Le   CINQUIÈME   LIVRE   de   MOÏSE  
   
dit  le  
   
DEUTÉRONOME Deotoronomia
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Ce sont ici les paroles que Moïse dit à tout Israël, en deçà du Jourdain, dans le désert, dans la plaine*, vis-à-vis de Suph, entre Paran et Thophel, Laban, Hatséroth et Di-Zahab. ** 1 [Teny nataon'i Mosesy ho fampahatsiarovana ny soa nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely sy ny nitondrany azy hatrany Horeba ka hatrany an-dafy atsinanan'i Jordana] IZAO no teny izay nolazain'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra tany an-dafin'i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin'ny tani-hay tandrifin'i Sofa, tanelanelan'i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba.
— v. 1* : ici, et verset 7 et 2:8, hébreu : l’Araba ; comparer Jos. 3:16 ; 18:18 ; Zach. 14:10. — v. 1** : date : A.C. 1451.  
2 Il y a onze journées depuis Horeb, par le chemin de la montagne de Séhir jusqu’à Kadès-Barnéa. 2 (lalana Iraika ambin'ny folo andro Kadesi-barnea raha ao Horeba, raha ny lalana mahazo ny tendrombohitra Seira no aleha.)
3 — Et il arriva, en la quarantième année, au onzième mois, le premier [jour] du mois, que Moïse parla aux fils d’Israël, selon tout ce que l’Éternel lui avait commandé pour eux, 3 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo tamin'ny taona fahefa-polo dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah azy holazainy aminy,
4 après qu’il eut frappé Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon, et Og, roi de Basan, qui habitait à Ashtaroth, à Édréhi. 4 rehefa namono an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, ilay nonina tao Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, ilay nonina tao Astarta tany Edrehy, izy.
5 En deçà du Jourdain, dans le pays de Moab, Moïse commença à exposer cette loi, en disant : 5 Tany an-dafin'i Jordana, dia tany amin'ny tany Moaba, no nanombohan'i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe:
6 L’Éternel, notre Dieu, nous parla en Horeb, disant : Vous avez assez demeuré dans cette montagne. 6 Jehovah Andriamanitsika niteny tamintsika tany Horeba ka nanao hoe: Aoka izay ny itoeranareo amin'ny tendrombohitra ity;
7 Tournez-vous, et partez, et allez à la montagne des Amoréens et dans tous les lieux voisins, dans la plaine, dans la montagne, et dans le pays plat, et dans le midi*, et sur le rivage de la mer, au pays des Cananéens et au Liban, jusqu’au grand fleuve, le fleuve Euphrate. 7 mihodìna ianareo, dia mandehana ka mankanesa any amin'ny tany havoan'ny Amorita sy any amin'izay rehetra ao akaikiny, dia any amin'ny tani-hay sy ny tany havoana sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany atsimo sy ny amoron'ny ranomasina, dia any amin'ny tanin'ny Kananita sy any Libanona ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
8 Regarde, j’ai mis le pays devant vous : entrez, et possédez le pays que l’Éternel a juré à vos pères, à Abraham, à Isaac, et à Jacob, de leur donner, et à leur semence après eux. 8 Indro, efa natolotro eo anoloanareo ny tany, idiro ka lovao ny tany izay efa nianianan'i Jehovah tamin'ny razanareo, Abrahama sy Isaka ary Jakoba, homena azy sy ny taranany mandimby azy.
9 Et je vous parlai, en ce temps-là, disant : Je ne puis, moi seul, vous porter. 9 Ary niteny taminareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Tsy zakako izaho irery ny hitondra anareo;
10 L’Éternel, votre Dieu, vous a multipliés, et vous voici aujourd’hui, en multitude, comme les étoiles des cieux. 10 Jehovah Andriamanitrareo efa nahamaro anareo, ary, indro, efa maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra ianareo izao.
11 Que l’Éternel, le Dieu de vos pères, ajoute à votre nombre mille fois ce que vous êtes, et vous bénisse, comme il vous l’a dit ! 11 (Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
12 Comment porterais-je, moi seul, votre charge, et votre fardeau, et vos contestations ? 12 Hataoko izaho irery ahoana no fitondra ny fahasahirananareo sy ny entanareo any ny adinareo?
13 Donnez-vous des hommes sages, et intelligents, et connus, selon vos tribus, et je les établirai chefs* sur vous. 13 Mifidiana izay lehilahy hendry sy manan-tsaina ary hita toetra amin'ny firenenareo, ka hataoko ho lehibenareo izy.
14 Et vous me répondîtes et dîtes : La chose que tu as dit de faire est bonne. 14 Dia namaly ahy ianareo ka nanao hoe: Tsara ny teny izay nolazainao ka tokony hankatoavina.
15 Et je pris les chefs* de vos tribus, des hommes sages et connus, et je les établis chefs* sur vous, chefs de milliers, et chefs de centaines, et chefs de cinquantaines, et chefs de dizaines, et officiers** sur vos tribus. 15 Ary nalaiko ny lohan'ny firenenareo, dia olona hendry sady hita toetra, ka nataoko mpifehy anareo, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo sy mpifehy folo ary mpitondra vahoaka amin'ny firenenareo.
16 — Et je commandai à vos juges, en ce temps-là, disant : Écoutez [les différends] entre vos frères, et jugez avec justice entre un homme et son frère, et l’étranger qui est avec lui. 16 Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin'ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
17 Vous ne ferez point acception des personnes dans le jugement ; vous entendrez aussi bien le petit que le grand ; vous n’aurez peur d’aucun homme, car le jugement est de Dieu ; et l’affaire qui sera trop difficile pour vous, vous me la présenterez, et je l’entendrai. 17 Aza mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana, fa henoy ny kely toy ny lehibe; aza matahotra olona akory, fa an'Andriamanitra ny fitsarana; ary izay sarotra loatra aminareo dia ento etỳ amiko ka hohenoiko.
18 Et je vous commandai, en ce temps-là, toutes les choses que vous devez faire. 18 Dia nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ny amin'ny zavatra rehetra izay hataonareo.
— v. 7 : voir la note à Genèse 12:9. — v. 13, 15* : ici, litt.: têtes. — v. 15** : ailleurs : commissaires, magistrats.  
