[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Romana
Accès direct aux
chapitres des Romains : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16
1 [Fitarihan-teny] Paoly,
mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
2 izay nampilazainy ny
mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina]
3 ny amin'ny Zanany, Izay
nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,
4 ary naseho* tamin-kery ho
Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny
maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho
Zanak'Andriamanitra mahery]
5 Izay nandraisanay
fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry
ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;
6 ary ianareo koa, izay
isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -
7 ho an'izay rehetra any
Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy
Tompo.
8 Voalohany, misaotra
an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra,
satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
9 Fa Andriamanitra, Izay
tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy
mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
10 dia mangataka
fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha
sitrapon'Andriamanitra.
11 Fa maniry hahita
anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina
ianareo,
12 izany dia ny mba
hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
13 Ary tsy tiako tsy
ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ
aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra
atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
14 Ananan'ny Grika sy
ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
15 koa raha izaho,
dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
16 Fa tsy menatra ny
filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany,
amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
17 Fa amin'izany no
anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny
finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona* (Hab.
2. 4). [*Na: Ny marina ho velon'ny finoana]
18 [Ny amin'ny
faharatsian'ny toetry ny jentilisa sy ny mahameloka azy] Fa aseho avy any
an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny
tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
19 satria izay
fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa
nasehon'Andriamanitra taminy.
20 Fa ny fombany tsy
hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho
hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony;
ka dia tsy manan-kalahatra* ireo; [* Na: Mba tsy hanan-kalahatra]
21 fa na dia nahalala
an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho
an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany,
ary tonga maizina ny fony donto.
22 Nandoka tena ho
hendry izy ka tonga adala,
23 koa ny
voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny
olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra
mandady sy mikisaka.
24 Ary izany no
nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia
ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
25 ary ny
fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra
natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 Izany no nanoloran'Andriamanitra
azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny
fanaony ho amin'izay tsy fanaony;
27 ary tahaka izany
koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny
fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny
tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
28 Ary araka ny
nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia
araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy
mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
29 ka dia feno ny
tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno
fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
30 mpibitsibitsika,
mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra*, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka
tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny, [* Na: mpankahala
an'Andriamanitra]
31 tsy
manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
32 dia olona mahalala
tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no
miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao
koa.
1 [Ny amin'ny
tsi-fahamarinan'ny Jiosy sy ny tsy ahazoany fahamarinana avy amin'ny lalàna]
Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy*, na zovy na zovy
ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa,
fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa. [* Gr. olona]
2 Nefa fantatsika fa
ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.
3 Ary ianao,
ralehilahy*, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao,
moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao? [* Gr.
olona]
4 Sa hamavoinao ny
haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy
fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
5 Fa ny ditranao sy
ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro
fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra,
6 Izay hamaly
ny olona rehetra araka ny asany avy:
7 ho an'izay
maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary
tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
8 fa ho an'izay
mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka
ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
9 eny,
fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy,
amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;
10 fa
voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny
tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa* koa. [* Gr. Grika]
11 Fa tsy misy
fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.
12 Fa izay
nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota
nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
13 Fa tsy ny mpandre
ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no
hohamarinina;
14 fa na oviana na
oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny
lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia
lalàn-tenany ihany;
15 fa ireo maneho ny
asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no
vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa
aza,-
16 amin'ny andro izay
hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny
filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
17 Fa raha saingy
atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho
reharehanao
18 ary mahalala ny
sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina
ny lalàna ianao [* Na: samy hafa]
19 ary matoky ny
tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,
20 mpananatra ny
adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny
fahalalana sy ny fahamarinana:
21 ka moa ianao izay
mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay
mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
22 Hianao izay manao
hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta
ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
23 Hianao izay manao
ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va
ianao amin'ny andikanao ny lalàna?
24 Fa araka ny
voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra any amin'ny
jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3]
25 Fa ny famorana
mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa
ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
26 Ary raha mankatò
ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na
dia tsy voafora aza?
27 Ary tsy
hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny
lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
28 Fa tsy izay
araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;
29 fa izay
araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa
tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy
amin'Andriamanitra.
1 Koa inona ary
no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?
2 Be ihany amin'ny
zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho
adidiny.
3 Fa ahoana kosa ary?
Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny
fahamarinan'Andriamanitra?
4 Sanatria izany!
Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka
ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa
manana ady* (Sal. 51. 4). [*Na: tsaraina]
5 Fa raha ny
tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no
holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany!
- miteny araka ny fanaon'ny olona aho -
6 Sanatria izany! Fa
raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
7 Fa raha ny
fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny,
nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
8 Ary nahoana no tsy
hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny
filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
9 Ahoana ary?
Manan-kavaly* va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota
avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa**; [*Na: Latsaka noho ireny va isika?] [**
Gr. Grika]
10 araka ny
voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
11 Tsy misy izay
mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
12 Samy nania avokoa
izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara
na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
13 Fasana
misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny
menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);
14 Feno ozona
sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
15 Ny tongony
mimaona handatsa-drà;
16 Fandravana sy
fandringanana no eo amin'ny alehany;
17 Ary ny
lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
18 Tsy misy
fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).
19 Ary
fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny
lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny
fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,
20 satria tsy
misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no
ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
21 [Ny
fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia
efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna
anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
22 dia ny
fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho
an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra
sy)]
23 fa samy efa
nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
24 nefa
hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao
amin'i Kristy Jesosy,
25 Izay
nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana
ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny
nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana]
26 mba
hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay
manana finoana an'i Jesosy.
27 Aiza ary ny
fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny
asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.
28 Koa
amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny
lalàna.
29
Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny
jentilisa koa;
30 fa iray
ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy
voafora amin'ny finoana.
31 Koa mahafoana ny
lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna
isika.
1 Inona ary no
holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
2 Fa raha asa no
nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy
amin'Andriamanitra.
3 Fa ahoana hoy ny
Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho
fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
4 Ary ho an'izay
miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
5 Fa ho an'izay tsy
miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina
ho fahamarinana.
6 Dia araka izany koa
no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana
tsy amin'ny asa, hoe:
7 Sambatra izay
voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
8 Sambatra izay olona
tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2).
9 Koa izany
fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa
lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama.
10 Ary ahoana no
nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy
efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
11 Ary ny famorana,
izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana
izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay
mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana,
12 ary ho rain'ny
voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i
Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
13 Fa tsy lalàna, fa
fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny
fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
14 Fa raha izay
amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny
teny fikasana;
15 fa ny lalàna
mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
16 Koa finoana no
andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny
taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny
finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -
17 araka ny
voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Gen. 17. 5) - teo
anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny
tsy misy toy ny misy.
18 Ary na dia efa tsy
nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena
maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen. 15. 5).
19 Ary satria tsy mba
nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa
tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,
20 ary tsy
niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsi-finoana izy, fa
nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra
21 ary natoky
indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
22 Dia nisaina ho
fahamarinany izany.
23 Nefa tsy ho azy
ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
24 fa ho antsika izay
hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an'i Jesosy Tompontsika
tamin'ny maty,
25 Izay natolotra
noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
1 [Ny soa ananan'ny
mino an'i Kristy, sy ny fihoaran'izany noho izay soa verin'i Adama] Koa
amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika
hanana* fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika. [* Na: (dia manana)]
2 Tamin'ny alalany
koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana
itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny
voninahitr'Andriamanitra.
3 Ary tsy izany
ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny
fahoriana mahatonga faharetana;
4 ary ny faharetana
mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha
toetra mahatonga fanantenana;
5 ary ny fanantenana
dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no
nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny
fitiavana an'Andriamanitra]
6 Fa fony mbola tsy
nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy
fanahy.
7 Fa saiky tsy misy
olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy
maty asa hamonjy ny manao soa.
8 Fa Andriamanitra
mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy
antsika Kristy.
9 Koa mainka aza ny
hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa
nohamarinina tamin'ny ràny isika.
10 Fa raha fony mbola
fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny
Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa
nampihavanina.
11 Ary tsy izany
ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
12 Koa izany dia
tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary
ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny
fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
13 fa hatrany
alohan'ny lalàna aza dia nisy ota tamin'izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny
ota, raha tsy misy lalàna;
14 fa ny fahafatesana
nanjaka hatramin'i Adama ka hatramin'i Mosesy, na dia tamin'izay tsy nanota
tahaka ny nanotan'i Adama aza, izay tandindon'ilay ho avy.
15 Nefa tsy tahaka ny
fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no
nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny
fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho
an'ny maro kosa.
16 Ary tsy tahaka ny
avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray
no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no
nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.
17 Fa raha ny
fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny
anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny
fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia
Jesosy Kristy.
18 Koa tahaka ny
nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no
nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra
noho ny fahamarinana iray.
19 Fa tahaka ny
nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana
ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.
20 Ary ny lalàna dia
niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no
nihoaran'ny fahasoavana be lavitra,
21 mba ho tahaka ny
nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa
amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
Tompontsika.
1 [Ny fahafahan'ny
maro an'i Kristy amin'ny herin'ny ota, ary ny fanamasinana azy] Inona ary no
holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny
fahasoavana?
2 Sanatria izany!
Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
3 Tsy fantatrareo va
fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao
batisa ho amin'ny fahafatesany?
4 Koa niara-nalevina
taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny
nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no
handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
5 Fa raha
nampiraisina* taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka
izany koa amin'ny fitsanganany; [* Na: niara-nambolena]
6 fa fantatsika fa ny
toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba
tsy hanompoantsika ny ota intsony.
7 Fa izay efa maty
dia afaka amin'ny ota.
8 Ary raha niara-maty
tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
9 ary fantatsika fa
rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy
manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
10 Fa ny amin'ny
nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny
ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.
11 Ary aoka ho tahaka
izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa
velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
12 Koa aza avela ny
ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
13 ary aza manolotra
ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian*'ny tsi-fahamarinana; fa
atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny
momba ny tenanareo ho fiadian**'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra. [* Na:
fiasan'] [** Na: fiasan']
14 Fa ny ota tsy
hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny
fahasoavana.
15 Ahoana ary? hanota
va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria
izany!
16 Tsy fantatrareo va
fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia
mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny
fanarahana ho amin'ny fahamarinana?
17 Ary isaorana anie
Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa
nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;
18 ary rehefa natao
afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.
19 Miteny araka ny
fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo
ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna
hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany
koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny
fahamasinana.
20 Fa fony
mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
21 Inona ary no
vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa
fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany.
22 Fa ankehitriny,
rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra,
dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana
mandrakizay.
23 Fa fahafatesana no
tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy
amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
1 Tsy fantatrareo,
va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia
manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
2 Fa ny vehivavy izay
manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa
raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.
3 Koa raha mbola
velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga
izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy
mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
4 Ary amin'izany
ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny
tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny
maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra.
5 Fa fony tao amin'ny
nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao
amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana.
6 Fa ankehitriny dia
efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika,
ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.
7 Inona ary no
holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota
aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha
tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17).
8 Fa io didy io dia
nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny
ota, raha tsy misy lalàna.
9 Ary izaho dia
velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray
ny ota, ka dia maty aho.
10 Ary ny didy izay
natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
11 Fa io didy io dia nentin'ny
ota namitaka sy nahafaty ahy.
12 Ka dia masina
tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara.
13 Koa ny tsara va no
nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa
ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny
nataon'ny lalàna.
14 Fa fantatsika fa
araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota.
15 Fa izay ataoko dia
tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
16 Fa raha manao ny
tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
17 Ary amin'izany tsy
izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
18 Fa fantatro fa tsy
misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko
ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
19 Fa tsy ny tsara
izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
20 Fa raha ny tsy
sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay
mitoetra ato amiko.
21 Koa hitako izao
lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho*, dia ato amiko ihany ny ratsy. [* Na:
koa hitako fa raha ta-hanaraka ny lalàna aho hanaovako ny marina]
22 Fa mankasitraka ny
lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
23 nefa mahita lalàna
hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho
an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.
24 Indrisy!
olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?
25 Misaotra
an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny
amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota
kosa amin'ny nofoko.
1 [Ny famonjen'i
Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola
hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho
an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
2 Fa ao amin'i Kristy
Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy
ny fahafatesana.
3 Fa izay tsy hain'ny
lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy
naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka
nanameloka ny ota tao amin'ny nofo,
4 mba hahatanteraka
ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa
araka ny Fanahy.
5 Fa izay araka ny
nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra
izay zavatry ny Fanahy.
6 Fa ny fihevitry ny
nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
7 satria fandrafiana
an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra,
sady tsy hainy akory izany.
8 Ary izay ao amin'ny
nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
9 Fa ianareo tsy ao
amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra
ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy
izy.
10 Fa raha Kristy no
mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia
fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny
ota, fa]
11 Ary raha ny
Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia
Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety
maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
12 Ary amin'izany, ry
rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny
nofo.
13 Fa raha velona
araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo
ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
14 Fa izay tarihin'ny
Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
15 Fa tsy nandray ny
fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny
fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
16 Ny Fanahy dia
miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
17 Ary raha zanaka,
dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy
koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
18 Fa ataoko fa ny
fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny
voninahitra izay haseho amintsika.
19 Fa izao zavatra
ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo
zanak'Andriamanitra;
20 fa izao zavatra
ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa
noho Izay nampanaiky azy,
21 sady nahazo
fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny
fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny
voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria]
22 Fa fantatsika fa
izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa
hiteraka mandraka ankehitriny;
23 ary tsy izany
ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza
dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny
tenantsika.
24 Fa ny fanantenana
no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony;
fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany?
25 Fa raha isika manantena
izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
26 Ary toy izany koa,
ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony
hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
27 Ary Izay mandinika
ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny
fifonany ho an'ny olona masina.
28 Ary fantatsika fa
ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay
voantso araka ny fikasany rahateo.
29 satria izay
fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho
Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.
30 Ary izay
notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay
nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
31 Inona ary no
holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no
hahatohitra antsika?
32 Izay tsy niaro ny
Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika
miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
33 Iza no hiampanga
ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
34 Iza no manameloka?
Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra
eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
35 Iza no hahasaraka
antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana,
sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
36 Araka ny
voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry
hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
37 Kanefa amin'izany
rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia
antsika.
38 Fa matoky aho fa
na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra
ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
39 na ny ambony, na
ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy
hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy
Tompontsika.
1 [Ny amin'ny
nandavan'Andriamanitra ny Jiosy] Milaza ny marina ao amin'i Kristy aho, fa tsy
mandainga, sady miara-milaza amiko ao amin'ny Fanahy Masina koa ny
fieritreretako,
2 fa mafy ny
alaheloko, ka tsy mety mitsahatra ny fahorian'ny foko.
3 Fa efa saiky niriko
aza ho voaozona* ho afaka tamin'i Kristy ny tenako mba hahavonjeko ny
rahalahiko, havako araka ny nofo, [* Gr. anatema]
4 izay Isiraelita
sady manana ny fananganan'anaka sy ny voninahitra sy ny fanekena sy ny
fanomezana ny lalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny teny fikasana;
5 azy koa ny razana,
sady avy taminy araka ny nofo Kristy, Izay ambonin'izy rehetra, Andriamanitra
isaorana mandrakizay*. Amena. [* Na: Avy taminy araky ny nofo Kristy. Isaorana
mandrakizay anie Andriamanitra, Izay ambonin'izy rehetra]
6 Kanefa tsy lazaiko
fa foana ny tenin'Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin'ny Isiraely no
Isiraely.
7 Ary na dia
taranak'i Abrahama aza ireo, tsy dia ary zanany avokoa; fa avy amin'isaka no
hantsoina izay taranaka ho anao (Gen. 21. 12).
8 Izany hoe:
Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no
isaina ho taranaka.
9 Fa izao no
filàzan'ny teny fikasana: Raha avy ny taona toy izao, dia ho avy Aho, ary
hanana zazalahy Saraha (Gen. 18. 10).
10 Ary tsy
izany ihany, fa Rebeka koa dia nanan'anaka tamin'ny anankiray, dia tamin'isaka
razantsika;
11 fa raha tsy
mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny
fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy
amin'izay miantso),
12 dia
nolazaina tamin-dravehivavy hoe: Ny zokiny hanompo ny zandriny (Gen. 25. 23);
13 araka ny
voasoratra hoe: Jakoba no tiako, fa Esao no halako (Mal. 1. 2, 3).
14 Ahoana ary no
holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin'Andriamanitra? Sanatria izany!
15 Fa hoy Izy tamin'i
Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo
(Eks. 33. 19).
16 Koa dia tsy avy
amin'izay maniry na amin'izay mihazakazaka izany, fa avy amin'Andriamanitra
Izay miantra.
17 Fa hoy ny Soratra
Masina tamin'i Farao: Izany no nanandratako anao, mba ho entiko mampiseho ny
heriko, ary mba hanambarana ny anarako any amin'ny tany rehetra (Eks. 9. 16).
18 Koa izay tiany
hamindrana fo no amindrany fo, ary izay tiany hohamafìna fo no hamafiny fo.
19 Hianao ary dia
hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny
sitrapony?
20 Tsia, ralehilahy,
fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao
amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?
21 Ny mpanefy vilany
va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany
zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?
22 Sa ahoana kosa
raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny
heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana
voavoatra hosimbana,
23 mba
hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po,
izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,
24 dia isika izay
nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa,
25 araka izay lazainy
eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala
hoe malala (Hos. 2. 25);
26 Ary any amin'ny
tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe
zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).
27 Ary Isaia milaza
ny amin'ny Isiraely hoe: Na dia toy ny fasika any amin'ny ranomasina aza ny
isan'ny Zanak'isiraely, dia izay sisa ihany no hovonjena;
28 fa amin'ny
fahatanterahana faingana no hanefan'i Jehovah ny teniny ambonin'ny tany (Isa.
10. 22, 23);
29 ary araka izay
nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka
ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika
(Isa. 1. 9).
30 Ahoana ary no
holazaintsika? Ny jentilisa, izay tsy nitady fahamarinana, no nahazo
fahamarinana, nefa fahamarinana izay avy amin'ny finoana?
31 fa ny Isiraely,
izay nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, dia tsy nahatratra izany lalàna izany.
32 Nahoana moa?
Satria tsy tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa, ka tafintohina tamin'ny vato
mahatafintohina izy;
33 araka ny
voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy
mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
1 Ry rahalahy, ny
irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.
2 Fa
vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny
fahalalana.
3 Fa satria tsy
nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny
tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.
4 Fa Kristy no
faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
5 Fa Mosesy nanoratra
milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany
(Lev. 18. 5).
6 Fa ny fahamarinana
izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no
hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)
7 na: Iza no hidina
any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty
izany.)
8 Fa ahoana no
lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30.
12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
9 satria raha
manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa
Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
10 Fa amin'ny fo no
inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
11 Fa hoy ny Soratra
Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
12 Fa tsy misy hafa,
na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena
homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika]
13 Fa izay rehetra
miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
14 Hataony
ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona
tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
15 Ary hataony
ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny
hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
16 Nefa tsy izy
rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly*. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny
nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
17 Koa ny finoana dia
avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
18 Fa hoy izaho:
Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony,
Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra
izao (Sal. 19. 4). [* Na: filazantsara]
19 Fa hoy
izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho
hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no
hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
20 Fa sahy
mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho
tamin'izay tsy nanontany Ahy.
21 Fa ny
amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako
tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
1 Dia hoy
izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba
Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina.
2 Andriamanitra
tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny
Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany
tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3 Jehovah ô,
efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany
no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
4 Fa ahoana no
navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy
mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
5 Dia toy izany
koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana
amin'ny fahasoavana.
6 Ary raha avy
amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany,
dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7 Ahoana ary?
Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany,
fa nohamafìna ny fon'ny sisa;
8 araka ny
voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy
hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
9 Ary hoy
Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho
famaliana azy;
10 Aoka ny
masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).
11 Dia hoy izaho: Sao
dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny
fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.
12 Ary raha ny
fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga
haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13 Fa ianareo
jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny
fanompoako,
14 raha mba misy
hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko*, mba hamonjeko ny sasany
aminy. [* Gr. ny nofoko]
15 Fa raha ny
fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana* amin'ny
maty ny fandraisana azy? [* Gr. fiainana]
16 Ary koa, raha
masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia
masina koa ny sampany.
17 Fa raha notapahina
ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no
natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky* ny hazo oliva [* Na:
(fakany sy ny menaky)]
18 dia aza mirehareha
amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa
ny fakany no mitondra anao.
19 Ary ianao
dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20 Marina ihany
izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21 fa raha ny tena
sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22 Koa indro ny
fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia
fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra
ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa
ianao.
23 Ary ireny kosa,
raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa
azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
24 Fa raha notapahina
tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara,
nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo
oliva nanapahana azy.
25 Fa tsy tiako tsy
ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny
tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely
sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
26 ary amin'izany dia
hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy
any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;
27 Ary izao no
fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
28 Raha ny amin'ny
filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana
kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
29 Fa ny
fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30 Fa tahaka anareo
tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no
nahazoanareo famindram-po,
31 dia toy izany kosa
ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny
famindram-po azonareo.
32 Fa Andriamanitra
nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
33 Endrey ny
halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny* ary ny fahalalany! ny
fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [* Na: ny haren'ny
fahendren'Andriamanitra]
34 Fa iza no nahalala
ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
35 Na iza no nanome Azy
aloha hamaliana azy indray?
36 Fa Izy no
nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no
antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
1 [Ny fitondran-tena
mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra
velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo
izany. [* Na: fanompoam-pivavahana]
2 Ary aza manaraka ny
fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo
ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr.
tanteraka].
3 Fa noho ny
fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo:
Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony
araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy.
4 Fa toy ny
ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra
momba ny tena,
5 dia toy izany koa
isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy
miara-momba ny tena isika rehetra.
6 Ary satria samy
manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena
antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
7 raha fanompoana
amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka
ho amin'ny fampianarana;
8 raha mananatra, dia
aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay
manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho
amin'ny fifaliana.
9 Aoka ny fitiavana
ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny
tsara.
10 Mifankatiava araka
ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny
fifanomezam-boninahitra.
11 Mazotoa, fa aza
malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.
12 Mifalia amin'ny
fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana.
13 Miantrà ny olona
masina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
14 Misaora izay
manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
15 Miaraha
mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany.
16 Miraisa saina. Aza
mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo*.
Aza manao ny tenanareo ho hendry. [* Na: manetre tena amin'ny malahelo]
17 Aza mamaly ratsy
na amin'iza na amin'iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona
rehetra.
18 Raha azo atao, dia
ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.
19 Ry malala, aza
mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny
famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah (Deo. 32. 35).
20 Fa raha noana ny
fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha
manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22).
21 Aza mety ho
resin'ny ratsy ianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.
1 Aoka ny olona
rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy
amin'Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin'Andriamanitra.
2 Koa izay
manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin'Andriamanitra; ary izay
manohitra dia hahazo fahamelohana.
3 Fa ny
mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny
tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera
avy aminy ianao;
4 fa
mpanompon'Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia
matahora'fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon'Andriamanitra izy,
dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin'izay manao ratsy.
5 Koa tsy maintsy
manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny
fieritreretana koa.
6 Fa noho izany no
andoavanareo vola hetra; fa mpanompon'Andriamanitra mitandrina izany zavatra
izany indrindra ireny.
7 Mandoava amin'izy
rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra,
fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay
tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
8 Aza avela hisy tsy
voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia
ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
9 Fa ny hoe: Aza
mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona
(Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao
teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
10 Ny fitiavana tsy
manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
11 Ary tokony hanao
izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora
tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika
dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika.
12 Efa ho lasa ny
alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny
maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava.
13 Aoka isika
hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na
amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy
amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana.
14 Fa itafio Jesosy
Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.
1 [Ny amin'ny
handraisana izay malemy finoana, sy ny tokony hifandeferana] Ary raiso ny
malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
2 Ny anankiray mino
fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana,
ka dia mihinana zava-maniry ihany.
3 Aoka ny mihinana
tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny
mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
4 Iza moa ianao izay
mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany
izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
5 Ny anankiray
manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray
kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy
izy.
6 Ny mitandrina
ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho
an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia
tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.
7 Fa tsy misy
velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.
8 Fa raha
velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny
Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.
9 Fa izany no
nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona
Izy.
10 Fa nahoana ianao
no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny
rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra.
11 Fa voasoratra hoe:
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny
lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23).
12 Koa samy
hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.
13 Koa aza
mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy
fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [* Gr. mitsara]
14 Mahalala sady
matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha
misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
15 Fa raha
mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana
intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy
azy.
16 Aoka ary tsy
mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3]
17 Fa ny
fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana
sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.
18 Fa izay manompo
an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona
fa tsara.
19 Koa dia aoka isika
hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
20 Aza izay hanina no
andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy
ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.
21 Fa tsara ny tsy
mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina* ny rahalahinao.
[* Ampio hoe: [na hahalavo, na hahalemy]
22 Ny finoana izay
anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy
manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.
23 Fa izay
miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa
ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
1 Fa isika izay
matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay
hahafaly ny tenantsika ihany.
2 Aoka isika rehetra
samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
3 Fa Kristy aza tsy
nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa
nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
4 Fa izay rehetra
voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana
amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
5 Fa Andriamanitry ny
faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy
Jesosy,
6 mba ho saina iray
sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy
Tompontsika.
7 Koa mifandraisa
ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo* koa ho voninahitr'Andriamanitra.
[* Na: (antsika)]
8 Fa lazaiko fa
Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò
ny teny fikasana tamin'ny razana,
9 mba hankalazan'ny
jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe:
Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal.
18. 49).
10 Ary hoy koa Izy:
Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).
11 Ary koa:
Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena
rehetra (Sal. 117. 1).
12 Ary hoy koa Isaia:
Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no
hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).
13 Ary Andriamanitry
ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra
amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny
Fanahy Masina.
14 Fa izaho koa, ry
rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay
mifananatra koa.
15 Kanefa amin'ny
fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo
indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,
16 mba ho mpanompon'i
Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny
itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana
ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
17 Ka dia manana izay
hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.
18 Fa tsy sahiko
lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na
tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
19 dia tamin'ny
herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*,
dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny
fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)]
20 Koa dia nataoko ho
voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana
an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
21 fa araka ny
voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no
hahafantatra (Isa. 52. 15).
22 Ary izany no
nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
23 Fa ankehitriny,
satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa
naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,
24 raha mankany
Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any,
rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
25 Fa ankehitriny dia
efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
26 Fa efa
sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona
masina any Jerosalema.
27 Eny,
sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny
zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo
izy.
28 Ary rehefa
vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo
any aminareo aho, raha mankany Spania.
29 Ary fantatro
fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
30 Ary
mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika
sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny
fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,
31 mba ho
voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona
masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
32 mba
hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka
samy ho velombelona ny fontsika.
33 Ary Andriamanitry
ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.
1 [Famangiana sy teny
farany] Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana atỳ Kenkrea,
lazaiko tsara aminareo,
2 mba horaisinareo ao
amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy
amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako
koa.
3 Veloma amin'i
Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy;
4 izy mivady dia nanolotra
ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny
fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa.
5 Ary veloma amin'ny
fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay
voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy.
6 Veloma amin'i
Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
7 Veloma amin'i
Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo
amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako.
8 Veloma amin'i
Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo.
9 Veloma amin'i
Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako.
10 Veloma amin'i
Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i
Aristobolo.
11 Veloma amin'i
Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo.
12 Veloma amin'i
Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa
malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo.
13 Veloma amin'i
Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko.
14 Veloma amin'i
Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy.
15 Veloma amin'i
Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra
izay ao aminy.
16 Mifanaova veloma
amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma
anareo.
17 Fa izaho mananatra
anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny
fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny
olona ireny.
18 Fa izy ireny tsy
mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady
tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina.
19 Fa efa niely any
amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo;
satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy.
20 Fa Andriamanitry
ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho
aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
21 Manao veloma
anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
22 Izaho, Tertio,
izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo.
23 Gaio, ilay
itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny
volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
24 * [* Ampio hoe:
[24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika Amena]
25 Ary ho an'izay
mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy
Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony
fahagola,
26 fa efa naseho
ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra
mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga
fanekena ny finoana,
27 ho an'Andriamanitra
tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy
mandrakizay mandrakizay. Amena.