LE SECOND LIVRE DES CHRONIQUES 2 Tantara
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Et Salomon, fils de David, s’affermit dans son royaume ; et l’Éternel, son Dieu, fut avec lui et l’agrandit extrêmement.* 1 [Fanatitra nataon'i Solomona, ary nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona] Ary Solomona, zanak'i Davida, dia nitombo hery tamin'ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.
— v. 1 : date : A.C. 1015.  
2 Et Salomon parla à tout Israël, aux chefs de milliers et de centaines, et aux juges, et à tous les princes de tout Israël, chefs des pères ; 2 Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana,
3 et Salomon, et toute la congrégation avec lui, allèrent au haut lieu qui était à Gabaon ; car là était la tente d’assignation de Dieu, que Moïse, serviteur de l’Éternel, avait faite dans le désert 3 ka dia niara-niakatra ho any amin'ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an'Andriamanitra, ilay nataon'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, tany an-efitra.
4 (mais David avait fait monter l’arche de Dieu de Kiriath-Jéarim au [lieu] que David lui avait préparé ; car il lui avait tendu une tente à Jérusalem) ; 4 Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.
5 et l’autel d’airain qu’avait fait Betsaleël, fils d’Uri, fils de Hur, était là, devant le tabernacle de l’Éternel ; et Salomon et la congrégation la recherchèrent. 5 Ary alitara varahina izay nataon'i Bezalila, zanak'i Ory zanak'i Hora, dia teo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah; ary Solomona sy fiangonana nitady Azy* tao. [Na: azy]
6 Et Salomon offrit là, devant l’Éternel, sur l’autel d’airain qui était devant la tente d’assignation ; il offrit mille holocaustes sur cet [autel]. 6 Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo.
   
7 Cette même nuit Dieu apparut à Salomon, et lui dit : Demande ce que tu veux que je te donne*. 7 Tamin'ny alin'iny no nisehoan'Andriamanitra tamin'i Solomona, ka hoy Izy taminy: Angataho izay tianao homeko anao.
8 Et Salomon dit à Dieu : Tu as usé d’une grande bonté envers David, mon père, et tu m’as fait roi à sa place : 8 Dia hoy Solomona tamin'Andriamanitra: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko ary nampanjaka ahy handimby azy.
9 maintenant, Éternel Dieu, que ta parole à David, mon père, soit ferme ; car tu m’as établi roi sur un peuple nombreux comme la poussière de la terre : 9 Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany.
10 maintenant, donne-moi de la sagesse et de la connaissance, et je sortirai et j’entrerai devant ce peuple ; car qui jugera ton peuple qui est si grand ? 10 Koa omeo fahendrena sy fahalalana aho hitarihako ireto vahoaka ireto mivoaka sy miditra; fa iza no hahay mitsara izao olonao betsaka izao?
11 Et Dieu dit à Salomon : Parce que c’est cela qui était dans ton cœur, et que tu n’as pas demandé des richesses, des biens, et de la gloire, ni la vie de ceux qui te haïssent, et que tu n’as pas non plus demandé de longs jours, mais que tu as demandé pour toi de la sagesse et de la connaissance afin de pouvoir juger mon peuple sur lequel je t’ai établi roi, 11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,
12 la sagesse et la connaissance te sont données ; et je te donnerai des richesses, et des biens, et de la gloire, comme n’en ont pas eu les rois qui ont été avant toi, et comme après toi aucun n’en aura. 12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.
— v. 7 : litt.: ce que je te donnerai.  
13 Et Salomon revint à Jérusalem, du haut lieu qui était à Gabaon, de devant la tente d’assignation, et il régna sur Israël. 13 Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.
   
14 Et Salomon rassembla des chars et des cavaliers ; et il eut mille quatre cents chars et douze mille cavaliers ; et il les plaça dans les villes à chars, et auprès du roi à Jérusalem. 14 [Ny amin'ny nanangonan'i Solomona soavaly aman-kalesy mbamin'ny harena be] Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ka nanana kalesy efa-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina, izay nataony tany amin'ireny tanàna fitoeran'ny kalesy ary tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.
15 Et le roi fit que l’argent et l’or, dans Jérusalem, étaient comme les pierres, et il fit que les cèdres étaient, en quantité, comme les sycomores qui sont dans le pays plat. 15 Ary nataon'ny mpanjaka ho tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy sy ny volamena tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*. [Heb. Sefela]
16 Et quant aux chevaux de Salomon, il les tirait d’Égypte : une caravane de marchands du roi prenait un convoi [de chevaux] pour un certain prix ; 16 Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry.
17 et on faisait monter et sortir d’Égypte un char pour six cents [sicles] d’argent, et un cheval pour cent cinquante ; et on en faisait venir ainsi, par leur main, pour tous les rois des Héthiens et pour les rois de Syrie. 17 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.
* 18 [Ny niomanan'i Solomona hanao ny tempoly] Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.
Chapitre 2 *
1 Et Salomon résolut de bâtir une maison pour le nom de l’Éternel, et une maison pour son royaume. Chapitre 2
2 Et Salomon dénombra soixante-dix mille portefaix, et quatre-vingt mille hommes qui taillaient [la pierre] sur la montagne, et trois mille six cents surveillants [préposés] sur eux. 1 Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
   
