[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Hebreo
Accès
direct aux chapitres des Hébreux : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13
1 [Fampitahana
an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana
fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa;
2 dia amin'izao
andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny
ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
3 Izy koa no
famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny
zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka
ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any
amin'ny avo
4 ka natao
tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
5 Fa anjely iza
no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany"?
(Sal.2.7). Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2 Sam.
7.14.)
6 Ary raha
mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary
aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7).
7 Ary ny anjely
dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho
lelafo" (Sal.104. 4).
8 Fa ny Zanaka
kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia
mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
9 Tianao ny
fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa
nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45.6, 7).
10 Ary izao
koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny
tananao ny lanitra;
11 Ireo dia ho
levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
12 Ary toy ny lamba
no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy
miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal 102.25-27).
13 Fa anjely iza no
mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny
fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.)
14 Tsy fanahy
manompo* va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova
famonjena? [*Na: manao fanompoam-pivavahana]
1 Ary amin'izany dia
tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina
hiala aminy isika.
2 Fa raha mafy ny
teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana
rehetra mbamin'ny fahotana,
3 hataontsika ahoana
no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay
nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika
kosa,
4 sady Andriamanitra
koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny
asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny
sitrapony.
5 Fa tsy anjely no
nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
6 Fa ny anankiray
nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao
azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
7 Nataonao ambany
kely* noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary
nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao; [* Na: vetivety]
8 Ny zavatra rehetra
dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny
nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa
ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
9 Fa Ilay natao
ambany kely* noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany
ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana
fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. [*Na:
vetivety]
10 Fa miendrika Izay
anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha
mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny
famonjena ireo amin'ny fahoriana.
11 Fa iray no
nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy
mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"
12 ka manao hoe:
"Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana* no
hiderako Anao" (Sal 22.22). [* Gr. eklesia]
13 Ary koa:
"Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza
nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).
14 Koa satria manana
nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny
fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
15 ary mba hanafahany
izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra
ny fahafatesana.
16 Fa hita marina fa
tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.
17 Koa amin'izany dia
miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho
Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany
fanavotana noho ny heloky ny olona.
18 Fa satria
nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny*, dia mahavonjy izay
alaim-panahy koa Izy. [*
Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]
1 [Fampitahana
an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny
fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay
ekentsika, dia Jesosy,
2 Izay mahatoky
ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra
rehetra*. [Izahao Nom. 12. 7]
3 Fa Izy dia
natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano
voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
4 Fa ny trano rehetra
dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia
Andriamanitra.
5 Ary Mosesy dia
mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay
zavatra mbola holazaina;
6 fa Kristy kosa dia
Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha
hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba
ny fanantenana.
7 Koa araka izay
lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
8 Aza manamafy ny
fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany
an-efitra,
9 Izay nakan'ny
razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo
taona izy.
10 Koa tezitra
tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony
mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
11 Ary araka izany no
nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy
izy" (Sal. 95.7-11).
12 Tandremo, ry
rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala
amin'Andriamanitra velona;
13 fa mifananara
isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho
tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
14 Fa efa tonga
mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny
fahatokiantsika hatramin'ny farany;
15 raha atao hoe:
"Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny
tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
16 Fa iza moa no
nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany
Egypta va?
17 Ary iza no
nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany
an-efitra ny fatiny?
18 Ary iza no
nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?
19 Ka dia
hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
Chapitre 4. 1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra
any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy
eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2 Fa isika koa
dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia
tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre*. [* Na: satria
tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy]
3 Fa isika izay
nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy
ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy
izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao
aza ny asa.
4 Fa nilaza ny
andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary
Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito"
(Gen. 2.3).
5 Ary amin'izao
koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11].
6 Koa satria
mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny
voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 dia mametra
andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i
Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha
hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)
8 Fa raha Josoa no
nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
9 Koa dia mbola misy
sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
10 Fa izay niditra
tao amin'ny fitsaharany, dia Izy* koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka
an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [* Na: izy]
11 Koa aoka isika
hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny
tsi-finoana tahaka izany koa.
12 Fa velona sy
mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka
manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny
tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
13 Ary tsy misy
zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra
rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.
14 [Fampitahana an'i
Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa
namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay
efa nekentsika.
15 Fa isika tsy
manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa
nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16 Koa aoka isika
hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba
hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay
andro mahory*. [* Gr. tandrifin'izany]
1 Fa ny mpisoronabe
rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny
raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
2 dia olona izay
mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba
hodidinin'ny fahalemena ihany;
3 ary noho izany dia
tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony
ho an'ny olona ihany.
4 Ary tsy misy maka
izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra,
tahaka an'i Arona.
5 Dia toy izany koa
Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy
hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
6 ary toy ny lazainy
eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny
fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
7 Tamin'ny andron'ny
nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny
ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino
noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka
afaka tamin'ny fahatahorany]
8 dia nianatra
fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
9 ary rehefa natao
tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra
manaraka Azy,
10 fa
notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i
Melkizedeka."
11 [Anatra sy
famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro
izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
12 Fa na dia tokony
ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay
hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa
toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
13 Fa izay rehetra
mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria
mbola zaza-bodo.
14 Fa ho an'izay efa
lehibe* ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina
tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [* Na: tanteraka]
1 Koa aoka
hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny
tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana
amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra,
2 ary fampianarana ny
amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny
fitsarana mandrakizay.
3 Ary izany no
hataontsika, raha avelan'Andriamanitra.
4 Fa izay efa
nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra
sy efa nandray ny Fanahy Masina
5 ary efa nanandrana
ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy,
6 nefa nihemotra, dia
tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny
Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
7 Fa izay tany mifoka
ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona
iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;
8 fa izay maniry
tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin'ny ozona, ary ny hiafarany dia
ny hodorana.
9 Nefa, ry malala, na
dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay
momba ny famonjena.
10 Fa Andriamanitra
tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho
voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo
ihany.
11 Ary mbola irinay
ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana
be ny amin'ny fanantenana hatramin'ny farany;
12 mba tsy hiketraka
ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin'ny finoana sy ny
faharetana.
13 Fa Andriamanitra
nanao teny fikasana tamin'i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany
izay azony nianianana, dia nianiana tamin'ny tenany Izy
14 ka nanao hoe:
"Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao" (Gen. 22.17).
15 Ary araka izany,
rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
16 Fa ny olona dia
mianiana amin'izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba
hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
17 Ary amin'izany,
raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny
tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,
18 mba ho zavatra roa
loha tsy mety miova, izay tsy hain'Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika
famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka
eo anoloantsika,
19 izay ananantsika
ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin'ny
efitra lamba;
20 tany no nidiran'i
Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe "mandrakizay araka ny
fanaon'i Melkizedeka" Izy.
1 [Fampitahana an'i
Kristy sy Melkizedeka] Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy
mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa
niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
2 sady nomen'i
Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny
anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany
hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
3 tsy manan-dray, tsy
manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na
faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra
ho mpisorona mandrakariva.
4 Ary hevero ny
halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay
tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
5 Ary izay avy
tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny
fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany,
na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
6 nefa izay tsy
isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy
nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
7 Ary tsy azo lavina
akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
8 Ary etỳ dia
izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay
nambara fa velona.
9 Ary toa azo lazaina
fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny
fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
10 satria mbola tao an-kibon-drainy
ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
11 Koa raha nisy
fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona
ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i
Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
12 Fa raha ovana ny
fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
13 Fa Izay nolazaina
amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona
manompo eo amin'ny alitara.
14 Fa hita marimarina
fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia
tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
15 Ary hita
marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i
Melkizedeka,
16 izay natao tsy
araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy
manam-pahataperana.
17 Fa Izy dia nambara
hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka"
(Sal.110.4).
18 Fa misy
fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
19 (fa ny lalàna dia
tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana
tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
20 Ary tahaka an'i
Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana
21 - fa ireny kosa
dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana
nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina:
Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)
22 - dia tahaka izany
koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23 Fa natao maro
ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
24 fa Izy kosa dia
manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
25 koa amin'izany dia
mahavonjy tokoa* izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria
velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. [Na: hatramin'ny farany]
26 Fa Mpisoronabe
tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy
loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
27 Izay tsy mila
hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny,
voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany
dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
28 Fa ny lalàna dia
manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana
kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho
mandrakizay.
