LE PREMIER LIVRE DES ROIS 1 Mpanjaka
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Et le roi David était vieux, avancé en âge. Et on le couvrit de vêtements, mais il ne fut pas réchauffé. 1 [Ny niodinan'i Adonia, sy ny nanosorana an'i Solomona ho mpanjaka] Ary Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofany lamba izy, fa tsy nety nafana.
2 Et ses serviteurs lui dirent : Qu’on cherche pour le roi, mon seigneur, une jeune fille vierge, et qu’elle se tienne devant le roi, et qu’elle le soigne, et qu’elle couche dans ton sein, et que le roi, mon seigneur, se réchauffe. 2 Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
3 Et on chercha une belle jeune fille dans tous les confins d’Israël ; et on trouva Abishag, la Sunamite, et on l’amena au roi. 3 Ary dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra izy ka nahita an'i Abisaga Sonemita, dia nentiny tany amin'ny mpanjaka.
4 Et la jeune fille était extrêmement belle ; et elle soignait le roi et le servait ; mais le roi ne la connut pas. 4 Ary tsara tarehy dia tsara tarehy razazavavy, dia tonga mpitaiza ny mpanjaka sady nanompo azy izy; nefa ny mpanjaka tsy nahalala azy.
* *
5 Et Adonija, fils de Hagguith, s’éleva, disant : Moi, je serai roi. * Et il se procura des chars et des cavaliers, et cinquante hommes qui couraient devant lui. 5 Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nanandratra ny tenany ka nanao hoe: Izaho no hanjaka; dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany izy.
6 Et son père ne l’avait jamais chagriné*, en disant : Pourquoi fais-tu ainsi ? Et il était aussi un très-bel homme ; et sa mère** l’avait enfanté après Absalom. 6 Ary ny rainy tsy mbola niteny mafy azy atory hatrizay niainany nanao hoe: Nahoana ianao no manao toy izao ? sady lehilahy tsara tarehy tokoa izy; ary izy no na tera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.
7 Et il conféra avec Joab, fils de Tseruïa, et avec Abiathar, le sacrificateur, et ils aidèrent Adonija et le suivirent*. 7 Ary efa niresaka tamin'i Joaba, zanak'i Zeroia, sy Abiatara mpisorona izy; ka dia niandany tamin'i Adonia izy roa lahy ka nanampy azy.
8 Mais Tsadok, le sacrificateur, et Benaïa, fils de Jehoïada, et Nathan, le prophète, et Shimhi, et Réï, et les hommes forts qui étaient à David, ne furent pas avec Adonija. 8 Fa Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany sy Simey sy Rey ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.
— v. 5 : date : A.C. 1015. — v. 6* : litt.: ne l’avait pas chagriné dès ses jours. — v. 6** : litt.: et elle. — v. 7 : litt.: aidèrent après Adonija.  
9 Et Adonija sacrifia* du menu et du gros bétail et des bêtes grasses, près de la pierre de Zokheleth, qui est à côté d’En-Roguel. Et il invita tous ses frères, les fils du roi, et tous les hommes de Juda, serviteurs du roi. 9 Ary Adonia namono ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby mifahy teo anilan'ny vato Zoheleta tanilan'i En-rogela ka nanasa ny rahalahiny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, mpanompon'ny mpanjaka;
10 Mais il n’invita pas Nathan, le prophète, ni Benaïa, ni les hommes forts, ni Salomon, son frère. 10 fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
— v. 9 : plutôt : tua.  
11 Et Nathan parla à Bath-Shéba, mère de Salomon, en disant : N’as-tu pas entendu qu’Adonija, fils de Hagguith, règne ? Et notre seigneur David ne le sait pas. 11 Ary Natana niteny tamin'i Batseba, renin'i Solomona, hoe: Moa tsy renao va fa efa manjaka Adonia, zanak'i Hagita, nefa tsy fantatr'i Davida tompontsika akory izany?
12 Maintenant donc viens, et que je te donne un conseil, je te prie, et sauve ta vie et la vie de ton fils Salomon. 12 Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanakao.
13 Va, et entre auprès du roi David, et dis-lui : Ô roi, mon seigneur, n’as-tu pas juré à ta servante, en disant : Salomon ton fils, régnera après moi, et lui s’assiéra sur mon trône ? Et pourquoi Adonija règne-t-il ? 13 Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
14 Voici, pendant que tu parleras encore là avec le roi, moi je viendrai après toi, et je confirmerai* tes paroles. 14 Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
15 Et Bath-Shéba entra auprès du roi, dans la chambre ; et le roi était très-vieux ; et Abishag, la Sunamite, servait le roi. 15 Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
16 Et Bath-Shéba s’inclina, et se prosterna devant le roi. Et le roi [lui] dit : Que veux-tu ? 16 Dia niondrika Batseba ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Ary hoy ny mpanjaka: Inona no ilainao?
17 Et elle lui dit : Mon seigneur, tu as juré par l’Éternel, ton Dieu, à ta servante : Salomon, ton fils, régnera après moi, et il s’assiéra sur mon trône. 17 Dia hoy izy taminy: Tompokolahy ô, Jehovah Andriamanitrao no nianiananao tamiko mpanompovavinao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
18 Et maintenant, voici Adonija règne ; et maintenant*, ô roi, mon seigneur, tu ne le sais pas. 18 Kanjo izao dia, indro, Adonia no manjaka; kanefa tsy fantatrao izany, ry mpanjaka tompoko.
19 Et il a sacrifié* des bœufs et des bêtes grasses, et du menu bétail en abondance, et il a invité tous les fils du roi, et Abiathar, le sacrificateur, et Joab, le chef de l’armée ; mais Salomon, ton serviteur, il ne l’a pas invité. 19 Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
20 Et quant à toi, ô roi, mon Seigneur, les yeux de tout Israël sont sur toi, pour que tu leur déclares qui doit s’asseoir sur le trône du roi, mon seigneur, après lui. 20 Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
21 Et il arrivera que, quand le roi, mon seigneur, sera endormi* avec ses pères, moi et mon fils Salomon, nous serons [trouvés] coupables. 21 Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
22 Et voici, elle parlait encore avec le roi, que Nathan, le prophète, arriva. 22 Ary raha mbola niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia. indro, niditra koa Natana mpaminany.
