[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Joba
Accès direct aux
chapitres de Job : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29, 30, 31, 32, 33, 34, 35, 36, 37, 38, 39, 40, 41, 42
1 [Ny amin'ny toetr'i Joba sy
ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no
anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra
an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
2 Ary niteraka
fito lahy sy vavy telo izy.
3 Ary ny
fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy
borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra
noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
4 Ary fanaon'ny
zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony;
dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro
aminy.
5 Ary isaky ny
tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina
ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny
isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà
an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
6 Ary tamin'ny
indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah
dia mba
7 Dia hoy
Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka
nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
8 Dia hoy
Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy
misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady
matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9 Ary Satana
dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no
atahoran'i Joba an'Andriamanitra?
10 Tsy Hianao
va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay
ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.
11 Fa ahinjiro
ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao
aza* izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
12 Dia hoy
Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany
ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i
Jehovah.
13 Ary tamin'ny
indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny
zananilahy sy ny zananivavy;
14 ary nisy
iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy
nandrasana teo anilany,
15 dia namely
azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny
lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza
aminao.
16 Raha mbola
niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra
latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka
nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17 Raha mbola
niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo
toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany
tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra
hilaza aminao.
18 Raha mbola
niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny
zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
19 ary, indro,
nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia
nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho
irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
20 Dia
nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka
tamin'ny tany ka niankohoka
21 sady nanao
hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no
hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny
anaran'i Jehovah
22 Tamin'izany
rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
1 [Ny
fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy
azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo
anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo
anatrehan'i Jehovah.
2 Dia hoy
Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka
nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 Dia hoy
Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy
misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady
matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny
fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
4 Ary Satana
dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay
rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.
5 Fa ahinjiro
ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo
Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
6 Dia hoy
Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza
asiana.
7 Dia nivoaka
Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny
faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.
8 Dia naka
tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
9 Ary hoy ny
vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza
an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
10 Fa hoy izy
taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny
soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa?
Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
11 Ary rehefa
ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy
niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada
Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy
hampionona azy.
12 Ary nanopy
ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia
nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa
izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.
13 Ary
niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy,
nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa
mafy loatra ny fahoriany.
*
1 [Ny
fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia
niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
2 nanao hoe:
3 Foàna anie ny
andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4 Izany andro
izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony;
ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
5 Aoka ny
aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao
eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina
azy.[Na:handoto azy]
6 Izany alina
izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny
andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
7 Indro izany
alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
8 Aoka hanozona
azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
9 Aoka ho
maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary
aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
10 Satria tsy
nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny
masoko.
*
11 Nahoana re
aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy
tany an-kibo e?
12 Nahoana no nisy
lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
13 Fa raha tsy izany,
dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
14 Teo amin'ny
mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa
rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe]
15 Na teo amin'ny
andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
16 Na efa tsy ary toy
ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny
mazava akory.
17 Any no
itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
18
Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
19 Samy any ny
kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
*
20 Nahoana no
fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny
fangidiana?
21 Izay miandry
fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena
nafenina:
22 Izay faly
indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
23 Dia olona izay
mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.
24 Fa mialoha ny
haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
25 Fa Izay atahorako
no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
26 Tsy mbola nahita
fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny
tebiteby.
*
1 [Ny teny voalohany
nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Raha misy sahy
miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no
mahazaka izany?
3 Indro, efa
nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4 Ny teninao efa
nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5 Nefa ankehitriny
mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka
raiki-tahotra ianao
6 Tsy ny fivavahanao*
va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb.
fahatahoranao]
*
7 Masìna ianao,
tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy
naringana?
8 Araka izay efa
hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
9 Ny
fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no
mahalevona azy.
10 Ny feon'ny olona,
eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
11 Mirenireny ny
lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
*
12 Nisy teny tonga
tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
13 Tamin'ny
eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14 Dia azon-tahotra
sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
15 Ary nisy fanahy
nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16 Nijanona izy, nefa
tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko;
Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
17 Ho marina noho*
Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny
olona?[Na: eo anatrehan']
18 Indro, tsy matoky
ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
19 Koa mainka izay
mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany*, ary mora
poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]
20 Indray andro monja
dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
21 Tsy voaongotra va
ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
1 Miantsoa ange! moa
misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
2 Fa ny adala dia
vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
3 Izaho nahita olona adala
mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
4 Lavitra ny
famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5 Ny vokatry ny
taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika
mitanatana vava hahazo ny fananany
6 Fa tsy mivoaka avy
amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
7 Nefa teraka ho
amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
8 Fa raha toa ahy
kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny
teniko,
9 Dia Izay manao
zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
10 Dia Izay
mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny
amin'ny saha,
11 Ka apetrany
amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
12 Dia Izay mahafoana
ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny
tenany;
13 Ny fahafetsen'ny
hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia
rava;
14 Na dia amin'ny
antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny
mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
15 Fa vonjeny kosa ny
malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny
mahery izy.
16 Dia misy
fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
*
17 Indro, sambatra ny
zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny
famaizan'ny Tsitoha;
18 Fa sady mandratra
Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
19 Amin'ny fahoriana
enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra
aminao.
20 Raha avy ny
mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro
anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;
21 Hampiereny tsy ho
voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
22 Ny fandringanana
sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
23 Fa vita fanekena
amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
24 Ary ho hitanao fa
ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy
misy very ny ao;
25 Ary ho hitanao koa
fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
26 Haharitra ianao
ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary
akarina amin'ny fotoana.
27 Izany ary no izy,
fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
1 [Ny teny
navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Enga anie ka
holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny
fahoriako!
3 Fa
ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia
nirediredy aho.
4 Fa ny
zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny
fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
5 Maneno va ny
boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny
fihinany?
6 Azo hanina va ny
matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody*? [Na:
ranon-tsikobonkobon-danitra]
7 Ny zavatra izay
nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko
ahy aza.
*
8 Enga anie ka ho
azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!
9 Ka ho
sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka
hahamaito ny aiko,
10 Dia hahita
fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy
mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.
11 Inona moa ny
heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny androko]
12 Herim-bato va ny
heriko? Na varahina va ny nofoko?
13 Tsy efa foana va
ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny
faharetana?
*
14 Izay efa
mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny
fahatahorana ny Tsitoha izy.
15 Ny rahalahiko
mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any
an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
16 Izay mainty
azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;
17 Fa raha taninin'ny
hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany
izy;
18 Mivilivily no
fandehany tankina izy ka levona.
19 Ny antokon'i Tema
mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;
20 Very hevitra ireo,
satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
21 Fa ankehitriny efa
tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
22 Moa aho va efa
nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
23 Ary vonjeo amin'ny
tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?
*
24 Mampianara ahy,
dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
25 Endrey ny herin'ny
teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
26 Ny amin'ny teniko
ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
27 Eny, fa na dia ny
kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
28 Fa ankehitriny,
masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy
akory aho.
29 Masìna ianareo,
diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray
aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
30 Moa misy heloka va
eo amin'ny lelako?
1 Tsy
mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy
tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?
2 Toy ny mpanompo
maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,
3 Dia toy izany no
anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho
ahy.
4 Raha vao mandry
aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny
alina*, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]
5 Ny nofoko mitafy
olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
6 Faingana noho ny
famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
7 Tsarovy fa rivotra
ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
8 Tsy hahita ahy
intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
9 Tahaka ny rahona
misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny
fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
10 Tsy hiverina
any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
*
11 Ary izaho
dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho
ny fangidian'ny aiko.
12 Ranomasina va aho,
na trozona, No dia asianao fiambenana?
13 Raha hoy izaho:
Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
14 Dia mampitahotra
ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
15 Ka dia aleon'ny
fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato
fitofezako* izato;[Heb. taolako]
16 Maharikoriko ahy
izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
*
17 Inona moa ny
zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
18 Sady fantarinao
isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
19 Mandra-pahoviana
re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
20 Na dia ho nanota
aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no
dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
21 Ary nahoana no tsy
mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry
any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ
intsony aho.
*
1 [Ny teny voalohany
nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no
hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
3 Andriamanitra va
hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
4 Raha nanota taminy
ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
5 Fa raha ianao kosa
mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
6 Ary raha madio sy
mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy* anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny
fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
7 Ka na dia kely aza
no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
*
8 Fa masìna ianao,
anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
9 (Fa vao omaly isika
ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
10 Tsy ireny va
no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
11 Haniry va ny
zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy
rano?
12 Mbola maitso
izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
13 Toy izany no
lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny
mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy]
14 Fa ho maito ny
fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
15 Miankina amin'ny
tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka
azy iny.
16 Mitsimoka tsara
tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny
tanimboliny;
17 Mifelipelika
mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
18 Kanjo nony
fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy
mbola nahita anao akory aho.
19 Indro, izany ihany
no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny
vovoka.
20 Indro,
Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao
ratsy;
21 Mbola hofenoiny
hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
22 Izay
mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
*
1 [Ny teny
navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Fantatro tokoa fa
izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
3 Raha
te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo
aza.
4 Hendry am-po Izy
sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5 Izay mamindra
tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny
fahatezerany,
6 Ary mampihorohoro
ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
7 Mandidy ny
masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8 Sady Izy
irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9 Manao ireo
kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona
sy ireo kintana maro any atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
10 Ary manao
zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
*
11 Indro,
mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12 Indro, mipaoka
Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13 Andriamanitra tsy
mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo
ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
14 Mainka fa izaho
tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
15 Fa na dia marina
aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany
heriko.
16 Raha mba niantso
aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17 Fa manorotoro ahy
amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18 Sady tsy avelany
haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19 Raha ny
amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20 Na dia marina aza
aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho,
dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 Marina aho, ataoko
tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
*
22 Tsy misy hafa
aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany
avokoa.
23 Raha misy loza*
mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb.
fikapohana]
24 Ny tany efa
voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo
Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25 Ny androko dia
faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26 Mihelina tahaka ny
lakana faingam-pandeha* izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana
zozoro]
*
27 Raha hoy izaho:
Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28 Dia mahatsiravina
ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29 Tsy maintsy hatao
ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30 Na dia mandro
amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
31 Dia hanitrika ahy
any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho
zava-betaveta aho.
32 Fa tsy olona
tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
33 Tsy misy
mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
34 Aoka hanaisotra
ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
35 Dia hiteny aho ka
tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
1 Maharikoriko ahy ny
aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
2 Hanao
amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny
iadianao amiko aho.
3 Mahafaly Anao va ny
hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny
ratsy fanahy?
4 Manana maso nofo va
Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
5 Tahaka ny andron'ny
zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
6 No dia mikaroka
izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
7 Na dia fantatrao
aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
8 Ny tananao ihany no
namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray
aho izao.
9 Masina Hianao,
tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka
indray Hianao!
10 Tsy naidinao toy
ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
11 Eny, notafianao
hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
12 Aina sy
famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
13 Saingy izao
no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
*
14 Raha manota
aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
15 Raha meloka aho,
dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno
henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16 Fa raha sahy
miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina
indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17 Mbola hanangana
vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny
fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
*
18 Ka nahoana
no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala
aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
19 Ary efa toy
ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20 Tsy vitsy va
ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21 Dieny tsy
mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny
fahafatesana,
22 Ho any
amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny
fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
*
1 [Ny teny
voalohany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 Moa tsy
hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
3 Ny bedibedinao va
no hampangina ny olona? Ka
dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
4 Ary dia
hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5 Enga anie ka
hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
6 Dia hasehony
aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany* izany, ka dia ho fantatrao fa
tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
7 Takatry ny sainao
va ny fomban*'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny
famantarana an']
8 Avo tahaka ny
lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita*! ka
inona no fantatrao? [Heb.
Sheola]
9 Lava noho ny
tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
10 Raha mandroso Izy
ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
11 Fa Izy
mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory
aza Izy*.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]
12 Koa na dia ny
olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza
dia hateraka ho olombelona*.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena;
Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]
*
13 Raha
ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
14 Ka misy
heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra
ao an-dainao;
15 Dia hahazo
hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy
hatahotra;
16 Fa ho hadinonao ny
fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
17 Ary hamirapiratra
lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia
ho tonga tahaka ny maraina.
18 Hatoky ianao,
satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy
amin'ahiahy.
19 Dia ho tafandry
ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
20 Fa ny mason'ny
ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna
aina ihany no hany sisa azony antenaina.
*
1 [Ny teny
navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Marina ary fa
ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 Kanefa izaho mba
manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa
no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
4 Tonga
fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka
novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
5 Endrehin-datsa ny
ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela
mangozohozo ny latsa*.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny
hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]
*
6 Mandry fahizay ny
lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra
an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny
7 Kanefa anontanio
ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara
aminao izy;
8 Ary makà saina*
amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina
hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]
9 Iza no tsy
mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan'i
Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]
10 Izay mitana ny
ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?
11 Moa tsy ny sofina
va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12 Ao amin'ny fotsy
volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13 Ao
amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy
fahalalana.
14 Indro, mandrava
Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
15 Indro, manampina
ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
16 Izy no
manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny
mpamitaka.
17 Alany voninahitra
ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.
18 Vahany ny
fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
19 Alàny voninahitra
ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
20 Koroiny ny
laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.
21 Mandatsaka
fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.