19 Et nous partîmes d’Horeb, et nous traversâmes tout ce grand et terrible désert que vous avez vu, le chemin de la montagne des Amoréens, comme l’Éternel, notre Dieu, nous l’avait commandé, et nous vînmes jusqu’à Kadès-Barnéa. 19 Ary nony niala tany Horeba isika, dia nandeha namaky ilay efitra lehibe sy mahatahotra izay hitanareo teny amin'ny lalana mankany amin'ny tany havoan'ny Amorita, araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitsika; dia tonga tao Kadesi-barnea isika.
20 Et je vous dis : Vous êtes arrivés jusqu’à la montagne des Amoréens, laquelle l’Éternel, notre Dieu, nous donne. 20 Dia hoy izaho taminareo: Hianareo efa tonga eto amin'ny tany havoan'ny Amonita, izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika;
21 Regarde, l’Éternel, ton Dieu, a mis devant toi le pays : monte, prends possession, comme l’Éternel, le Dieu de tes pères, te l’a dit ; ne crains point et ne t’effraye point. 21 indro, efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
22 Et vous vous approchâtes tous de moi, et vous dîtes : Envoyons des hommes devant nous, et ils examineront le pays pour nous, et ils nous rapporteront des nouvelles du chemin par lequel nous pourrons monter et des villes auxquelles nous viendrons. 22 Dia nanatona ahy ianareo rehetra ka nanao hoe: Aoka haniraka olona hialoha isika, mba hisafo ny tany ho antsika izy ka hitondra teny amintsika hilaza ny lalana izay halehantsika sy ny tanàna izay hiakarantsika.
23 Et la chose fut bonne à mes yeux, et je pris d’entre vous douze hommes, un homme par tribu. 23 Ary sitrako ny teny ka dia nifidy roa ambin'ny folo lahy teo aminareo aho, may avy isam-pirenena;
24 Et ils se tournèrent, et montèrent dans la montagne, et vinrent jusqu’au torrent* d’Eshcol, et explorèrent le [pays]. 24 ary niainga ireo ka niakatra tany amin'ny tany havoana, dia tonga tao amin'ny lohasaha Eskola ka nisafo ny tany;
25 Et ils prirent dans leurs mains du fruit du pays et nous l’apportèrent, et ils nous rendirent compte et dirent : Le pays que l’Éternel, notre Dieu, nous donne, est bon. 25 dia nangalany ny vokatry ny tany ka nentiny nidina tamintsika, dia nilaza tamintsika hoe izy: Tsara ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitsika ho antsika.
26 Mais vous ne voulûtes pas monter, et vous fûtes rebelles au commandement* de l’Éternel, votre Dieu. 26 Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
27 Et vous murmurâtes dans vos tentes et vous dîtes : C’est parce que l’Éternel nous hait, qu’il nous a fait sortir du pays d’Égypte, afin de nous livrer aux mains des Amoréens, pour nous détruire. 27 Dia nimonomonona tao an-dainareo ianareo ka nanao hoe: Halan'i Jehovah isika, no nitondrany antsika nivoaka avy tany Egypta hanolorany antsika eo an-tànan'ny Amorita handringanana antsika.
28 Où monterions-nous ? Nos frères nous ont fait fondre le cœur, en disant : [C’est] un peuple plus grand et de plus haute taille que nous ; les villes sont grandes, et murées jusqu’aux cieux ; et de plus nous avons vu là des fils des Anakim. 28 Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
29 — Et je vous dis : Ne vous épouvantez pas, et ne les craignez point ; 29 Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
30 l’Éternel, votre Dieu, qui marche devant vous, combattra lui-même pour vous, selon tout ce qu’il a fait pour vous sous vos yeux, en Égypte, et dans le désert, 30 Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,
31 où tu as vu que l’Éternel, ton Dieu, t’a porté comme un homme porte son fils, dans tout le chemin où vous avez marché, jusqu’à ce que vous soyez arrivés en ce lieu-ci. 31 ary tany an-efitra, izay nahitanao ny fitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao tahaka ny fitondran'ny olona ny zanany, dia teny amin'ny lalana rehetra izay nalehanareo mandra-pahatonganareo teto amin'ity tany ity.
32 Mais, dans cette circonstance*, vous ne crûtes point** l’Éternel, votre Dieu, 32 Kanefa, na dia nataoko aza izany teny izany, mbola tsy ninoanareo ihany Jehovah Andriamanitrareo,
33 qui, afin de reconnaître pour vous un lieu pour que vous y campiez, allait devant vous dans le chemin, la nuit, dans le feu, pour vous faire voir le chemin où vous deviez marcher, et, le jour, dans la nuée. 33 Izay nandeha tamin'ny lalana teo alohanareo hitady tany ho anareo hitobianareo, ka ny afo nony alina sy ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.
34 Et l’Éternel entendit la voix de vos paroles et fut courroucé, et jura, disant : 34 Any nandre ny teninareo Jehovah, dia tezitra Izy ka nianiana hoe:
35 Si aucun de ces hommes, de cette génération méchante, voit ce bon pays que j’ai juré de donner à vos pères !… 35 Tsy hisy olona mihitsy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
36 excepté Caleb, fils de Jephunné : lui, le verra, et je lui donnerai, et à ses fils, le pays où il a marché*, parce qu’il a pleinement suivi l’Éternel. 36 afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone; izy no hahita azy, any izy sy ny zanany no homeko ny tany izay nodiaviny, satria efa tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah izy.
37 Contre moi aussi l’Éternel s’irrita, à cause de vous, disant : Toi non plus, tu n’y entreras pas. 37 Ary izaho koa dia notezeran'i Jehovah noho ny aminareo ka nataony hoe: Hianao koa tsy hiditra any;
38 Josué, fils de Nun, qui se tient devant toi, lui, y entrera ; fortifie-le, car c’est lui qui le fera hériter à Israël. 38 fa Josoa, zanak'i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao, izy no hiditra any, koa izy no ampaherezo, fa izy no hampandova ny Zanak'Isiraely ny tany.
39 Et vos petits enfants dont vous avez dit qu’ils seraient une proie, et vos fils qui aujourd’hui ne connaissent pas le bien et le mal, ceux-là y entreront, et c’est à eux que je le donnerai, et ils le posséderont. 39 Ary ny zanakareo madinika, izay nolazainareo fa ho babo, any ny zanakareo izay tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy amin'izao andro izao, dia izy no hiditra any, ary izy no homeko ny tany, ary izy no handova azy.
40 Et vous, tournez-vous, et partez pour le désert, par le chemin de la mer Rouge. 40 Fa ianareo kosa dia miverena, ka mandehana any an-efitra, dia any amin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.
