[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Salamo
Accès direct aux cinq
livres des Psaumes : Livre 1 (Ps. 1 à 41), Livre 2 (Ps. 42 à 72), Livre 3 (Ps. 73
à 89), Livre 4 (Ps. 90 à 106), Livre 5
(Ps. 107 à 150)
1 [BOKY VOALOHANY][Ny
tsi-fitovian'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy] Sambatra ny olona izay tsy
mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana
falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
2 Fa ny lalàn'i Jehovah no
sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
3 Dia tahaka ny hazo ambolena
eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba
malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
*
4 Fa tsy mba toy izany ny
ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.
5 Ary noho izany ny ratsy
fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny
fiangonan'ny marina.
6 Fa fantatr'i Jehovah ny
lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny
fahaverezana.
1 [Ny mpikomy
amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary
misaina anoano foana ny firenena?
2 Ireo mpanjakan'ny tany
mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany
ka manao hoe:
3 "Aoka hotosantsika ny
famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
*
4 Izay
mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5 Dia hiteny
azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
6 "Izaho
kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
*
7 "Hilaza
zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka
anao androany.
8 Mangataha amiko,
dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
9 Hotorotoroinao
amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao
azy."
*
10 Ary amin'izany dia
hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
11 Manompoa an'i
Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.
12 Manoroha ny
zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety
dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra
izay rehetra mialoka aminy.
*
Psaume de David,
lorsqu’il s’enfuyait de devant Absalom, son fils.
1 [Ny fahatokian'izay manana
an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony] Salamo nataon'i
Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato
hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.
2 Maro no milaza ny
fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.
3 Kanjo Hianao,
Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
*
4 Amin'ny feoko
no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
5 Izaho nandry
ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
6 Tsy hatahotra
olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.
*
7 Mitsangàna,
Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko
rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.
8 An'i Jehovah
ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao*.[Na: Ho amin'ny olonao ny
fitahianao]
Au chef de musique. Sur
Neguinoth*. Psaume de David.
1 [Fivavaky ny
azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira.
Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia
ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia
nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.
*
2 Ry lehibe,
mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana
sy hamoron-dainga ianareo?
3 Kanefa aoka ho
fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino,
raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny]
4 Tezera*, fa aza
manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita]
5 Manatera
fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.
*
6 Maro no niteny hoe:
iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.
7 Efa nasianao
fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny
ranom-boalobony.
8 Handry amin'ny
fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no
mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.
Au chef de musique. Pour
Nehiloth*. Psaume de David.
1 [Salamo hatao amin'ny
maraina, milaza ny amin'ny olona mahazo manatona an'Andriamanitra, sy ny
hitsarana ny ratsy fanahy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina.
Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
2 Henoy ny feon'ny
fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
*
3 Jehovah ô, maraina no
handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako* aminao, ka hanandrandra
aho.[Heb: handaharako]
4 Fa tsy Andriamanitra
mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5 Tsy hahazo mijanona eo
imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
6 Haringanao ny mpiteny
lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho
zava-betaveta.
7 Fa izaho kosa noho ny
haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny
lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.
*
8 Jehovah ô, tariho amin'ny
fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny
lalanao.
9 Fa tsy misy azo itokiana ny
aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana*; fasana misokatra ny
tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
*
10 Helohy izy, Andriamanitra
ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany,
satria efa niodina taminao.
11 Dia hifaly izay rehetra
mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho
ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
12 Fa Hianao, Jehovah ô,
mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga
lehibe.
Au chef de musique. Sur
Neguinoth, sur Sheminith*. Psaume de David.
1 [Fivavaky ny olona
anarin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nampiarahina amin'ny valiha.
Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no
ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
2 Mamindrà fo amiko,
Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.
3 Ny fanahiko koa dia
mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?
*
4 Miverena, Jehovah
ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.
5 Fa tsy misy fahatsiarovana
Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera
Anao?[Heb. Sheola]
6 Efa sasatry ny
misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan'alina aho sady
mahampo-dranomaso ny fandriako.
7 Lanin'alahelo ny
masoko; efa pahina izy amin'ny ataon'ny mpampahory ahy rehetra.
*
8 Mialà amiko,
ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon'ny fitomaniako.
9 Jehovah efa nandre
ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.
10 Ho menatra sy
hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.
Shiggaïon* de David, qu’il chanta à l’Éternel à
l’occasion des paroles de Cush, le Benjaminite.
