[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Filipiana
Accès direct
aux chapitres des Philippiens : 1, 2, 3, 4
1 [Fitarihan-teny sy
fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy
ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina* sy ny
diakona izay any Filipy; [* Gr. episkopo]
2 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
3 Misaotra
an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo
4 mandrakariva aho
amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
5 noho ny
firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka
mandraka ankehitriny;
6 ary matoky
indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany
mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
7 fa marina izany
fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa
mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny
famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
8 Fa Andriamanitra no
vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i
Kristy Jesosy.
9 Ary izao no
angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny
fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
10 mba hamantaranareo
izay zavatra tsara indrindra*, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho
amin'ny andron'i Kristy ianareo, [* Na: samy hafa]
11 sady feno ny
vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho
voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
12 [Ny toetr'i Paoly
tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry
rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara
kosa;
13 ka ao amin'i
Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra* mbamin'ny
olona hafa rehetra; [* Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria]
14 ary ny
ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka
mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
15 Fialonana sy
fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny
sasany;
16 fitiavana ny an'ny
sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
17 fifampiandaniana
kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra
hanampy fahoriana ny fifatorako.
18 Ahoana ary
no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na
amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola
hifaly ihany aho.
19 Fa fantatro
fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana* ny
Fanahin'i Jesosy Kristy, [* Na: fanomezan']
20 araka ny
hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na
amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny
mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako,
na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
21 Fa Kristy no
anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
22 Kanefa raha
ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay
hofidiko;
23 fa
sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy,
satria tsara lavitra izany;
24 kanefa kosa
ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
25 Ary satria
matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho
hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
26 mba hitombo
noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako
atỳ aminareo indray.
27 Fa hany
ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba
handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga),
fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso
ny finoana ny filazantsara,
28 ka tsy ho
azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo
dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady
avy amin'Andriamanitra.
29 Fa ianareo
efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana
koa noho ny aminy,
30 dia manana
izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato
amiko ihany ankehitriny.
1 [Anatra
hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy
Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana
avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy
famindram-po sy fiantrana,
2 dia tanteraho
ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra,
3 tsy manao na inona
na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny
fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
4 Aza samy mihevitra
ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.
5 Aoka ho ao aminareo
izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa,
6 Izay, na dia nanana
ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny
fitoviana amin'Andriamanitra,
7 fa nofoanany ny
tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho
manam-pitoviana amin'ny olona;
8 ary rehefa hita fa
nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny
fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
9 Koa izany no
nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay
ambony noho ny anarana rehetra,
10 mba ho
amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any
an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany,
11 sy haneken'ny lela
rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
12 Koa amin'izany, ry
malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho,
fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny
hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.
13 Fa Andriamanitra
no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny
sitrapony.
14 Ataovy ny zavatra
rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana,
15 mba ho tsy
manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana
adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny
fanazavana eo amin'izao tontolo izao,
16 mitana ny tenin'ny
fiainana, mba hisy ho reharehako amin'ny andron'i Kristy, ka tsy ho
nihazakazaka foana aho na nisasatra foana.
17 Eny, na dia
haidina ho fanatitra aidina eo amin'ny fanatitra ny fisoronan'ny finoanareo aza
aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra.
18 Ary aoka
izany no hampifaly anareo koa, ary miaraha mifaly amiko.
19 [Ny amin'i
Timoty sy Epafrodito] Nefa manantena ao amin'i Jesosy Tompo aho fa haniraka
an'i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro
ny toetrareo.
20 Fa tsy
manana olona mitovy fanahy amiko* aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy
anareo. [* Na: aminy]
21 Fa izy
rehetra dia samy mitady ny azy avy, fa tsy ny an'i Jesosy Kristy;
22 izy kosa dia
fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin'ny
filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.
23 Ary izy no
antenaiko hirahina faingana, rehefa hitako izay ho toetro.
24 Fa matoky ao
amin'ny Tompo aho fa ny tenako dia mbola ho avy faingana koa.
25 Nefa nihevitra aho
fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady
mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo* sy mpanompo hanome izay
nilaiko. [* Gr. apostolinareo]
26 Fa manina anareo
rehetra izy ka difotra alahelo, satria efa renareo fa narary izy.
27 Eny, fa narary
saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy
ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho.
28 Koa nazoto kokoa
haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho
afaka alahelo kokoa aho.
29 Koa raiso ao
amin'ny Tompo izy amin'ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona
tahaka izany;
30 fa saiky maty izy
noho ny asan'i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy
vitanareo tamin'ny fanompoana ahy.
1 [Anatra nataon'i
Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady
handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia* ao
amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara
anareo izany. [* Na: veloma]
2 Tandremo ny
tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo
ny tenanareo amin'ny voakilema.
3 Fa isika no
voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy
Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo;
4 kanefa mba manana
izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky
amin'ny nofo, mainka fa izaho;
5 fa voafora tamin'ny
andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i
Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo;
6 araka ny zotom-po,
dia nanenjika ny fiangonana*; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy
nanan-tsiny. [* Gr. eklesia]
7 Nefa izay azoko ho
tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy.
8 Eny tokoa, fa
ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny
fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra
rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy;
9 ary mba ho hita ao
aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy
amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana;
10 eny, mba ho
fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana
amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany,
11 raha mba misy
hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.
12 Tsy toy ny efa
nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay
nihazonan'i Kristy Jesosy ahy.
13 Ry rahalahy, tsy
mbola ataoko* fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino
izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, [* Na:
(tsy nataoko)]
14 eny, miezaka
hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any
ambony* ao amin'i Kristy Jesosy. [* Na: ho any ambony]
15 Koa aoka isika
rehetra izay tanteraka hihevitra izany; fa hasehon'Andriamanitra aminareo
izany, raha sendra manana sain-kafa ianareo.
16 Kanefa aoka ho
amin'ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.
17 Ry rahalahy, aoka
samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho
marika.
18 Fa maro no
mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo
amin'ny fitomaniana koa ankehitriny, fa fahavalon'ny hazo fijalian'i Kristy
ireny;
19 fahaverezana no
hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina
ny amin'ny tany izy.
20 Fa ny
fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy,
dia Jesosy Kristy Tompo,
21 Izay hanova
ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny,
araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy.
1 Ary
amin'izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy
satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin'ny Tompo ianareo, ry malalako.
2 Mananatra
an'i Eodia aho, ary mananatra an'i Syntyke, mba hiray saina ao amin'ny Tompo
izy.
3 Eny,
mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa
vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin'ny filazantsara izy, mbamin'i
Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin'ny bokin'ny
fiainana.
4 Mifalia*
mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma]
5 Aoka ho fantatry ny
olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
6 Aza manahy na
inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho
entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra
rehetra.
7 Ary ny
fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny
fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
8 Farany, ry
rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na
inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na
inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia
hevero izany.
9 Ataovy izay
efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko;
ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
10 [Saotra
nataon'i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an'i Epafrodito,
ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin'ny Tompo aho,
satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa
noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
11 Tsy filan-javatra
anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na
manao ahoana.
12 Mahalala hietry
aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona,
dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
13 Mahay ny zavatra
rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
14 Kanefa nanao soa ianareo
no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
15 Ary fantatrareo
koa, ry Filipiana, fa tamin'ny niandohan'ny filazantsara, rehefa niala tany
Makedonia aho, tsy nisy fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin'ny
fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia]
16 Fa fony tany
Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo
hamonjy ahy.
17 Nefa tsy toy ny
mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho
voninahitrareo aho.
18 Fa manana ny zavatra
rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin'i
Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra
tian'Andriamanitra sady ankasitrahany.
19 Fa Andriamanitro
hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra
no amin'i Kristy Jesosy.
20 Ary ho
an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
21 Manaova veloma ny
olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy
izay ato amiko.
22 Manao veloma
anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan'i Kaisara.
23 Ho amin'ny
fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.