1 [Fampitahana ny
fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any
an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana
Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny
seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,
2 Mpanao
fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay
naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
3 Fa ny mpisoronabe
rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin'izany dia tsy
maintsy mba manan-katerina koa Izy.
4 Koa raha etỳ
ambonin'ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo
manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
5 dia ireo manao
fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra,
tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy;
fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao
tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40).
6 Fa ankehitriny efa
mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana
Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny
fikasana tsara lavitra.
7 Fa raha tsy
nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana
hotadiavina ho an'ny faharoa.
8 Fa manome tsiny ny
olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako
fanekena vaovao amin'ny taranak'isiraely sy ny taranak'i Joda,
9 Nefa tsy araka ny
fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy
nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny
fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
10 Fa izao no
fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy
Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary
Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
11 Ary samy tsy
hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i
Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka
hatramin'ny lehibe indrindra;
12 Fa hamindra fo
amin'ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany"
(Jer. 31. 31-34).
13 Amin'ny anaovany
hoe "vaovao" dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela
sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
1 Koa na dia ny
fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin'ny fanompoam-pivavahana, ary
nisy ny fitoerany masina momba ny etỳ an-tany.
2 Fa nisy tabernakely
voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina",
izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
3 Ary ao anatin'ny
efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe "ny fitoerana
masina indrindra,"
4 izay nisy lovia*
volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka
takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay
nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny
fanekena; [* Na: alitara]
5 ary teo ambonin'io
koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra
fanaovam-panavotana,- tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
6 Ary rehefa
voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin'ny
tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
7 Fa ny faharoa kosa
no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia
tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny
fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
8 koa izany no
anambaran'ny Fanahy Masina fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin'ny
fitoerana masina indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
9 fanoharana izany
amin'izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy
fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin'ny fieritreretana
10 (fa naman'ny
zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia
fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
11 Fa Kristy kosa,
rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo
amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana,
izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,
12 ary tsy mba
nitondra ran'osilahy sy ran-janak'omby Izy, fa ny ran'ny tenany, dia niditra
indray mandeha ho any amin'ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana
mandrakizay.
13 Fa raha ny
ran'osilahy sy ny ran'ombilahy ary ny lavenom-bantotr'ombivavy afafy amin'izay
voaloto no manamasina hatramin'ny fanadiovana ny nofo,
14 mainka fa ny ran i
Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny
alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny
asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.
15 Ary noho izany dia
Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho
fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba
hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
16 Fa raha misy
didim-pananana*, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy. [* Na:
fanekena]
17 Fa mafy ny
didim-pananana*, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha
mbola velona ilay nanao azy. [* Na: fanekena]
18 Koa na dia ny
fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
19 Fa rehefa
voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia
nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry
jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
20 dia hoy izy; Ity
no ran'ny fanekena izay nandidian'Andriamanitra anareo (Eks. 24. 8).
21 Ary ny tabernakely
sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy
izany koa.
22 Ary saiky diovina
amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà
alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
23 Koa dia tsy
maintsy nodiovina tamin'ireny ny tandindon'ny zavatra any an-danitra, fa ny
tenan'ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin'izay fanatitra tsara noho ireny.
24 Fa Kristy tsy mba
niditra tao amin'izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon'ny tena
fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo
anatrehan'Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
25 ary tsy niditra
Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin'ny
fitoerana masina isan-taona mitondra ny ran'ny zavatra hafa;
26 fa raha izany, dia
tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa
ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin'izao andro farany izao Izy raha
hanafaka ny ota tamin'ny nanaterany ny tenany.
27 Ary tahaka ny
nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy
fitsarana,
28 dia tahaka izany
koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia
hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
1 Fa ny lalàna, izay
misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia
tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny
mandrakariva isan-taona.
2 Raha izany, dia tsy
ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny
mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy?