23 Et on l’annonça au roi, en disant : Voici Nathan, le prophète. Et il entra devant le roi, et se prosterna en terre sur sa face devant le roi. 23 Ary nisy nanambara amin'ny mpanjaka hoe: Indro Natana mpaminany. Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
24 Et Nathan dit : Ô roi, mon seigneur, as-tu dit : Adonija régnera après moi, et lui s’assiéra sur mon trône ? 24 Ary hoy Natana: Ry mpanjaka tompoko ô, fa angaha ianao efa niteny hoe: Adonia no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako.
25 Car il est descendu aujourd’hui, et a sacrifié* des bœufs et des bêtes grasses, et du menu bétail en abondance, et a invité tous les fils du roi, et les chefs de l’armée, et Abiathar, le sacrificateur ; et voilà, ils mangent et boivent devant lui, et disent : Vive le roi Adonija ! 25 Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
26 Mais moi, ton serviteur, et Tsadok, le sacrificateur, et Benaïa, fils de Jehoïada, et ton serviteur Salomon, il ne nous a pas invités. 26 Fa izaho mpanomponao sy Zadoka mpisorona sy Benaia, zanak'i Joiada, ary Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
27 Est-ce de la part du roi, mon seigneur, que cette chose a lieu ? et tu n’as pas fait connaître à tes serviteurs* qui s’assiéra sur le trône du roi, mon seigneur, après lui. 27 Moa avy tamin'ny mpanjaka tompoko va no nahatonga izany zavatra izany, ka tsy mba nampahafantarinao ny mpanomponao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao?
28 Et le roi David répondit et dit : Appelez-moi Bath-Shéba. Et elle entra devant le roi, et se tint devant le roi. 28 Ary namaly Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankatỳ amiko Batseba. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nitsangana teo anatrehany
29 Et le roi jura, et dit : L’Éternel est vivant, qui a racheté mon âme de toute détresse, 29 Ary ny mpanjaka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ny aiko tamin'ny fahoriana rehetra,
30 que, comme je t’ai juré par l’Éternel, le Dieu d’Israël, disant : Salomon, ton fils, régnera après moi, et lui s’assiéra sur mon trône, à ma place, — ainsi je ferai ce jour-ci. 30 dia tahaka ilay nianianako tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sady nilazako taminao hoe: Solomona zanakaolahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako hisolo ahy, dia izany ihany no hataoko anio.
31 Et Bath-Shéba s’inclina, le visage contre terre, et se prosterna devant le roi, et dit : Que le roi David, mon seigneur, vive à toujours ! 31 Ary Batseba niondrika, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka ka nanao hoe: Ho velona mandrakizay anio Davida mpanjaka tompoko!
— v. 14 : litt.: remplirai. — v. 18 : quelques-uns lisent : toi, au lieu de : maintenant. — v. 19, 25 : plutôt : tua. — v. 21 : ailleurs aussi : couché. — v. 27 : d’autres lisent : ton serviteur.  
32 Et le roi David dit : Appelez-moi Tsadok, le sacrificateur, et Nathan, le prophète, et Benaïa, fils de Jehoïada. Et ils entrèrent devant le roi. 32 Ary hoy Davida mpanjaka: Antsoy hankatỳ amiko Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany ary Benaia, zanak'i Joiada. Dia niditra nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy.
33 Et le roi leur dit : Prenez avec vous les serviteurs de votre seigneur, et faites monter Salomon, mon fils, sur ma mule, et faites-le descendre à Guihon, 33 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny ampondravaviko Solomona zanakolahy, ka ento midina any Gihona izy.
34 et que Tsadok, le sacrificateur, et Nathan, le prophète, l’oignent là pour roi sur Israël, et vous sonnerez de la trompette, et vous direz : Vive le roi Salomon ! 34 Ary aoka Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy any ho mpanjakan'ny Isiraely; ary tsofinareo ny anjomara, ka lazao hoe: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
35 Et vous monterez après lui ; et qu’il vienne et qu’il s’asseye sur mon trône ; et lui régnera à ma place ; et j’ai ordonné qu’il soit prince sur Israël et sur Juda. 35 Dia miakara manaraka azy ianareo, ary aoka izy hiditra ka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako; fa izy no ho mpanjaka hisolo ahy. satria izy no voatendriko ho mpanapaka ny Isiraely sy ny Joda.
36 Et Benaïa, fils de Jehoïada, répondit au roi et dit : Amen ! Que l’Éternel, le Dieu du roi, mon seigneur, dise ainsi ! 36 Ary Benaja, zanak'i Joiada, namaly ny mpanjaka hoe: Amena! Hiteny tahaka izany koa anie Jehovah, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko.
37 Comme l’Éternel a été avec le roi, mon seigneur, qu’il soit de même avec Salomon, et qu’il rende son trône plus grand que le trône du roi David, mon seigneur ! 37 Toy ny nomban'i Jehovah ny mpanjaka tompoko anie no mba hombany an'i Solomona koa, ary hataony be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko anie ny seza fiandrianan'i Solomona.
   
38 Et Tsadok, le sacrificateur, et Nathan, le prophète, et Benaïa, fils de Jehoïada, et les Keréthiens, et les Peléthiens, descendirent, et firent monter Salomon sur la mule du roi David, et le menèrent à Guihon. 38 Dia nidina Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Renaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana*, dia nampitaingina an'i Solomona ny ampondravavin'i Davida mpanjaka izy, ka dia nitondra azy nankany Gihona.[Heb. Keretita sy Peletita]
39 Et Tsadok, le sacrificateur, prit la corne d’huile dans le tabernacle*, et oignit Salomon ; et ils sonnèrent de la trompette, et tout le peuple dit : Vive le roi Salomon ! 39 Ary Zadoka mpisorona naka ny tandroka misy diloilo tao amin'ny trano-lay ka nanosotra an'i Solomona. Ary notsofina ny anjomara, ka dia hoy ny vahoaka rehetra: Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!
40 Et tout le peuple monta après lui, et le peuple jouait de la flûte, et ils se réjouissaient d’une grande joie ; et la terre se fendait au bruit qu’ils faisaient. 40 Dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra ary nitsoka sodina sady nifaly dia nifaly, ka dia nihorohoro* ny tany noho ny feony.[Heb. nitresaka]
— v. 39 : ailleurs : tente.  