41 — Et vous répondîtes et me dîtes : Nous avons péché contre l’Éternel ; nous monterons, et nous combattrons, selon tout ce que l’Éternel, notre Dieu, nous a commandé. Et vous ceignîtes chacun ses armes de guerre, et légèrement vous entreprîtes de monter dans la montagne. 41 Dia namaly ianareo ka nanao tamiko hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah izahay; hiakatra ihany izahay ka hiady, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah Andriamanitsika antsika. Dia samy nivonona tamin'ny fiadiany avy ianareo rehetra, ka nataonareo ho tsinontsinona ny hiakatra any an-tendrombohitra.
42 Et l’Éternel me dit : Dis-leur : Ne montez pas, et ne combattez pas, car je ne suis point au milieu de vous, afin que vous ne soyez pas battus par* vos ennemis. 42 Dia hoy Jehovah tamiko: Lazao aminy hoe: Aza miakatra ianareo, ary aza miady, fa tsy eo aminareo Aho; fandrao ho resy eo anoloan'ny fahavalonareo ianareo.
43 Et je vous parlai ; mais vous n’écoutâtes point, et vous rebellâtes contre le commandement* de l’Éternel, et vous fûtes présomptueux, et montâtes dans la montagne. 43 Dia niteny taminareo aho, nefa tsy nihaino ianareo; ary nandà ny tenin'i Jehovah ianareo, dia nanao sahisahy ka niakatra tany an-tendrombohitra ihany.
44 Et l’Amoréen, qui habitait cette montagne, sortit à votre rencontre, et vous poursuivit, comme font les abeilles, et il vous tailla en pièces en Séhir, jusqu’à Horma*. 44 Dia nivoaka hiady aminareo ny Amorita, izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany, ka nanenjika anareo tahaka ny fanenjiky ny reni-tantely, dia nandringana anareo tany Seira ka hatrany Horma.
45 Et vous retournâtes et vous pleurâtes devant l’Éternel ; et l’Éternel n’écouta point votre voix et ne vous prêta point l’oreille. 45 Dia niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah; nefa tsy nihaino ny feonareo Jehovah, na nanongilana ny sofiny taminareo.
46 Et vous demeurâtes à Kadès plusieurs jours, selon les jours que vous y avez habité. 46 Dia nitoetra ela tao Kadesy ianareo, araka ny andro izay nitoeranareo tao.
— v. 24 : ou : vallée. — v. 26, 43 : litt.: à la bouche. — v. 32* : ou : malgré cela. — v. 32** : voir la note, Nombres 14:11. — v. 36 : litt.: qu’il a foulé. — v. 42 : litt.: devant. — v. 44 : destruction.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et nous nous tournâmes, et nous partîmes pour le désert, par le chemin de la mer Rouge, comme l’Éternel m’avait dit, et nous tournâmes autour de la montagne de Séhir, plusieurs jours. 1 Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain'i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seira ela ihany isika.
2 Et l’Éternel me parla, disant : 2 Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
3 Vous avez assez tourné autour de cette montagne ; dirigez-vous vers le nord. 3 Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.
4 Et commande au peuple, disant : Vous allez passer par les confins de vos frères, les fils d’Ésaü, qui habitent en Séhir, et ils auront peur de vous ; et soyez bien sur vos gardes ; 4 Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin'ny taranak'i Esao rahalahinareo, izay monina any Seira; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
5 vous n’engagerez pas de lutte avec eux, car je ne vous donnerai rien de leur pays, pas même de quoi poser la plante du pied, car j’ai donné la montagne de Séhir en possession à Ésaü. 5 ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira.
6 Vous achèterez d’eux la nourriture à prix d’argent, et vous la mangerez ; et l’eau aussi, vous l’achèterez d’eux à prix d’argent, et vous la boirez. 6 Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
7 Car l’Éternel, ton Dieu, t’a béni dans toute l’œuvre de ta main ; il a connu ta marche par ce grand désert ; pendant ces quarante ans, l’Éternel, ton Dieu, a été avec toi ; tu n’as manqué de rien. 7 Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay rehetra nataon'ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
   
8 Et nous laissâmes nos frères, les fils d’Ésaü, qui habitent en Séhir, passant devant la plaine, devant Élath et Etsion-Guéber, et nous nous tournâmes, et nous passâmes par le chemin du désert de Moab. 8 Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Moaba.
9 Et l’Éternel me dit : Tu n’attaqueras pas Moab, et tu ne te mettras pas en guerre avec eux, car je ne te donnerai rien de leur pays en possession, car j’ai donné Ar en possession aux fils de Lot. 9 Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota.
10 (Les Émim y habitaient auparavant, un peuple grand et nombreux et de haute stature comme les Anakim ; 10 Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
11 ils sont réputés, eux aussi, des géants*, comme les Anakim, mais les Moabites les appellent Émim. 11 Ireo koa no natao ho Refaita tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
12 Et les Horiens habitaient auparavant en Séhir, et les fils d’Ésaü les dépossédèrent, et les détruisirent devant eux, et habitèrent à leur place, comme a fait Israël dans le pays de sa possession, que l’Éternel lui a donné). 12 Ary ny tany Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy ho lovany.)
13 Maintenant, levez-vous et passez le torrent* de Zéred. — Et nous passâmes le torrent* de Zéred. 13 Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
— v. 11 : ou : Rephaïm, comme verset 20. — v. 13 : ou : la vallée.  
14 Et les jours que nous avons marché depuis Kadès-Barnéa jusqu’à ce que nous ayons passé le torrent* de Zéred, ont été trente-huit ans, jusqu’à ce que toute la génération des hommes de guerre ait péri du milieu du camp, comme l’Éternel le leur avait juré. 14 Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran'ny mpanafika rehetra tamin'izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby, araka izay efa nianianan'i Jehovah taminy.
15 Et la main de l’Éternel a aussi été contre eux, pour les détruire du milieu du camp, jusqu’à ce qu’ils eussent péri. 15 Ary koa, ny tànan'i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby.
— v. 14 : ou : la vallée.  
16 Et il arriva que, lorsque tous les hommes de guerre eurent péri du milieu du peuple par la mort, 16 Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
17 l’Éternel me parla, disant : 17 dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
18 Tu vas passer aujourd’hui la frontière de Moab, [qui est] Ar, 18 Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
19 et tu t’approcheras vis-à-vis des fils d’Ammon ; tu ne les attaqueras pas, et tu n’engageras pas de lutte avec eux, car je ne te donnerai rien du pays des fils d’Ammon en possession, parce que je l’ai donné en possession aux fils de Lot. 19 dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.
20 (Il est aussi réputé pays des Rephaïm* ; les Rephaïm y habitaient auparavant, et les Ammonites les appellent Zamzummim, 20 Izany koa no natao ho tanin'ny Refaita; fa ny Refaita no nitoetra tao tany aloha ka nataon'ny Amonita hoe Zamzomita.
21 peuple grand et nombreux et de haute stature comme les Anakim ; mais l’Éternel les détruisit devant eux, et ils les dépossédèrent et habitèrent à leur place, 21 Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
22 — comme il fit pour les fils d’Ésaü, qui habitent en Séhir, lorsqu’il détruisit les Horiens devant eux, et qu’ils les dépossédèrent ; et ils ont habité à leur place jusqu’à ce jour. 22 araka izay nataony koa ho an'ny taranak'i Esao, izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
23 Et quant aux Avviens qui habitaient dans des hameaux jusqu’à Gaza, les Caphtorim, sortis de Caphtor, les détruisirent et habitèrent à leur place). 23 ary ny amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
24 Levez-vous, partez, et passez le torrent de l’Arnon. Regarde, j’ai livré en ta main Sihon, roi de Hesbon, l’Amoréen, et son pays : commence, prends possession, et fais-lui la guerre. 24 Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
25 Aujourd’hui je commencerai à mettre la frayeur et la peur de toi sur les peuples, sous tous les cieux ; car ils entendront le bruit de ce que tu fais*, et ils trembleront, et seront en angoisse devant toi. 25 Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
— v. 20 : ou : géants, ici, et 3:11, etc. — v. 25 : litt.: ton bruit.  
26 Et j’envoyai, du désert de Kedémoth, des messagers à Sihon, roi de Hesbon, avec des paroles de paix, disant : 26 Dia naniraka olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
27 Je passerai par ton pays ; j’irai seulement par le chemin, je ne m’écarterai ni à droite ni à gauche. 27 Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
28 Tu me vendras de la nourriture à prix d’argent, afin que je mange ; et tu me donneras de l’eau à prix d’argent, afin que je boive ; je ne ferai que passer avec mes pieds : 28 vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho
29 comme m’ont fait les fils d’Ésaü qui habitent en Séhir, et les Moabites qui habitent à Ar ; jusqu’à ce que je passe le Jourdain [et que j’entre] dans le pays que l’Éternel, notre Dieu, nous donne. 29 (araka izay nataon'ny taranak'i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitray anay.
30 Et Sihon, roi de Hesbon, ne voulut pas nous laisser passer par son [pays] ; car l’Éternel, ton Dieu, avait endurci son esprit et roidi son cœur, afin de le livrer en ta main, comme [il paraît] aujourd’hui. 30 Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
31 Et L’Éternel me dit : Regarde, j’ai commencé à livrer devant toi Sihon et son pays : commence, prends possession, afin que tu possèdes son pays. 31 Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
32 — Et Sihon sortit à notre rencontre, lui et tout son peuple, à Jahats, pour livrer bataille. 32 Dia nivoaka Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
33 Et l’Éternel, notre Dieu, le livra devant nous ; et nous le battîmes, lui, et ses fils, et tout son peuple ; 33 Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
34 et nous prîmes toutes ses villes, en ce temps-là, et nous détruisîmes entièrement toutes les villes, hommes, et femmes, et enfants ; nous ne laissâmes pas un réchappé ; 34 Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
35 seulement, nous pillâmes pour nous les bêtes et le butin des villes que nous avions prises. 35 Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
36 Depuis Aroër, qui est sur le bord du torrent de l’Arnon, et la ville qui est dans le torrent, jusqu’à Galaad, il n’y eut pas de ville qui fût trop haute pour nous ; l’Éternel, notre Dieu, livra tout devant nous. 36 Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.
37 Seulement, tu ne t’es pas approché du pays des fils d’Ammon, de toute la rive du torrent de Jabbok, ni des villes de la montagne, ni de tout ce que l’Éternel, notre Dieu, nous avait commandé [de ne pas toucher]. 37 Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et nous nous tournâmes, et nous montâmes par le chemin de Basan ; et Og, le roi de Basan, sortit à notre rencontre, lui et tout son peuple, à Édréhi, pour livrer bataille. 1 Dia niverina isika ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan'i Basana, mbamin'ny vahoakany rehetra.
2 Et l’Éternel me dit : Ne le crains pas, car je l’ai livré en ta main, lui et tout son peuple, et son pays ; et tu lui feras comme tu as fait à Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon. 2 Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin'ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
3 — Et l’Éternel, notre Dieu, livra aussi en notre main Og, le roi de Basan, et tout son peuple ; et nous le battîmes jusqu’à ne pas lui laisser un réchappé. 3 Dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan'i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza.
4 Et nous prîmes toutes ses villes, en ce temps-là ; il n’y eut point de ville que nous ne leur prissions : soixante villes, toute la région d’Argob, le royaume d’Og, en Basan ; 4 Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan'i Oga tany Basana.
5 toutes ces villes-là étaient fortifiées avec de hautes murailles, des portes et des barres, outre les villes ouvertes, en fort grand nombre ; 5 Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
6 et nous les détruisîmes entièrement, comme nous avions fait à Sihon, roi de Hesbon, détruisant toutes les villes, hommes, femmes, et enfants. 6 Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy.
7 Et nous pillâmes pour nous toutes les bêtes, et le butin des villes. 7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin'ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
8 Et nous prîmes en ce temps-là, de la main des deux rois des Amoréens, le pays qui était en deçà du Jourdain, depuis le torrent de l’Arnon jusqu’à la montagne de l’Hermon, 8 Ary nalaintsika tamin'izany andro izany tamin'ny mpanjaka roan'ny Amorita ny tany izay any an-dafin'i Jordana, hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona
9 (les Sidoniens appellent l’Hermon, Sirion, et les Amoréens l’appellent Senir) ; 9 Hermona nataon'ny Sidoniana hoe Siriona; ary ny Amorita kosa nanao azy hoe Senira,
10 toutes les villes du plateau, et tout Galaad, et tout Basan jusqu’à Salca et à Édréhi, villes du royaume d’Og, en Basan. 10 dia ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin'ny fanjakan'i Oga tany Basana.
11 Car Og, le roi de Basan, était seul demeuré du reste des Rephaïm. Voici, son lit, un lit de fer, n’est-il pas dans Rabba des fils d’Ammon ? Sa longueur est de neuf coudées, et sa largeur de quatre coudées, en coudées d’homme. 11 Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy.
12 Et nous prîmes possession de ce pays-là, en ce même temps. Depuis Aroër, qui est sur le torrent de l’Arnon, la moitié de la montagne de Galaad, et ses villes, je les donnai aux Rubénites et aux Gadites ; 12 Ary io tany io dia azontsika tamin'izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan'i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
13 et le reste de Galaad, et tout Basan, le royaume d’Og, je le donnai à la demi-tribu de Manassé. (Toute la région d’Argob, comme tout Basan, était appelée le pays des Rephaïm. 13 ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen'i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin'ny Refaita izany.
14 Jaïr, fils de Manassé, prit toute la région d’Argob, jusqu’à la frontière des Gueshuriens et des Maacathiens ; et il appela* de son nom Basan, Havoth-Jaïr**, [ce qui est son nom] jusqu’à aujourd’hui). 14 Jaïra, zanak'i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran'izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaira, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany).
15 Et je donnai Galaad à Makir. 15 Ary Gileada dia nomeko an'i Makira.
16 Et aux Rubénites et aux Gadites je donnai depuis Galaad jusqu’au torrent de l’Arnon, le milieu du torrent et ce qui y confine, et jusqu’au torrent du Jabbok, frontière des fils d’Ammon ; 16 Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin'ny amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona,
17 et la plaine*, et le Jourdain et [sa] rive depuis Kinnéreth jusqu’à la mer de la plaine*, la mer Salée, sous les pentes du Pisga, vers le levant. 17 ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin'i Pisga, dia ao atsinanany.
— v. 14* : litt.: appela les [bourgs]. — v. 14** : bourgs de Jaïr. — v. 17 : l’Araba.  
18 Et, en ce temps-là, je vous commandai, disant : L’Éternel, votre Dieu, vous a donné ce pays pour le posséder ; vous passerez équipés devant vos frères, les fils d’Israël, vous tous, les hommes valides. 18 Ary nandidy anareo tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.
19 Seulement, vos femmes, et vos enfants, et vos troupeaux, — je sais que vos troupeaux sont nombreux, — demeureront dans vos villes que je vous ai données, 19 Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
20 jusqu’à ce que l’Éternel ait donné du repos à vos frères comme à vous, et qu’eux aussi possèdent le pays que l’Éternel, votre Dieu, leur donne au delà du Jourdain ; alors vous retournerez chacun dans sa possession, que je vous ai donnée. 20 mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin'i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin'ny taniny avy, izay nomeko anareo.
21 Et je commandai à Josué en ce temps-là, disant : Tes yeux ont vu tout ce que l’Éternel, votre Dieu, a fait à ces deux rois ; l’Éternel fera ainsi à tous les royaumes où tu vas passer. 21 [Ny amin'ny tsy hidiran'i Mosesy ao Kanana, sy ny nanendrena an'i Josoa handimby azy] Dia nandidy an'i Josoa aho tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon'i Jehovah amin'ny fanjakana rehetra izay halehanao.
22 Ne les craignez pas ; car l’Éternel, votre Dieu, est celui qui combat pour vous. 22 Aza matahotra azy ianareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
   
23 Et en ce temps-là, je supplia l’Éternel, disant : 23 Dia nitaraina tamin'i Jehovah tamin'izany andro izany aho ka nanao hoe:
24 Seigneur Éternel ! tu as commencé à faire voir à ton serviteur ta grandeur et ta main forte, car quel est le *Dieu*, dans les cieux et sur la terre, qui fasse [des œuvres] comme tes œuvres et selon ta force ? 24 Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin'ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
25 Que je passe, je te prie, et que je voie ce bon pays qui est au delà du Jourdain, cette bonne montagne, et le Liban. 25 Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin'i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona.
26 — Et l’Éternel fut irrité contre moi à cause de vous, et il ne m’écouta point ; et l’Éternel me dit : C’est assez, ne me parle plus de cette affaire. 26 Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin'izany zavatra izany ianao.
27 Monte au sommet du Pisga, et élève tes yeux vers l’occident, et vers le nord, et vers le midi, et vers le levant, et regarde de tes yeux ; car tu ne passeras pas ce Jourdain. 27 Miakara eo an-tampon'i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;
28 Mais commande à Josué, et fortifie-le et affermis-le ; car lui, passera devant ce peuple, et lui, les mettra en possession du pays que tu verras. 28 fa mandidia an'i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan'ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
— v. 24 : hébreu : El ; voir la note à Genèse 14:18.  
29 Et nous habitâmes dans la vallée, vis-à-vis de Beth-Péor. 29 Ka dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora isika.
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et maintenant, Israël, écoute les statuts et les ordonnances que je vous enseigne, pour les pratiquer, afin que vous viviez, et que vous entriez dans le pays que l’Éternel, le Dieu de vos pères, vous donne, et que vous le possédiez. 1 [Famporisihan'i Mosesy ny Isiraely mba hazoto mitandrina ny lalàna] Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2 Vous n’ajouterez rien à la parole que je vous commande, et vous n’en retrancherez rien, afin de garder les commandements de l’Éternel, votre Dieu, que je vous commande. 2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3 Vos yeux ont vu ce que l’Éternel a fait à cause de Baal-Péor* ; car tout homme qui était allé après Baal-Péor, l’Éternel, ton Dieu, l’a détruit du milieu de toi ; 3 Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4 et vous qui vous êtes tenus attachés à l’Éternel, votre Dieu, vous êtes tous vivants aujourd’hui. 4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5 Regarde, je vous ai enseigné les statuts et les ordonnances, comme l’Éternel, mon Dieu, me l’a commandé, afin que vous fassiez ainsi au milieu du pays où vous allez entrer pour le posséder. 5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
6 Et vous les garderez et les pratiquerez ; car ce sera là votre sagesse et votre intelligence aux yeux des peuples qui entendront tous ces statuts et diront : Quel peuple sage et intelligent que cette grande nation ! 6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
7 Car quelle est la grande nation qui ait Dieu* près d’elle, comme l’Éternel, notre Dieu, [est près de nous], dans tout ce pour quoi nous l’invoquons ? 7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy?
8 Et quelle est la grande nation qui ait des statuts et des ordonnances justes, comme toute cette loi que je mets aujourd’hui devant vous ? 8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
9 Seulement, prends garde à toi et garde soigneusement ton âme, de peur que tu n’oublies les choses que tes yeux ont vues, (et afin que, tous les jours de ta vie, elles ne s’éloignent pas de ton cœur, mais que tu les fasses connaître à tes fils et aux fils de tes fils), 9 Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
10 le jour où tu te tins devant l’Éternel, ton Dieu, à Horeb, quand l’Éternel me dit : Assemble-moi le peuple, et je leur ferai entendre mes paroles, qu’ils apprendront pour me craindre tous les jours qu’ils seront vivants sur la terre, et qu’ils enseigneront à leurs fils ; 10 dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
11 alors vous vous approchâtes et vous vous tîntes au bas de* la montagne (et la montagne était brûlante de feu jusqu’au cœur des cieux,… ténèbres, nuées, et profonde obscurité), 11 Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
12 et l’Éternel vous parla du milieu du feu ; vous entendiez la voix de [ses] paroles, mais vous ne vîtes aucune forme, seulement [vous entendiez] une voix. 12 Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
13 Et il vous déclara son alliance, qu’il vous commanda de pratiquer, les dix paroles ; et il les écrivit sur deux tables de pierre. 13 Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
— v. 3 : ou : le Baal de Péor. — v. 7 : ou : qui ait [son] Dieu. — v. 11 : litt.: sous.  
14 Et l’Éternel me commanda, en ce temps-là, de vous enseigner des statuts et des ordonnances, pour que vous les pratiquiez dans le pays dans lequel vous allez passer pour le posséder. 14 Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
15 Et vous prendrez bien garde à vos âmes (car vous n’avez vu aucune forme au jour où l’Éternel vous parla du milieu du feu, à Horeb), 15 Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba;
16 de peur que vous ne vous corrompiez, et que vous ne vous fassiez quelque image taillée, la forme d’une image quelconque, la figure d’un mâle ou d’une femelle, 16 fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17 la figure de quelque bête qui soit sur la terre, la figure de quelque oiseau ailé qui vole dans les cieux, 17 na sarim-biby izay etỳ ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka,
18 la figure de quelque reptile du* sol, la figure de quelque poisson qui soit dans les eaux, au-dessous de la terre ; 18 na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.
19 et de peur que tu ne lèves tes yeux vers les cieux et que tu ne voies le soleil, et la lune et les étoiles, toute l’armée des cieux, et que tu ne te laisses séduire et ne te prosternes devant eux, et ne les serves : lesquels l’Éternel, ton Dieu, a donnés en partage à tous les peuples, sous tous les cieux. 19 Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
20 Mais vous, l’Éternel vous a pris, et vous a fait sortir d’Égypte, de la fournaise de fer, afin que vous soyez le peuple de sa possession*, comme [vous l’êtes] aujourd’hui. 20 Fa ianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.
— v. 18 : litt.: la figure de tout ce qui rampe sur le. — v. 20 : ou : héritage.  
21 Et l’Éternel s’irrita contre moi, à cause de vous, et il jura que je ne passerais pas le Jourdain et que je n’entrerais pas dans le bon pays que l’Éternel, ton Dieu, te donne en héritage ; 21 Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
22 car, pour moi, je mourrai dans ce pays, je ne passerai pas le Jourdain ; mais vous allez le passer, et vous posséderez ce bon pays. 22 Fa izaho ho faty amin'ity tany ity, fa tsy hita an'i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
23 Prenez garde à vous, de peur que vous n’oubliiez l’alliance de l’Éternel, votre Dieu, qu’il a traitée avec vous, et que vous ne vous fassiez une image taillée, la forme d’une chose quelconque, — ce que l’Éternel, ton Dieu, t’a commandé [de ne pas faire]. 23 Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
24 Car l’Éternel, ton Dieu, est un feu consumant, un *Dieu jaloux. 24 Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
   
25 Quand tu auras engendré des fils et des petits-fils, et que vous aurez vécu longtemps dans le pays, et que vous vous serez corrompus, et que vous aurez fait une image taillée, la forme d’une chose quelconque, et que vous aurez fait ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel, ton Dieu, pour le provoquer à colère, 25 Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
26 j’appelle aujourd’hui à témoin contre vous les cieux et la terre, que vous périrez bientôt entièrement de dessus le pays où, en passant le Jourdain, vous [entrez] afin de le posséder ; vous n’y prolongerez pas vos jours, car vous serez entièrement détruits. 26 dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
27 Et l’Éternel vous dispersera parmi les peuples ; et vous resterez en petit nombre parmi les nations où l’Éternel vous mènera. 27 Ary Jehovah hampiely anareo any amin'ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo.
28 Et vous servirez là des dieux, ouvrage de mains d’homme, du bois et de la pierre, qui ne voient, ni n’entendent, ni ne mangent, ni ne flairent. 28 Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan'ny tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
   
29 Et de là vous chercherez l’Éternel, ton Dieu ; et tu le trouveras, si tu le cherches de tout ton cœur et de toute ton âme. 29 Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
30 Dans ta détresse, et lorsque toutes ces choses t’auront atteint, à la fin des jours, tu retourneras à l’Éternel, ton Dieu, et tu écouteras sa voix. 30 Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
31 Car l’Éternel, ton Dieu, est un *Dieu miséricordieux, il ne t’abandonnera pas et ne te détruira pas ; et il n’oubliera pas l’alliance de tes pères, qu’il leur a jurée. 31 fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy.
32 Car, enquiers-toi donc des premiers jours qui ont été avant toi, depuis le jour où Dieu a créé l’homme sur la terre, et d’un bout des cieux jusqu’à l’autre bout des cieux, si [jamais] il est rien arrivé comme cette grande chose, et s’il a été rien entendu de semblable. 32 Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33 Est-ce qu’un peuple a entendu la voix de Dieu parlant du milieu du feu, comme toi tu l’as entendue, et est demeuré en vie ? 33 Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
34 Ou Dieu a-t-il essayé de venir prendre pour lui une nation du milieu d’une nation, par des épreuves, par des signes, et par des prodiges, et par la guerre, et à main forte, et à bras étendu, et par de grandes terreurs, selon tout ce que l’Éternel, votre Dieu, a fait pour vous en Égypte, sous tes yeux ? 34 Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
35 Cela t’a été montré, afin que tu connusses que l’Éternel est Dieu, et qu’il n’y en a point d’autre que lui. 35 Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
36 Des cieux, il t’a fait entendre sa voix pour t’instruire, et, sur la terre, il t’a fait voir son grand feu, et tu as entendu ses paroles du milieu du feu. 36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo.
37 Et parce qu’il a aimé tes pères, et qu’il a choisi leur semence après eux, il t’a fait sortir d’Égypte par sa face*, par sa grande puissance, 37 Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe,
38 pour déposséder devant toi des nations plus grandes et plus fortes que toi, pour t’introduire dans leur pays, afin de te le donner en héritage, comme [il paraît] aujourd’hui. 38 handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao.
— v. 37 : c. à d. : en se révélant lui-même [pour te conduire].  
39 Sache donc aujourd’hui, et médite en ton cœur, que l’Éternel est Dieu dans les cieux en haut, et sur la terre en bas : il n’y en a point d’autre. 39 Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
40 Et garde ses statuts et ses commandements que je te commande aujourd’hui, afin que tu prospères, toi et tes fils après toi, et que tu prolonges tes jours sur la terre que l’Éternel, ton Dieu, te donne, pour toujours. 40 Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
* *
41 Alors Moïse sépara trois villes, en deçà du Jourdain, vers le soleil levant, 41 [Ny nanendrena tanàna telo handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary tamin'izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan'i Jordana,
42 afin que l’homicide qui aurait tué son prochain sans le savoir, et qui ne l’aurait pas haï auparavant, s’y enfuît, et que, s’enfuyant dans l’une de ces villes-là, il vécût : 42 mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo:
43 Bétser, dans le désert, sur le plateau*, [qui est] aux Rubénites ; et Ramoth, en Galaad, [qui est] aux Gadites ; et Golan, en Basan, [qui est] aux Manassites. 43 dia Bazera any an-efitra, amin'ny tany lemaka, an'ny Robenita; ary Ramota-gileada an'ny Gadita; ary Golana any Basana an'ny Manasita.
— v. 43 : litt.: le pays du plateau.  
* *
44 Et c’est ici la loi que Moïse plaça devant les fils d’Israël ; 44 [Fitarihan-teny nataon'i Mosesy ny amin'ny lalàna] Ary izao no lalàna izay nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
45 ce sont ici les témoignages, et les statuts, et les ordonnances que Moïse exposa aux fils d’Israël, à leur sortie d’Égypte, 45 Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
46 en deçà du Jourdain, dans la vallée vis-à-vis de Beth-Péor, dans le pays de Sihon, roi des Amoréens, qui habitait à Hesbon, que Moïse et les fils d’Israël frappèrent à leur sortie d’Égypte ; 46 tany an-dafin'i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
47 et ils possédèrent son pays, et le pays d’Og, roi de Basan, deux rois des Amoréens, qui étaient en deçà du Jourdain, vers le soleil levant, 47 ka dia azony ny tanin'i Sihona sy ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan'i Jordana,
48 depuis Aroër qui est sur le bord du torrent de l’Arnon, jusqu’à la montagne de Scion qui est l’Hermon, 48 hatrany Aroera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),
49 et toute la plaine* en deçà du Jourdain, vers le levant et jusqu’à la mer de la plaine*, sous les pentes du Pisga. 49 dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan'i Jordana ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay eo ambodin'i Pisga.
— v. 49 : l’Araba ; voir note à Josué 3:16.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et Moïse appela tout Israël, et leur dit : Écoute, Israël, les statuts et les ordonnances que je prononce aujourd’hui à vos oreilles : vous les apprendrez, et vous les garderez pour les pratiquer. 1 [Ny amin'ny Didy Folo] Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy.
   
2 L’Éternel, notre Dieu, fit avec nous une alliance à Horeb. 2 Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
3 Ce n’est pas avec nos pères que l’Éternel a fait cette alliance, mais avec nous, avec nous qui sommes ici aujourd’hui tous vivants. 3 tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.
4 L’Éternel vous parla face à face, sur la montagne, du milieu du feu 4 Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin'ny afo.
5 (moi, je me tenais en ce temps-là entre l’Éternel et vous, pour vous déclarer la parole de l’Éternel, car vous aviez peur à cause du feu et vous ne montâtes point sur la montagne), disant : 5 Izaho nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy ianareo tamin'izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin'ny tendrombohitra, ka hoy Izy:
6 Je suis l’Éternel, ton Dieu, qui t’ai fait sortir du pays d’Égypte, de la maison de servitude*. 6 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
7 Tu n’auras point d’autres dieux devant ma face. 7 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
— v. 6 : litt.: de serviteurs, ici, et ailleurs.  
8 Tu ne te feras point d’image taillée, aucune ressemblance de ce qui est dans les cieux en haut, ni de ce qui est sur la terre en bas, ni de ce qui est dans les eaux au-dessous de la terre. 8 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
9 Tu ne t’inclineras point devant elles et tu ne les serviras point ; car moi, l’Éternel, ton Dieu, je suis un *Dieu jaloux, qui visite l’iniquité des pères sur les fils, et sur la troisième et sur la quatrième [génération] de ceux qui me haïssent, 9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy,
10 et qui use de bonté envers des milliers de ceux qui m’aiment et qui gardent mes commandements. 10 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
   
11 Tu ne prendras point le nom de l’Éternel, ton Dieu, en vain* ; car l’Éternel ne tiendra point pour innocent celui qui aura pris son nom en vain. 11 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
— v. 11 : ou : pour mentir.  
12 Garde le jour du sabbat pour le sanctifier, comme l’Éternel, ton Dieu, te l’a commandé. 12 Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
13 Six jours tu travailleras et tu feras toute ton œuvre ; 13 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
14 mais le septième jour est le sabbat [consacré] à l’Éternel, ton Dieu : tu ne feras aucune œuvre, ni toi, ni ton fils, ni ta fille, ni ton serviteur, ni ta servante, ni ton bœuf, ni ton âne, ni aucune de tes bêtes, ni ton étranger qui est dans tes portes, afin que ton serviteur et ta servante se reposent comme toi ; 14 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
15 et tu te souviendras que tu as été serviteur dans le pays d’Égypte, et que l’Éternel, ton Dieu, t’a fait sortir de là à main forte et à bras étendu ; c’est pourquoi l’Éternel, ton Dieu, t’a commandé de garder* le jour du sabbat. 15 Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
— v. 15 : litt.: faire.  
16 Honore ton père et ta mère, comme l’Éternel, ton Dieu, te l’a commandé, afin que tes jours soient prolongés, et afin que tu prospères sur la terre que l’Éternel, ton Dieu, te donne. 16 Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
17 Tu ne tueras point. 17 Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
18 Et tu ne commettras point adultère.  
19 Et tu ne déroberas point.  
20 Et tu ne diras point de faux témoignage contre ton prochain.  
   
21 Et tu ne convoiteras point la femme de ton prochain ; et tu ne désireras point la maison de ton prochain, [ni] son champ, ni son serviteur, ni sa servante, [ni] son bœuf, ni son âne, ni rien qui soit à ton prochain. 18 Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
   
22 L’Éternel prononça ces paroles à toute votre congrégation, sur la montagne, du milieu du feu, de la nuée et de l’obscurité profonde, avec une voix forte, et il n’ajouta rien. Et il les écrivit sur deux tables de pierre, et me les donna. 19 Ireo teny ireo no nolazain'i Jehovah tamin'ny feo mahery tao amin'ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin'ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
23 Et il arriva que, lorsque vous entendîtes la voix du milieu des ténèbres, la montagne étant brûlante de feu, vous vous approchâtes de moi, tous les chefs* de vos tribus et vos anciens, 20 Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin'ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
24 et vous dîtes : Voici, l’Éternel, notre Dieu, nous a fait voir sa gloire et sa grandeur, et nous avons entendu sa voix du milieu du feu ; aujourd’hui nous avons vu que Dieu parle avec l’homme, et que [l’homme] vit. 21 ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin'ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin'ny olona, nefa velona ihany izy.
25 Et maintenant, pourquoi mourrions-nous ? car ce grand feu nous dévorera* ; si nous entendons encore la voix de l’Éternel, notre Dieu, nous mourrons. 22 Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
26 Car qui, de toute chair, a entendu, comme nous, la voix du Dieu vivant parlant du milieu du feu, et est demeuré en vie ? 23 Fa iza moa tamin'ny nofo rehetra no efa nandre ny feon'Andriamanitra velona niteny tao afovoan'ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany?
27 Toi, approche, et écoute tout ce que dira l’Éternel, notre Dieu ; et toi tu nous diras tout ce que l’Éternel, notre Dieu, t’aura dit, et nous l’écouterons, et nous le pratiquerons. 24 Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
— v. 23 : litt.: têtes. — v. 25 : ailleurs aussi : consumer, 7:16, etc.  
28 Et l’Éternel entendit la voix de vos paroles, lorsque vous me parliez ; et l’Éternel me dit : J’ai entendu la voix des paroles de ce peuple, qu’ils t’ont dites : tout ce qu’ils ont dit, ils l’ont bien dit. 25 Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin'ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
29 Oh ! s’ils avaient toujours ce cœur-là pour me craindre et pour garder tous mes commandements, afin de prospérer, eux et leurs fils, à toujours ! 26 Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay
30 Va, dis-leur : Retournez à vos tentes. 27 Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo.
31 Mais toi, tiens-toi ici auprès de moi, et je te dirai tous les commandements* et les statuts et les ordonnances que tu leur enseigneras, afin qu’ils les pratiquent dans le pays que je leur donne pour le posséder. 28 Fa ianao kosa dia mijanòna eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin'ny tany izay omeko azy ho lovany.
32 — Vous prendrez donc garde à faire comme l’Éternel, votre Dieu, vous a commandé ; vous ne vous écarterez ni à droite ni à gauche. 29 Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
33 Vous marcherez dans tout le chemin que l’Éternel, votre Dieu, vous a commandé, afin que vous viviez, et que vous prospériez, et que vous prolongiez vos jours dans le pays que vous posséderez. 30 fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.
— v. 31 : litt.: le commandement, ici, et 6:1, 25 ; 7:11 ; 8:1.  
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et ce sont ici les commandements, les statuts, et les ordonnances, que l’Éternel, votre Dieu, a commandé de vous enseigner, afin que vous les pratiquiez dans le pays dans lequel vous passez pour le posséder ; 1 [Ny amin'ny fitiavana an'Andriamanitra] Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain'i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin'ny tany izay alehanareo holovana,
2 afin que tu craignes l’Éternel, ton Dieu, pour garder, tous les jours de ta vie, toi, et ton fils, et le fils de ton fils, tous ses statuts et ses commandements que je te commande, et afin que tes jours soient prolongés. 2 mba hatahoranao an'i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
3 Et tu écouteras, Israël ! et tu prendras garde à les pratiquer, afin que tu prospères, et que vous multipliiez beaucoup dans un pays ruisselant de lait et de miel, comme l’Éternel, le Dieu de tes pères, te l’a dit. 3 Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely.
   
4 Écoute, Israël : L’Éternel, notre Dieu, est un seul Éternel. 4 Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.
5 Et tu aimeras l’Éternel, ton Dieu, de tout ton cœur, et de toute ton âme, et de toute ta force. 5 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
6 Et ces paroles, que je te commande aujourd’hui, seront sur ton cœur. 6 Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao.
7 Tu les inculqueras à tes fils, et tu en parleras, quand tu seras assis dans ta maison, et quand tu marcheras par le chemin, et quand tu te coucheras, et quand tu te lèveras ; 7 Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha;
8 et tu les lieras comme un signe sur ta main, et elles te seront pour fronteau entre les yeux, 8 ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinao,
9 et tu les écriras sur les poteaux de ta maison et sur tes portes*. 9 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao.
10 Et il arrivera, quand l’Éternel, ton Dieu, t’aura introduit dans le pays qu’il a juré à tes pères, à Abraham, à Isaac, et à Jacob, de te donner : de grandes et bonnes villes que tu n’as pas bâties, 10 Ary rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao ianao ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao homena anao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara, izay tsy nataonao,
11 et des maisons pleines de tout bien que tu n’as pas remplies, et des puits creusés que tu n’as pas creusés, des vignes et des oliviers que tu n’as pas plantés ; et que tu mangeras, et que tu seras rassasié ; 11 sy trano feno zava-tsoa rehetra, izay tsy nofenoinao, sy lavaka famorian-drano voalavaka eo amin'ny vato, izay tsy nolavahanao, sy tany voavoly voaloboka sy hazo oliva, izay tsy nambolenao, ary mihinana ianao ka voky,
12 [alors] prends garde à toi, de peur que tu n’oublies l’Éternel qui t’a fait sortir du pays d’Égypte, de la maison de servitude. 12 dia mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
13 Tu craindras l’Éternel, ton Dieu, et tu le serviras, et tu jureras par son nom. 13 Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
14 Vous n’irez point après d’autres dieux, d’entre les dieux des peuples qui seront autour de vous ; 14 Aza manaraka izay andriamani-kafa amin'ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo,
15 car l’Éternel, ton Dieu, qui est au milieu de toi, est un *Dieu jaloux ; de peur que la colère de l’Éternel, ton Dieu, ne s’embrase contre toi, et qu’il ne te détruise de dessus la face de la terre. 15 fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitr