[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Jakoba
Accès direct aux
chapitres de Jacques : 1, 2,
3, 4, 5
1 [Ny amin'ny fakam-panahy,
sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy
Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any
am-pielezana.
2 Ry rahalahiko, ataovy ho
fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na:
fizahan-toetra]
3 satria fantatrareo
fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
4 Ary aoka ny
faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy
hisy tsy ampy na inona na inona.
5 Ary raha misy
ianareo tsy manam-pahendrena*, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay
manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy
izany. [* Na: kely fahendrena]
6 Nefa aoka hangataka
amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny
alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
7 Fa aoka tsy hanampo
handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
8 olona miroa saina
izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
9 Aoka ny
rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
10 fa ny manan-karena
kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
11 Fa miposaka ny
masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana
ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny
manan-karena amin'ny alehany.
12 Sambatra izay
olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny
satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
13 Raha misy
alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa
Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona
Izy;
14 fa samy
alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
15 Ary ny filàna,
rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka
fahafatesana.
16 Aza mety
hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
17 Ny fanomezan-tsoa
rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy
amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny
fihodinana.
18 Tamin'ny sitrapony
no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra
noforoniny isika.
19 Fantatrareo izany,
sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho
malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
20 fa ny fahatezeran'ny
olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.
21 Koa ario ny
fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny
nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
22 Fa aoka ho
mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny
tenanareo.
23 Fa raha misy
mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo
amin'ny fitaratra izy;
24 fa mijery ny
tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.
25 Fa izay mandinika
ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha
tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany
olona izany.
26 Raha misy
manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia
zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.
27 Izao no
fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy
ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy
pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
1 [Ny tsy
mahamety ny fizahan-tavan'olona] Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana
fizahan-tavan'olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon'ny
voninahitra.
2 Fa raha misy
olona miditra eo amin'ny synagoganareo misy peratra volamena amin'ny
rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo
miakanjo ratsy,
3 koa mijery
ilay miakanjo tsara ianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin'ny fitoerana aloha
ianao; ary manao amin'ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa ianao, na: Mipetraha
etsy amin'ny fitoeran-tongotro,-
4 moa tsy miangatra*
va ianareo amin'izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy? [* Na: miahanahana]
5 Mihainoa, ry
rahalahy malalako: Tsy efa nofidin'Andriamanitra va ny malahelo amin'izao
fiainana izao ho mpanankarena amin'ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana
nolazainy homena izay tia Azy?
6 Fa ianareo efa
nanala-baraka ny malahelo. Moa tsy ny mpanankarena va no mampahory anareo? Ary
tsy izy va no mitarika anareo ho eo amin'ny fitsarana?
7 Tsy izy koa va no
miteny ratsy* ny anarana tsara izay niantsoana anareo? [* Gr. manao blasfemia;
izahao Mat.9.3]
8 Kanefa raha mankatò
ilay didy ambony indrindra* ianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava
ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 29.18), dia manao tsara ianareo. [*
Gr. andriana]
9 Fa raha mizaha
tavan'olona kosa ianareo, dia manota ka helohin'ny lalàna ho mpanota.
10 Fa na iza na iza
mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy
rehetra.
11 Fa Ilay nanao hoe:
"Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona"
(Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona
ihany, dia mpandika ny lalàna ianao.
12 Aoka ianareo
hiteny sy hanao araka izay mahamendrika anareo, izay olona hotsarain'ny
lalàn'ny fahafahana.
13 Fa fitsarana tsy
misy famindram-po no ho anjaran'izay tsy mamindra fo; ary ny famindram-po kosa
dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.
14 [Ny fahafoanan'ny
finoana tsy misy asa] Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa
manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy?
15 Raha misy rahalahy
na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan'andro,
16 ka misy aminareo
manao aminy hoe: Mandehana amin'ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy
omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an'ny tenany, inona moa no soa azo
amin'izany?
17 Ary mba toy izany
koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.
18 Fa angamba hisy
hanao hoe: Hianao manam-pinoana, ary izaho manana asa; asehoy amiko tsy amin'ny
asa ny finoanao, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
19 Hianao manao fa
iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba
mino izany ka dia mangovitra.
20 Moa tsy fantatrao
va, ry olom-poana, fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?
21 Tsy nohamarinina
tamin'ny asa va Abrahama razantsika tamin'ny nanaterany an'isaka zanany teo
ambonin'ny alitara?
22 Hitanao fa
niara-niasa tamin'ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina
tamin'ny asa;
23 ary tanteraka ny
Soratra Masina manao hoe: "Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina
ho fahamarinany izany" (Gen. 25.6), ary natao hoe
"Sakaizan'Andriamanitra" izy (Isa. 41.8).
24 Koa dia hitanareo
fa hamarinina amin'ny asa ny olona, fa tsy amin'ny finoana ihany.
25 Ary toy izany koa
Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin'ny asa va izy tamin'ny nandraisany ireny
iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin'ny lalan-kafa?
26 Fa maty ny tena,
raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.
1 [Anatra ny
amin'izay mety hataon'ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin'ny
lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy
ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no
hitsarana anay mpampianatra.
2 Fa tafintohina
amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny
teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
3 Ary raha asiantsika
lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny
tenany rehetra isika.
4 Indreo koa ny
sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny
familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra.
5 Dia toy izany koa
ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny
antontan-kazo* arehitry ny afo kely! [* Na: ala]
6 Ary afo ny lela,
dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no
mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra
izao, sady arehitry ny helo* izy; [* Gr. Gehena]
7 Fa folaka avokoa ny
karazan*'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka
mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [* Gr.
fomban']
8 fa tsy misy olona
mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody
mahafaty.
9 Izy no isaorantsika
ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao
araka ny endrik'Andriamanitra.
10 Ny vava iray ihany
no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
11 Moa ny
loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?
12 Ry
rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa
voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.
13 Iza eo
aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena
tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.
14 Fa raha misy
fialonana mirehitra* sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na
mandainga manohitra ny marina. [* Gr. mangidy]
15 Izany fahendrena
izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny
nofo, araka ny an'ny demonia.
16 Fa izay misy
fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy
rehetra.
17 Fa ny fahendrena
izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora
alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana* na
mihatsaravelatsihy. [* Na: miangatra]
18 Ary ny vokatry ny
fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny
fihavanana*. [* Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny
fahamarinana amin'ny fihavanana]
1 [Fananarana ny tia
ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny
fitondran'Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo
aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny
momba ny tenanareo?
2 Mila ianareo, nefa
tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra* ianareo, nefa tsy mahazo ihany;
mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [*Na:
mialona]
3 Mangataka ianareo,
nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny
filanareo.
4 Ry mpisintaka
mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana
amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia
fahavalon'Andriamanitra izy.
5 Ary ataonareo va fa
miteny foana ny Soratra Masina*? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika**
dia iriny amin'ny fahasaro-piaro***. [* Na: ny Soratra Masina hoe] [** Na: izay
mitoetra ato anatintsika] [*** Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato
anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay
nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana]
6 Nefa manome
fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny
mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34].
7 Ka dia maneke an
Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
8 Manatòna
an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary
ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
9 Oria, sy mitomania,
ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody
fanjoretana ny fifalianareo.
10 Manetre tena eo
anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
11 Aza mifanaratsy,
ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny
lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò
ny lalàna, fa mpitsara.
12 Iray ihany no
Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao,
no mitsara ny namanao?
13 He! ianareo izay
manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any
herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
14 kanefa tsy
mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo,
izay miseho vetivety, dia levona.
15 Fa aleo manao
izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
16 Fa izao dia
mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy
izany.
17 Koa izay mahalala
hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
1 [Fanamelohana ny
mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy
midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
2 Ny harenareo efa
simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao.
3 Ny volamena sy ny
volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona
hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena
amin'ny andro farany ianareo.
4 Indro, ny
karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny
fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.
5 Efa velona tamin'ny
fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana;
efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.
6 Efa nanameloka
namono ny marina* ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [* Na. Ilay marina . .
. Izy]
7 [Toky ho an'ny
Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta
tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny
voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana
aloha sy aoriana.
8 Mahareta koa
ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
9 Aza
mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara
efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.
10 Ry rahalahiko,
aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho
fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
11 Indro, ataontsika
fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa
hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo
sady be famindram-po.
12 Fa mihoatra noho
ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny
tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho
"Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny
fitsarana ianareo.
13 Misy
azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira
fiderana.
14 Misy marary va eo
aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra
diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr.
presbytera] [** Gr. eklesia]
15 ary ny fivavaky ny
finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota
izy, dia havela ny helony.
16 Koa mifaneke
heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny
fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
17 Elia dia olona
tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana;
dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
18 Ary nivavaka
indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
19 Ry rahalahiko,
raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray
mampibebaka azy,
20 aoka ho fantany fa
izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy
fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.