3 Et Salomon envoya vers Hiram*, roi de Tyr, disant : [Fais pour moi] comme tu as fait pour David, mon père, à qui tu as envoyé des cèdres pour se bâtir une maison afin d’y habiter. 2 Ary Solomona naniraka hankany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin'i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,
4 Voici, je bâtis une maison pour le nom de l’Éternel, mon Dieu, pour la lui consacrer*, pour faire fumer devant lui l’encens de drogues odoriférantes, et pour l’arrangement continuel [des pains], et pour les holocaustes du matin et du soir, des sabbats, et des nouvelles lunes, et des jours solennels de l’Éternel, notre Dieu ; cela est [prescrit] à Israël à toujours. 3 indro, izaho efa efa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin'ny fotoam-pivavahina voatendrin'i Jehovah Andriamanitray; ho adidin'ny Isiraely mandrakizay izany.
5 Et la maison que je bâtis sera grande ; car notre Dieu est grand au-dessus de tous les dieux. 4 Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
6 Et qui a le pouvoir de lui bâtir une maison, car les cieux, et les cieux des cieux, ne peuvent le contenir ? Et qui suis-je, moi, pour lui bâtir une maison, si ce n’est pour faire fumer [ce qui se brûle] devant lui ? 5 Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
7 Et maintenant, envoie-moi un homme habile à travailler en or, et en argent, et en airain, et en fer, et en pourpre, et en cramoisi, et en bleu, et qui sache graver*, avec les hommes habiles qui sont auprès de moi en Juda et à Jérusalem [et] que David, mon père, a préparés. 6 Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin'ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin'i Davida raiko.
8 Et envoie-moi du Liban des bois de cèdres, de cyprès, et d’algummim* ; car je sais que tes serviteurs s’entendent à couper le bois dans le Liban ; et voici, mes serviteurs seront avec tes serviteurs, 7 Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao
9 pour me préparer du bois en abondance, car la maison que je bâtis sera grande et merveilleuse. 8 mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.
10 Et voici, je donnerai à tes serviteurs, les coupeurs, qui abattront les bois, vingt mille cors de froment battu*, et vingt mille cors d’orge, et vingt mille baths de vin, et vingt mille baths d’huile. 9 Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
— v. 3 : hébreu : Huram. — v. 4 : litt.: sanctifier. — v. 7 : ou : sculpter. — v. 8 : ou : almuggim ; peut-être : santal. — v. 10 : peut-être faut-il lire : pour nourriture.  
11 Et Hiram*, roi de Tyr, dit dans un écrit qu’il envoya à Salomon : À cause de l’amour de l’Éternel pour son peuple, il t’a établi roi sur eux. 10 Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
12 Et Hiram* dit : Béni soit l’Éternel, le Dieu d’Israël, qui a fait les cieux et la terre, de ce qu’il a donné au roi David un fils sage, doué de sens et d’intelligence, qui bâtira une maison à l’Éternel et une maison pour son royaume. 11 Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany izy.
13 Et maintenant je t’envoie un homme habile, doué d’intelligence, Huram-Abi*, 12 Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby*,[Na: Ikaky Hirama]
14 fils d’une femme d’entre les filles de Dan, et dont le père est Tyrien, sachant travailler en or, et en argent, en airain, en fer, en pierres, et en bois, en pourpre, en bleu, et en byssus, et en cramoisi, et [sachant] faire toute sorte de gravure* et inventer toute sorte de choses qu’on lui donnera à inventer, avec tes hommes habiles et les hommes habiles de mon seigneur David, ton père. 13 zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin'izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin'ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin'itompokolahy Davida rainao Izy.
15 Et maintenant, que mon seigneur envoie à ses serviteurs le froment et l’orge, l’huile et le vin qu’il a dit ; 14 Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
16 et nous, nous couperons des bois dans le Liban, autant que tu en auras besoin, et nous te les amènerons en radeaux sur la mer à Japho* ; et toi, tu les feras monter à Jérusalem. 15 Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.
— v. 11, 12 : hébreu : Huram. — v. 13 : ou : de Hiram, mon père. — v. 14 : ou : sculpture. — v. 16 : Joppé.  
17 Et Salomon dénombra tous les hommes étrangers qui étaient dans le pays d’Israël, suivant* le dénombrement qu’en avait fait David, son père, et on en trouva cent cinquante-trois mille six cents. 16 Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.
18 Et il en fit soixante-dix mille portefaix, et quatre-vingt mille tailleurs de pierres sur la montagne, et trois mille six cents surveillants pour faire travailler le peuple. 17 Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.
— v. 17 : ou : après.  
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et Salomon commença de bâtir la maison de l’Éternel à Jérusalem, sur la montagne de Morija, où [l’Éternel] était apparu à David, son père, sur l’emplacement que David avait préparé dans l’aire d’Ornan, le Jébusien. 1 [Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
2 Et il commença de bâtir le second [jour] * du second mois, en la quatrième année de son règne. ** 2 Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.
— v. 2* : quelques-uns omettent : le second [jour]. — v. 2** : date : A.C. 1012.  
3 Et c’est ici le fondement que Salomon posa pour bâtir la maison de Dieu : la longueur, en coudées, d’après l’ancienne mesure, était de soixante coudées, et la largeur, de vingt coudées. 3 Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
4 Et le portique qui était devant avait vingt coudées de longueur, selon la largeur de la maison ; et sa hauteur était de cent vingt [coudées] ; et il le recouvrit à l’intérieur d’or pur. 4 Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
5 Et la grande maison, il la revêtit de bois de cyprès ; et il la revêtit d’or fin, et il y fit des palmiers* et des chaînes. 5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia* sy tongalika. [palma]
6 Et il recouvrit la maison de pierres précieuses, pour [son] ornement ; et l’or était de l’or de Parvaïm. 6 Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
7 Et il revêtit d’or la maison, les solives, les seuils, et ses murs, et ses portes ; et il entailla des chérubins sur les murs. 7 Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
— v. 5 : ou : palmes.  
8 Et il fit la maison du lieu très-saint* : sa longueur, selon la largeur de la maison, de vingt coudées, et sa largeur de vingt coudées ; et il la revêtit d’or fin, se montant à six cents talents. 8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
9 Et le poids des clous se montait à cinquante sicles d’or ; et il revêtit d’or les chambres hautes. 9 Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
— v. 8 : hébreu, partout : saint des saints.  
10 Et il fit dans la maison du lieu très-saint deux chérubins, d’ouvrage de statuaire, et on les recouvrit d’or. 10 Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
11 Et les ailes des chérubins avaient vingt coudées de long ; une aile de l’un, de cinq coudées, touchait le mur de la maison ; et l’autre aile, de cinq coudées, touchait l’aile de l’autre chérubin. 11 Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
12 Et l’aile de l’autre chérubin, de cinq coudées touchait le mur de la maison ; et l’autre aile, de cinq coudées, joignait l’aile de l’autre chérubin. 12 ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.
13 Les ailes de ces chérubins, déployées, [avaient] vingt coudées ; et ils se tenaient debout sur leurs pieds, et leurs faces [regardaient] vers la maison. 13 Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
14 Et il fit le voile de bleu, et de pourpre, et de cramoisi, et de byssus, et mit dessus des chérubins. 14 Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.
   
15 Et devant la maison il fit deux colonnes de trente-cinq coudées de hauteur* ; et le chapiteau qui était sur leur sommet était de cinq coudées. 15 Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
16 Et il fit des chaînes [comme] dans l’oracle*, et les mit sur le sommet des colonnes ; et il fit cent grenades, et les mit aux chaînes. 16 Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.
17 Et il dressa les colonnes devant le temple, l’une à droite, l’autre à gauche ; et il appela le nom de celle qui était à droite, Jakin* ; et le nom de celle qui était à gauche, Boaz**. 17 Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina*, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza**.[*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
— v. 15 : litt.: longueur. — v. 16 : peut-être faut-il lire : des chaînes au collier [des colonnes]. — v. 17* : il établira, affermira. — v. 17** : en lui est la force.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et il fit un autel d’airain long de vingt coudées, et large de vingt coudées, et haut de dix coudées. 1 Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony.
2 Et il fit la mer de fonte, de dix coudées d’un bord à l’autre bord, ronde tout autour, et haute de cinq coudées ; et un cordon de trente coudées l’entourait tout autour. 2 Ary nanao ny tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ranomasina]
3 Et au-dessous d’elle, l’environnant tout autour, il y avait une ressemblance de bœufs, dix par coudée, entourant la mer tout autour, deux rangs de bœufs, fondus d’une seule fonte avec elle. 3 Ary teo ambanin'ny tavin-drano lehibe* nisy sarin'omby manodidina azy, dia folo amin'ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin'omby sady niara-natao an-idina tamin'ny tavin-drano. .[Heb. ranomasina]
4 Elle était posée sur douze bœufs, trois tournés vers le nord, et trois tournés vers l’occident, et trois tournés vers le midi, et trois tournés vers le levant ; et la mer était sur eux, par-dessus ; et toute leur partie postérieure était en dedans. 4 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe* dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.[Heb. ranomasina]
5 Et son épaisseur était d’une paume, et son bord était comme le travail du bord d’une coupe, en fleurs de lis : en capacité, elle contenait trois mille baths. 5 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy.
6 Et il fit dix cuves, et en plaça cinq à droite, et cinq à gauche, pour y laver : on y lavait ce qu’on préparait pour l’holocauste ; et la mer était pour les sacrificateurs, pour s’y laver. 6 Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe* kosa dia fisasan'ny mpisorona.[Heb. ranomasina]
   
7 Et il fit dix chandeliers d’or, selon l’ordonnance à leur égard : et il les plaça dans le temple, cinq à droite et cinq à gauche. 7 Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia.
8 Et il fit dix tables : et les plaça dans le temple, cinq à droite, et cinq à gauche. Et il fit cent bassins d’or. 8 Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy.
   
9 Et il fit le parvis des sacrificateurs, et la grande cour, et les portes de la cour, et il recouvrit d’airain leurs battants. 9 Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady.
10 Et il mit la mer au côté droit, à l’orient, vers le midi. 10 Ary ny tavin-drano lehibe* nataony tamin'ny ankavanana, dia teo amin'ny atsimo-atsinana.[Heb. ranomasina]
11 Et Huram fit les vases [à cendre], et les pelles, et les bassins*. 11 Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'Andriamanitra:
— v. 11 : voir la note à 1 Rois 7:40.  
Et Huram acheva de faire l’ouvrage qu’il fit pour le roi Salomon dans la maison de Dieu :  
12 deux colonnes, et les globes, et les deux chapiteaux [qui étaient] sur le sommet des colonnes ; et les deux réseaux pour couvrir les deux globes des chapiteaux qui étaient sur le sommet des colonnes ; 12 dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon'ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
13 et les quatre cents grenades pour les deux réseaux, deux rangs de grenades à un réseau, pour couvrir les deux globes des chapiteaux qui étaient sur le sommet* des colonnes. 13 ary ny sarin'ampongaben-danitra efa-jato ho amin'ny harato roa, sarin'ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy;
14 Et il fit les bases, et fit les cuves sur les bases ; 14 ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin'ny fitoerany;
15 la mer unique, et les douze bœufs sous elle : 15 ary ny tavin-drano lehibe* iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ambaniny. [Heb. ranomasina]
16 et les vases [à cendre], et les pelles, et les fourchettes, et tous leurs ustensiles*, Huram-Abiv** les fit d’airain poli, pour le roi Salomon, pour la maison de l’Éternel. 16 Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby* ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama]
17 Le roi les fit fondre dans la plaine du Jourdain, dans l’épaisseur du sol, entre Succoth et Tserédatha. 17 Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
18 Et Salomon fit tous ces objets* en grand nombre, car on ne rechercha pas le poids de l’airain. 18 Toy izany no nanaovan'i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan'ny varahina.
— v. 13 : litt.: la face. — v. 16* : selon quelques-uns, il faudrait lire : tous ces objets. — v. 16** : Huram-Abi, 2:14. — v. 18 : ailleurs : ustensiles.  
19 Et Salomon fit tous les objets* qui étaient dans la maison de Dieu : l’autel d’or ; et les tables sur lesquelles [on mettait] le pain de proposition ; 19 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran'ny mofo aseho,
20 et les chandeliers, et leurs lampes d’or pur, pour brûler devant l’oracle, selon l’ordonnance ; 20 ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan'ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara;
21 et les fleurs, et les lampes, et les pincettes, d’or, (c’était de l’or parfait) ; 21 ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;
22 et les couteaux*, et les bassins, et les coupes, et les brasiers**, d’or pur ; et l’entrée de la maison, ses portes intérieures pour le lieu très-saint, et les portes de la maison, pour le temple, étaient [aussi] d’or. 22 ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
— v. 19 : ailleurs : ustensiles. — v. 22* : ou ; mouchettes. — v. 22** : ou : encensoirs.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et tout l’ouvrage que Salomon fit pour la maison de l’Éternel fut achevé. * Et Salomon apporta les choses saintes de David, son père, tant l’argent que l’or, et tous les ustensiles : il les mit dans les trésors de la maison de Dieu. 1 Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.
— v. 1 : date : A.C. 1005.  
* *
2 Alors Salomon assembla à Jérusalem les anciens d’Israël et tous les chefs des tribus, les princes des pères des fils d’Israël, pour faire monter l’arche de l’alliance de l’Éternel, de la ville de David, qui est Sion. 2 [Ny nitokanana ny tempoly] Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, Tanànan'i Davida.
3 Et tous les hommes d’Israël s’assemblèrent vers le roi, à la fête, celle du septième mois. * 3 Dia nivory ho any amin'ny mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana fahafito.
4 Et tous les anciens d’Israël vinrent, et les Lévites portèrent l’arche. 4 Ary tonga koa ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,
5 Et ils firent monter l’arche, et la tente d’assignation, et tous les ustensiles du lieu saint*, qui étaient dans la tente : les sacrificateurs, les** Lévites, les firent monter. 5 dia nampakariny ny fiara sy ny trano-lay fihaonana ary ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny Levita mpisorona ireo zavatra ireo.
6 Et le roi Salomon et toute l’assemblée d’Israël qui s’était réunie auprès de lui devant l’arche, sacrifiaient du menu et du gros bétail, qu’on ne pouvait nombrer ni compter à cause de [sa] multitude. 6 Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
7 Et les sacrificateurs firent entrer l’arche de l’alliance de l’Éternel en son lieu, dans l’oracle de la maison, dans le lieu très-saint, sous les ailes des chérubins. 7 Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima;
8 Et les chérubins étendaient les ailes sur le lieu de l’arche ; et les chérubins couvraient l’arche et ses barres, par-dessus. 8 fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
9 Et les barres étaient longues, de sorte que les bouts des barres se voyaient hors de l’arche sur le devant* de l’oracle, mais ils ne se voyaient pas du dehors ; et elles sont** là jusqu’à ce jour. 9 Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy.
10 Il n’y avait rien dans l’arche, sauf les deux tables que Moïse y mit en Horeb, quand l’Éternel fit alliance avec les fils d’Israël, lorsqu’ils sortirent d’Égypte. 10 Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon'i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin'i Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'isiraely, tamin'ny nivoahany avy tany Egypta.
— v. 3 : date : A.C. 1004. — v. 5* : ou : les saints ustensiles. — v. 5** : ou : [et] les. — v. 9* : voir la note à 1 Rois 8:8. — v. 9** : litt.: c’est.  
11 Et il arriva, comme les sacrificateurs sortaient du lieu saint (car tous les sacrificateurs qui s’y trouvaient s’étaient sanctifiés sans observer les classes), 11 Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra izay teo dia samy efa nanamasina ny tenany, fa tsy mba nifandimby isan-toko taminy izay),
12 et que les lévites, les chantres, eux tous, Asaph, et Héman, et Jeduthun, et leurs fils et leurs frères, vêtus de byssus, avec des cymbales et des luths et des harpes, se tenaient à l’orient de l’autel, et avec eux cent vingt sacrificateurs sonnant des trompettes, 12 ary ny Levita mpihira rehetra, dia Asafa sy Hemana sy Jedotona mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, izay nitafy rongony fotsy madinita sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, dia nitsangana teo atsinanan'ny alitara, ary teo aminy koa nisy pisorona roa-polo amby zato nitsoka trompetra;
13 — il arriva, lorsque les trompettes et les chantres furent comme un seul homme pour faire entendre une même voix en louant et en célébrant l’Éternel, et qu’ils élevèrent la voix avec des trompettes, et des cymbales, et des instruments de musique, en louant l’Éternel de ce qu’il est bon, parce que sa bonté demeure à toujours, [il arriva] que la maison, la maison de l’Éternel, fut remplie d’une nuée ; 13 ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;
14 et les sacrificateurs ne pouvaient pas s’y tenir pour faire le service, à cause de la nuée, car la gloire de l’Éternel remplissait la maison de Dieu. 14 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Alors Salomon dit : L’Éternel a dit qu’il habiterait dans l’obscurité profonde. 1 Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.
2 Mais moi j’ai bâti une maison d’habitation pour toi, un lieu fixe pour que tu y demeures à toujours. 2 Nefa izaho efa nanao trano hitoeranao tokoa, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
3 Et le roi tourna sa face, et bénit toute la congrégation d’Israël ; et toute la congrégation d’Israël était debout. 3 Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
4 Et il dit : Béni soit l’Éternel, le Dieu d’Israël, qui parla de sa bouche à David, mon père, et de sa main a accompli [sa parole], disant : 4 ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin'i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
5 Depuis le jour que j’ai fait sortir mon peuple du pays d’Égypte, je n’ai choisi aucune ville d’entre toutes les tribus d’Israël pour [y] bâtir une maison afin que mon nom y fût, et je n’ai pas choisi d’homme pour être prince sur mon peuple Israël ; 5 Hatramin'ny andro nitondrako ny oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin'ny firenen'isiraely rehetra hanaovana trano mba hitoeran'ny anarako; ary tsy nisy olona nofidiko ho mpanapaka ny Isiraely oloko;
6 mais j’ai choisi Jérusalem, afin que mon nom y soit ; et j’ai choisi David pour être [roi] sur mon peuple Israël. 6 fa nifidy an'i Jerosalema Aho hitoeran'ny anarako, ary nifidy an'i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
7 Et David, mon père, avait à cœur de bâtir une maison pour le nom de l’Éternel, le Dieu d’Israël. 7 Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
8 Et l’Éternel dit à David, mon père : Puisque tu as eu à cœur de bâtir une maison pour mon nom, tu as bien fait de l’avoir eu à cœur ; 8 Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
9 toutefois, tu ne bâtiras pas la maison ; mais ton fils qui sortira de tes reins, lui, bâtira une maison pour mon nom. 9 Kanefa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.
10 Et l’Éternel a accompli sa parole, qu’il a prononcée ; et je me suis levé à la place de David, mon père, et je suis assis sur le trône d’Israël, comme l’Éternel l’a dit ; et j’ai bâti la maison pour le nom de l’Éternel, le Dieu d’Israël, 10 Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
11 et j’y ai mis l’arche, où est l’alliance de l’Éternel, qu’il a faite avec les fils d’Israël. 11 Ary napetrako tao ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny Zanak'isiraely.
   
12 Et il se tint devant l’autel de l’Éternel, en face de toute la congrégation d’Israël, et étendit ses mains ; 12 Ary Solomona nitsangana teo anoloan'ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany
13 car Salomon avait fait une estrade d’airain, longue de cinq coudées, large de cinq coudées, et haute de trois coudées, et l’avait mise au milieu de la cour ; et il s’y tint, et fléchit les genoux en face de toute la congrégation d’Israël, et étendit ses mains vers les cieux, 13 fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan'ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin'io izy ka nandohalika teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra
14 et dit : Éternel, Dieu d’Israël ! il n’y a point de Dieu comme toi, dans les cieux et sur la terre, qui gardes l’alliance et la bonté envers tes serviteurs qui marchent devant toi de tout leur cœur, 14 ka nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra na etỳ an-tany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,
15 toi qui as gardé envers ton serviteur David, mon père, ce que tu lui as dit : tu as parlé de ta bouche, et de ta main tu as accompli [ta parole], comme [il paraît] aujourd’hui. 15 sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy; fa nolazain'ny vavanao izany, dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
16 Et maintenant, Éternel, Dieu d’Israël, garde envers ton serviteur David, mon père, ce que tu lui as dit, disant : Tu ne manqueras pas, devant ma face, d’un homme assis sur le trône d’Israël ; si seulement tes fils prennent garde à leur voie, pour marcher dans ma loi, comme tu as marché devant moi. 16 Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany ka mankatò ny lalàko tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
17 Et maintenant, Éternel, Dieu d’Israël, que ta parole, que tu as dite à ton serviteur David, soit ferme. 17 Koa ankehitriny, ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona amina aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida mpanomponao.
18 Mais Dieu habitera-t-il vraiment avec l’homme sur la terre ? Voici, les cieux, et les cieux des cieux, ne peuvent te contenir ; combien moins cette maison que j’ai bâtie ! 18 Andriamanitra va dia honina amin'ny olona etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
19 Cependant, Éternel, mon Dieu, aie égard à la prière de ton serviteur et à sa supplication, pour écouter le cri et la prière que ton serviteur t’adresse, 19 Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao,
20 pour que tes yeux soient ouverts jour et nuit sur cette maison, sur le lieu où tu as dit que tu mettrais ton nom, pour écouter la prière que ton serviteur t’adressera [en se tournant] vers ce lieu-ci. 20 mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ao no hasiako ny anarako, hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
21 Et écoute les supplications de ton serviteur et de ton peuple Israël, qu’ils t’adresseront [en se tournant] vers ce lieu-ci : toi, écoute des cieux, du lieu de ton habitation ; écoute et pardonne ! 21 Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.
— v. 19 : litt.: prie devant toi.  
22 Si un homme pèche contre son prochain, et qu’on lui impose le serment, pour le faire jurer, et que le serment vienne devant ton autel dans cette maison : 22 Raha misy olona manota amin'ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan'ny alitaranao amin'ity trano ity izy,
23 alors, toi, écoute des cieux, et agis, et juge tes serviteurs, en rendant au méchant [selon ce qu’il a fait], en faisant retomber sa voie sur sa tête, et en justifiant le juste, en lui donnant selon sa justice. 23 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hamaly ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin'ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
   
24 Et si ton peuple Israël est battu devant l’ennemi, parce qu’ils ont péché contre toi, et qu’ils retournent [vers toi], et confessent ton nom, et te prient, et présentent leur supplication devant toi dans cette maison : 24 Raha resy eo anoloan'ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona eto anatrehanao amin'ity trano ity izy,
25 alors, toi, écoute des cieux, et pardonne le péché de ton peuple Israël ; et fais-les retourner dans la terre que tu leur as donnée, à eux et à leurs pères. 25 dia mihainoa any an-danitra, Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny Isiraely olonao, ary ampodio amin'ny tany nomenao azy sy ny razany izy.
   
26 Quand les cieux seront fermés et qu’il n’y aura pas de pluie, parce qu’ils auront péché contre toi, s’ils prient [en se tournant] vers ce lieu-ci, et qu’ils confessent ton nom et reviennent de leur péché, parce que tu les auras affligés : 26 Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan'ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin'ny fahotany, satria ampahorinao,
27 alors, toi, écoute dans les cieux, et pardonne le péché de tes serviteurs et de ton peuple Israël, quand tu leur auras enseigné le bon chemin dans lequel ils doivent marcher ; et donne la pluie sur ton pays que tu as donné en héritage à ton peuple. 27 dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan'ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao, satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin'ny taninao, izay nomenao ho lovan'ny olonao.
28 S’il y a famine dans le pays, s’il y a peste, s’il y a brûlure, ou rouille, sauterelles ou locustes, si ses ennemis l’assiègent dans le pays de ses portes, quelque plaie ou quelque maladie qu’il y ait, 28 Raha misy mosary amin'ny tany, na areti-mandringana, na mainan'ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin'ny taniny, dia ao amin'ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
29 quelle que soit la prière, quelle que soit la supplication que fera un homme quelconque, ou tout ton peuple Israël, quand ils reconnaîtront chacun sa plaie et sa souffrance et qu’ils étendront leurs mains vers cette maison : 29 izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon'olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,
30 alors, toi, écoute des cieux, du lieu* de ton habitation, et pardonne, et donne à chacun selon toutes ses voies, suivant que tu connais son cœur (car tu connais, toi seul, le cœur des fils des hommes), 30 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon'ny zanak'olombelona,)
31 afin qu’ils te craignent pour marcher dans tes voies, tous les jours qu’ils vivront sur la face de la terre que tu as donnée à nos pères. 31 mba hatahorany Anao sy handehanany amin'ny lalanao amin'izay andro rehetra hiainany etỳ amin'ny tany nomenao ny razanay.
— v. 30 : lieu fixe.  
32 Et quant à l’étranger aussi, qui ne sera pas de ton peuple Israël, mais qui viendra d’un pays lointain à cause de ton grand nom, et de ta main forte, et de ton bras étendu, s’il vient et présente sa prière [en se tournant] vers cette maison : 32 Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan'ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin'ny tany lavitra noho ny amin'ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra, koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
33 alors, toi. écoute des cieux, du lieu* de ton habitation, et agis selon tout ce que l’étranger réclamera de toi ; afin que tous les peuples de la terre connaissent ton nom, et te craignent, comme ton peuple Israël, et qu’ils sachent que cette maison que j’ai bâtie est appelée de ton nom**. 33 dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan'ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon'ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano nataoko ity.
— v. 33* : lieu fixe. — v. 33** : voir la note à 1 Rois 8:43.  
34 Lorsque ton peuple sortira pour la guerre contre ses ennemis, par le chemin par lequel tu l’auras envoyé, et qu’ils te prieront en se tournant vers cette ville que tu as choisie et vers la maison que j’ai bâtie pour ton nom : 34 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalony ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka aminao manandrify ity tanana izay nofidinao ity sy ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao izy,
35 alors, écoute des cieux leur prière et leur supplication, et fais-leur droit. 35 dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
   
36 S’ils ont péché contre toi (car il n’y a point d’homme qui ne pèche), et que tu te sois irrité contre eux, et que tu les aies livrés à l’ennemi, et qu’ils* les aient emmenés captifs en un pays éloigné ou rapproché, 36 Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan'ny fahavalony, ka dia entin'ny mpamabo ho babo any amin'ny tany na ho lavitra na ho akaiky izy,
37 et que, dans le pays où ils auront été emmenés captifs, ils rentrent en eux-mêmes*, et reviennent [à toi] et te supplient, dans le pays de leur captivité, disant : Nous avons péché, nous avons commis l’iniquité, et nous avons agi méchamment, 37 ary mahatsiaro any amin'ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy,
38 — et s’ils reviennent à toi de tout leur cœur et de toute leur âme, dans le pays de leur captivité où on les aura emmenés captifs, et [te] prient en se tournant vers leur pays que tu as donné à leurs pères, et vers la ville que tu as choisie, et vers la maison que j’ai bâtie pour ton nom : 38 ka dia miverina aminao amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy ao amin'ny tany nitondrana azy ho babo ary mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an'ny anaranao,
39 alors, écoute des cieux, du lieu* de ton habitation, leur prière et leurs supplications, et fais-leur droit, et pardonne à ton peuple ce en quoi ils ont péché contre toi. 39 dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonanao ka omeo rariny izy; ary mamelà ny olonao izay efa nanota taminao.
— v. 36 : litt.: et que ceux qui les mènent captifs. — v. 37 : litt.: dans leurs cœurs. — v. 39* : lieu fixe.  
40 Maintenant, mon Dieu, que tes yeux, je te prie, soient ouverts, et que tes oreilles soient attentives à la prière [qu’on te fera] de ce lieu-ci. 40 Ankehitriny, ry Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin'ity fitoerana ity.
41 Et maintenant, Éternel Dieu ! lève-toi pour [entrer dans] ton repos, toi et l’arche de ta force ! Que tes sacrificateurs, Éternel Dieu, soient revêtus de salut, et que tes saints* se réjouissent en [ta] bonté** ! 41 Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin'ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô. ary aoka ny olonao masina hifaly amin'ny soa.
42 Éternel Dieu, ne repousse pas la face de ton oint ; souviens-toi de [tes] grâces*, envers David, ton serviteur. 42 Ry Jehovah Andriamanitra ô, aza lavinao ny voahosotrao; tsarovy ny famindram-po nampanantenaina an'i Davida mpanomponao.
— v. 41* : voir verset 42. — v. 41** : ou : dans le bonheur, ou : en ce qui est bon. — v. 42 : hébreu : khésed, d’où le mot khasid, saint (verset 41), c’est la bonté en Dieu, la piété dans l’homme, envers Dieu, envers ses parents, la miséricorde. Christ lui-même, comme Celui en qui ces qualités se trouvent, est appelé khasid ; voir Psaume 89:1-3, 10.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et quand Salomon eut achevé de prier, le feu descendit des cieux et consuma l’holocauste et les sacrifices, et la gloire de l’Éternel remplit la maison. 1 Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà, ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.
2 Et les sacrificateurs ne pouvaient entrer dans la maison de l’Éternel, car la gloire de l’Éternel remplissait la maison de l’Éternel. 2 Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.
3 Et tous les fils d’Israël, voyant descendre le feu, et la gloire de l’Éternel sur la maison, s’inclinèrent le visage en terre sur le pavement, et se prosternèrent, et célébrèrent l’Éternel : Car il est bon, car sa bonté [demeure] à toujours ! 3 Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.
4 Et le roi et tout le peuple sacrifièrent des sacrifices devant l’Éternel. 4 Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan'i Jehovah.
5 Et le roi Salomon sacrifia un sacrifice de vingt-deux mille bœufs et de cent vingt mille moutons. Et le roi et tout le peuple firent la dédicace de la maison de Dieu. 5 Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.
6 Et les sacrificateurs se tinrent à leurs charges, et les lévites avec les instruments de musique de l’Éternel, que le roi David avait faits pour célébrer l’Éternel, parce que sa bonté [demeure] à toujours, — quand David louait par leur moyen. Et les sacrificateurs sonnèrent des trompettes vis-à-vis d’eux, et tout Israël se tenait là. 6 Ary ny mpisorona samy nitsangana hanao ny anjara-raharahany avy; ny Levita koa nanana ny zava-manenon'i Jehovah, izay nataon'i Davida mpanjaka hiderana an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony, raha nasain'i Davida nidera an'Andriamanitra izy; ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra teo anoloany, ary ny Isiraely rehetra nitsangana teo.
7 Et Salomon sanctifia le milieu du parvis qui était devant la maison de l’Éternel ; car il offrit là les holocaustes et la graisse des sacrifices de prospérités, parce que l’autel d’airain que Salomon avait fait ne pouvait recevoir l’holocauste, et l’offrande de gâteau, et les graisses. 7 Ary Solomona nanamasina ny afovoan'ny kianja izay teo anoloan'ny tranon'i Jehovah; fa tao no nanaterany ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavavana; fa ny alitara varahina izay nataon'i Solomona dia tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny sabora.
   
8 Et Salomon célébra la fête en ce temps-là, pendant sept jours, et tout Israël avec lui, depuis l’entrée de Hamath jusqu’au torrent d’Égypte, une très-grande congrégation. 8 Ary tamin'izany andro izany Solomona ny Isiraely rehetra izay teo aminy, dia nangonana lehibe hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana hafitoana.
9 Et au huitième jour ils célébrèrent une fête solennelle ; car ils firent la dédicace de l’autel pendant sept jours, et la fête pendant sept jours. 9 Ary tamin'ny andro fahavalo dia nanao fara-fivoriana Izy; fa hafitoana no nitandremany ny fitokanana ny alitara, ary hafitoana koa ny andro firavoravoana.
10 Et le vingt-troisième jour du septième mois, il renvoya le peuple à ses tentes, joyeux et le cœur heureux à cause du bien que l’Éternel avait fait à David, et à Salomon, et à Israël, son peuple. 10 Ary nony tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahafito dia nampodiny ho Eny an-dainy avy ny olona, ary faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon'i Jehovah tamin'i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.
   
11 Et Salomon acheva la maison de l’Éternel et la maison du roi ; et, en tout ce que Salomon avait eu à cœur de faire dans la maison de l’Éternel et dans sa maison, il réussit. 11 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany.
   
12 Et l’Éternel apparut de nuit à Salomon, et lui dit : J’ai entendu ta prière, et je me suis choisi ce lieu-ci pour une maison de sacrifice. 12 Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra.
13 Si je ferme les cieux et qu’il n’y ait pas de pluie, et si je commande à la sauterelle de dévorer la terre, et si j’envoie la peste parmi mon peuple, 13 Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko,
14 et que mon peuple, qui est appelé de mon nom, s’humilie, et prie, et cherche ma face, et revienne de ses mauvaises voies, moi aussi j’écouterai des cieux, et je pardonnerai leur péché, et je guérirai leur pays. 14 raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
15 Maintenant mes yeux seront ouverts et mes oreilles attentives à la prière [qu’on fera] de ce lieu ; 15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity;
16 car maintenant j’ai choisi et sanctifié cette maison, afin que mon nom y soit à jamais ; et mes yeux et mon cœur seront toujours là. 16 fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva.
17 Et toi, si tu marches devant moi comme a marché David, ton père, pour faire selon tout ce que je t’ai commandé, et si tu gardes mes statuts et mes ordonnances, 17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko,
18 j’affermirai le trône de ton royaume, selon que j’ai fait alliance avec David, ton père, disant : Tu ne manqueras pas d’un homme pour gouverner Israël. 18 dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.
19 Mais si vous vous détournez, et que vous abandonniez mes statuts et mes commandements que j’ai mis devant vous, et que vous alliez et serviez d’autres dieux et vous prosterniez devant eux, 19 Fa raha mivily kosa ianareo ka mahafoy ny didiko sy ny lalako, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany
20 je vous* arracherai de dessus ma terre que je vous* ai donnée ; et cette maison que j’ai sanctifiée pour mon nom, je la rejetterai de devant ma face, et j’en ferai un proverbe et un sujet de raillerie parmi tous les peuples. 20 dia hongotako amin'ny tany izay nomeko anareo*; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an'ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin'ny firenena rehetra. [Heb. azy]
21 Et cette maison, si haut élevée qu’elle soit*, quiconque passera près d’elle sera étonné et dira : Pourquoi l’Éternel a-t-il fait ainsi à ce pays et à cette maison ? 21 Ary na dia avo aza ity trano ity, dia ho fitalanjonan'izay rehetra mandalo azy ka hatao hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
22 Et on dira : Parce qu’ils ont abandonné l’Éternel, le Dieu de leurs pères, qui les fit sortir du pays d’Égypte, et qu’ils se sont attachés à d’autres dieux, et se sont prosternés devant eux et les ont servis : c’est pourquoi il a fait venir sur eux tout ce mal. 22 Ary hisy hamaly hoe: Satria nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nikikitra tamin'andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, koa izany no nampidirany izao loza rehetra izao taminy.
— v. 20 : litt.: les … leur. — v. 21 : litt.: cette maison qui aura été haut élevée.  
* *
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et au bout de vingt ans,* lorsque Salomon eut bâti la maison de l’Éternel et sa propre maison, 1 [Ny amin'ny trano nataon'i Solomona sy ny nandaminay ny amin'ny fanatitra hatao ao amin'ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny tenany,
2 il arriva que Salomon bâtit aussi les villes que Hiram* avait données à Salomon, et y fit habiter les fils d’Israël. 2 dia namboariny ny tanàna izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Zanak'isiraely.
3 Et Salomon alla en Hamath-Tsoba, et l’assujettit. 3 Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
4 Et il bâtit Tadmor dans le désert, et toutes les villes à entrepôts qu’il bâtit en Hamath. 4 Ary nanorina an'i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
5 Et il bâtit Beth-Horon la haute, et Beth-Horon la basse, villes fortes, avec des murailles, des portes et des barres, 5 Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
6 et Baalath, et toutes les villes à entrepôts qu’avait Salomon, et toutes les villes pour les chars, et les villes pour la cavalerie, et tout ce que Salomon désira de bâtir à Jérusalem, et au Liban, et dans tout le pays de sa domination. 6 ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an'i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra.
7 — Tout le peuple qui restait des Héthiens, et des Amoréens, et des Phéréziens, et des Héviens, et des Jébusiens, qui n’étaient pas d’Israël, 7 Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely
8 — leurs fils qui étaient restés après eux dans le pays [et] que les fils d’Israël n’avaient pas détruits, Salomon les assujettit aux levées, jusqu’à ce jour. 8 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny taniny, fa tsy naringan'ny Isiraely, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.
9 Mais des fils d’Israël, Salomon n’en fit pas des esclaves pour ses travaux ; car ils étaient hommes de guerre, et chefs de ses capitaines, et chefs de ses chars et de sa cavalerie. 9 Fa ny Zanak'isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin'ny mpanafika malaza ary komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
10 Et c’est ici [le nombre] des chefs des intendants qu’avait le roi Salomon : deux cent cinquante, qui avaient autorité sur le peuple. 10 Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
— v. 1 : date : A.C. 995. — v. 2 : Huram, ici, et verset 18, et 9:10, 21.  
11 Et Salomon fit monter la fille du Pharaon, de la ville de David, dans la maison qu’il avait bâtie pour elle ; car il dit : Ma femme n’habitera pas dans la maison de David, roi d’Israël, car les lieux où est entrée l’arche de l’Éternel sont saints. 11 Ary Solomona nitondra ny zanakavavin'i Farao niakatra avy tany an-Tanànan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely, fa masina izay efa nidiran'ny fiaran'i Jehovah.
   
12 Alors Salomon offrit des holocaustes à l’Éternel, sur l’autel de l’Éternel, qu’il avait bâti devant le portique, 12 Ary tamin'izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah, izay naoriny teo anoloan'ny lavarangana fidirana;
13 offrant chaque jour ce qu’il fallait, selon le commandement de Moïse, pour les sabbats, et pour les nouvelles lunes, et pour les jours solennels, trois fois par an, à la fête des pains sans levain, et à la fête des semaines, et à la fête des tabernacles. 13 eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin'i Mosesy dia tamin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo.
14 Et il établit, suivant l’ordonnance de David, son père, les classes des sacrificateurs dans leur service, et les lévites dans leurs charges, pour louer et pour faire le service devant les sacrificateurs, selon l’œuvre de chaque jour*, et les portiers dans leurs divisions, à chaque porte ; car tel avait été le commandement de David, homme de Dieu. 14 Ary notendreny koa ny antokon'ny mpisorona araka ny nandaharan'i Davida rainy azy ho amin'ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin'ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan'ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan'andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin'ny isam-bavahady; fa izany no nandidian'i Davida lehilahin'Andriamanitra, azy.
15 Et on ne s’écarta point du commandement du roi pour les sacrificateurs et les lévites, en aucune chose, ni à l’égard des trésors. 15 Ary tsy nialan'ireo ny didin'ny mpanjaka tamin'ny mpisorona sy ny Levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny rakitra.
16 Ainsi toute l’œuvre de Salomon fut préparée, jusqu’au jour où la maison de l’Éternel fut fondée, et jusqu’à ce qu’elle fut terminée. La maison de l’Éternel fut achevée. 16 Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah.
— v. 14 : comme 1 Chr. 16:37, litt.: pour la chose du jour en son jour ; et comparer 2 Chr. 31:16.  
17 Alors Salomon s’en alla à Etsion-Guéber et à Éloth, sur le bord de la mer, dans le pays d’Édom. 17 Ary tamin'izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron'ny ranomasina any amin'ny tany Edoma,
18 Et Hiram lui envoya, par la main de ses serviteurs, des navires et des serviteurs connaissant la mer ; et ils allèrent avec les serviteurs de Salomon à Ophir, et y prirent quatre cent cinquante talents d’or, et les apportèrent au roi Salomon. 18 ary ny mpanompon'i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin'ny mpanompon'i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
* *
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et la reine de Sheba entendit parler de la renommée de Salomon, et elle vint à Jérusalem, pour éprouver Salomon par des énigmes, avec un fort grand train, et des chameaux qui portaient des aromates et de l’or en grande quantité, et des pierres précieuses ; et elle vint vers Salomon et parla avec lui de tout ce qu’elle avait sur son cœur. 1 [Sy namangian'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona] Ary ny mpanjakavavin'i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan'i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin'ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin'i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin'izay rehetra tao am-pony.
2 Et Salomon lui expliqua toutes les choses dont elle parlait ; et il n’y eut pas une chose cachée pour Salomon, [pas une chose] qu’il ne lui expliquât. 2 Ary voavalin'i Solomona izy tamin'izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin'i Solomona, fa nambarany azy avokoa.
   
3 Et la reine de Sheba vit la sagesse de Salomon, et la maison qu’il avait bâtie, 3 Ary rehefa hitan'ilay mpanjakavavin'i Sheba ny fahendren'i Solomona sy ny trano izay nataony
4 et les mets de sa table, et la tenue de ses serviteurs, et l’ordre de service de ses officiers, et leurs vêtements, et ses échansons, et leurs vêtements, et la rampe par laquelle il montait dans la maison de l’Éternel, et il n’y eut plus d’esprit en elle ; 4 sy ny hanim-pihinany teo amin'ny latabany, sy ny fipetrahan'ny tandapany sy ny fitoeran'ny mpanompony mbamin'ny fitafian'ireo sy ny mpitondra kapoakany sy ny fitafian'ireo, ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon'i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
5 et elle dit au roi : Ce que j’ai entendu dire dans mon pays sur tout ton état* et sur ta sagesse était la vérité ; 5 Dia hoy izy tamin'ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin'ny taniko ny amin'ny teninao sy ny fahendrenao.
6 mais je n’ai pas cru leurs paroles, jusqu’à ce que je sois venue et que mes yeux aient vu ; et voici, on ne m’avait pas rapporté la moitié de la grandeur de ta sagesse : tu surpasses la rumeur que j’en ai entendue. 6 Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita; kanjo hay! na dia ny antsasaky ny fahendrenao aza tsy voalaza tamiko akory; fa, indro, mihoatra noho ny laza efa reko ianao.
7 Heureux tes gens, et heureux ceux-ci, tes serviteurs, qui se tiennent continuellement devant toi, et qui entendent ta sagesse ! 7 Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!
8 Béni soit l’Éternel, ton Dieu, qui a pris plaisir en toi, pour te placer sur son trône comme roi pour l’Éternel, ton Dieu ! Parce que ton Dieu a aimé Israël pour l’établir à toujours, il t’a fait roi sur eux pour faire droit et justice. 8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
— v. 5 : litt.: sur tes choses.  
9 Et elle donna au roi cent vingt talents d’or, et des aromates en très-grande quantité, et des pierres précieuses ; et il n’y a pas eu d’aromates pareils à ceux que la reine de Sheba donna au roi Salomon. 9 Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an'ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra tahaka ilay nomen'ny mpanjakavavin'i Sheba an'i Solomona mpanjaka.
10 (Et les serviteurs de Hiram aussi, et les serviteurs de Salomon, qui apportèrent de l’or d’Ophir, apportèrent du bois d’algummim* et des pierres précieuses. 10 Ary ny mpanompon'i Hirama koa sy ny mpanompon'i Solomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra hazo almoga sy vato soa.
11 Et, avec le bois d’algummim, le roi fit des escaliers pour la maison de l’Éternel et pour la maison du roi, et des harpes et des luths pour les chanteurs : et on n’en avait pas vu de semblable auparavant dans le pays de Juda). 11 Ary ny hazo almoga dia nataon'ny mpanjaka ambaratonga mankamin'ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an'ny mpihira koa; ary tsy mbola nisy hita toy izany teo aloha tamin'ny tanin'ny Joda.
12 Et le roi Salomon donna à la reine de Sheba tout son désir, [tout ce] qu’elle demanda, outre* ce qu’elle avait apporté au roi. Et elle s’en retourna, et s’en alla dans son pays, elle et ses serviteurs. 12 Ary Solomona mpanjaka dia nanome ny mpanjakavavin'i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay valin'ny nentiny ho an'ny mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin'ny taniny izy mbamin'ny mpanompony.
— v. 10 : peut-être : santal. — v. 12 : c. à d. : outre ce qu’il lui avait donné en retour de.  
* *
13 Et le poids de l’or qui arrivait à Salomon dans une année était de six cent soixante-six talents d’or, 13 [Ny varotra nataon'i Solomona mbamin'ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan'ny volamena izay tonga tao amin'i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
14 outre ce qu’apportaient les commerçants ambulants et les trafiquants, et ce qu’apportaient à Salomon tous les rois de l’Arabie, et les gouverneurs du pays, en fait d’or et d’argent. 14 afa-tsy izay nentin'ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan'i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an'i Solomona.