[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Lioka
Accès direct
aux chapitres de Luc : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24
1 Satria maro no efa
nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka* tamintsika
tokoa[*Na: inoana tokoa amintsika]
2 araka izay efa
noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory*
ny teny hatramin'ny voalohany:[*Gr. mpanompo]
3 dia sitrako koa,
rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra
izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra*,[*Gr. mahery
indrindra; teny fanajana ny lehibe izany]
4 mba hahafantaranao
tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5 Tamin'ny andron'i
Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny
antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no
anarany.
6 Ary samy marina teo
anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny
didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.
7 Ary tsy
nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8 Ary nony nanao
raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny
fifandimbiasan'ny antokony,
9 araka ny fanao
amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny
tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
10 Ary ny vahoaka
rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo
manitra.
11 Ary nisy
anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny
ditin-kazo manitra.
12 Ary nony nahita
azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13 Fa hoy ilay anjely
taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka
Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14 Ary ho faly sy ho ravoravo
ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
15 Fa ho lehibe eo
anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy
Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
16 Ary maro amin'ny
Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
17 Ary izy handeha eo
alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny
zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena
voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
18 Ary hoy Zakaria
tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa
antitra koa ny vadiko.
19 Ary ilay anjely
namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo
anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany
teny mahafaly izany.
20 Koa, indro, ho
moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany
zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny
fotoany.
21 Ary ny olona dia
niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
22 Kanjo rehefa
nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa
nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy,
ary dia mbola moana ihany.
23 Ary rehefa tapitra
ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24 Ary taorian'izany
andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao
hoe:
25 Izao no nataon'ny
Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny
olona.
26 Ary tamin'ny
fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna
anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27 ho any amin'ny
virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy
tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
28 Ary nony niditra
tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo
momba anao*.[*Ampio hoe: voatahy samy vehivavy ianao]
29 Ary taitra loatra
izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana
izany.
30 Ary hoy ilay
anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra
ianao.
31 Ary, indro,
hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32 Izy ho lehibe ka
hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza
fiandrianan'i Davida rainy;
33 ary hanjaka
amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy
hanam-pahataperana.
34 Ary hoy Maria tamin'ilay
anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35 Ary ilay anjely
namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy
herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao
hoe Zanak'Andriamanitra.[*Na: haterakao]
36 Ary, indro,
Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa
mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37 Fa tsy hisy tsy ho
tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
38 Dia hoy Maria:
Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia
nandao azy ilay anjely.
39 Ary Maria niainga
tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao
an-tanàna anankiray any Joda;
40 ary niditra tao
an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.
41 Ary rehefa ren'i
Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka* ny zaza tao an-kibony; ary
nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,[*Na: niantsambotra]
42 dia niantso
tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny
hateraky ny kibonao.
43 Avy aiza no
ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
44 Fa, indro, raha
vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny
zaza ao an-kiboko.
45 Ary sambatra ianao
izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
46 Ary hoy
Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47 Ary ny
fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48 Fa efa
nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny
taranaka rehetra ho sambatra aho.
49 Fa ny Mahery efa
nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.
50 Ary ny
famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
51 Nanao asa lehibe
tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony
Izy.
52 Nampiala ny lehibe
tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
53 Ny noana
novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
54 Niahy an'isiraely
mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
55 (Araka ny
voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
56 Ary Maria nitoetra
teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
57 Ary tonga ny andro
hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58 Ary ny
niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny
famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59 Ary tamin'ny andro
fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka
ny anaran-drainy ny anarany.
60 Fa ny reniny
namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61 Fa hoy izy ireo
taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany
anarana izany.
62 Ary nanao
baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63 Ary nangataka
fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64 Ary dia nisokatra
niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka
nidera an'Andriamanitra.
65 Dia raiki-tahotra
izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia
rehetra ny lazan'izany rehetra izany.
66 Ary izay rehetra
nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io?
Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
67 Ary dia feno ny
Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
68 Isaorana anie ny
Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana
ho azy,
69 Ary nanangana
tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
70 (Araka izay
nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
71 Dia famonjena
antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala
antsika;
72 Manefa
famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
73 Dia ny fianianana
izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
74 Hanao izay
hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika
isika,
75 Amin'ny
fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra
hiainantsika.
76 Ary ianao, ry
zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny
Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77 Hanome ny olony ny
fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
78 Noho ny halehiben'ny
famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho
antsika.[*Na: niposahan']
79 Hamirapiratra
amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana,
Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.
80 Ary ny zazakely
nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy
ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.
1 Ary tamin'izany
andro izany dia nisy didy navoak'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny
vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.
2 (Izany no
fanoratana voalohany* natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)[*Na: Ny tena
fanoratana voalohany anefa dia]
3 Dia samy
nankany amin'ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
4 Ary Josefa
koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia,
ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny
taranak'i Davida sy ny mpianakaviny),
5 mba
hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
6 Ary raha
nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
7 Ary niteraka
ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny
fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
8 Ary nisy
mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny
ondriny tamin'ny alina.
9 Ary nisy
anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo
nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
10 Ary hoy ny
anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho,
dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;
11 fa Mpamonjy no
teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.
12 Ary izao no ho
famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady
mandry ao am-pihinanam-bilona;
13 Ary nisy anjely
maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka
nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
14 Voninahitra any
amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ
ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny
olona]
15 Ary tamin'izany
rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka
ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka
hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.
16 Dia nandeha
faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo
am-pihinanam-bilona.
17 Ary nony efa
nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.
18 Ary izay rehetra
nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.
19 Fa Maria kosa
nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
20 Ary ny mpiandry
ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra
izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
21 Ary rehefa tapitra
ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka
ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
22 Ary rehefa tapitra
ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany
Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo
23 araka ny
voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao
hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)
24 ary mba hanatitra
fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na
zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).
25 Ary, indro, nisy
lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany
lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia
tao aminy.
26 Ary efa
nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany
ny Kristin'ny Tompo.
27 Ary nentin'ny
Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny
ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny
zaza,
28 dia nitrotro Azy
izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
29 Tompo ô,
ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao;
30 Fa ny masoko efa
nahita ny famonjenao,
31 Izay namboarinao
teo anatrehan'ny firenena rehetra,
32 Dia fahazavana
hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
33 Dia gaga ny
ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
34 Ary Simeona
nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity
Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny
Isiraely ary ho famantarana holavina
35 ary ny
fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.
36 Ary nisy
mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i
Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona
taorian'ny naha-virijina azy,
37 ary efa mpitondratena
tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly
izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina.
38 Ary nony
niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy
tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
39 Ary rehefa
vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia
izy, dia tao Nazareta tanànany.
40 Ary ny Zaza
dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra
no tao aminy.
41 Ary ny ray
aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana
amin'ny Paska.
42 Ary rehefa
roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny
andro firavoravoana.
43 Ary rehefa
tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany
Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
44 ary satria
nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray
andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
45 Ary nony tsy
nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
46 Ary rehefa
afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo
afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
47 Ary
talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
48 Ary raha
nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao
toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
49 Fa hoy Izy
taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto
an-tranon*'ny Raiko Aho?[*Na: eto amin'ny raharahan']
50 Nefa tsy
azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.
51 Ary
niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry
izany teny rehetra izany tao am-pony.
52 Ary Jesosy
nitombo saina sy tena* sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny
olona.[*Na: taona]
1 Ary tamin'ny
taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no
governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo
rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka
tany Abilena,
2 ary Anasy sy
Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany
an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
3 Ary nankany
amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana
ho famelan-keloka;
4 araka ny
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny
miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny
lalan-kalehany.
5 Ny lohasaha
rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny
meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
6 Ary ny nofo rehetra
hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).
7 Dia hoy izy
tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana,
iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
8 Koa mamoaza voa
miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho
rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho
an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
9 Ary, indro, efa
mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay
tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
10 Ary ny
vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
11 Ary namaly
izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy
manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
12 Dia avy koa
ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô,
inona no hataonay?
13 Ary hoy izy
taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
14 Ary nisy
miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia
hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary
mianina amin'ny karamanareo.
15 Fa raha
mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy,
na tsia,
16 dia namaly
Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano,
fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho;
Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
17 eny
an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany
ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo
tsy azo vonoina.
18 Ary fananarana
maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.
19 Fa Heroda
mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy
noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20 dia nanidy an'i
Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.
21 Ary rehefa natao
batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia
nisokatra ny lanitra;
22 ary ny Fanahy
Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy
feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no
sitrako.
23 Ary tokony ho efa
telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i
Josefa, izay zanak'i Hely,
24 zanak'i Matata,
zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,
25 zanak'i Matitia,
zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay,
26 zanak'i Mata,
zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda,
27 zanak'i Joanana,
zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela*, zanak'i Nery,[*Gr.
Salatiela]
28 zanak'i Melky,
zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,
29 zanak'i Jesosy,
zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy,
30 zanak'i Simeona,
zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,
31 zanak'i Melea,
zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
32 zanak'i Jese,
zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona,
33 zanak'i Aminadaba,
zanak'i Arny*, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,[*Na: (Arama)]
34 zanak'i Jakoba,
zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
35 zanak'i Seroga,
zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela,
36 zanak'i Kenana,
zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka,
37 zanak'i Metosela,
zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,
38 zanak'i Enosa, zanak'i
Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
1 Ary Jesosy feno ny
Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany
an-efitra efa-polo andro Izy
2 ka nalain'ny devoly
fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa
tapitra izany, dia noana Izy.
3 Ary hoy ny devoly
taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
4 Fa Jesosy namaly
azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8.
3).
5 Ary ny devoly
nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra
amin'izao tontolo izao.
6 Dia hoy ny devoly
taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa
natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
7 koa raha hiankohoka
eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
8 Fa Jesosy namaly ka
nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary
Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).
9 Ary nitondra Azy
nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao
taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
10 fa voasoratra hoe:
Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
11 Ary eny an-tànany
no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal.
91. 11, 12).
12 Fa Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao
(Deo. 6. 16).
13 Ary rehefa
nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
14 Ary Jesosy
niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany
rehetra manodidina ny lazany.
15 Ary Izy
nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra.
16 Dia tonga tao
Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny
synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
17 Dia natolotra Azy
ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny
voasoratra hoe:
18 Ny Fanahin'i
Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny
malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy
fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
19 Hitory ny taona
ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).
20 Ary rehefa
nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary
nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga.
21 Ary Jesosy niteny
taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
22 Ary izy rehetra
nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka
hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity?
23 Ary hoy kosa
Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody,
sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto
amin'ny taninao koa.
24 Ary hoy koa Izy:
Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny
taniny.
25 Fa lazaiko
aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny
andron'i Elia, raha nihantona ny andro* telo taona sy enim-bolana, ka nisy
mosary mafy tamin'ny tany rehetra;[*Gr.nirindrina ny lanitra]
26 nefa tsy mba
nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any
amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena.
27 Ary maro no boka
teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy
nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
28 Dia tezitra loatra
izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany,
29 ka nitsangana izy,
dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny
havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana.
30 Nefa Izy namaky
teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
31 Ary nidina tany
Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.
32 Dia talanjona ny
olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
33 Ary nisy olona tao
amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso
tamin'ny feo mahery izy
34 ka nanao hoe:
Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy
handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
35 Fa Jesosy niteny
mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony
namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
36 Ary talanjona
avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny
fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
37 Ary niely
teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
38 Ary nony
nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i
Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka
taminy hahasitrana azy.
39 Dia
nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala
tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy
ireo.
40 Ary raha
nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina
samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra
tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
41 Ary nisy
demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.
Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
42 Ary nony
maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka
nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
43 Fa hoy Izy
taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no
nanirahana Ahy.
44 Ary Izy
nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.
1 Ary raha nifanizina
taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo
amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy;
2 ary nahita
sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala
taminy ka nanasa ny haratony.
3 Ary niditra teo
amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka
kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny
vahoaka.
4 Ary rehefa
nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny
lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
5 Fa Simona namaly ka
nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo
na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
6 Ary rehefa nataony
izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
7 Ary izy nanatsika
ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny
sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
8 Ary rehefa
hitan'i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nanao
hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
9 Fa talanjona
izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben'ny hazan-drano izay azony.
10 Ary toy
izany koa Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin'i
Simona. Dia hoy Jesosy
tamin'i Simona: Aza matahotra; hatramin'izao ankehitriny izao dia olona kosa no
ho azonao.
11 Ary rehefa
nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra
ka nanaraka an'i Jesosy.
12 Ary raha tao
an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony
nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety
Hianao, dia mahay manadio ahy.
13 Ary Jesosy
naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao.
ry ny habokany niala taminy niaraka tamin'izay.
14 Ary Jesosy
nandrara azy tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy
Izy, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny
nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.
15 Fa mainka niely bebe
kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina
tamin'ny aretiny.
16 Ary niala teo Izy,
dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
17 Ary tamin'ny andro
anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny
mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin'ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia
ary tany Jerosalema; ary ny herin'ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
18 Ary, indro, nisy
nitondra lehilahy tamin'ny fandriana, izay mararin'ny paralysisa, ka nitady izay
hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
19 Ary satria tsy
nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia niakatra teo
an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy
mbamin'ny fandriany ho eo afovoan'ny olona, dia teo anatrehan'i Jesosy.
20 Ary raha hitan'i
Jesosy ny finoan'ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
21 Fa ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy* Ity?
Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?[*Gr. manao blasfemia;
izahao Mat. 9.3]
22 Fa Jesosy
nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no
mieritreritra ao am-ponareo?
23 Iza moa no
moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe:
Mitsangàna, ka mandehana?
24 Fa mba ho
fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela
heloka - dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe:
Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
25 Ary tamin'izay dia
nitsangana teo anatrehan'ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody
sady nankalaza an'Andriamanitra.
26 Ary talanjona
avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an'Andriamanitra sady raiki-tahotra
indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
27 Ary rehefa afaka
izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo
am-pamorian-ketra*; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.[*Izahao Mat. 9,9]
28 Ary nahafoy ny
zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
29 Ary Levy nanao
fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy
olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
30 Fa ny Fariseo sy
ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka
nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra
sy ny mpanota?
31 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
32 tsy avy hiantso ny
marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
33 Ary hoy izy ireo
taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny
Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
34 Ary hoy Jesosy
taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy
ihany ny mpampakatra?
35 Fa ho avy ny
andro; ary rehefa voaisotra* ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro
izany vao hifady izy.[*Na: Ny andro izay hanesorana]
36 Ary Izy nanao
fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao
hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny
vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka
amin'ny tonta.
37 Ary tsy misy olona
manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao
mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny
hoditra;
38 Fa ny divay vaovao
dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
39 Tsy misy olona,
rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no
tsara*.[*Na: tsaratsara kokoa]
1 Ary tamin'ny Sabata
anankiray* dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy, ary ny mpianany nanoty ny
salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny.[* Na:
faharoa manaraka ny voalohany].
2 Fa ny Fariseo
sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata?
3 Ary Jesosy namaly
azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida,
raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,
4 fa niditra tao
an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome
he an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny
mpisorona ihany?
5 Ary hoy Izy taminy:
Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.
6 Ary nony tamin'ny
Sabata hafa koa niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy
lehilahy anankiray maty* tanana tao.[*Gr. efa maina, na malazo]
7 Ary ny
mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata
Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.
8 Fa Jesosy nahalala
ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tanana hoe: Mitsangàna, ka
mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro.
9 Ary hoy Jesosy
tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny
Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahavery aina?
10 Ary nijery azy
rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tananao.
Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany.
11 Dia safotry ny
hatezerana* izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovany an'i Jesosy.
12 Ary tamin'izany
andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary
naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy.
13 Ary nony maraina
ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny
folo lahy, izay nataony hoe Apostoly,
14 dia Simona, izay
nataony hoe koa Petera, sy Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy
Bartelemeo
15 sy Matio sy Tomasy
sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota,
16 sy Jodasy,
zanak'i* Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga namadika. [* Na: rahalahin'i]
17 Ary Jesosy
niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro
mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany
amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy
hositranina amin'ny aretiny;
18 ary izay
nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina.
19 Ary ny vahoaka
rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy
rehetra.
20 Ary Jesosy dia
nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra ianareo malahelo, fa
anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
21 Sambatra ianareo
noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny,
fa hihomehy ianareo.
22 Sambatra ianareo,
raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny
anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
23 Mifalia ianareo
amin'izany andro izany, ka mibitaha*; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any
an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany.[*Na: miantsambora]
24 Fa lozanareo izay
manan-karena kosa! fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
25 Lozanareo izay
voky ankehitriny! fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny fa mbola be
ory sy hitomany ianareo.
26 Lozanareo,
raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny
mpaminany sandoka.
27 Kanefa hoy
Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay
mankahala anareo;
28 misaora izay
manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo.
29 Raha misy
mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy
maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza.
30 Omeo izay
rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka
izany aminy.
31 Ary araka
izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.
32 Fa raha izay tia
anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota
koa aza mba tia izay tia azy.
33 Ary raha izay
manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo?
fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
34 Ary raha
mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra ianareo, inona moa no soa
tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota,
handraisany toraka izany indray.
35 Fa tiava ny
fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, fa aza kivy na amin'inona na
amin'inona*, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra
ianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy.[*Na: aza
manantena valiny]
36 Aoka ho mpamindra
fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.
37 Ary aza mitsara,
dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà,
dia mba havela ianareo;
38 omeo, dia mba
homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny
ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.
39 Ary Jesosy nanao
fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera
any an-kady va izy roa?
40 Ny mpianatra tsy
mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny
mpampianatra azy ihany.
41 Ary nahoana ianao
no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry
izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory?
42 Ary ahoana no
ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo
amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry
mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izany
dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny maso'ny
rahalahinao.
43 Fa tsy misy hazo
tsara mamoa voa ratsy na hazo ratsy mamoa voa tsara.
44 Fa samy fantatra
amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy* amin'ny tsilo, na
voaloboka amin'ny voaroy.[*aviavimbazaha]
45 Ny olona tsara
fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy
fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny
vavany.
46 Ary nahoana
ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
47 Izay rehetra
manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankaṭ azy, dia hasehoko aminareo izay
tahaka azy:
48 Tahaka ny olona
nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny
vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny
riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana* izy.[*Na: naorina
teo ambonin'ny vatolampy izy]
49 Fa izay mandre, fa
tsy mankaṭ, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy
nanisy fanorenana; dia namely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka
tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.
1 Ary rehefa vitan'i
Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany
Kapernaomy Izy.
2 Ary ny
mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty.
3 Koa raha
nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo
aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony.
4 Ary rehefa
tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika
ny hanaovanao izany izy,
5 satria tia ny
firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika.
6 Ary Jesosy
nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay
kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza
manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny
tafon-tranoko aho.
7 Koa na dia ny
tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia
ho sitrana ny ankizilahiko.
8 Fa izaho koa mba
lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho
amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia,
dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy.
9 Ary nony nahare
izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka
izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy
izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza.
10 Ary nony
tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.
11 Ary taoriana
kelin'izany* Jesosy dia nankany an-tanana atao hoe Naina; ary naniraka Azy ny
mpianany sy ny vahoaka betsaka.[*Na: (nony ampitson'iny)]
12 Ary rehefa mby teo
akaikin'ny vavahadin'ny tanàna Izy, dia, indro, nisy fatin'ny lehilahy
anankiray nentina nivoaka, izay zanakalahy tokan'ny reniny, sady mpitondratena
ravehivavy; ary nisy vahoaka betsaka avy tao an-tanàna nanaraka azy.
13 Ary nony
nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: Aza
mitomany.
14 Ary nanatona
Izy ka nanendry ny tranovorona, dia nijanona izay nilanja. Ary hoy Jesosy:
zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena.
15 Dia niarina
ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny.
16 Ary
raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra hoe: Mpaminany
lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny
olony.
17 Dia niely
teny Jodia rehetra sy teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazan'i Jesosy ny
amin'izany zavatra izany.
18 Ary ny
mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy.
19 Ary Jaona
niantso ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny
Tompo hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
20 Ary nony
tonga tany aminy ireo lehilahy ireo, dia nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa
naniraka anay hankatỳ aminao hanao hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola
hafa no andrasantsika?
21 Ary
tamin'izany ora izany Jesosy dia nahasitrana olona maro tamin'ny rofy sy ny
aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro.
22 Dia namaly
Izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ambarao amin'i Jaona izao hitanareo
sy renareo izao; mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, diovina ny boka,
malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny
filazantsara.
23 Ary sambatra
izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
24 Ary rehefa
lasa ny irak'i Jaona, dia nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao
hoe: Hizaha inona no nalehanareo tany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?
25 Sa hizaha inona no
nalehanareo? Olona mitafy lamba soa* va? Indro, ny mitafy lamba soa sy mihinana
zava-py dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy]
26 Sa hizaha inona no
nalehanareo tany? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra
noho ny mpaminany izy.
27 Fa izy ilay
voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny
lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).
28 Lazaiko aminareo:
Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely
indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy.
29 Ary ny vahoaka
rehetra sy ny mpamory hetra raha nandre, dia nanamarina an'Andriamanitra,
satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy.
30 Fa ny Fariseo sy
ny mpahay lalàna kosa nandà ny fikasan'Andriamanitra, satria tsy mba nanatona
hataon'i Jaona batisa izy.
31 Tahaka ny inona
ary no hanoharako ny olona amin'ity taranaka ity? tahaka ny inona moa izy?
32 Tahaka ny ankizy
madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay mifampiantso hoe: Efa nitsoka sodina
taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; efa nanao feo fisaonana izahay,
nefa tsy nitomany ianareo.
33 Fa tonga Jaona
Mpanao-batisa tsy nihinan-kanina na nisotro divay, ka hoy ianareo: Manana
demonia izy.
34 Tonga ny
Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona fatra-pitia
hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota.
35 Fa ny fahendrena
dia hamarinin'ny zanany rehetra.
36 Ary ny Fariseo
anankiray nanasa an'i Jesosy hiara-mihinana aminy; ary dia niditra tao
an-tranon'ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana.
37 Ary, indro, nisy
vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana
tao an-tranon'ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra
izy;
38 ary nijanona teo
ivohony tanilan'ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin'ny
ranomasony sy namaoka azy tamin'ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny
tongony ka nanosotra azy tamin'ny menaka manitra,
39 Ary nony nahita
izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia
ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.
40 Ary Jesosy namaly
ka nanao taminy hoe: Ry Simona, manan-kolazaina aminao Aho. Dia hoy izy: Lazao
ary, Mpampianatra ô.
41 Nisy roa lahy
nananan'ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato,
ary ny iray kosa dimam-polo.
42 Ary raha tsy
nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza moa amin'ireo no ho tia azy indrindra?
43 Simona
namaly ka nanao hoe: Ataoko fa ilay namoizany be. Dia hoy Izy taminy: Marina ny
hevitrao.
44 Ary Jesosy nitodika
nijery an-dravehivavy ka nanao tamin'i Simona hoe: Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho; nefa tsy mba nanome Ahy rano hanasana ny tongotro
ianao; fa izy kosa nahakotsa ny tongotro tamin'ny ranomasony, dia namaoka azy
tamin'ny volon-dohany.
45 Tsy mba
nanoroka Ahy akory ianao; fa izy, hatr'izay nidirako, dia tsy mbola nitsahatra
nanoroka fatratra ny tongotro.
46 Ny lohako
tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny
tongotro.
47 Ary
amin'izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa
izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana.
48 Dia hoy Izy
tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao.
49 Ary izay
niara-nipetraka nihinana teo aminy dia niresaka hoe: Iza moa Ity no mba mamela
heloka?
50 Ary hoy Izy
tamin-dravehivavy: Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.
1 Ary taoriana
kelin'izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny
filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny roa ambin'ny folo lahy nanaraka
Azy.
2 mbamin'ny
vehivavy sasany, izay nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia
Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia fito,
3 sy Johana,
vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda, ary Sosana mbamin'ny maro hafa
koa, izay nanompo azy* tamin'ny fananany. [*Na: Azy]
4 Ary nisy
vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin'ny isan-tanàna,
dia nanao fanoharana hoe Izy:
5 Nivoaka ny
mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana
ka voahitsakitsaka, ary dia lanin'ny voro-manidina.