41 Et Adonija et tous les invités qui étaient avec lui l’entendirent, comme ils terminaient leur repas. Et Joab entendit la voix de la trompette, et il dit : Pourquoi ce bruit de la ville en tumulte ? 41 Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon'ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
42 Tandis qu’il parlait, voici, Jonathan, fils d’Abiathar, le sacrificateur, arriva. Et Adonija dit : Entre, car tu es un vaillant homme, et tu apportes de bonnes nouvelles. 42 Fa raha mbola niteny izy, indro, tonga Jonatana, zanak'i Abiatara mpisorona; ary hoy Adonia taminy: Mandrosoa; fa lehilahy tsara fanahy ianao, ka ho teny tsara no entinao.
43 Et Jonathan répondit et dit à Adonija : Oui, mais le roi David, notre seigneur, a fait Salomon roi. 43 Fa Jonatana niteny ka nanao tamin'i Adonia hoe: Tsia, tsy izany tsy akory, fa Davida mpanjaka tompontsika efa nanangana an'i Solomona tokoa ho mpanjaka.
44 Et le roi a envoyé avec lui Tsadok, le sacrificateur, et Nathan, le prophète, et Benaïa, fils de Jehoïada, et les Keréthiens, et les Peléthiens, et ils l’ont fait monter sur la mule du roi ; 44 Ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany sy Benaia, zanak'i Joiada, ary ny miaramila mpiambina andriana hiaraka aminy, ka nampitaingenin'ireo ny ampondravavin'ny mpanjaka izy.
45 et Tsadok, le sacrificateur, et Nathan, le prophète, l’ont oint pour roi à Guihon ; et, de là, ils sont montés en se réjouissant ; et la ville est en tumulte. C’est là le bruit que vous avez entendu. 45 Ary Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany efa nanosotra azy teo Gihona ho mpanjaka; ary niakatra avy teo. izy sady nifaly, ka dia nihorika terỳ ny tanàna. Izany no hotakotaka renareo.
46 Et aussi Salomon est assis sur le trône du royaume ; 46 Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana.
47 et les serviteurs du roi sont aussi venus pour bénir le roi David, notre seigneur, disant : Que ton Dieu fasse le nom de Salomon plus excellent que ton nom, et rende son trône plus grand que ton trône ! Et le roi s’est prosterné sur son lit. 47 Ary dia tonga koa ny mpanompon'ny mpanjaka hisaotra an'i Davida mpanjaka tompontsika hoe: Hataon'Andriamanitrao ho tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony ho be voninahitra mihoatra noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany! Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka
48 Et le roi a aussi dit ainsi : Béni soit l’Éternel, le Dieu d’Israël, qui a donné aujourd’hui quelqu’un qui fût assis sur mon trône, et mes yeux le voient ! 48 ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako androany, sady hitan'ny masoko koa izany.
   
49 Et tous les invités qui étaient avec* Adonija furent saisis de peur ; et ils se levèrent, et s’en allèrent chacun son chemin. 49 Dia raiki-tahotra izay rehetra nasain'i Adonia ka niainga, ary samy lasa nandeha amin'izay nalehany avy izy rehetra.
50 Et Adonija eut peur à cause de Salomon, et il se leva, et s’en alla, et saisit les cornes de l’autel. 50 Ary Adonia koa natahotra an'i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
51 Et on [le] rapporta à Salomon, disant : Voici, Adonija craint le roi Salomon ; et voici, il a saisi les cornes de l’autel, disant : Que le roi Salomon me jure aujourd’hui qu’il ne fera pas mourir son serviteur par l’épée. 51 Ary nambara tamin'i Solomona hoe: Indro, Adonia matahotra an'i Solomona mpanjaka; koa indro izy efa mangia ny tandroky ny alitara ka manao hoe: Aoka Solomone mpanjaka hianiana amiko aloha fa tsy hamono ahy mpanompony amin'ny sabatra.
52 Et Salomon dit : S’il est un homme fidèle*, pas un de ses cheveux ne tombera en terre ; mais si du mal est trouvé en lui, il mourra. 52 Fa hoy Solomona: Raha hita fa lehilahy tsara fanahy izy, dia tsy hisy na dia singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany; fa raha misy heloka kosa ho hita aminy, dia ho faty ihany izy.
53 Et le roi Salomon envoya, et on le fit descendre de l’autel. Et il vint et se prosterna devant le roi Salomon ; et Salomon lui dit : Va dans ta maison. 53 Dia naniraka Solomona mpanjaka nampidina azy hiala amin'ny alitara. Dia avy izy ka niankohoka teo anatrehan'i Solomona mpanjaka; ary dia hoy Solomona taminy: Modia any an-tranonao.
— v. 49 : litt.: à. — v. 52 : ailleurs : vaillant.  
* *
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et les jours de David s’approchèrent de la mort ; et il commanda à Salomon, son fils, 1 [Ny hafatra nataon'i Davida tamin'i Solomona, sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
2 disant : Je m’en vais le chemin de toute la terre ; fortifie-toi, et sois un homme ; 2 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
3 et prends garde à ce qui doit être observé devant l’Éternel, ton Dieu, en marchant dans ses voies, en gardant ses statuts, et ses commandements, et ses ordonnances, et ses témoignages, comme il est écrit dans la loi de Moïse, afin que tu réussisses* dans tout ce que tu fais et où que tu te tournes ; 3 Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
4 afin que l’Éternel accomplisse sa parole, qu’il a prononcée à mon sujet, disant : Si tes fils prennent garde à leur voie, pour marcher devant moi en vérité, de tout leur cœur et de toute leur âme, tu ne manqueras pas d’un homme* sur le trône d’Israël. 4 mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
5 Et toi, tu sais aussi ce que m’a fait Joab, fils de Tseruïa, ce qu’il a fait aux deux chefs des armées d’Israël, à Abner, fils de Ner, et à Amasa, fils de Jéther, en les tuant et en versant le sang de la guerre en [temps de] paix, et [comment] il a mis le sang de la guerre sur la ceinture qui était sur ses reins, et sur les sandales qui étaient à ses pieds. 5 Ary ianao koa mahalala izay nataon'i Joaba, zanak'i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin'izy roa lahy komandin'ny miaramilan'ny Isiraely, dia tamin'i Abnera, zanak'i Nera, sy tamin'i Amasa, zanak'i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin'ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin'ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
6 Et fais selon ta sagesse, et ne laisse pas ses cheveux blancs descendre dans le shéol* en paix. 6 Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin'ny fiainan-tsi-hita* amin'ny fiadanana ny volo fotsiny.[Heb: Sheola]
7 Mais tu useras de bonté envers les fils de Barzillaï, le Galaadite, et ils seront de ceux qui mangent à ta table, car ils sont venus ainsi à ma rencontre, quand je m’enfuyais devant Absalom, ton frère. 7 Fa ny zanak'i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan'izay mihinana eo amin'ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan'ireo tany amiko, fony nandositra an'i Absaloma rahalahinao aho.
8 Et voici, il y a avec toi Shimhi, fils de Guéra, le Benjaminite, de Bakhurim : celui-là m’a maudit d’une malédiction violente, au jour que je m’en allais à Mahanaïm. Mais il descendit à ma rencontre au Jourdain, et je lui jurai par l’Éternel, disant : Si je te fais mourir par l’épée ! 8 Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin'ny sabatra ianao.
9 Et maintenant, ne le tiens pas pour innocent, car tu es un homme sage, et tu sais ce que tu as à lui faire ; mais fais descendre, dans le sang, ses cheveux blancs au shéol. 9 Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin'ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
— v. 3 : ou : agisses avec intelligence. — v. 4 : litt.: disant : Il ne te sera pas retranché un homme. — v. 6 : voir la note à Genèse 37:35.  
10 Et David s’endormit avec ses pères ; et il fut enterré dans la ville de David. 10 Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany ka nalevina ao an-Tanànan'i Davida.
11 Et les jours que David régna sur Israël furent quarante ans : à Hébron il régna sept ans, et à Jérusalem il régna trente-trois ans. 11 Ary ny andro nanjakan'i Davida tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
12 Et Salomon s’assit sur le trône de David, son père, et son royaume fut très-affermi. 12 [Ny nataon'i Solomona hampiorina tsara ny fanjakany] Ary Solomona nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
* *
13 Et Adonija, fils de Hagguith, vint vers Bath-Shéba, mère de Salomon ; et elle dit : Est-ce en paix que tu viens ? Et il dit : En paix. 13 Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14 Et il dit : J’ai quelque chose à te dire. Et elle dit : Parle. 14 Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
15 Et il dit : Tu sais que le royaume était à moi, et que tout Israël avait porté ses yeux* sur moi pour que je fusse roi ; mais le royaume a tourné, et est [passé] à mon frère, car il était à lui de par l’Éternel. 15 Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah.
16 Et maintenant je te fais une seule requête ; ne me repousse pas. Et elle lui dit : Parle. 16 Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
17 Et il dit : Parle, je te prie, au roi Salomon, car il ne te repoussera pas, afin qu’il me donne Abishag, la Sunamite, pour femme. 17 Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin'i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18 Et Bath-Shéba dit : Bien ; je parlerai au roi pour toi. 18 Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka.
19 Et Bath-Shéba entra auprès du roi Salomon pour lui parler pour Adonija. Et le roi se leva pour aller à sa rencontre, et il s’inclina devant elle ; et il s’assit sur son trône, et fit mettre un trône pour la mère du roi ; et elle s’assit à sa droite. 19 Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy.
20 Et elle dit : J’ai une petite requête à te faire, ne me repousse pas. Et le roi lui dit : Demande, ma mère, car je ne te repousserai pas. 20 Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21 Et elle dit : Qu’Abishag, la Sunamite, soit donnée pour femme à Adonija, ton frère. 21 Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao.
22 Et le roi Salomon répondit et dit à sa mère : Et pourquoi demandes-tu Abishag, la Sunamite, pour Adonija ? Demande aussi pour lui le royaume, car il est mon frère plus âgé que moi, — et pour lui, et pour Abiathar, le sacrificateur, et pour Joab, fils de Tseruïa. 22 Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia.
23 Et le roi Salomon jura par l’Éternel, disant : Que Dieu me fasse ainsi, et ainsi y ajoute, si Adonija n’a pas prononcé cette parole contre sa propre vie. 23 Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
24 Et maintenant, l’Éternel est vivant, qui m’a affermi et m’a fait asseoir sur le trône de David, mon père, et m’a fait une maison comme il l’avait dit, qu’aujourd’hui Adonija sera mis à mort. 24 Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby* araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.[Heb. nanao trano ho ahy]
25 Et le roi Salomon envoya par* Benaïa, fils de Jehoïada, qui se jeta sur lui et il mourut. 25 Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
— v. 15 : litt.: leurs faces. — v. 25 : litt.: par la main de.  
26 Et le roi dit à Abiathar, le sacrificateur : Va dans tes champs, à Anathoth, car tu es digne de mort* ; mais, aujourd’hui, je ne te mettrai pas à mort, car tu as porté l’arche du Seigneur Éternel devant David, mon père, et tu as été affligé en tout ce en quoi mon père a été affligé. 26 Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.
27 Et Salomon chassa Abiathar de la sacrificature de l’Éternel, pour accomplir la parole de l’Éternel, qu’il prononça au sujet de la maison d’Éli, en Silo. 27 Ary Solomona dia nanongana an'i Abiatara tsy ho mpisoron'i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin'i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin'ny taranak'i Ely, izy.
— v. 26 : litt.: homme de mort.  
28 Et la nouvelle en vint jusqu’à Joab (car Joab s’était détourné après Adonija, mais ne s’était pas détourné après Absalom), et Joab s’enfuit à la tente de l’Éternel, et saisit les cornes de l’autel. 28 Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29 Et on rapporta au roi Salomon que Joab s’était enfui à la tente de l’Éternel : et voici, il est à côté de l’autel ! Et Salomon envoya Benaïa, fils de Jehoïada, disant : va, jette-toi sur lui. 29 Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
30 Et Benaïa se rendit à la tente de l’Éternel, et dit à Joab* : Ainsi dit le roi : Sors ! Et il dit : Non, car je mourrai ici. Et Benaïa rapporta la chose au roi, disant : Ainsi a dit Joab, et ainsi il m’a répondu. 30 Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31 Et le roi lui dit : Fais comme il a dit, et jette-toi sur lui, et enterre-le ; et ôte de dessus moi et de dessus la maison de mon père le sang que Joab a versé sans cause ; 31 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.
32 et l’Éternel fera retomber sur sa propre tête le sang qu’il a versé*, parce qu’il s’est jeté sur deux hommes plus justes et meilleurs que lui, et les a tués avec l’épée, et mon père David n’en savait rien : Abner, fils de Ner, chef de l’armée d’Israël, et Amasa, fils de Jéther, chef de l’armée de Juda. 32 Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
33 Et leur sang retombera sur la tête de Joab et sur la tête de sa semence, à toujours ; mais la paix sera de par l’Éternel sur David et sur sa semence, et sur sa maison, et sur son trône, à toujours. 33 Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah.
34 Et Benaïa, fils de Jehoïada, monta et se jeta sur lui, et le tua ; et il fut enterré dans sa maison, dans le désert. 34 Dia niakatra Benaia, zanak'i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin'ny fonenany tany an-efitra izy.
35 Et le roi mit Benaïa, fils de Jehoïada, à sa place sur l’armée ; et le roi mit Tsadok, le sacrificateur, à la place d’Abiathar. 35 Ary Benaia, zanak'i Joiada, no notendren'ny mpanjaka ho solony ho komandin'ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren'ny mpanjaka ho solon'i Abiatara.
— v. 30 : litt.: lui dit. — v. 32 : litt.: son sang.  
36 Et le roi envoya, et appela Shimhi, et lui dit : Bâtis-toi une maison à Jérusalem, et habite là ; et tu ne sortiras pas de là, où que ce soit ; 36 Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
37 et il arrivera qu’au jour que tu sortiras et que tu passeras le torrent du Cédron…, sache bien que tu mourras ; ton sang sera sur ta tête. 37 Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.
38 Et Shimhi dit au roi : La parole est bonne ; selon que le roi, mon seigneur, a parlé, ainsi fera ton serviteur. Et Shimhi demeura à Jérusalem bien des jours. 38 Ary hoy Simey tamin'ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain'ny mpanjaka tompoko Izany no hataon'ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
39 Et il arriva, au bout de trois ans, que deux serviteurs de Shimhi s’enfuirent vers Akish, fils de Maaca, roi de Gath. Et on le fit savoir à Shimhi, disant : Voici, tes serviteurs sont à Gath. 39 Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon'i Simey, nandositra ho any amin'i Akisy, zanak'i Maka mpanjakan'i Gata. Ary nisy nanambara tamin'i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
40 Et Shimhi se leva et sella son âne, et s’en alla à Gath, vers Akish, pour chercher ses serviteurs. Et Shimhi alla, et ramena de Gath ses serviteurs. 40 Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin'i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41 Et on rapporta à Salomon que Shimhi était allé de Jérusalem à Gath, et qu’il était de retour. 41 Ary nambara tamin'i Solomona ny nialan'i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
42 Et le roi envoya, et appela Shimhi, et lui dit : Ne t’ai-je pas fait jurer par l’Éternel, et ne t’ai-je pas protesté, disant : Au jour que tu sortiras et que tu t’en iras où que ce soit, sache bien que tu mourras ? Et tu me dis : La parole que j’ai entendue est bonne. 42 Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin'izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
43 Et pourquoi n’as-tu pas observé le serment de l’Éternel, et le commandement que je t’ai commandé ? 43 Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin'i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
44 Et le roi dit à Shimhi : Tu sais tout le mal que ton cœur a la conscience d’avoir fait à David, mon père ; et l’Éternel fait retomber ton iniquité sur ta tête. 44 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko, eny, tsaroan'ny fonao izany, ka dia hatsingerin'i Jehovah amin'ny lohanao ny haratsianao.
45 Et le roi Salomon sera béni, et le trône de David sera affermi devant l’Éternel à toujours. 45 Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan'i Davida hampitoerina eo anatrehan'i Jehovah mandrakizay.
46 Et le roi commanda à Benaïa, fils de Jehoïada, et il sortit, et se jeta sur lui ; et il mourut. 46 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.
   
Et le royaume fut affermi dans la main de Salomon.  
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et Salomon s’allia par mariage avec le Pharaon, roi d’Égypte, et prit [pour femme] la fille du Pharaon ; et il l’amena dans la ville de David, jusqu’à ce qu’il eût achevé de bâtir sa maison, et la maison de l’Éternel, et la muraille de Jérusalem, tout à l’entour. 1 [Ny nanambadian'i Solomona ny zanakavavin'i Farao, ary ny nisehoan'Andriamanitra taminy tao Gibeona, sy ny nangatahany fahendrena] Ary Solomona tonga vinanton'i Farao, mpanjakan'i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin'i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan'i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon'i Jehovah ary ny màndan'i Jerosalema manodidina.
2 Seulement le peuple sacrifiait sur les hauts lieux ; car aucune maison ne fut bâtie pour le nom de l’Éternel jusqu’à ces jours-là. 2 Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin'ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an'ny anaran'i Jehovah hatramin'izany andro izany.
3 Et Salomon aimait l’Éternel, marchant dans les statuts de David, son père ; seulement il offrait des sacrifices et faisait fumer de l’encens sur les hauts lieux. 3 Ary Solomona tia an'i Jehovah ka nizotra araka ny dian'i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
   
4 Et le roi s’en alla à Gabaon pour y sacrifier, car c’était le principal haut lieu ; Salomon offrit mille holocaustes sur cet autel. 4 Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza*; ka fanatitra dorana arivo no naterin'i Solomona teo amin'izany alitara izany.[Heb. lehibe]
   
5 L’Éternel apparut à Salomon, à Gabaon, dans un songe de la nuit. Et Dieu dit : Demande ce que tu veux que je te donne*. 5 Tao Gibeona no nisehoan'i Jehovah tamin'i Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
6 Et Salomon dit : Tu as usé d’une grande bonté envers ton serviteur David, mon père, selon qu’il a marché devant toi en vérité et en justice, et en droiture de cœur avec toi ; et tu lui as gardé cette grande bonté, et tu lui as donné un fils qui est assis sur son trône, comme [il en est] aujourd’hui. 6 Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao.
7 Et maintenant, Éternel, mon Dieu, tu as fait roi ton serviteur en la place de David, mon père, et moi, je suis un jeune garçon, je ne sais pas sortir et entrer ; 7 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.
8 et ton serviteur est au milieu de ton peuple, que tu as choisi, un peuple nombreux, qui ne se peut compter ni nombrer à cause de [sa] multitude. 8 Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9 Donne donc à ton serviteur un cœur qui écoute*, pour juger ton peuple, pour discerner entre le bien et le mal ; car qui est capable de juger ton si grand peuple ? 9 Koa omeo ahy mpanomponao saina malady* ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo mihaino]
10 Et la parole fut bonne aux yeux du Seigneur, que Salomon eût demandé cette chose. 10 Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany;
11 Et Dieu lui dit : Parce que tu as demandé cela, et que tu n’as pas demandé pour toi de longs jours, et que tu n’as pas demandé pour toi des richesses, et que tu n’as pas demandé la vie de tes ennemis, mais que tu as demandé pour toi du discernement afin de comprendre* le juste jugement, 11 ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
12 voici, j’ai fait selon ta parole ; voici, je t’ai donné un cœur sage et intelligent, en sorte qu’il n’y aura eu personne comme toi, avant toi, et qu’après toi il ne se lèvera personne comme toi. 12 dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
13 Et je t’ai donné aussi ce que tu n’as pas demandé, tant les richesses que la gloire, de sorte qu’il n’y aura personne comme toi parmi les rois, tous tes jours. 13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy]
14 Et si tu marches dans mes voies, gardant mes statuts et mes commandements, comme David, ton père, a marché, alors je prolongerai tes jours. 14 Ary raha handeha amin'ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao.