1 [Fiantsoana
an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho
an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no
ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
2 Fandrao ny fanahiko
viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
*
3 Jehovah Andriamanitro ô,
raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
4 Raha namaly ratsy izay
tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy
ahoana* [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika
ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany,
ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
*
6 Jehovah ô, mitsangàna
amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary
mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
7 Aoka ny firenena maro
hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
*
8 Jehovah hitsara ny
firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
9 Aoka ho tapaka ny ratsy
ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no
mamantatra ny fo sy ny voa.
*
10 Ny ampingako dia
ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
11 Mpitsara marina
Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
12 Raha tsy
ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka
manamboatra azy,[Na: iverenana]
13 Ary ireo dia
kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
14 Indro, efa marary
hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*;
[Heb: lainga]
15 Mihady lavaka izy
ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
16 Mitsingerina
ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no
ianjeran'ny loza nataony.
*
17 Hidera an'i
Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo
Indrindra.
Au chef de musique. Sur
Guitthith*. Psaume de David.
1 [Ny
voninahitr'Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona] Ho an'ny
mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey
ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! nataonao eny amin'ny lanitra
ny voninahitrao.
2 Avy amin'ny vavan'ny ankizy
madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba
hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
*
3 Raha jereko ny lanitrao,
izay asan'ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,
4 Inona moa ny olona,
no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
5 Fa efa nataonao
ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy
fiandrianana.
6 Efa nampanjakainao
amin'ny asan'ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin'ny
tongony,
7 Dia ny ondry
aman'osy sy ny omby rehetra, ary ny bibidia koa,
8 Mbamin'ny
voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina,izay mandeha amin'ny
lalan-dranomasina.
9 Jehovah
Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra!
*
Au chef de musique. Sur
Muth-Labben*. Psaume de David.
1 [Salamo abidy.
Fiderana an'Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an'ny
mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah
amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
2 Ho faly sy ho
ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
*
3 Satria lasa
nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
4 Fa efa nitsara ahy
Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho
Mpitsara marina.
5 Efa nanarinao mafy
ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho
faty mandrakizay doria.
6 Ny amin'ny
fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa
noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka
ho mandrakizay ny fandravana]
7 Kanefa Jehovah
mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
8 Ary Izy hitsara
izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny
fahitsiana Izy.
9 Ka dia Jehovah no
ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana
Izy.
10 Ary hatoky Anao
izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
*
11 Mankalazà an'i
Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany.
12 Fa izay
manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
13 Mamindrà fo amiko,
Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra
ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
14 Mba holazaiko
avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no
hifaliako amin'ny famonjenao.
*
15 Ny jentilisa efa
latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa
nahazo ny tongony,
16 Jehovah efa nanao
izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny
asan'ny tànany Izy.
17 Hiverina ho any
amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay
manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]
18 Fa tsy ho
mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny
fanantenan'ny mahantra.
*
19 Mitsangàna,
Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny
jentilisa.
20 Asio
fampahatahorana* izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany
izy. [Na: fampianarana]
1 [Salamo abidy.
Fitarainana sy fangataham-pamonjena noho ny fireharehan'ny ratsy]Jehovah ô,
nahoana no mijanona eny lavitra eny Hianao ka miery amin'ny andro fahoriana?
*
2 Noho ny
fireharehan'ny ratsy fanahy dia enjehina mafy ny malahelo*; azon'ny fahendrena
nataony izy ireny.[Na: miolomay manenjika ny malahelo izy]
3 Ny ratsy fanahy
mandoka izay irin'ny fony; ary ny mpierina mahafoy sy manamavo an'i Jehovah.
4 Ny ratsy
fanahy mirehareha hoe: Tsy hanadina Izy; eny, "Tsy misy
Andriamanitra" no tontalin-keviny.
5 Tanteraka*
mandrakariva ny alehany; any amin'ny avo lavitra azy ny fitsarànao; ny
mpandrafy azy rehetra dia ataony hoe: zinona ireny? [Heb. Mahery]
6 Hoy izy
am-pony: tsy hangozohozo aho, tsy ho azon-doza mandrakizay doria aho.
7 Feno ozona sy
fitaka ary fanaovana an-keriny ny vavany; ao ambanin'ny lelany dia misy
fampahoriana sy faharatsiana.
8 Mamitsaka
amin'ny fanotrehana ao an-tanàna izy, ao an-katakonana no amonoany ny marina;
ny masony mikendry ny mahantra.
9 Manotrika ao
an-katakonana tahaka ny liona ao amin'ny famitsahany izy; manotrika hisambotra
ny malahelo izy; fandrihany amin'ny haratony no fisambony ny malahelo.
10 Torotoro sy
mitanondrika ny mahantra ka lavo amin'ny herin'ny ratsy fanahy.
11 Hoy izy
anakampony: efa nanadino Andriamanitra, efa nanafina ny tavany Izy ka tsy
hahita mandrakizay.
*
12 Mitsangàna,
Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
13 Nahoana no
mamingavinga an'Andriamanitra ny ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: Tsy
hanadina Hianao?
14 Efa nahita
ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian'ny tananao.
Hianao no iononan'ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
15 Torotoroy ny
sandrin'ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy
hisy hitanao intsony.
*
16 Jehovah no
Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin'ny taniny intsony ny
jentilisa.
17 Efa
nohenoinao, Jehovah ô, ny irin'ny mpandefitra; mampiomana ny fony Hianao sady
mampihaino ny sofinao,
18 Hanomezanao
rariny ny kamboty sy ny mahantra, mba tsy handroso hampitahotra intsony ny
zanak'olombelona etỳ an-tany.
*
Au chef de musique. De
David.
1 [Ny avalin'ny mahery
finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida.
Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho
any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely]
*
2 Fa, indro, ny ratsy fanahy
manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy
izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.
3 Fa rava ny
fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]
4 Jehovah dia ao
amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny
masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.
*
5 Jehovah mizaha
toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy
halan'ny fanahiny.
6 Handatsaka fandrika
amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary
rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
7 Fa marina Jehovah,
ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no
hitan'ny tavany]
Au chef de musique. Sur
Sheminith. Psaume de David.
1 [Fitarainana noho ny
tsi-fahamarinan'ny maro] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo
nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy
mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
*
2 Samy milaza lainga amin'ny
namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
3 Holevonin'i Jehovah anie ny
molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
4 Izay manao
hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
5 Noho ny
fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho
ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany*. [Na: Hataoko
mahita ny famonjena iriny izy]
*
6 Ny tenin'i
Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka
mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
7 Hianao,
Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity
taranaka ity.
*
8 Raha avy izay
isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo
ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana
ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
Au chef de musique. Psaume de David.
1 Ho an'ny mpiventy
hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao
ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
2 Mandra-pahoviana no
mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro?
Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?
3 Jereo aho ka valio,
Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso
fahafatesana aho;
4 Fandrao ny
fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha
mangozohozo aho.
5 Fa raha izaho kosa,
dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.
*
6 Hihira ho an'i
Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;
Au chef de musique. De
David.
1 [Ny faharatsian'ny olona,
sy ny fanirian'ny sasany famonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ny adala manao anakampo
hoe: tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; tsy misy manao
ny tsara.
*
*
2 Eny an-danitra
Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady
an'Andriamanitra.
3 Samy efa nivily izy
rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory
aza.
*
4 Tsy mahalala va ny
mpanao ratsy rehetra, izay mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina, ary Jehovah
tsy antsoiny?
5 Indreo, matahotra
dia matahotra izy, satria Andriamanitra no eo amin'ny taranaka marina.
6 Na dia foananareo
aza ny fisainan'ny ory, Jehovah kosa no arony.
*
7 Enga anie ka
hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin'i Jehovah avy
amin'ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Psaume de David.
1 [Ny toetry ny olona
izay mahazo monina ao amin'Andriamanitra] Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô,
iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao
masina?
*
2 Izay mandeha tsy
misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony;
3 Tsy
manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy
manao izay hahafa-baraka ny namany,
4 Tsy manaja ny ratsy
fanahy*, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny
fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry
sy maniva tena]
5 Sady tsy mampihana
ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia
tsy mba hangozohozo mandrakizay.
*
Mictam* de David.
1 [Ny fahatokiana
an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny
fahafatesana] Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka
aminao aho.
*
2 Hoy izaho ny amin'i
Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
3 Ary ny amin'ny
olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra*.
[Na: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay
sitrako indrindra]
*
4 Ho be ny
fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny
fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.
5 Jehovah no anjara
lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.
6 Ny voafaritra ho
anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7 Hisaotra an'i
Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatra* ahy
ny foko**. [*Na: mamporisika][**Heb: voako]
8 Ataoko eo
anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo
aho.
9 Izany no ifalian'ny
foko sy iravoravoan'ny fanahiko*; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana
ahiahy.[Heb: voninahitro]
10 Fa tsy ho foinao
ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka
ao amin'ny** lavaka*** Hianao.[*Heb: Sheola][**Heb: hahita][***Na: ho tratry ny
lò]
11 Hampahafantatra
ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary
fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.
Prière de David.
1 [Fivavaky ny ory
mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony]
Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako,
atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
2 Hivoaka avy eo
anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
3 Nizaha toetra ny
foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao,
fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro*. [Na:
fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny
vavako aho]
4 Ny amin'ny asan'ny
olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao
an-keriny.
5 Ny diako maharitra
eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
*
6 Izaho miantso Anao,
ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny
teniko.
7 Ataovy mahagaga ny
famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka
aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny
anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon'ny
ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina
ahy.
10 Efa mihirim-belona
izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
11 Manodidina anay*
amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na:
Ahy]
12 Ny fijery azy dia
tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao
am-pierena.
13 Mitsangàna,
Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho
azon'ny ratsy fanahy;
14 Vonjeo amin'ny
tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana
ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro
anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.
*
15 Fa izaho kosa, dia
aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy,
raha mifoha.
*
Au chef de musique. Du
serviteur de l’Éternel, de David, qui adressa à l’Éternel les
paroles de ce cantique, le jour où l’Éternel l’eut délivré de la
main de tous ses ennemis, et de la main de Saül. Et il dit :
1 [Fitantaran'i Davida ny
namonjen'Andriamanitra azy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida,
mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity
tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra,
indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao,
Jehovah Heriko ô.
2 Jehovah no harambatoko sy
batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy
ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
3 Miantso an'i Jehovah izay
mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko.
*
4 Nihodidina tamiko ny
famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
5 Ny famatoran'ny
fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny
fahafatesana.[Heb: Sheola]
6 Fony azom-pahoriana aho,
dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko
tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo
an-tsofiny.
*
7 Dia nihozongozona sy
nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny,
nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
8 Nisy setroka nisavoana teo
am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda
teo aminy.
9 Dia naondriny ny lanitra,
ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony.
10 Dia nitaingina kerobima
Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy.
11 Efa nanao ny maizina ho
fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly* rahona
matevina.[Heb: aizin-drano]
12 Ary teo amin'ny
famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy
vainafo.
13 Dia nampikotroka
tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
14 Dia nandefa ny
zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka
azy.
15 Dia hita ny
mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao,
Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao.
16 Naninjitra
ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano
be Izy;
17 Namonjy ahy
tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko
ireny
18 Nisakana ahy
tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
*
19 Dia nitondra
ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
20 Nanisy soa
ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany
ahy.
21 Fa
nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana
tamin'Andriamanitro;
22 Ny fitsipiny
rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
23 Tsy
nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako;
24 Koa namaly
ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo
imasony.
25 Ny olona tsara no
isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
26 Ny madio no
isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*.
[Heb: miolakolaka]
27 Fa Hianao mamonjy
ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
28 Fa Hianao
mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
29 Fa Hianao no
ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no
ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
*
30 Raha ny
amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra
amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
31 Fa iza no
Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
32 Izany
Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
33 Manao ny tongotro
ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo.
34 Mampianatra ny
tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
35 Omenao ahy ny
ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny
fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
36 Halalahinao ny
lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
37 Manenjika ny
fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny
ritrany.
38 Mamely mafy azy
aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy.
39 Hianao mampisikina
ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
40 Ary ataonao
miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
41 Mitaraina izy, fa
tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
42 Torotoroiko
madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny
an-dalambe no fanariko azy.
*
43 Mamonjy ahy
amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny
firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
44 Raha vao mahare ny
lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy*. [Na:
Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]
45 Ny hafa firenena
dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy.
*
46 Velona Jehovah;
isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
47 Dia Andriamanitra,
Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
48 Mamonjy ahy
amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana
hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe.
49 Koa izany no
hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny
anaranao.
50 Manao
famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny
voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
*
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fanehoana ny
voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho
an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny
voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
2 Ny andro samy miteny
amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina
mandimby azy.