3 Fa amin'ireo dia
misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
4 Fa tsy mahaisotra
ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy.
5 Koa nony niditra
tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy
ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
6 Ny fanatitra
odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7 Dia hoy Izaho: Inty
Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy -Hanao ny sitraponao,
Andriamanitra ô". (Sal. 40.6-8).
8 Rehefa nolazainy
teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra
odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna)
"no tsy ilainao ary tsy sitrakao",
9 dia hoy
indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny
voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
10 Amin'izany
sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy
Kristy indray mandeha.
11 Ary ny
mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy
manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
12 fa Izy kosa,
rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa
mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa
mipetraka mandrakizay]
13 ka
hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
14 Fa ny
fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona
hamasinina.
15 Ary ny
Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
16 "Izao
no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko
ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,"
17 dia hoy koa
Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33,
34).
18 Ary rehefa
misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
19 [Teny
famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa
amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana
masina isika noho ny ran'i Jesosy,
20 amin'izay
lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny
efitra lamba, dia ny nofony,
21 sady manana
Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra,
22 dia aoka isika
hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana,
manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa
tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy]
23 aoka
hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa
mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
24 ary aoka isika
hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
25 aza mahafoy ny
fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka
satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
26 Fa raha minia
manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy
fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa fiandrasana
mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny
fahavalo rehetra kosa.
28 Izay manohitra ny
lalàn'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy
asiana famindram-po;
29 manao ahoana kosa
ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny
Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho
zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
30 Fa fantatsika Izay
nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa:
"Jehovah hitsara ny olony" (Deo. 32.35, 36).
31 Zavatra
mahatahotra ny ho azon'ny tànan'Andriamanitra velona.
32 Fa tsarovy ny
andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa
nohazavaina ianareo;
33 indraindray raha
natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary
indraindray koa raha tonga naman'izay azon'izany.
34 Fa sady
niara-niaritra tamin'izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny
fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra
sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara
lavitra sady maharitra]
35 Koa aza
manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36 Fa tokony
hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana,
rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra.
37 Fa "rehefa
afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra"
38 Ary "ny oloko
marina* dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky
ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)]
39 Fa isika tsy mba naman'izay
mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny
fanahy.
1 [Filazan-tantara
mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny
amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2 Fa izany no
nahatsara laza ny ntaolo.
3 Finoana no
ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka
dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4 Finoana no
nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka
izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny
amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola
miteny ihany.
5 Finoana no
namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria
nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa
nankasitrahan'Andriamanitra izy.
6 Fa raha tsy amin'ny
finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona
an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto
mitady Azy.
7 Finoana no
nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa
notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no
nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana
araka ny finoana.
8 Finoana no
naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony
ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9 Finoana no
nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any
an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany
teny fikasana izany aminy;
10 fa nanantena
hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao
izany.
11 Ary na Saraha aza,
dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy,
satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
12 Koa dia avy
tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana
eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13 Ireo rehetra ireo
dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa
nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa
vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.
14 Fa izay milaza
izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15 Ary raha tàhiny
nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
16 Fa amin'izany ny
tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia
tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo
Izy.
17 Finoana no
nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy
tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18 dia ilay nilazana
hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen.
21.12).
19 Fa nihevitra izy
fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany
no nandraisany azy.
20 Finoana no nitsofan'isaka
rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.
21 Finoana no
nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka
nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny.
22 Finoana no
nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany
ny amin'ny taolany.
23 Finoana no
nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy,
satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.
24 Finoana no
nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe
izy,-
25 nifidy mantsy
hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana
vetivety amin'ny fahotana,
26 nanao ny
fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta,
satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27 Finoana no
nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa
naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28 Finoana no
nitandremany* ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay
nandringana ny lahimatoa. [* Na: nanendreny]
29 Finoana no nitana
ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana,
ka dia voatelina izy.
30 Finoana no
nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31 Finoana no tsy
nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny
mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
32 Ary inona koa no
holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona
ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
33 izay nandresy
fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana,
nanakombona ny vavan'ny liona,
34 namono ny
fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia
nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny
firenena hafa.
35 Ny vehivavy
nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany
nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany
fitsanganana tsara lavitra;
36 ary ny sasany
niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
37 notoraham-bato
izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny
nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana
38 (nefa izao tontolo
izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany
an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
39 Ary ireo rehetra
ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny
teny fikasana,
40 fa Andriamanitra
efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha
tsy efa mby eo koa isika.
1 [Fananarana
hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany,
satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona,
dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota
izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana
amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
2 mijery an'i Jesosy,
Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy
nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa
mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.
3 Fa hevero tsara
Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy*, fandrao ho ketraka
ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [* Na: ireo mpanota manimba tena]
4 Hianareo tsy mbola
nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.
5 Ary hadinonareo ny
fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza
atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha
resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
6 Fa izay tian'i
Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha.
3.11,12).
7 Famaizana no
anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza
moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
8 Fa raha tsy faizana
tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
9 Ary koa, isika dia
nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka
va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?
10 Fa ireny dia nanao
izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia
ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
11 Fa ny famaizana
rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa
afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay
nanaovana azy izy.
12 Koa hatanjaho* ny
tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [* Na: ahitsio]
13 ary manaova
lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny
mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
14 Miezaha mitady
fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy
manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
15 Ary mitandrema
tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka
mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;
16 fandrao hisy
mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay
nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.
17 Fa fantatrareo fa
rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy
nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.
18 [Ny halehiben'ny
fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà
izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady
mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny
tafio-drivotra
19 sy ny fanenon'ny
trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy
hasian-teny intsony izy;
20 fa tsy tohany ilay
nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia
hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),
21 ary satria loza
indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra
indrindra aho" (Deo]. 9.19).
22 Fa ianareo kosa
efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia
Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
23 amin'ny fihaonana
fifaliana* sy ny fiangonan**'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy
amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona
marina izay efa natao tanteraka, [* Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny
fivorian'ny anjely] [** Gr. eklesia]
24 sy amin'i Jesosy,
Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara
lavitra noho ny an'i Abela.
25 Tandremo mba tsy
holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany
ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa
isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,
26 Izay nampihorohoro
ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe:
"Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra
koa" (Hag. 2.6).
27 Ary ny hoe
"indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra
ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy
ampihorohoroina.
28 Koa satria mandray
fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana* ho
entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny
fahatahorana; [* Na: hanana fanahy misaotra]
29 fa Andriamanitsika
dia afo mandevona (Deo. 4.24).
1 [Anatra sy
fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
2 Aza manadino ny
fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa
tsy fantany.
3 Tsarovy izay
mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria
mbola eo amin'ny tena koa ianareo.
4 Aoka hanan-kaja
amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa
ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
5 Aoka tsy ho amin'ny
fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy:
"Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).
6 Ka dia sahy manao
hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no
azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).
7 Tsarovy ny
mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny
niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.
8 Jesosy Kristy
no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
9 Aza mety havilin'izay
fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny
fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
10 Isika manana
alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
11 Fa rehefa nentin'ny
mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny
ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.
12 Ary amin'izany
Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny
ràny.
13 Koa aoka isika
hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
14 Fa etỳ isika
tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
15 Koa aoka isika
hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva,
dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
16 Fa aza manadino
hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.
17 Manekè ny
mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay
tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny
fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
18 Mivavaha ho anay;
fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara
amin'ny zavatra rehetra.
19 Nefa mainka
mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho
aminareo.
20 Ary Andriamanitry
ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe,
hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay*, [* Na: Mpiandry
ondry lehibe amin'ny ran'ny fanekena mandrakizay hiala amin'ny maty]
21 Izy anie
hahatanteraka anareo amin'ny tsara* rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao
anatinareo** izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho
Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [* Na: asa tsara]
[**Na: (anatintsika)]
22 Ary mangataka
aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily
fohifohy ihany ho aminareo aho.
23 Aoka ho
fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha
faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
24 Manaova veloma
amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia
dia manao veloma anareo.
25 Ho aminareo
rehetra anie ny fahasoavana. Amena.