15 Et Salomon se réveilla, et voici, [c’était] un songe. Et il vint à Jérusalem, et se tint devant l’arche de l’alliance de l’Éternel, et offrit des holocaustes, et offrit* des sacrifices de prospérités, et fit un festin à tous ses serviteurs. 15 Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.
— v. 5 : litt.: ce que je te donnerai. — v. 9 : ou : un cœur intelligent qui comprenne : voir verset 11. — v. 11 : litt.: écouter. — v. 15 : ici, litt.: fit.  
16 Alors deux femmes prostituées vinrent vers le roi, et se tinrent devant lui. 16 [Ny nisehoan'ny fahendren'i Solomona tamin'ny nitsarany azy roa vavy ny amin'ilay zaza maty] Ary tamin'izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin'ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.
17 Et la première femme dit : Ah, mon seigneur ! moi et cette femme nous habitions la même maison, et j’accouchai, étant avec elle dans la maison. 17 Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy.
18 Et il arriva, le troisième jour après que j’eus accouché, que cette femme aussi accoucha. Et nous étions ensemble ; aucun étranger n’était avec nous dans la maison, il n’y avait que nous deux dans la maison. 18 Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
19 Et le fils de cette femme mourut dans la nuit, parce qu’elle s’était couchée sur lui. 19 Ary maty tamin'ny alina ny zanak'izavavy ity, fa voatsindriny.
20 Et elle se leva au milieu de la nuit, et prit mon fils d’à côté de moi, pendant que ta servante dormait, et le coucha dans son sein ; et son fils, qui était mort, elle le coucha dans mon sein. 20 Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin'ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
21 Et je me levai le matin pour donner à téter à mon fils, et voici, il était mort ; et je le considérai au matin, et voici, ce n’était pas mon fils que j’avais enfanté. 21 Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
22 Et l’autre femme dit : Non, car mon fils est celui qui vit, et ton fils est celui qui est mort. Et celle-là disait : Non, car ton fils est celui qui est mort, et mon fils est celui qui vit. Elles parlaient ainsi devant le roi. 22 Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. izany no teniny teo anatrehan'ny mpanjaka.
23 Et le roi dit : Celle-ci dit : Celui-ci est mon fils, qui vit, et ton fils, c’est celui qui est mort ; et celle-là dit : Non, car c’est ton fils qui est mort, et mon fils est celui qui vit. 23 Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako. ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
24 Et le roi dit : Apportez-moi une épée. Et on apporta l’épée devant le roi. 24 Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan'ny mpanjaka.
25 Et le roi dit : Coupez en deux l’enfant qui vit, et donnez la moitié à l’une, et la moitié à l’autre. 25 Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an'ny anankiray kosa ny antsasany.
26 Et la femme à qui était l’enfant vivant parla au roi, car ses entrailles étaient tout émues pour son fils, et elle dit : Ah, mon seigneur ! donnez-lui l’enfant vivant, et ne le tuez point. Et l’autre dit : Qu’il ne soit ni à moi, ni à toi ; coupez-le en deux ! 26 Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
27 Et le roi répondit et dit : Donnez à celle-là l’enfant qui vit, et ne le tuez point : c’est elle qui est sa mère. 27 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.
28 Et tout Israël entendit parler du jugement que le roi avait prononcé ; et ils craignirent le roi, car ils voyaient que la sagesse de Dieu était en lui pour faire justice*. 28 Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.
— v. 28 : litt.: jugement.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et le roi Salomon était roi sur tout Israël. 1 [Ny amin'ny mpanao raharaham-panjakana, ary ny voninahitr'i Solomona sy ny fahendreny] Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.
   
2 Et ce sont ici les princes qu’il avait : Azaria, fils de Tsadok, le sacrificateur* ;  2 Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisorona*; [Na: zanak'i Zadoka mpisorona]
3 Élihoreph et Akhija, fils de Shisha, scribes ; Josaphat, fils d’Akhilud, rédacteur des chroniques ; 3 Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;
4 et Benaïa, fils de Jehoïada, [préposé] sur l’armée ; et Tsadok, et Abiathar, sacrificateurs ; 4 ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
5 et Azaria, fils de Nathan, [préposé] sur les intendants ; et Zabud, fils de Nathan, principal officier, ami du roi ; 5 ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsaina*, sakaizan'ny mpanjaka, [Heb. mpisorona]
6 et Akhishar, [préposé] sur la maison*, et Adoniram, fils d’Abda, sur les levées. 6 ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana.
— v. 2 : ou : le principal officier, voir verset 5. — v. 6 : ici : le palais.  
7 Et Salomon avait douze intendants sur tout Israël, et ils pourvoyaient à l’entretien du roi et de sa maison ; chacun était tenu de pourvoir à cet entretien un mois dans l’année. 7 Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy.
8 Et ce sont ici leurs noms : le fils de Hur, dans la montagne d’Éphraïm ; 8 Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima;
9 le fils de Déker, à Makats, et à Shaalbim, et à Beth-Shémesh, et à Élon-Beth-Hanan ; 9 Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
10 le fils de Hésed, à Arubboth* : il avait Soco et tout le pays de Hépher. 10 Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;
11 Le fils d’Abinadab avait toutes les hauteurs de Dor ; il avait Taphath, fille de Salomon, pour femme. 11 Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny);
12 Baana, fils d’Akhilud, avait Thaanac et Meguiddo, et tout Beth-Shean, qui est à côté de Tsarthan, sous Jizreël, depuis Beth-Shean jusqu’à Abel-Mehola, jusqu’au delà de Jokmeam 12 Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy.