6 Ary ny sasany
dia voafafy teny ambonin'ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo;
satria tsy nisy mandomando.
7 Ary ny sasany
dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja
azy.
8 Ary ny sasany
dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa
nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy
hihaino.
9 Ary ny
mpianany nanontany Azy ny amin'izay hevitr'izany fanoharana izany.
10 Dia hoy Izy:
Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra;
fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary
hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). [*Gr. nomena]
11 Koa izao no
hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.
12 Ireo teny
amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao
am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
13 Ireo teny
ambonin'ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin'ny hafaliana;
nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin'izay andro
isehoan'ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
14 Ireo teny amin'ny
tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan'ny fiahiahiana sy ny
harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
15 Fa ireo teny
amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin'ny fo sady marina no
tsara, dia mitana azy ka mamoa amin'ny faharetana.
16 Tsy misy olona
mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa
ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.
17 Fa tsy misy takona
izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
18 Koa tandremo ny
fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay
ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
19 Ary renin'i Jesosy
sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny
vahoaka.
20 Ary nisy nilaza
taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
21 Fa namaly Izy ka
nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny
tenin'Andriamanitra ka mankaṭ azy.
22 Ary tamin'ny andro
anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy
taminy: Andeha isika hankeny am-pitan'ny farihy; dia lasa izy.
23 Ary nony nandeha
ny sambokely, dia azon'ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina
tamin'ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
24 Ary nanatona izy,
dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy,
ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka
tonga tony tsara ny andro.
25 Ary hoy Izy
taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe:
Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
26 Dia nitody tany
amin'ny tanin'ny Gerasena* izay tandrifin'i Galilia izy.[*Na: (Gadarena)]
27 Ary raha niala
nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao
an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady
tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana.
28 Fa nony nahita
an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny
tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy,
Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy.
29 Fa Izy nandidy ny
fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa
nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa
notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra
izy.
30 Ary Jesosy
nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa
demonia maro no efa niditra tao anatiny.
31 Ary nifona taminy
izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa.
32 Ary nisy kisoa
maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona
taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
33 Ary ny demonia,
rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo
kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka
dia maty* tany.[*Gr. kenda]
34 Ary nony hitan'ny
mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy
tany an-tsaha.
35 Dia nivoaka ny
olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia
nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo
anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
36 Ary izay efa
nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka.
37 Ary ny olona
rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena* manodidina dia nangataka an'i Jesosy
hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana
an-tsambokely ka niverina.[*Na: Gadarena]
38 Ary ny lehilahy
izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa
nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe:
39 Modia ihany any
an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia
nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy
taminy.
40 Ary nony
tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy
rehetra.
41 Ary, indro, dia
tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka
tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
42 Fa nanana
zanakavavy tokana tokony ho roa ambin'ny folo taona izy, ary efa ho faty
razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
43 Ary nisy vehivavy
anankiray narary* roa ambin'ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra
tamin'ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.[*Gr. narary
nandeha rà]
44 Dia nankao
ivohon'i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka
tamin'izay dia nijanona ny aretiny*.[*Gr. fandehanan'ny ràny]
45 Ary hoy
Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy
Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
46 Fa hoy
Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
47 Ary rehefa
hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy
sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan'ny vahoaka rehetra
izay anton'ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin'izay.
48 Ary hoy
Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao; mandehana soa
aman-tsara.[*Gr. nahavonjy]
49 Ary raha
mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin'ilay mpanapaka ny
synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
50 Fa Jesosy,
raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany,
dia ho velona* izy.[*Gr. voavonjy]
51 Ary raha tonga
tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy
Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.
52 Ary ny olona
rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty
izy, fa matory.
53 Dia nihomehy Azy
fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
54 Ary Jesosy dia
nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
55 Dia nody indray ny
ainy, ka niarina niaraka tamin'izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.
56 Ary dia talanjona
ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin'olona ny
zavatra efa natao.
1 Ary Jesosy niantso
ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka
ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
2 Ary Izy naniraka
ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
3 Ary hoy izy taminy:
Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na
mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
4 Ary izay trano
hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
5 Ary izay tsy
mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano
ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
6 Dia lasa nandeha
izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo
eny.
7 Ary Heroda
mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny
olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;
8 ary hoy ny sasany:
Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin'ny mpaminany
fahiny no efa nitsangana.
9 Fa hoy Heroda: Raha
Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko
fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
10 Ary rehefa
niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin'i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy
nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin'ny tanàna atao hoe Betsaida.
11 Ary ny vahoaka,
nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin'ny
fanjakan'Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
12 Ary nony efa ho
hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe:
Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin'ny vohitra manodidina sy any an-tsaha
handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
13 Fa hoy Izy taminy:
Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy
hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an'ireo olona rehetra
ireo.
14 Fa tokony ho dimy
arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy
ka tokony ho dimam-polo avy.
15 Dia nataony izany,
ka nampipetraka azy rehetra izy.
16 Ary rehefa
noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra
Izy, ka nanaovany* fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany
harosony eny anoloan'ny vahoaka.[*Na: nasiany]
17 Dia nihinana izy
rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa
ambin'ny folo harona.
18 Ary raha nivavaka
tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy
Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?
19 Dia namaly ireo ka
nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny
sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa
nitsangana.
20 Fa hoy Izy taminy:
Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny
Kristin'Andriamanitra.
21 Ary Izy niteny
mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona
22 ka nanao hoe: Ny
Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny
mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo
dia hatsangana.
23 Ary hoy koa Jesosy
tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia
hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka Ahy.
24 Fa na iza na iza
no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy
noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
25 Fa inona no soa
azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy*, na
matiantoka, izany izy?[*Na: ny fanahiny]
26 Fa na iza na iza
no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha
avy amin'ny voninahiny sy ny an'ny Rainy ary ny an'ny anjely masina.
27 Fa lazaiko
aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana
mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra.
28 Ary rehefa tokony
ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary
Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
29 Ary raha mbola
nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy
sady nanelatrelatra.
30 Ary, indreo,
nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
31 izay niseho
tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
32 Ary efa
navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany* izy,
dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.[*Na: Nony
nahatsiaro tsara]
33 Ary tamin'ny
nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara
raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho
Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy
fantany izay nolazainy.
34 Ary raha
mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha
niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
35 Ary nisy feo
avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
36 Ary rehefa
nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy
nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny
amin'izay zavatra efa hitany.
37 Ary nony
ampitson'iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka
betsaka nitsena an'i Jesosy.
38 Ary, indro,
nisy lehilahy anankiray avy teo amin'ny vahoaka nitaraina mafy hoe:
Mpampianatra ô, masina Hianao, mamindrà fo amin'ny zanako! fa zanako-lahy
tokana izy.
39 Ary, indro,
misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy
mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany
aminy ka mahatorotorovana azy.
40 Ary
nangataka tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
41 Ary Jesosy
namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika,
mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ
ny zanakao.
42 Ary raha
mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny
demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy;
dia natolony tamin-drainy indray izy.
43 Dia talanjona izy
rehetra noho ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny nilazan'i Jesosy fanindroany ny
hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra
tamin'izay rehetra nataon'i Jesosy, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:
44 Ampidironareo ao
amin'ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak'olona efa hatolotra eo
an-tànan'ny olona.
45 Nefa tsy azon'ny
mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra
hanontany Azy ny amin'io teny io izy.
46 Dia nisy
fisainana niseho tao am-pony ny amin'izay ho lehibe ao aminy.
47 Ary Jesosy
nahalala ny fisainan'ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo
anoloany;
48 ary hoy Izy
tamin'ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray
Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay
kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
49 Ary Jaona
namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin'ny
anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
50 Fa hoy Jesosy taminy:
Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
51 Ary rehefa ho
tonga ny fotoana hampiakarana an'i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
52 Ary nandefa iraka
hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny vohitra anankiray izay
an'ny Samaritana hamboatra ho Azy.
53 Fa tsy nandray Azy
ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
54 Ary raha hitan'i
Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny
izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy*?[*Ampio hoe:
toy ny nataon'i Elia]
55 Fa Izy nitod