3 Tsy misy teny
na fiteny anefa; tsy re izay feony*. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na:
Izay tsy re ny feony]
4 Efa nivoaka
ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany*, ary ny teniny dia mihatra amin'ny
faran'izao rehetra izao. Trano-lay
ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
5 Ary ny masoandro
dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly
tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
6 Any amin'ny
faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka
tsy misy takona amin'ny hafanany.
*
7 Tsy misy tsiny ny
lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i
Jehovah, mahahendry ny kely saina.
8 Mahitsy ny
fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny
maso.
9 Madio ny
fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah,
eny, mahitsy avokoa.
10 Irina noho ny
volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny
tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
11 Ary ny mpanomponao
dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
*
12 Raha ny
fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny
amin'izay ota tsy fantatra.
13 Arovy ny
mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho
marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.
14 Aoka ny tenin'ny
vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô,
Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Vavaka ho an'ny mpanjaka
raha mivoaka hanafika] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino
anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo
anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba.
2 Hahatonga famonjena ho anao
avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
3 Hahatsiaro ny fanatitra
hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao.
4 Hanome anao araka ny fonao
anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra.
5 Aoka hihoby noho ny
famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay
faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra.
*
6 Ankehitriny dia fantatro fa
Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany
Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana.
7 Ny sasany mitoky amin'ny
kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i
Jehovah Andriamanitray no hoderainay.
8 Ireo dia reraka
sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro,
9 Jehovah ô, vonjeo
ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah
ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny
Mpanjaka]
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fisaorana atao rehefa
miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i
Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny
hiravoravoany amin'ny famonjenao!
2 Ny nirin'ny fony dia
nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
3 Fa notsenainao
fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
4 Aina no nangatahiny
taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
5 Lehibe ny
voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
6 Fa nataonao ho
fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
7 Fa ny mpanjaka
matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy
hangozohozo izy.
*
8 Ho azon'ny tananao
ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
9 Hataonao tahaka ny
fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy
amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
10 Ny zanany*
haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny
zanak'olombelona;[Heb: vokany]
11 Fa nikasa hanisy
ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
12 Fa hampiamboho azy
ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
13 Misandrata amin'ny
herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
*
Au chef de musique. Sur
Ajéleth-Hashakhar*. Psaume de David.
1 [Fitarainana mafy noho ny
fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny
fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida.
Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny
famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako.
2 Andriamanitro ô,
miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita
fiononana aho.
3 Kanefa masina
Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely.
*
4 Hianao no
nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao.
5 Hianao no
nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy.
6 Ary izaho dia
olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka.
7 Izay rehetra mahita
ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe:
8 Ankino amin'i
Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha
mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]
9 Fa Hianao no
nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola
nampinonoin'ny reniko;
10 Nankinina
taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro
Hianao.
11 Aza
manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.
*
12 Mitangorona amiko
ireo ombilahy be, ny maherin'i Basana manemitra ahy.
13 Misanasana vava
amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy.
14 Efa rano aidina
aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko
izy.
15 Maina tahaka ny
tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin'ny lanilaniko; ao amin'ny
vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.
*
16 Fa mitangorona
amiko ny amboa, ny fiangonan'ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny
tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny
liona izy]
17 Mahisa ny taolako
rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy.
18 Mizara ny
fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny.
19 Fa Hianao, Jehovah
ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy.
20 Vonjeo amin'ny
sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin'ny herin'ny amboa.
21 Vonjeo amin'ny
vavan'ny liona aho; ary valio ho afaka amin'ny tandroky ny ombimanga*. [Na: teo
amin'ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho]
*
22 Hitory ny anaranao
amin'ny rahalahiko aho; eo amin'ny fiangonana no hideràko Anao.
23 Hianareo izay
matahotra an'i Jehovah, miderà Azy; ry taranak'i Jakoba rehetra, manomeza
voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak'Isiraely rehetra.
24 Fa tsy manao
tsinontsinona na marikorikon'ny fahorian'ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany
aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy.
*
25 Avy aminao no
ahazoako manao fiderana eo amin'ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo
anatrehan'izay matahotra an'i Jehovah.
26 Hihinana ny
mpandefitra ka ho voky; hidera an'i Jehovah izay mitady azy; ho velona
mandrakizay anie ny fonareo.
*
27 Hahatsiaro ka
hiverina ho amin'i Jehovah ny faran'ny tany rehetra; ary hiankohoka eo
anatrehanao ny fokon'ny firenen-tsamy hafa.
28 Fa an'i Jehovah ny
fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.
29 Hihinana sy
hiankohoka ny mpanefoefo* rehetra ambonin'ny tany, eo anatrehany no
hiondrehan'izay rehetra efa hidina any amin'ny vovoka ka tsy mahavelona ny
ainy.[Heb: matavy]
*
30 Hisy taranaka
hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin'ny taranaka ho avy.
31 Hisy ho avy ka
hanambara ny fahamarinany, amin'ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao
izany.
Psaume de David.
1 [Ny Mpiandry Tsara]
Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
2 Mampandry ahy
amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Mamelombelona ny
fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
*
4 Eny, na dia mandeha
mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza
aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra
ahy.
5 Mamelatra latabatra
eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao;
ny kapoakako feno dia feno.
*
6 Eny tokoa, fahasoavana
sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao
an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
De David.
Psaume.
1 [Fiomanana handray
ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy
izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
2 Fa Izy no nanorina
azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy.
3 Iza no
hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny
fitoerany masina?
4 Izay madio
tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na
mianiana hamitaka.
5 Handray
fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny
famonjena azy.
6 Izany no
taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny
tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba]
*
7 Asandrato ny
lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba
hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay]
8 Iza izao
Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.
9 Asandrato ny
lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2
mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.
10 Iza ary izao
Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny
voninahitra.
*
De David.
1 [Salamo abidy.
Fangatahana fiarovanana sy fitarihana] Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no
anandratako ny fanahiko.
2 Andriamanitro ô,
Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko
aho.
3 Eny, tsy hisy ho
menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.
*
4 Ampahafantaro ny
lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho.
5 Tariho amin'ny
fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
Hianao no andrasako mandritra ny andro.
6 Tsarovy ny antranao
sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny.
7 Aza ny fahotan'ny
fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny
famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô,
*
8 Tsara sy mahitsy
Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
9 Mitarika ny
mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
10 Ny lalan'i Jehovah
rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny
teni-vavolombelony.
11 Noho ny anaranao,
Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
12 Iza no lehilahy
matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
13 Ny fanahiny hitoetra
amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
14 Ny fisainan'i
Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny
azy.
15 Ny masoko mijery
an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika
harato.
*
16 Todiho aho, ka
amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.
17 Ny fahorian'ny
foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.
18 Jereo ny fahoriako
sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra.
19 Jereo ny
fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy.
20 Arovy ny fanahiko,
ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.
21 Aoka ny
tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.
22 Andriamanitra ô,
afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
De David.
1 [Fangatahana mba
tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa
mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana
aho.
2 Diniho aho, Jehovah
ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
3 Fa ny
famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
4 Tsy mba
miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
5 Halako ny
fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
6 Manasa ny tanako
noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
7 Mba hanao feo
fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
8 Jehovah ô, tiako ny
trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
9 Aza mitondra ny
fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
10 Izay misy
fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
11 Fa izaho kosa dia
mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.
12 Ny tongotro mijoro
eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
De David.
1 [Fahatokiana an'i
Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony] Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy
famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza
no hangovitako?
*
2 Raha manatona ahy
hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy
ihany no tafintohina ka lavo.
3 Na dia misy
antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra
amiko aza, dia hatoky ihany aho.
4 Zavatra iray loha
no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao
an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny
fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.
5 Fa hanafina ahy ao
an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao
an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy.
6 Koa dia hisandratra
ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra
hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho.
*
7 Mihainoa, Jehovah
ô, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrà fo amiko, ka valio aho.
8 Raha hoy Hianao:
tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no
tadiaviko, Jehovah ô;
9 Aza manafina ny tavanao
amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao;
aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10 Fa ny raiko
aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy*. [Na: Fa na dia
mahafoy ahy aza ny ray aman-dreniko, dia ho-raisin'i Jehovah aho]
11 Ampianaro ny
lalanao aho, Jehovah ô; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny
fahavaloko.
12 Aza manolotra ahy
ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay
mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
13 Raha izay re aho
no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.
*
14 Miandrasa an'i
Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.
De David.
1 [Fiantsoana an'Andriamanitra
hanafaka ny olony sy hanameloka ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Hianao no
antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao,
raha mangina amiko Hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
2 Mihainoa ny feon'ny
fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin'ny
fitoeranao masina indrindra aho.
3 Aza atao indray
manakipaka amin'ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza
fihavanana amin'ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
4 Manomeza azy araka
ny asany sy ny faharatsian'ny ataony; eny, manomeza azy araka ny vitan'ny
tànany, valio izy araka izay iendrehany.
5 Fa tsy mihevitra ny
asan'i Jehovah, na ny vitan'ny tànany, izy, dia horavan'i Jehovah izy, fa tsy
haoriny.
*
6 Isaorana anie
Jehovah, fa efa nihaino ny feon'ny fifonako Izy.
7 Jehovah no heriko
sy ampingako; izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho; dia mifaly ny foko, ka
ny hirako no hiderako Azy.
8 Jehovah no
heriny, ary Izy no fiarovana mafy hamonjena ny voahosony.
9 Vonjeo ny
olonao, ary tahio ny lovanao; andraso izy, ka tezao* mandrakizay.[Heb: ento]
Psaume de
David.
1 [Fiderana
an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin'ny
kotrokorana] Salamo nataon'i Davida. Manomeza an'i Jehovah, ry
zanak'Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah.
2 Omeo an'i
Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny
fihaingoana masina.
*
3 Ny feon'i
Jehovah no eny ambonin'ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no
mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin'ny rano be.
4 Ny feon'i
Jehovah be hery; Ny feon'i Jehovah be voninahitra.
5 Ny feon'i
Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any
Libanona.
6 Dia
mampitsambikina azy tahaka ny zanak'omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny
zanaky ny ombimanga.
7 Ny feon'i
Jehovah mampisaraka ny lelafo;
8 Ny feon'i
Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr'i Kadesy.
9 Ny feon'i
Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny
samy manao hoe: Voninahitra e!
*
10 Jehovah
nipetraka teo ambonin'ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka
mandrakizay.
11 Jehovah
hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana.
Psaume. Cantique de
dédicace de la maison. De David.
1 [Fisaorana nataon'izay
narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny
nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa
nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.
2 Jehovah
Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3 Jehovah ô, efa
nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody
ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola]
*
4 Mankalazà an'i
Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana]
5 Fa indray mipi-maso
ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany;
amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony
maraina kosa dia misy fihobiana.
6 Ary hoy izaho, raha
mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako]
7 Jehovah ô, noho ny
fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao
Hianao, dia ory aho.
8 Hianao no
nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9 Inona no soa azo
amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara
ny fahamarinanao va izany?
10 Mihainoa, Jehovah
ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11 Efa nampody ny
fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka
nampisikina ahy fifaliana,
12 Mba
hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera
Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
Au chef de musique.
Psaume de David.
1 [Fitarainana nataon'izay
tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah
ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo
amin'ny fahamarinanao aho.
2 Atongilano amiko ny
sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy
batery fiarovana hamonjena ahy.
3 Fa harambatoko sy batery
fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao
ahy.
4 Hanafaka ahy amin'ny
fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana
mafy ho ahy.
5 Eo an-tananao no atolotro
ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny
fahamarinana.
*
6 Halako izay mivavaka
amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga]
7 Hifaly sy ho ravoravo
amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny
fahorian'ny fanahiko,
8 ary tsy mba nangeja ahy teo
an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka
Hianao.
9 Mamindrà fo amiko, Jehovah
ô, fa azom-pahoriana aho; simban'alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny
tenako.
10 Fa lanin'alahelo ny aiko,
sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa
lany ny taolako.
11 Noho ny ataon'ny
fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin'ny namako
aza,sady atahoran'ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra
ahy.
12 Efa hadino tahaka ny olona
maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13 Fa mandre ny endrikendriky
ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy
izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
14 Nefa izaho matoky Anao,
Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
*
15 Eo an-tananao ny androko;
Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16 Ampamirapirato amin'ny
mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
17 Aoka tsy ho menatra aho,
Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka
hangina any amin'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb: Sheola]
18 Aoka hangina ny molotra
mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin'ny avonavona sy ny
fanamavoana.
*
19 Akory re ny haben'ny
zava-tsoanao voarakitrao ho an'ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo
anatrehan'ny zanak'olombelona ho an'izay mialoka aminao!
20 Hanafina azy ao amin'ny
fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona
izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon'ny lela mifanditra
izy.
21 Isaorana anie Jehovah; fa
nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22 Fa hoy izaho tamin'ny
fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon'ny
fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.