[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Filemona
1 [Fiarahabana an'i
Filemona, sy fifonana ho an'i Onesimosy, ary fanaovam-beloma] Paoly, mpifatotra
an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay
sy mpiara-miasa aminay,
2 ary mamangy an'i
Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao
an-tranonao:
3 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
4 Misaotra
an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako,
5 satria reko ny
fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona
masina rehetra, [* Na: ny finoanao]
6 mba hiasa mafy ho
an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny
zavatra rehetra izay ao anatinareo.
7 Fa nanana fifaliana
sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny
olona masina, ry rahalahy.
8 Koa na dia manana
fahasahiana be ao amin'i Kristy handidy anao amin'izay mendrika aza aho,
9 nefa noho ny
fitiavana, izaho Paoly, izay efa anti-panahy* sady mpifatotra an'i Kristy
Jesosy koa ankehitriny, dia miangavy aminao. [* Na: ambasadôra]
10 Eny, miangavy
aminao aho ny amin'ny zanako, izay naterako teto amin'ny fifatorako, dia
Onesimosy*, [* Onesimosy = Mahasoa]
11 ilay tsy nahasoa
anao fahiny, nefa ankehitriny mahasoa antsika, dia ianao sy izaho;
12 izay
nampodiko indray, dia ilay sombin'ny aiko;
13 saiky
nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin'ny fifatorako
noho ny filazantsara;
14 nefa raha
tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba
tsy ho toy ny amin'ny fanerena ny soa ataonao, fa amin'ny sitrapo.
15 Fa izany
angaha no nialany vetivety, dia ny mba hanananao azy mandrakizay,
16 tsy toy ny
andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala,
indrindra fa ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny nofo, na amin'ny Tompo.
17 Koa raha ataonao
ho namanao aho, dia raiso toa ahy izy.
18 Nefa raha nanao
izay tsy marina taminao izy, na mitrosa, dia ataovy ho ahy izany;
19 izaho Paoly no
manoratra izany amin'ny tanako, izaho no handoa izany - nefa tsy lazaiko aminao
fa mitrosa ny tenanao amiko aza ianao.
20 Eny, ry rahalahy,
aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin'ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao
amin'i Kristy.
21 Noho ny
fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra
noho izay lazaiko aza ianao.
22 Ary izao koa: Mba
anamboary trano hitoerako aho; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka
ataonareo.
23 Manao veloma anao
Epafra, mpifatotra namako ao amin'i Kristy Jesosy,
24 sy Marka sy
Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko.
25 Ho amin'ny
fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.