13 Le fils de Guéber était à Ramoth de Galaad : il avait les bourgs de Jaïr*, fils de Manassé, qui sont en Galaad, la région d’Argob, qui est en Basan, soixante grandes villes avec des murailles et des barres d’airain. 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i Jaïra*, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina; [Havota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41]
14 Akhinadab, fils d’Iddo, était à Mahanaïm ; 14 Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima;
15 Akhimaats, en Nephthali : lui aussi avait pris Basmath, fille de Salomon, pour femme ; 15 Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona;
16 Baana, fils de Hushaï, en Aser et en Aloth ; 16 Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota;
17 Josaphat, fils de Paruakh, en Issacar ; 17 Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara;
18 Shimhi, fils d’Éla, en Benjamin ; 18 Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina;
19 Guéber, fils d’Uri, dans le pays de Galaad, le pays de Sihon, roi des Amoréens, et d’Og, roi de Basan : il était le seul intendant qui fût dans le pays. 19 Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany.
— v. 10 : dans les plaines. — v. 13 : ou : Havoth-Jaïr, voir Nombres 32:41.  
20 Juda et Israël étaient nombreux, comme le sable qui est près de la mer, en multitude, — mangeant et buvant, et se réjouissant. 20 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
  *
  Chapitre 5
21 Et Salomon domina sur tous les royaumes, depuis le fleuve jusqu’au pays des Philistins, et jusqu’à la frontière d’Égypte : ils apportèrent des présents et servirent Salomon tous les jours de sa vie. 1 Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony* sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany.[Eofrata]
22 Et l’ordinaire* de Salomon, pour un jour, était : trente cors** de fleur de farine, et soixante cors de farine, 2 Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
23 dix bœufs gras, et vingt bœufs de pâturages, et cent moutons, outre les cerfs, et les gazelles, et les daims, et la volaille* engraissée. 3 sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
24 Car il dominait sur tout [ce qui était] en deçà du fleuve, depuis Thiphsakh jusqu’à Gaza, sur tous les rois en deçà du fleuve ; et il était en paix avec tous ses alentours, de tous côtés. 4 Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ* an-dafin'ny Ony** hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ* an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.[*Na: any][**Eofrata]
— v. 22* : litt.: le pain. — v. 22** : le cor est égal à dix éphas, soit environ deux hectolitres et demi. — v. 23 : quelques-uns : les oies.  
25 Et Juda et Israël habitèrent en sécurité, chacun sous sa vigne et sous son figuier, depuis Dan jusqu’à Beër-Shéba, tous les jours de Salomon. 5 Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
26 Et Salomon avait quarante mille stalles pour les chevaux de ses chars, et douze mille cavaliers. 6 Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
27 Et ces* intendants pourvoyaient à l’entretien du roi Salomon et de tous ceux qui venaient à la table du roi Salomon, chacun en son mois ; ils ne laissaient rien manquer. 7 Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
28 Et ils faisaient venir l’orge et la paille pour les chevaux et les coursiers au lieu où était [l’intendant], chacun selon sa règle. 8 Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
— v. 27 : voir verset 7.  
29 Et Dieu donna à Salomon de la sagesse et une très-grande intelligence, et un cœur large comme le sable qui est sur le bord de la mer. 9 Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
30 Et la sagesse de Salomon était plus grande que la sagesse de tous les fils de l’orient et toute la sagesse de l’Égypte. 10 Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.
31 Et il était plus sage qu’aucun homme, plus qu’Éthan, l’Ezrakhite, et qu’Héman, et Calcol, et Darda, les fils de Makhol. Et sa renommée était [répandue] parmi toutes les nations, à l’entour. 11 Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.
32 Et il proféra trois mille proverbes, et ses cantiques furent [au nombre] de mille et cinq. 12 Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
33 Et il parla sur les arbres, depuis le cèdre qui est sur le Liban, jusqu’à l’hysope qui sort du mur ; et il parla sur les bêtes, et sur les oiseaux, et sur les reptiles*, et sur les poissons. 13 Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
34 Et de tous les peuples on venait pour entendre la sagesse de Salomon, de la part de tous les rois de la terre qui avaient entendu parler de sa sagesse. 14 Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.
— v. 33 : proprement : tout ce qui rampe.  
*  
Chapitre 5  
1 Et Hiram, roi de Tyr, envoya ses serviteurs vers Salomon, car il avait entendu qu’on l’avait oint pour roi à la place de son père ; car Hiram avait toujours aimé David. 15 [Ny namorian'i Solomona izay ho enti-manao ny tempoly] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.
2 Et Salomon envoya vers Hiram, disant : 16 Ary Solomona naniraka tany amin'i Hirama hanao hoe:
3 Tu sais, quant à David, mon père, qu’il ne put bâtir une maison pour le nom de l’Éternel, son Dieu, à cause de la guerre dont [ses ennemis] l’entourèrent jusqu’à ce que l’Éternel les mit sous la plante de ses pieds. 17 Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon'i Jehovah ireo ho eo ambanin'ny faladiany.
4 Mais maintenant l’Éternel, mon Dieu, m’a donné de la tranquillité de tous les côtés ; il n’y a ni adversaire ni événement fâcheux. 18 Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin'ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.
5 Et voici, j’ai résolu de bâtir une maison pour le nom de l’Éternel, mon Dieu, ainsi que l’Éternel a parlé à David, mon père, disant : Ton fils, que je mettrai à ta place sur ton trône, lui, bâtira une maison à* mon nom. 19 Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako.
6 Et maintenant, commande qu’on me coupe des cèdres dans le Liban ; et mes serviteurs seront avec tes serviteurs, et je te donnerai les gages de tes serviteurs selon tout ce que tu [me] diras ; car tu sais qu’il n’y a personne parmi nous qui s’entende à couper le bois comme les Sidoniens. 20 Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.
— v. 5 : ou : pour.  
7 Et il arriva, quand Hiram entendit les paroles de Salomon, qu’il s’en réjouit beaucoup ; et il dit : Béni soit aujourd’hui l’Éternel, qui a donné à David un fils sage, sur ce grand peuple ! 21 Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.
8 Et Hiram envoya à Salomon, disant : J’ai entendu ce que tu m’as envoyé [dire] ; je ferai tout ce que tu désires, à l’égard des bois de cèdre et des bois de cyprès*. 22 Ary Hirama naniraka tany amin'i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.
9 Mes serviteurs les descendront du Liban à la mer, et je les mettrai en radeaux sur la mer [pour les faire passer] jusqu’au lieu que tu m’enverras [dire] ; et je les ferai délier là, et tu les enlèveras. Et toi, tu accompliras mon désir, en donnant du pain à ma maison. 23 Ny vahoakako hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako.
10 Et Hiram donna à Salomon des bois de cèdre, et des bois de cyprès, tout ce qu’il désirait ; 24 Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra nilainy.
11 et Salomon donna à Hiram vingt mille cors de froment pour nourrir sa maison, et vingt cors d’huile fine*. C’est là ce que Salomon donna à Hiram chaque année. 25 Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona isan-taona.
— v. 8 : ou : sapin, ici et ailleurs. — v. 11 : litt.: broyée dans un mortier, et non pressée au pressoir ; voir note Exode 27:20.  
12 Et l’Éternel donna de la sagesse à Salomon, comme il le lui avait dit. Et il y eut paix entre Hiram et Salomon, et ils firent alliance eux deux. 26 Ary Jehovah nanome fahendrena an'i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy.
   
13 Et le roi Salomon fit une levée sur tout Israël, et la levée fut de trente mille hommes. 27 Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin'ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy.
14 Et il les envoya au Liban, dix mille par mois, par relais : ils étaient un mois au Liban, deux mois à la maison ; et Adoniram était [préposé] sur la levée. 28 Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.
15 Et Salomon avait soixante-dix mille [hommes] qui portaient des fardeaux, et quatre-vingt mille qui taillaient [la pierre] sur la montagne, 29 Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato* valo alina teny an-tendrombohitra, [Na: mpikapa hazo]
16 outre les chefs, les intendants de Salomon, qui étaient [préposés] sur l’œuvre, trois mille trois cents, qui avaient autorité sur le peuple qui travaillait à l’œuvre. 30 afa-tsy ny lehiben'ireo olona voatendrin'i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.
17 Et le roi commanda, et on transporta de grandes pierres, des pierres de prix, pour faire les fondements de la maison, des pierres de taille. 31 Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan'ny trano.
18 Et les ouvriers* de Salomon et les ouvriers* de Hiram, et les Guibliens, taillèrent et préparèrent le bois et les pierres pour bâtir la maison. 32 Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.
— v. 18 : litt.: bâtisseurs.  
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et il arriva, en la quatre cent quatre-vingtième année après la sortie des fils d’Israël du pays d’Égypte, en la quatrième année du règne de Salomon sur Israël, au mois de Ziv, qui est le second mois, que [Salomon] bâtit la maison de l’Éternel. 1 [Ny nanaovana ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia nanorina ny tranon'i Jehovah izy.
— v. 1 : date : A.C. 1012.  
2 Et la maison que le roi Salomon bâtit à l’Éternel avait soixante coudées de longueur, et vingt [coudées] de largeur, et trente coudées de hauteur. 2 Ary ny trano nataon'i Solomona mpanjaka ho an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
3 Et le portique devant le temple de la maison avait vingt coudées de longueur, selon la largeur de la maison ; sa profondeur* était de dix coudées devant la maison. 3 Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan'ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan'ny trano ihany.
4 Et il fit à la maison des fenêtres fermées à linteaux saillants*. 4 Ary ny varavarankelin'ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
5 Et il bâtit, contre le mur de la maison, des étages à l’entour, contre les murs de la maison à l’entour du temple et de l’oracle ; et il fit des chambres latérales à l’entour. 5 Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny ati-trano lehibe, na amin'ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
6 L’étage inférieur avait cinq coudées de largeur, et celui du milieu six coudées de largeur, et le troisième sept coudées de largeur ; car il fit des retraites dans [l’épaisseur du mur de] la maison, tout à l’entour, en dehors, afin que [la charpente] n’entrât pas dans* les murs de la maison. 6 ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin'ny rindrina.
7 Et la maison, quand on la bâtit, fut bâtie de pierre entièrement préparée avant d’être transportée* ; et on n’entendit ni marteaux, ni hache, aucun instrument de fer, dans la maison, quand on la bâtit. 7 Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.
8 L’entrée des chambres latérales [de l’étage] du milieu était du côté droit de la maison ; et on montait par un escalier tournant à [l’étage] du milieu, et de celui du milieu au troisième. 8 Ny varavarana mankao amin'ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin'ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony.
9 Et il bâtit la maison et l’acheva ; et il couvrit la maison de poutres et de rangées [de planches] de cèdre. 9 Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon'ny trano.
10 Et il bâtit les étages contre toute la maison, hauts de cinq coudées, et ils tenaient* à la maison par des bois de cèdre. 10 Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano.
— v. 3 : litt.: largeur. — v. 4 : selon plusieurs : à treillis fixes. — v. 6 : litt.: pour ne pas entamer. — v. 7 : ou : de pierres de carrière entières. — v. 10 : litt.: il (c. à d. tout le système de chambres) tenait.  
11 Et la parole de l’Éternel vint à Salomon, disant : 11 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Solomona nanao hoe:
12 Quant à cette maison que tu bâtis, si tu marches dans mes statuts, et que tu pratiques mes ordonnances*, et que tu gardes tous mes commandements, pour y marcher, j’accomplirai à ton égard ma parole, que j’ai dite à David, ton père ; 12 Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;
13 et je demeurerai au milieu des fils d’Israël, et je n’abandonnerai pas mon peuple Israël. 13 ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
— v. 12 : litt.: jugements.  
14 Et Salomon bâtit la maison et l’acheva. 14 Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia vitany.
15 — Et il revêtit* les murs de la maison, par dedans, de planches de cèdre ; depuis le sol de la maison jusqu’au haut des murs du toit, il les recouvrit de bois par dedans ; et il couvrit le sol de la maison de planches de cyprès. 15 Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.
16 Et il revêtit* de planches de cèdre, tant le sol que les murs**, les vingt coudées du fond de la maison ; et il les revêtit* par dedans***, pour [être] l’oracle, le lieu très-saint****. 16 Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.
17 Et la maison, c’est-à-dire le temple, devant [l’oracle], était de quarante coudées. 17 Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho.
18 Et le cèdre qui revêtait la maison, au dedans, [était orné] de sculptures de coloquintes et de fleurs entr’ouvertes : tout était de cèdre, on ne voyait pas de pierre. 18 Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
19 Et il prépara l’oracle à l’intérieur de la maison, au dedans, pour y mettre l’arche de l’alliance de l’Éternel. 19 Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
20 Et l’intérieur de l’oracle était de vingt coudées en longueur, et de vingt coudées en largeur, et de vingt coudées en hauteur ; et il le recouvrit d’or pur ; il [en] recouvrit aussi l’autel de cèdre*. 20 Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
21 Et Salomon recouvrit d’or pur la maison, au dedans. Et il ferma avec des chaînes d’or l’oracle, par devant, et le recouvrit d’or. 21 Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra