 20 J’ai péché ; — que t’ai-je fait ? Toi qui observes l’homme, pourquoi m’as-tu placé pour être l’objet de tes coups, de sorte que je suis un fardeau à moi-même ? | 20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho? |
| 21 Et pourquoi ne pardonnes-tu pas ma transgression*, et ne fais-tu point passer mon iniquité ? Car maintenant je me coucherai dans la poussière, et tu me chercheras, et je ne serai plus. | 21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho. |
| — v. 21 : proprement : péché audacieux, rébellion [contre Dieu] ; voir 34:37. | |
| * | * |
| Chapitre 8 | Chapitre 8 |
| 1 Et Bildad, le Shukhite, répondit et dit : | 1 [Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: |
| 2 Jusques à quand diras-tu ces choses, et les paroles de ta bouche seront-elles un vent impétueux ? | 2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao? |
| 3 Est-ce que *Dieu pervertit le droit ? Le Tout-Puissant pervertira-t-il la justice ? | 3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny? |
| 4 Si tes fils ont péché contre lui, il les a aussi livrés en la main de leur transgression*. | 4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany. |
| 5 Si tu recherches *Dieu et que tu supplies le Tout-puissant, | 5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha. |
| 6 Si tu es pur et droit, certainement il se réveillera maintenant en ta faveur, et rendra prospère la demeure de ta justice ; | 6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy* anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina] |
| 7 Et ton commencement aura été petit, mais ta fin sera très-grande. | 7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. |
| — v. 4 : proprement : péché audacieux, rébellion [contre Dieu] ; voir 34:37. | |
| * | * |
| 8 Car interroge, je te prie, la génération précédente, et sois attentif aux recherches de leurs pères ; | 8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany |
| 9 Car nous sommes d’hier et nous n’avons pas de connaissance, car nos jours sont une ombre sur la terre. | 9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany); |
| 10 Ceux-là ne t’enseigneront-ils pas, ne te parleront-ils pas, et de leurs cœurs ne tireront-ils pas des paroles ? | 10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony? |
| 11 Le papyrus s’élève-t-il où il n’y a pas de marais ? Le roseau croît-il sans eau ? | 11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano? |
| 12 Encore dans sa verdeur, sans qu’on l’ait arraché, avant toute herbe il sèche. | 12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra. |
| 13 Tels sont les sentiers de tous ceux qui oublient *Dieu ; et l’attente de l’impie périra ; | 13 Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy] |
| 14 Son assurance sera retranchée, et sa confiance sera une toile* d’araignée : | 14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny. |
| 15 Il s’appuiera sur sa maison, et elle ne tiendra pas ; il s’y cramponnera, et elle ne restera pas debout. | 15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. |
| 16 Il est verdoyant devant le soleil, et son rameau s’étend sur son jardin ; | 16 Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny; |
| 17 Ses racines s’entrelacent dans un tas de rocaille*, il voit la demeure des pierres ; | 17 Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany; |
| 18 S’Il l’ôte de sa place, celle-ci le désavouera : Je ne t’ai pas vu ! | 18 Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho. |
| 19 Telles sont les délices de ses voies ; et de la poussière, d’autres germeront. | 19 Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka. |
| 20 Voici, *Dieu ne méprisera pas l’homme parfait*, et ne soutiendra pas les mains des méchants : | 20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy; |
| 21 Tandis* qu’il remplira ta bouche de rire et tes lèvres de chants de joie, | 21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao. |
| 22 Ceux qui te haïssent seront revêtus de honte, et la tente des méchants ne sera plus. | 22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy. |
| — v. 14 : litt.: maison. — v. 17 : ou : une fontaine. — v. 20 : ici et 9:20-22 comme 1:1, 8 ; 2:3. — v. 21 : ou : Jusqu’à ce. | |
| * | * |
| Chapitre 9 | Chapitre 9 |
| 1 Et Job répondit et dit : | 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe: |
| 2 En vérité, je sais qu’il en est ainsi. Mais comment l’homme sera-t-il juste devant *Dieu ? | 2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? |
| 3 S’il se plaît à contester avec lui, il ne lui répondra pas sur un point entre mille. | 3 Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza. |
| 4 Il est sage de cœur et puissant en force : qui s’est endurci contre lui et a prospéré ? | 4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona? |
| 5 Il transporte les montagnes, et elles ne savent pas qu’il* les renverse dans sa colère ; | 5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany, |
| 6 Il remue la terre de sa place, et ses colonnes tremblent ; | 6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny; |
| 7 Il parle au soleil, et [le soleil] ne se lève pas ; et sur les étoiles il met son sceau ; | 7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana; |
| 8 Seul il étend les cieux et marche sur les hauteurs* de la mer ; | 8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina; |
| 9 il fait la grande Ourse, Orion, et les Pléiades, et les chambres* du midi ; | 9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo] |
| 10 Il fait de grandes choses qu’on ne saurait sonder, et des merveilles à ne pouvoir les compter, | 10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. |
| — v. 5 : ou : ne le savent pas, quand il. — v. 8 : ou : l’étendue. — v. 9 : c. à d. les régions étoilées. | |
| * | * |
| 11 Voici, il passe près de moi, et je ne [le] vois pas ; et il passe à côté [de moi], et je ne l’aperçois pas. | 11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro. |
| 12 Voici, il ravit ; qui l’en détournera ? Qui lui dira : Que fais-tu ? | 12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao? |
| 13 #Dieu ne retire pas sa colère ; sous lui fléchissent les orgueilleux qui prêtent secours*. | 13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha] |
| 14 Combien moins lui répondrais-je, moi, [et] choisirais-je mes paroles avec lui ! | 14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy; |
| 15 Si j’étais juste, je ne lui répondrais pas, je demanderais grâce à mon juge. | 15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko. |
| 16 Si je criais, et qu’il me répondît, je ne croirais pas qu’il eût prêté l’oreille à ma voix, — | 16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy. |
| 17 Lui qui m’écrase dans une tempête, et qui multiplie mes blessures sans cause. | 17 Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana. |
| 18 Il ne me permet pas de reprendre haleine ; car il me rassasie d’amertumes. | 18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy. |
| 19 S’agit-il de force, voici, il est fort ; s’agit-il de jugement : Qui m’assignera ? | 19 Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko? |
| 20 Si je me justifiais, ma bouche me condamnerait ; si j’étais parfait, il me montrerait pervers. | 20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy. |
| 21 Si j’étais parfait, je méconnaîtrais mon âme, je mépriserais ma vie. | 21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona. |
| — v. 13 : litt.: ceux qui secourent Rahab. | |
| * | * |
| 22 Tout revient au même ; c’est pourquoi j’ai dit : Il consume le parfait et le méchant. | 22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa. |
| 23 Si le fléau donne subitement la mort, il se rit de l’épreuve de l’innocent. | 23 Raha misy loza* mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana] |
| 24 La terre est livrée en la main du méchant : il couvre la face de ses* juges. S’il n’en est pas ainsi, qui est-ce donc ? | 24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary? |
| 25 Mes jours s’en vont plus vite qu’un coureur ; ils fuient, ils ne voient pas ce qui est bon ; | 25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory. |
| 26 Ils passent rapides comme les barques de jonc, comme un aigle qui fond sur sa proie. | 26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha* izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro] |
| — v. 24 : c. à d. de la terre. | |
| * | * |
| 27 Si je dis : J’oublierai ma plainte, je renoncerai à mon visage [morne] et je serai joyeux, | 27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana, |
| 28 Je suis épouvanté de tous mes tourments ; je sais que tu ne me tiendras pas pour innocent. | 28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho. |
| 29 Soit, je suis méchant : pourquoi me fatigué-je ainsi en vain ? | 29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana? |
| 30 Si je me lave avec de l’eau de neige, et que je nettoie mes mains dans la pureté*, | 30 Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona, |
| 31 Alors tu me plongeras dans un fossé, et mes vêtements m’auront en horreur. | 31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho. |
| 32 Car il n’est pas homme, comme moi, pour que je lui réponde, pour que nous allions ensemble en jugement. | 32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana. |
| 33 Il n’y a pas entre nous un arbitre* qui mettrait sa main sur nous deux. | 33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta. |
| 34 Qu’il retire sa verge de dessus moi, et que sa terreur ne me trouble pas ; | 34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany, |
| 35 Alors je parlerai et je ne le craindrai pas ; mais il n’en est pas ainsi de moi. | 35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho. |
| — v. 30 : litt.: avec du savon. — v. 33 : ou : médiateur. | |
| Chapitre 10 | Chapitre 10 |
| 1 Mon âme est dégoûtée de ma vie ; je laisserai libre cours à ma plainte, je parlerai dans l’amertume de mon âme, | 1 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko |
| 2 Je dirai à #Dieu : Ne me condamne pas ; fais-moi savoir pourquoi tu contestes avec moi. | 2 Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho. |
| 3 Prends-tu plaisir à opprimer, que tu méprises le travail de tes mains, et que tu fasses briller ta lumière sur le conseil des méchants ? | 3 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy? |
| 4 As-tu des yeux de chair ? Vois-tu comme voit l’homme mortel ? | 4 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona? |
| 5 Tes jours sont-ils comme les jours d’un mortel, ou tes années, comme les jours de l’homme, | 5 Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao, |
| 6 Que tu recherches mon iniquité et que tu scrutes mon péché ; | 6 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako, |
| 7 Puisque tu sais que je ne suis pas un méchant, et que nul ne délivre de ta main ? | 7 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao? |
| 8 Tes mains m’ont formé et m’ont façonné tout à l’entour en un tout, et tu m’engloutis ! | 8 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao. |
| 9 Souviens-toi, je te prie, que tu m’as façonné comme de l’argile, et que tu me feras retourner à la poussière. | 9 Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao! |
| 10 Ne m’as-tu pas coulé comme du lait, et fait cailler comme du fromage ? | 10 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry? |
| 11 Tu m’as revêtu de peau et de chair, tu m’as tissé d’os et de nerfs ; | 11 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra. |
| 12 Tu m’as donné la vie, et tu as usé de bonté envers moi, et tes soins ont gardé mon esprit ; | 12 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko. |
| 13 Et tu cachais ces choses dans ton cœur : je sais que cela était par devers toi. | 13 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao: |
| * | * |
| 14 Si j’ai péché, tu m’as aussi observé, et tu ne me tiendras pas pour innocent de mon iniquité. | 14 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko. |
| 15 Si j’ai agi méchamment, malheur à moi ! Si j’ai marché justement, je ne lèverai pas ma tête, rassasié que je suis de mépris et voyant ma misère. | 15 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho. |
| 16 Et elle augmente : tu me fais la chasse comme un lion*, et en moi tu répètes tes merveilles ; | 16 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy. |
| 17 Tu renouvelles tes témoins contre moi, et tu multiplies ton indignation contre moi. Une succession [de maux] et un temps de misère sont avec moi. | 17 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy. |
| — v. 16 : litt.: un rugissant ; voir 4:10. | |
| * | * |
| 18 Et pourquoi m’as-tu fait sortir du sein [de ma mère] ? J’aurais expiré, et aucun œil ne m’eût vu ! | 18 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory. |
| 19 J’aurais été comme si je n’eusse pas été ; de la matrice on m’eût porté au sépulcre ! | 19 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. |
| 20 Mes jours ne sont-ils pas en petit nombre ? Qu’il cesse [donc], qu’il se retire* de moi, et je me remonterai un peu, | 20 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely, |
| 21 Avant que je m’en aille, pour ne plus revenir, dans le pays de l’obscurité et de l’ombre de la mort, | 21 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana, |
| 22 Terre sombre comme les ténèbres de l’ombre de la mort, et où il n’y a que confusion, et où la clarté est comme des ténèbres profondes. | 22 Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any. |
| — v. 20 : d’autres lisent : Cesse donc, et retire-toi. | |
| * | * |
| Chapitre 11 | Chapitre 11 |
| 1 Et Tsophar, le Naamathite, répondit et dit : | 1 [Ny teny voalohany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: |
| 2 La multitude des paroles ne recevrait-elle pas de réponse, et un grand parleur* serait-il justifié ? | 2 Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va? |
| 3 Tes mensonges* doivent-ils faire taire les gens ? Te moqueras-tu, sans que personne te fasse honte ? | 3 Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra, |
| 4 Car tu as dit : Ma doctrine est pure, et je suis sans tache à tes yeux ! | 4 Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho. |
| 5 Oh ! qu’il plût à #Dieu de parler et d’ouvrir ses lèvres contre toi, | 5 Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao! |
| 6 Et de te raconter les secrets de la sagesse, comment ils sont le double de ce qu’on réalise ! Et sache que #Dieu laisse dans l’oubli [beaucoup] de ton iniquité. | 6 Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany* izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona] |
| 7 Peux-tu, en sondant, découvrir ce qui est en #Dieu, ou découvriras-tu parfaitement le Tout-puissant ? | 7 Takatry ny sainao va ny fomban*'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an'] |
| 8 Ce sont les hauteurs des cieux, — que feras-tu ? C’est plus profond que le shéol, qu’en sauras-tu ? | 8 Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita*! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola] |
| 9 Plus longue que la terre est sa mesure, plus large que la mer. | 9 Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina. |
| 10 S’il passe et enferme et fait comparaître*, qui donc le détournera ? | 10 Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy? |
| 11 Car il connaît, lui, les hommes vains, et il voit l’iniquité sans que [l’homme] s’en aperçoive ; | 11 Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy*.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory] |
| 12 Et l’homme stupide* s’enhardit, quoique l’homme naisse** comme le poulain de l’âne sauvage. | 12 Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona*.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia] |
| — v. 2 : litt.: homme de lèvres. — v. 3 : ou : contes. — v. 10 : c. à d. pour le jugement ; litt. |