[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]

 

Marka

 

Accès direct aux chapitres de Marc : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16

 

Chapitre 1

1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.

2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany]

3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),

4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.

5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.

6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.

8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.

 

9 Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.

10 Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.

 

12 Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin*'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[*Gr. noroahin']

13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.

 

14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra

15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.

 

16 Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.

17 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

18 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.

20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.

 

21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra.

22 Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.

23 Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy

24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.

25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy.

26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.

27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.

28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia.

29 Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.

30 Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo.

31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.

32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.

33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa.

34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.

35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.

36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.

37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.

38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.

39 Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia.

40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.

41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.

42 Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.

43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay

44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo.

45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.

Chapitre 2

1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,

2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.

3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.

4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa.

5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.

6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:

7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Gr. manao blasfemia, izahao Mat.9.3]

8 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?

9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?

10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):

11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.

12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.

 

13 Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.

14 Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra*; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.[*Izahao Mat. 9.9]

15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.

16 Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo*, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy![*Na:Ary ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo]

17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota

18 Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

19 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.

20 Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany hifady izy.

21 Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.

22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.

23 Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.

24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata?

25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy,

26 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?

27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.

28 ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.

Chapitre 3

1 Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty* tanana teo.[*Gr. efa maina, na malazo]

2 Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.

3 Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.

4 Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.

5 Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.

6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.

7 Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia

8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.

9 Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.

10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina*.[*Gr. kapoka]

11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.

12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.

 

13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.

14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny

15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.

16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;

17 ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;

18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana*[*Na: Zelota, izahao Lio.6.15]

19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.

20 Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.

21 Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.

22 Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.

23 Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?

24 Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.

25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.

26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.

27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.

28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy* rehetra izay ataony;[*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3]

29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

30 satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.

31 Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.

32 Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.

33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?

34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!

35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

Chapitre 4

1 Ary nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin'ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina.

2 Ary nampianatra azy zavatra maro tamin'ny fanoharana Izy ka nilaza tamin'ny fampianarany azy hoe:

3 Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.

4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.

5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.

6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.

7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.

8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.

9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

10 Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy.

11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;

12 mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10).

13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?

14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny.

15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.

16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;

17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.

18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny,

19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.

20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.

21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina* va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy]

22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho.

23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo.

25 Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.

26 Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan'Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin'ny tany

27 ka matory sy mahatsiaro isan'alina sy isan'andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny

28 Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa.

29 Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin'izay, fa efa tonga ny fararano.

 

30 Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?

31 Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin'ny tany;

32 Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon'ny voro-manidina itoerana ny alokalony.

33 Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina.

34 Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.

 

35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita.

36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy.

37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano.

38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?

39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.

40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?

41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?

Chapitre 5

1 Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo.

2 Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy,

3 fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza.

4 Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.

5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato.

6 Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany

7 sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,

8 satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.

9 Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.

10 Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin'izany tany izany.

11 Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.

12 Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.

13 Dia neken'i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty* tany amin'ny ranomasina izy.[*Gr. kenda]

14 Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;

15 ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.

16 Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin'ny olona izay natao tamin'ilay demoniaka sy ny amin'ny kisoa.

17 Ary nifona tamin'i Jesosy izy mba hiala amin'ny taniny.

18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.

19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.

20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.

21 Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.

22 Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony

23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana* izy ka ho velona.[*Gr. voavonjy]

24 Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.

25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary* roa ambin'ny folo taona [*Gr. narary nandeha rà]

26 sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;

27 koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.

28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy]

29 Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny*, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[*Gr. fandehanan'ny ràny]

30 Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?

31 Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?

32 Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.

33 Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.

34 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.[*Gr. namonjy]

35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

36 Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony, dia]

37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.

38 Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.

39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.

40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy.

41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.

42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona.

43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.

Chapitre 6

1 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.

2 Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao?

3 Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.

4 Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.

5 Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.

6 Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.

 

7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.

8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola* ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.[*Gr. varahina]

9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.

10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.

11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.

12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.

13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.

14 Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.

15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany.

16 Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.

17 Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.

18 Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao.

19 Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.

20 Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany*; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.[*Na: nanao zavatra maro]

21 Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan'i Heroda fanasana ho an'ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin'ny andro fahatsiarovana ny* nahaterahany,[*Na: tamin'ny fitsingerenan'ny taona]

22 ka niditra ny zanakavavin'i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an'i Heroda mbamin'izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.

23 Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza.

24 Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.

25 Dia niditra faingana niaraka tamin'izay izy ho ao amin'ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan'i Jaona Mpanao-batisa.

26 Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.

27 Ary niaraka tamin'izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan'i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.

28 Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.

29 Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.

30 Ary ny Apostoly niangona teo amin'i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin'izay nampianariny.

31 Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).

32 Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.

33 Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an'i Jesosy, dia niala avy teny amin'ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety*, dia tonga talohany.[*Na: nandeha tongotra]

 

34 Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

35 Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;

36 ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin'ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.

37 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon'ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?

38 Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.

39 Dia nasain'i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin'ny ahi-maitso izy.

40 Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.

41 Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra.

42 Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.

43 Ary nangoniny izay sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo.

44 Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.

45 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.

46 Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.

 

47 Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.

48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.

49 Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.

50 Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.

51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.

52 Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.

53 Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin'ny tany Genesareta ka niantsona teo.

54 Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an'i Jesosy niaraka tamin'izay ny olona teo

55 ka nihazakazaka tamin'izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa nitoerany.

56 Ary na taiza na taiza no nidiran'i Jesosy, na tao amin'ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana* izay rehetra nanendry Azy.[*Gr. voavonjy]

Chapitre 7

1 Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema

2 ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa.

3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara* ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.[*Gr. sasàny amin'ny totohondry]

4 Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana* mbamin'izay fanaka varahina**.) [* Gr. sekstaria] [** ampio hoe: ary farafara]

5 Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tanana tsy misasa izy?

6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy.

7 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13).

8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.

9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo!

10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).

11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,

12 dia* tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,[*Na: dia voafehin'ny voadiny izy. Ary dia etc]

13 ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo.

14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara.

15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:]

16 [Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino]

17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany.

18 Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,

19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra.

20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy.

21 Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona,

22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3]

23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

24 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy.

25 Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.

26 Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy.

27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.

28 Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany.

29 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia.

30 Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy.

31 Ary Jesosy niala indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro, dia namaky an'i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia.

32 Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana.

33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;

34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.

35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.

36 Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa.

37 Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.

Chapitre 8

1 Tamin'izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin'i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:

2 Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;

3 koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.

4 Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!

5 Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.

6 Dia nasainy nipetraka tamin'ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan'ny vahoaka izany.

7 Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan'i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.

8 Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.

9 Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.

10 Ary niaraka tamin'izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin'ny mpianany ka tonga tany amin'ny fari-tanin'i Dalmanota.

11 Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.

12 Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.

13 Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.

14 Ary tsy tsaroan'ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.

15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.

16 Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.

17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?

18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?

19 Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.

20 Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.

21 Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?

22 Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.

23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?

24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.

25 Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.

26 Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.

 

27 Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?

28 Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny mpaminany.

29 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.

30 Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona.

31 Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.

32 Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.

33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.

34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.

36 Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?

37 Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?

38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.

Chapitre 9. 1 Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery.

2 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,

3 ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany.

4 Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy.

5 Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.

6 Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.

7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.

8 Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.

9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

10 Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany.

11 Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain*'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.[*Na: Nahoana no lazain']

12 Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?

13 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.

 

14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.

15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.

16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto?

17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;

18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.

19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.

20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.

21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.

22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.

23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.

24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso].

25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.

26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty.

27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.

28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no]

29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina].

 

30 Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany.

31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.

32 Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.

 

33 Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?

34 Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra.

35 Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.

36 Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany:

37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.

38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.

39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.

40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.

41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.

43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo*, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [* Gr. Gehena]

44 * [* Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]

45 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo.

46 * [*Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina]

47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo;

48 any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.

49 Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra*.[*Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina]

50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.

Chapitre 10

1 Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.

 

2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?

3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?

4 Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).

5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;

6 fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).

7 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;

8 ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.

9 Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra.

11 Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny*.[*Na: mijangajanga mandika ny lalàn'ny fanambadiana ny amin'ny vadiny]

12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.

13 Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.

14 Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.

15 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.

16 Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.

17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?

18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.

19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-17).

20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.

21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.

22 Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin'izany teny izany, ka niala tamin'alahelo izy, satria nanana harena be.

23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!

24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!

25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy* hoe: Iza indray no azo hovonjena?[* Na: nifampilaza].

27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.

28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.

29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,

30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.

 

32 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy

33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa;

34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.

 

35 Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.

36 Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?

37 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny an-kavianao, any amin'ny voninahitrao.

38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa?

39 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;

40 fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.

41 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy.

42 Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.

43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.

44 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra.

45 Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo.

47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!

48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.

49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.

50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy.

51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.

52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.

Chapitre 11

1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy

2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento etỳ.

3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin'izay izy.

4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.

5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?

6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy.

7 Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.

8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.

9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah!

10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).

11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania.

12 Ary nony ampitson'iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.

13 Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny aviavy.

14 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.

 

15 Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;

16 ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan'ny tempoly.

17 Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra? (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11).

18 Ary nahare izany ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.

19 Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.

20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin'ny fakany ilay aviavy.

21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.

22 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an'Andriamanitra.

23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.

24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.

25 Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.

26 * [*Ampio hoe: 26 Fa raha ianareo tsy mamela heloka, ny Rainareo Izay any an-danitra kosa tsy hamela ny helokareo]

27 Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona

28 ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?

29 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:

30 Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho.

31 Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?

32 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.

33 Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.

Chapitre 12

1 Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy.

2 Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka.

3 Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina.

4 Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy.

5 Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.

6 Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

7 Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.

8 Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.

9 Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.

10 Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;

11 Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.)

12 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.

13 Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.

14 Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?

15 Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihat