[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Efesiana
Accès direct
aux chapitres des Éphésiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6
1 [Fiarahabana
nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra
nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra,
mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin'i Kristy Jesosy: [*
Na: mino an']
2 ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
3 Isaorana anie
Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i
Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
4 araka ny
nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo
izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
5 rehefa notendreny
rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny
alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny
fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]
6 ho fiderana ny
voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny
Malala.
7 Izy no ananantsika
fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny
fahasoavany,
8 izay nataony
be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
9 rehefa
nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny
izay nokasain'ny tenany,
10
hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry,
hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra,
na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray]
11 ao aminy koa
no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny
fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no
nandraisantsika ny lova]
12 mba ho
fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
13 Ao aminy koa
ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena
anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny
Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
14 Izany Fanahy
izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho
an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
15 [Fivavahana
ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny
famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary
noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay
hitan*'ny olona masina rehetra, [* Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny
fitiavanareo)]
16 dia tsy
mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
17 mba
homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo
ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
18 ary mba
hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy
amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona
masina,
19 ary ny
fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny
faherezany,
20 izay nataony
tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy
eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,
21 ambony
lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana
ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa
amin'ny ho avy koa,
22 dia
nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho
Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
23 izay tenany,
dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
Chapitre 2. 1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola
matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
2 izay
nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny
fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao
anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
3 teo amin'ireo
no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka
nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny
fahatezerana toy ny sasany koa isika.
4 Fa
Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny
fitiavany izay nitiavany antsika,
5 na dia fony
mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i
Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
6 ary
niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy
Jesosy,
7 mba hasehony
amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny
fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
8 Fa fahasoavana no
namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy
amin'Andriamanitra;
9 tsy avy
amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10 Fa asany
isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay
namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
11 [Ny
famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao
amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo,
ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -
12 eny, tsarovy
fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy
tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana,
dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao
tontolo izao;
13 fa
ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa
nampanakeken'ny ran'i Kristy.
14 Fa Izy no
fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
15 fa tao
amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao
hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho
olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
16 ary
hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo
fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17 Ary tonga
Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary
fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
18 Fa Izy no ananantsika
roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
19 Koa dia tsy mba
vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny
olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,
20 natsangana teo
ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro
indrindra;
21 ao aminy no
irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.
22 Ary ao aminy no
miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
1 [Ny nanendrena an'i
Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny
fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy
Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
2 raha mba renareo ny
fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3 fa fanambarana no
nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny
fohifohy teo.
4 Ary araka izany,
raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina
ny amin'i Kristy,
5 izay tsy mbola
nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny
fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny
ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny
teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
7 izay nanaovana ahy
ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy
araka ny fiàsan'ny heriny.
8 Eny, izaho, izay
kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao
fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita
lany,
9 ary ny hampahazava
ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay
voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay
nanao ny zavatra rehetra;
10 mba
hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao
ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny
fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
11 araka ny fikasana hatrizay
hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
12 Izay ananantsika
fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
13 Koa izany no
angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa
voninahitrareo izany.
14 Ary noho
izany no andohalehako amin'ny Ray
15 Izay
ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16 mba homeny
anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny
Fanahiny ny toe-panahinareo;
17 mba
hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy
amin'ny fitiavana ianareo,
18 mba
hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany
sy lavany ary hahavony sy halavany.
19 ary hahalala
ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho
amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.
20 Ary ho
an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra
noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa
ato amintsika,
21 ho Azy anie
ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny
taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]
1 [Fananarana
azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho,
mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika
ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin']
2 amin'ny
fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra
amin'ny fitiavana,
3 mazoto mitana
ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
4 Iray ny tena,
ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray
momba ny fiantsoana anareo;
5 iray ny
Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6 iray
Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy
rehetra ary ao amin'izy rehetra.
7 Fa samy
nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
8 Koa izany no
ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho
babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).
9 (Ary ny amin'ny hoe
niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina* ho any ambanin'ny tany koa?
[* Na: (nidina aloha)]
10 Izay nidina, dia
Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra
rehetra.)
11 Ary Izy no nanome
ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho
evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12 ho fanatanterahana
ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny
fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [* Gr. eklesia]
13
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana
tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny
halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
14 mba tsy ho zaza
intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny
fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny
fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15 fa mba hanaraka ny
marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay
Loha, dia Kristy;
16 Izy no itomboan'ny
tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny
isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho
anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
17 [Fananarana
enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny
toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny
tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny
fahafoanan'ny sainy;
18 fa efa tonga
maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny
tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,
19 dia olona tsy
mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay
fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
20 Fa ianareo kosa,
dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,
21 raha Izy tokoa no
renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao
amin'i Jesosy,
22 mba hialanareo ny
toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny
filan'ny fitaka; [* Gr. olonareo]
23 fa mba hohavaozina
kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,
24 ary mba
hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny
fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona]
25 Koa esory ny
lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny
momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
26 Tezera, fa aza
manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27 Aza manome
fitoerana ho an'ny devoly.
28 Aoka izay
nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara
amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29 Aoka tsy haloaky
ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay
tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
30 Ary aza
mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho
amin'ny andro fanavotana.
31 Esory aminareo ny
fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy
ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana]
32 ary aoka samy halemy
fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka
ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
Chapitre 5. 1 Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny
zanaka malala;
2 ary mandehana amin'ny
fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho
fanatitra sy ho fanavotana* amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana,
hamonjy antsika. [* Gr. fanatitra alatsa-drà]
3 Fa ny
fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela
hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
4 na fahavetavetana,
na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5 Fa fantatrareo
marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy
Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona
mierina (mpanompo sampy izany).
6 Aza mety
hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga
ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.
7 Koa aza mety ho
mpiombona aminy ianareo.
8 Fa maizina ianareo
fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny
zanaky ny mazava
9 (fa ny vokatry ny
mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny
fahitsiana),
10 mamantatra izay
ankasitrahan'ny Tompo.
11 Ary aza miray
amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
12 Fa izay ataony ao
amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
13 Fa ny zavatra
rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia
mazava.
14 Koa izany no
ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia
hampahazava anao Kristy.
15 Koa tandremo tsara
izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny
hendry,
16 ka hararaoty ny
andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17 Ary noho izany dia
aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
18 Ary aza ho
mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka
hofenoina ny Fanahy,
19 ka mifampilazà
amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo
ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
20 misaotra
an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i
Jesosy Kristy Tompontsika,
21 sady mifanaiky
amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
22 Hianareo vehivavy,
maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23 Fa ny lahy no
lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no
mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]
24 Fa tahaka ny
aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny
zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]
25 Hianareo lehilahy,
tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka
nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]
26 mba hahamasina azy
amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
27 mba horaisiny* ho
an'ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na
fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [*
Gr. hatolony] [** Gr. eklesia]
28 Dia tahaka izany
koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny
vadiny dia tia ny tenany.
29 Fa tsy mba nisy
olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy
amin'ny fiangonana*; [ Gr. eklesia]
30 fa momba ny tenany
isika.
31 Ary noho izany ny
lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho
nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
32 Zava-miafina
lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]
33 Na dia izany aza,
samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny
vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra]
1 Anaka, maneke ny
ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
2 Manajà ny ray
sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3 mba hahita soa
ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
4 Ary ianareo ray,
aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny
Tompo izy.
5 Hianareo mpanompo,
maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana,
amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
6 tsy amin'ny
fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny
mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
7 amin'ny sitrapo
manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
8 satria fantatrareo
fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy
andevo izy.
9 Ary ianareo tompo,
manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo
fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy
fizahan-tavan'olona aminy.
10 [Ny
adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany,
mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
11 Tafio avokoa ny
fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
12 Fa isika tsy mitolona
amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny
mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny
rivotra*. [* Gr. lanitra]
13 Ary noho izany,
dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny
andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
14 Mifahara ary, ka
sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15 ary kiraroy ny
fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
16 ary ho
fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo
hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
17 Ary raiso ny
famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
18 ary mivavaha
mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka
miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona
masina rehetra,
19 ary ho ahy koa mba
homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina
momba ny filazantsara
20 (iraka* migadra
noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety
hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]
21 Fa mba ho
fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky
ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
22 izy no nirahiko
hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray,
ary mba hamporisihiny ny fonareo.
23 Fiadanana anie ho
an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy
Jesosy Kristy Tompo.
24 Ny fahasoavana
anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana
tsy mety levona. Amena.