[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Titosy
Accès direct aux
chapitres de Tite : 1, 2, 3
1 [Fiarahabana] Paoly,
mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny
olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny
toe-panahy araka an'Andriamanitra,
2 amin'ny fanantenana ny
fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga
hatry ny fony fahagola;
3 fa tamin'izay andro
voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko,
araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
4 ho an'i Titosy, tena zanako
araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
5 [Ny miendrika hotendrena ho
loholona, sy ny faharatsian'ny toetry ny olona tany Kreta] Izao no namelako
anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao
loholona* amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao; [* Gr. presbytera]
6 raha misy tsy manan-tsiny,
dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho
mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
7 Fa ny mpitandrina* dia tsy
maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo
teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia
harena maloto,
8 fa mampiantrano
vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
9 mitana mafy ny teny
marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana
tsy misy kilema* sady handresy lahatra ny mpanohitra. [* Gr. salama]
10 Fa maro no
maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora -
11 tsy maintsy
hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay
tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
12 Hoy ny anankiray
amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana,
biby ratsy, kamo be tenda".
13 Marina izany
vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny
finoana, [* Gr. salama]
14 tsy mitandrina ny
anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny
fahamarinana.
15 Madio avokoa ny
zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady
tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na
ny fieritreretany.
16 Manaiky fa
mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta
sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na
inona.
1 [Ny mety hataon'ny
anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy
hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy
misy kilema*; [* Gr. salama]
2 ny lehilahy
anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka* amin'ny
finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. [* Gr. salama]
3 Ny vehivavy
anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho
mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra
tsara,
4 mba hampianarany ny
vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
5 hahonon-tena, ho
madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba
tsy hitenenana ratsy* ny tenin'Andriamanitra. [* Gr. hanaovana blasfemia;
izahao Mat. 9,3]
6 Ny lehilahy tanora
fanahy koa anaro hahonon-tena;
7 ka amin'ny zavatra
rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao
maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
8 ny teny tsy misy
kilema*, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy
ratsy hitenenany anareo. [* Gr. salama]
9 Ny mpanompo koa dia
anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa
tsy hamalivaly,
10 tsy
hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba
hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra
rehetra.
11 Fa efa miseho ny
fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
12 mampianatra
antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao
tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka
an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
13 miandry ny
fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe
sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy
Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
14 Izay nanolotra ny
tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy
hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa
tsara izany.
15 Izany no lazao sy
ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao
tsinontsinona anao.
1 Mampahatsiarova azy
hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa
tsara rehetra,
2 tsy hiteny ratsy
olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra
amin'ny olona rehetra.
3 Fa isika koa dia
adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny
fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala
no nifankahala.
4 Fa rehefa niseho ny
fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
5 dia tsy avy
tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po
kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny
fanavaozan'ny Fanahy Masina,
6 Izay naidiny
betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
7 mba hohamarinina
amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana
mandrakizay.
8 Mahatoky izany teny
izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay
efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona
izany zavatra izany.
9 Fa halaviro ny
fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny
ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
10 Izay mpanao
hevi-diso*, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [* Na: olona
mitokana ho azy]
11 satria fantatrao
fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
12 Rehefa maniraka
an'i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any
Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
13 Mazotoa hamoaka
an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
14 Ary aoka ny
antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy
vokatra izy.
15 Manao veloma anao
izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny
finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.