[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
1 Petera
Accès direct aux
chapitres de 1 Pierre : 1, 2,
3, 4, 5
1 [Fiarahabana, sy filazana
ny amin'ny fahatsaran'ny fanavotana] Petera, Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy
ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy
Bitynia, dia olom-boafidy
2 araka ny fahalalana
rahateo, izay an'Andriamanitra Ray, amin'ny fanamasinan'ny Fanahy, ho amin'ny
fanarahana sy ny famafazan'ny ran'i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie
ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3 Isaorana anie
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray
araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny
nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
4 ho amin'ny
lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra
ho anareo,
5 izay
arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena efa vonona
haseho any am-parany.
6 Izany no
iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin'ny
fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7 mba ho hita
ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo
(izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra
tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
8 Izay, na dia
tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny
aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo
tononina sady be voninahitra,
9 mandray ny
anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10 Ny
amin'izany famonjena izany dia notadiavin'ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra,
dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11 eny,
nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin'ny Fanahin'i Kristy
ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian'i Kristy sy ny voninahitra
manaraka izany.
12 Ary naseho
tamin'ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny amin'izany zavatra
izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin'ny tenin'ireo nitory ny
filazantsara taminareo amin'ny Fanahy Masina, Izay nirahina avy tany
an-danitra; izany zavatra izany dia tian'ny anjely hodinihina.
13
[Famporisihana hitondra tena mifanaraka anim'ny filazantsara] Koa amin'izany
sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho
entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;
14 tahaka ny
zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin'ny
tsi-fahalalanareo;
15 fa araka ny
fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny
fitondran-tena rehetra,
16 satria voasoratra
hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho" (Lev. 11.44).
17 Ary raha Ilay tsy
mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe
Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny
fivahinianareo etỳ ;
18 fa fantatrareo fa
tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana
anareo tamin'ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
19 fa ny rà soan'i
Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20 Izay fantatra
rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho
tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo
21 Izay mino
an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka
nanome voninahitra Azy,- mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo
amin'Andriamanitra.
22 Satria efa
nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny
fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo*; [*
Na:(amin'ny fo madio)]
23 fa efa teraka
indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny
tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
24 Fa "ny nofo
rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny
vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
25 Fa ny tenin'ny
Tompo maharitra mandrakizay" (Isa. 40.6 - 8). Ary izany no tenin'ny
filazantsara izay notorina taminareo.
1 Koa esory ny
lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny
fanaratsiana rehetra,
2 fa tahaka ny zaza
vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo
amin'izany ho amin'ny famonjena,
3 raha tàhiny
"nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;"
4 Izay hatoninareo
toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady
soa,"
5 ka dia atsangana koa
ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra
fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
6 Fa misy teny ao
amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho,
dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa.
28.16).
7 Koa ny fahatsarana
dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay
nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22),
8 "Ary vato
mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy
nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena
azy.
9 Fa ianareo kosa dia
taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6),
olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay
niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga;
10 dia ianareo izay
tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy
namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).
11 [Fananarana
hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny
mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy
mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;
12 ary aoka ho tsara
ny fitondran-tenanareo eo amin'ny jentilisa, mba hankalazany an'Andriamanitra
amin'ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay
anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.
13 Ary noho ny Tompo
dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy,
14 na ny mpanapaka,
satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15 Fa toy izany no
sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny
fanaovan-tsoa;
16 fa olona afaka
ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy
ny mpanompon Andriamanitra.
17 Manajà ny olona
rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.
18 Hianareo mpanompo,
maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy
fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
19 Fa izao no
ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina
noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra.
20 Fa inona no laza,
raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa
raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia
izany no sitrak'Andriamanitra.
21 Fa ho amin'izany
no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela
fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
22 "Izay
tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany" (Isa. 53.9);
23 raha
notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa
nanolotra ny adiny* ho amin'ny Mpitsara marina; [* Na: ny tenany]
24 ary Izy
nitondra ny fahotantsika (Isa. 53. 12) tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba
ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary
"ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo" (Isa. 53.5).
25 Fa efa nania toy
ny ondry ianareo (Isa. 53.6), nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin'ny
Mpiandry sy Mpitandrina* ny fanahinareo.[* Gr. Episkopo]
1 Ary toy izany koa,
ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondran-tenan'ny
vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
2 rehefa hitany ny
fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.
3 Ary aoka ny
firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena
na ny fiakanjoana;
4 fa aoka ho toetra
miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay
soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
5 Fa tahaka izany no
niravahan'ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an'Andriamanitra sady
nanaiky ny vadiny;
6 dia tahaka an'i
Saraha, izay nanaiky an'i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia
zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona
na inona.
7 Ary toy izany koa,
ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy,
tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny
fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
8 [Famporisihana mba
hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa
saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy,
mifamindrà fo, manetre tena,
9 tsy mamaly ratsy ny
ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho
amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
10 "Fa na iza na
iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny
ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
11 Ary aoka izy hiala
amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
12 Fa ny mason'ny
Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny
tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).
13 Ary iza no hanisy
ratsy anareo, raha mazoto amin'izay tsara ianareo?
14 Fa raha tàhiny
mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza
matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
15 fa manamasìna an
i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona
mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny
fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
16 ka manàna
fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo
tsara ao amin'i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
17 Fa raha
sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny
fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.
18 Fa Kristy koa aza
efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba
hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa
novelomina tamin'ny fanahy,
19 izay
nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 dia izay tsy
nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa,
raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo
mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
21 izay mamonjy
anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny
fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara
eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny
maty. [* Na: fanontanian']
[** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra]
22 Izay eo amin'ny
tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa
nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
1 Koa satria niaritra
tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay
niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka* tamin'ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina]
2 mba tsy
handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona
intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra.
3 Fa ampy izay ny
andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny
fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy
ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
4 ary amin'izany dia
gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany
fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
5 nefa
hampamoahin'ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
6 Fa noho izany no
nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona
amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy.
7 Fa antomotra ny
faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.
8 Ary mihoatra noho
ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana
maro" (Oha 10.12)
9 Mifampiantranoa, ka
aza mimonomonona.
10 Samia mifanompo
araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina
tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.
11 Rana misy olona
miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra, raha misy olona
manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy;
mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i
Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
Amena,
12 [Fananarana mba
hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny
fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho
zavatra mahagaga manjo anareo izany,
13 fa araka ny
iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra
amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.
14 Sambatra ianareo,
raha haratsina noho ny anaran'i Kristy, fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny
Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
15 Fa aoka tsy hisy
aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na
mpiraharaha ny an'olona.
16 Fa raha misy
mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza
an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy.
17 Fa tonga ny andro
hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan*'Andriamanitra; ary raha
miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky
ny filazantsaran'Andriamanitra? [* Gr. tranony]
18 Ary "raha
saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny
mpanota? (Oha 11. 31).
19 Koa izay mitondra
fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no
hanolorany ny fanahiny ho an'ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
1 [Fananarana ny
loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra
mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny
amin'ny loholona* izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona* sy
vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa,
dia mananatra azy hoe: [* Gr. presbytera]
2 Andraso ny
ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny
sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa
amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay andraikitrareo]
3 tsy ho mpanjakazaka,
amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.
4 Ary rehefa miseho
ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
5 Ary ianareo izay
mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina
fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny
miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [*
Gr. presbytera]
6 Koa amin'izany
manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo
amin'ny fotoan'andro;
7 ary apetraho aminy
ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).
8 Mahonòna tena,
miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona
mitady izay harapany;
9 tohero izy, ka
miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana
izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
10 Ary Andriamanitry
ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny
mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia
Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
11 Ho Azy anie ny
fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
12 Efa manoratra teny
fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy
mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena
fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.
13 Izay any Babylona,
voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
14 Mifanaova veloma
amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny
fiadanana.