[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]

 

Matio

 

Accès direct aux chapitres de Matthieu : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28

 

Chapitre 1

1 [Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy] Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama.

 

2 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;

3 ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama*;

4 ary Rama* niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; [*Gr. Arama]

5 ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese;

6 ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;

7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa*; [*Gr. Asafa]

8 ary Asa* niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia; [*Gr. Asafa]

9 ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;

10 ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona*; ary Amona* niteraka an'i Josia; [*Gr. Amosa]

11 ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.

12 Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela*; ary Sealtiela* niteraka an'i Zerobabela; [*Gr. Salatiela]

13 ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora;

14 ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;

15 ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;

16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.

 

17 Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.

 

18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.

19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.

20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,

21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy]

22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny]

23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.

24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.

25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.

Chapitre 2

1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an'i Jodia, tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy* avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:[*Magy = olon-kendry]

2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan'ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.

3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin'i Jerosalema rehetra.

4 Dia namory ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin'ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan'i Kristy?

5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an'i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:

6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko (Mik. 5.1).

 

7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana.

8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.

9 Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely.

10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.

11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.

12 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany.

13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.

14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;

15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1).

16 Ary nony efa fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy.

17 Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe:

18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).

19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe:

20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely.

21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely.

22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany Galilia.

23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.

Chapitre 3

1 Ary tamin'izany andro izany dia niseho Jaona Mpanao batisa, nitory tany an-efitr'i Jodia nanao hoe:

2 Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

3 Fa izy no ilay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa. 40. 3).

4 Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

5 Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona,

6 ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.

 

7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

8 Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;

9 ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

10 Ary, indro, efa mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

11 Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;

12 eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.

13 Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa.

14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?

15 Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.

16 Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.

17 Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.

Chapitre 4

1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika]

2 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.

3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.

4 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3).

 

5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly,

6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).

7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).

8 Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny,

9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.

10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13).

11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

12 Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy.

13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy,

14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:

15 Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa,

16 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).

17 Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy.

19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

20 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

21 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy.

22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy.

23 Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona.

24 Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka* sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[*Demoniaka = olona nidiran'ny demonia; izahao Mat.7.22]

25 Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.

Chapitre 5

1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.

2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:

3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.

5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).

6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.

7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.

8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,

9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.

10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

11 Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.

13 Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.

14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.

16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

17 Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

18 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera* iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.[*Dia yod, izay litera kely indrindra amin'ny Abidy Hebreo]

19 Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

20 Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.

21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.

22 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena]

23 Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,

24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.

25 Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.

26 Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.

27 Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).

28 Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.

29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina* anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.[*Ny teny Grika adika hoe manafintohina amin'ny Testamenta Vaovao, dia mamandrika no tena dikany]

30 Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.

31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).

32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.

33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).

34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;

35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.

36 Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.

37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy*.[*Na amin'ilay ratsy]

38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).

39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.

40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.

41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily* iray, mandehana miaraka aminy maily roa.[*Na: kilometatra]

42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.

43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?

48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.

Chapitre 6

1 Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo* eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.[*Na: ny fiantrana]

2 Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

3 Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana,

4 mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.

7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.

8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.

9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.

10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.

11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

12 Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa]

13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena]

14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.

16 Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

17 Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,

18 mba tsy ho hitan'ny olona fa mifady, fa ho hitan'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao.

 

19 Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.

20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.

21 Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.

 

22 Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.

23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!

 

24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna = harena]

25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?

26 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

27 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany* na dia kely monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny tenany] [** Gr. Hakiho iray]

28 Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[*Karazan'ny lilia]

29 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.

30 Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana?

31 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay?

32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.

33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.

34 Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.

Chapitre 7

1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.

2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.

3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

4 Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao?

5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.

 

6 Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo*, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. [*perilanareo]

 

7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.

9 Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato?

10 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?

11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?

12 Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.

 

13 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.

14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

 

15 Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy.[*lopa]

16 Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo?

17 Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.

18 Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.

19 Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

20 Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.

 

21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy]

23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka.

 

 

24 Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.

25 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin'ny vatolampy.

26 Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika.

27 Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.

 

28 Ary nony efa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany,

29 satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.

Chapitre 8

1 Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy.

2 Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.

3 Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy.

4 Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.

5 Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy

6 nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin'ny paralysisa ka mijaly loatra.

7 Dia hoy Jesosy taminy: Ho avy Aho hahasitrana azy.

8 Fa namaly ilay kapiteny ka nanao hoe: Tompoko, tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.

9 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy.

10 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin'izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho na dia tamin'ny Isiraely aza.

11 Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra;

12 fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

13 Ary Jesosy niteny tamin'ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankizilahy.

 

14 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin'i Petera nandry teo nanavin'ny tazo.

15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.

 

16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,

17 mba, hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika (Isa. 53. 4).

 

18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.

19 Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.

20 Fa hoy Jesosy taminy : Ny amboahaolo* manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hipetrahan'ny lohany.[*volpa]

21 Ary nisy hafa koa tamin'ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.

22 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.

23 Ary nony niondrana an-tsambokely Izy, dia nanaraka Azy ny mpianany.

24 Ary, indro, nisy tafio-drivotra mafy tonga tamin'ny ranomasina, ka dia efa nila ho voasafotry ny alon-drano ny sambokely; fa Izy natory.

25 Ary nanatona izy ireo, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, vonjeo, fa maty izahay!

26 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny ranomasina, dia tonga tony tsara ny andro.

27 Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy!

 

28 Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin'ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin'izany lalana izany.

29 Ary, indro, niantso izy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Zanak'Andriamanitra ô? Tonga eto va Hianao hampijaly anay alohan'ny fotoana?

30 Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.

31 Ary ny demonia nifona tamin'i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin'ireo kisoa andiany ireo.

32 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin'ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin'ny hantsana ho any amin'ny ranomasina, ka dia maty tany anatin'ny rano.

33 Ary ny mpiandry nandositra, dia nankany an-tanàna ka nilaza ny zavatra rehetra ny amin'ireo demoniaka.

34 Ary, indreo, nivoaka ny tao an-tanàna rehetra mba hitsena an'i Jesosy; ka nony nahita Azy izy, dia nifona taminy mba hiala amin'ny fari-taniny.

Chapitre 9

1 Ary niondrana an-tsambokely Izy, dia nita ka tonga tao an-tanànany.

2 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin'ny paralysisa nandry tamin'ny fandriana nentin'ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.

 

3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy* ity Lehilahy ity. [*Gr. manao blasfemia, dia miteny ratsy, indrindra fa ny amin'Andriamanitra, na mihambo hanana izay fomban'Andriamanitra]

4 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?

5 Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?

6 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.

7 Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.

8 Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.

9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra*, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[*Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc]

10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.

11 Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?

12 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.

13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.

14 Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

15 Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.

16 Ary tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba tsy mbola voalòna; fa ny vaovao izay natampina dia handrovitra ny lamba, ka hitatra ny triatra.

17 Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.

18 Raha mbola nilaza izany taminy Izy, indro, tonga ny mpanapaka anankiray, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Maty ankehitriny izao ny zanako-vavy; fa andeha re, mametraha ny tananao aminy, dia ho velona izy.

19 Dia nitsangana nanaraka azy Jesosy mbamin'ny mpianany.

20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary* roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. [*Gr. narary nandeha rà]

21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Na: voavonjy]

22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana* anao. Dia sitrana** ilay vehivavy tamin'izay ora izay. *Na: namonjy.[*Na: voavonjy]

23 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon'ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,

24 dia nanao hoe: Mivoaha; fa tsy maty razazavavy, fa matory. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona.

25 Ary nony efa navoaka ny olona, dia niditra Jesosy ka nandray ny tànan-drazazavavy, dia nitsangana izy.

26 Ary ny lazan'izany dia niely tamin'izany tany rehetra izany.

27 Ary nony niala teo Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak'i Davida ô!

28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesosy taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko.

29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.

30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr'olona izao.

31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany.

 

32 Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin'ny olona tany amin'i Jesosy.

33 Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin'ny Isiraely.

34 Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.

 

35 Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.

 

36 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.

37 Dia hoy Izy tamin'ny mpianany:

38 Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

Chapitre 10

1 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra.

2 Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;

3 Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,

4 sy Tadeo; Simona Kananeana* ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy. [* Na: Zelota, izahao Lio.6. 15]

5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana,

6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.

7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo,

10 na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.

11 Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.

12 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao.

13 Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.

14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo.

15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany.

16 Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia*; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà** tahaka ny voromailala. [* lopa] [** Gr. aoka ho tsotra]

17 Ary mitandrema ianareo noho ny amin'ny olona; fa hatolony ho amin'ny Synedriona sy hokapohiny ao amin'ny synagogany ianareo;

18 ary ho entiny eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin'ny jentilisa.

19 Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin'izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.

20 Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.

21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.

22 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

23 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.

24 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony.

25 Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany?

26 Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.

27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano.

28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.[*Gr. gehena]

29 Tsy varidimiventy* ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[*Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria]

30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.

31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

32 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.

35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy;

36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6).

37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

38 Ary izay tsy mitondra* ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.[*Gr. mandray]

39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.

40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.

41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.

42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Chapitre 11

1 Ary rehefa vitan'i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin'ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan'ny olona.

2 Ary rehefa ren'i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon'i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy

3 hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin'i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:

5 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.

6 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.

 

7 Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an'i Jaona tamin'ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin'ny rivotra va?

8 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa* va? Indro, ny mitafy soa* dia ao an-tranon'ny mpanjaka.[*Gr. malemy]

9 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.

10 Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao (Mal. 3. 1).

11 Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia lehibe noho izy.

12 Ary hatramin'ny andron'i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan'ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.

13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin'i Jaona.

14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.

15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

16 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:

17 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.

18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.

19 Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany*.[*Na: (ny zanany)]

 

20 Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:

21 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.

22 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.

23 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy.

24 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao.

25 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.

26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.

27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.

28 Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

29 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo.

30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

Chapitre 12

1 Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.

2 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata.

3 Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy,

4 Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?

5 Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?

6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.

7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.

8 Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona.

9 Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga;

10 ary, indro, nisy lehilahy maty* tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.[*Gr. efa maina, na malazo]

11 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?

12 Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata.

13 Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.

14 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.

15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;

16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,

17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe:

18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy;

19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;

20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;

21 Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).

 

22 Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.

23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?

24 Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia.

25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.

26 Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?

27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.

28 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra.

29 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.

30 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina.[*Gr.blasfemia,izahao 9. 3]

32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy.

33 Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.

34 Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava.

35 Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.

36 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.

37 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.

 

38 Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.

39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany;

40 fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan'andro sy hateloan'alina tao an-kibon'ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'Andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany.

41 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin'ny nitorian'i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.

42 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin'ny faran'ny tany izy hihaino ny fahendren'i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.

43 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.

44 Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.

45 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.

 

46 Ary raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin'ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.

47 Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin'ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.

48 Fa namaly Izy ka nanao tamin'ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?

49 Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;

50 Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

Chapitre 13

1 Ary tamin'izany andro izany dia nivoaka avy tao an-trano Jesosy ka nipetraka teo amoron'ny ranomasina.

2 Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.

3 Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy;

4 ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy.

5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.

6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.

7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy.

8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

9 Izay manan-tsofina*, aoka izy hihaino. [*Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]

10 Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?

11 Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena]

12 Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy.

13 Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala.

14 Dia tanteraka aminy ny faminanian'Isaia, izay manao hoe: Handre mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahafantatra: Ary hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;

15 Fa efa adala ny fon'izao olona izao. Ary efa lalodalovana ny sofiny, Ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ka hahalala ny fony, Dia hibebaka izy, Ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).

16 Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.

17 Fa lazaiko aminareo marina tokoa fa maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay hitanareo, nefa tsy mba nahita; ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.

18 Koa amin'izany dia henoinareo ny fanoharana ny amin'ny mpamafy:

19 Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Dia izany no ilay nafafy teny amoron-dalana.

20 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana;

21 nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy.

22 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.

23 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;

25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.

26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.

27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy:

28 Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?

29 Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.

30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.

 

31 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy izay nalain'olona ka nafafiny tany an-tsahany;

32 fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin'ny rantsany.

 

33 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony* tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra. [*Gr. nafeniny]

 

34 Fanoharana no nilazan'i Jesosy izany zavatra rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary tsy nisy nolazainy taminy, afa-tsy tamin'ny fanoharana,

35 mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho (Sal. 78. 2).

 

36 Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary.

37 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;

38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy;

39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely.

40 Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.

41 Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,

42 dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

43 Ary amin'izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina*, aoka izy hihaino. [*Na: (Izay manan-tsofina ho enti-mihaino)]

44 Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.

 

45 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa*;[*Gr.perila]

46 ary rehefa nahita vato soa* iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[*Gr. perila]

 

47 Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;

48 ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany.

49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao; hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina,

50 dia hatsipiny any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

51 Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.

52 Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.

53 Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.

54 Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?

55 Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra? Tsy Maria va no anaran'ny reniny? Ary tsy Jakoba sy Josefa sy Simona ary Jodasy va no rahalahiny?

56 Ary ny anabaviny, moa tsy eto amintsika avokoa va izy? Koa avy taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra rehetra izany?

57 Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin'ny taniny sy ny mpianakaviny ihany.

58 Ary tsy nanao asa lehibe maro teo Izy noho ny tsi-finoan'ireo.

Chapitre 14

1 Tamin'izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan'i Jesosy,

2 ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.

3 Fa Heroda efa nisambotra an'i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin'i Herodiasy, vadin'i Filipo rahalahiny.

4 Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.

5 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon'ireo ho mpaminany Jaona.

6 Fa nony tonga ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin'i Herodiasy ka nahafaly an'i Heroda.

7 Ary noho