22 Manala rakotra
izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo
amin'ny mazava.
23 Mahalehibe ny
firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa
mitondra azy hody indray.
24 Mahavery
saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy
lalana;
25 Mitsapatsapa
amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo
Izy.
1 Indro, izany
rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
2 Izay
fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3 Kanefa raha izaho,
dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4 Fa ianareo kosa dia
mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
5 Enga anie ka hangina
mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
*
6 Masìna ianareo,
henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7 Hanao teny tsy
marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va
ianareo?
8 Hiangatra ho Azy va
ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo
9 Ho tsara aminareo
va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka
zanak'olombelona va Izy?
10 Hanameloka anareo
mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
11 Tsy hampahatahotra
anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy
aminy?
12 Ireo teny
tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny
mandanareo.
13 Mangina, ka mialà
amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
*
14 Nahoana no
hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra
aho*.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
15 Na dia hamono ahy
aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany
aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
16 Ary izao no ho
famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary
ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]
17 Mihainoa dia
mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
18 Indro, fa efa
voatoriko* ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
19 Iza no hahazo
hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
*
20 Izao zavatra roa
loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
21 Esory hanalavitra
ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
22 Dia miantsoa, fa
izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
23 Firy ary ny heloko
sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
24 Nahoana no
manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
25 Moa izay
ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina
avy va no enjehinao?
26 Fa zava-mangidy no
tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
27 Dia mampiditra ny
tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny
hodiavin'ny tongotro dia feranao.
28 Dia izaho ity izay
mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana
lanin'ny kalalao.
1 Ny olona
tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
2 Mitsimoka tahaka ny
voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy
mitoetra.[Na: malazo]
3 kanefa amin'izay
toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao
hifandahatra aminao amin'ny fitsarana*![Na: fitsaranao]
4 Aiza no misy
madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
5 Raha voafetra
ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy
azony ihoarana,
6 Dia mihodina
tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*'ny androny toy ny
mpikarama.[Na: hotaperany]
7 Fa azo
antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray,
ka tsy maintsy hisy ny solofony;
8 Na dia efa
tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny
fotony,
9 Raha mahare ny
fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora
nambolena.
10 Fa ny olona kosa
maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
11 Ny rano
miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
12 Ary toy
izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy
hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
*
13 Enga anie ka
hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy
mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia
hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
14 Raha maty ny
olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro
fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako*.[Na: fiovako]
15 Dia hiantso
Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
16 Fa ankehitriny
manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
17 Efa voaisy
tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
18 Kanefa na dia ny
tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra
hiala amin'ny fitoerany;
19 Lanin'ny rano ny
vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny
fanantenan'ny zanak'olombelona.
20 Mandresy azy ho
mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
21 Omem-boninahitra
ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
22 Ny mihatra amin'ny
tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no
mampalahelo ny fanahiny.
*
1 [Ny teny
fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Tokony handahatra
hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any
atsinanana va,
3 Ary hamaly
amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
4 Eny, foananao
ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo
anatrehany;[Na: hamavoinao]
5 Fa ny helokao
no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho
ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]
6 Ny vavanao
ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
*
7 Hianao va no
voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny
tendrombohitra va ianao?
8 Isan'ny mpihevitra
teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9 Inona no fantatrao,
ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
10 Ny anti-panahy sy
ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11 Ataonao ho
tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao
amin'ny fahalemem-panahy?
12 Nahoana no dia
entin'ny fonao ianao? Ary
nahoana no mipipy foana ny masonao,
13 Ka miefonefona
amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
14 Inona ny
zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15 Indro, ireo
anjeliny* aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb.
masina]
16 Koa mainka fa izay
vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
*
17 Hanambara aminao
aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
18 Dia zavatra
notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;
19 Ireny ihany no
nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20 Ny ratsy fanahy
mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho
an'ny lozabe.
21 Feo mampitahotra
no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny
mpandroba.
22 Tsy manantena ho
afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
23 Mirenireny hitady
izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro
maizina.
24 Fahoriana sy
fahaporitana* no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa
vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
25 Satria naninjitra
ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26 Mimaona amin'ny
fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
27 Satria efa
matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
28 Ary monina ao
an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa
voatendry ho korontam-bato.
29 Tsy hanan-karena
izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra* ambonin'ny tany ny
fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]
30 Tsy ho afaka
amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny
fofonain'Andriamanitra izy.
31 Aoka tsy ho
voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32 Raha mbola tsy
tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
33 Ho tahaka ny
voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka
ny voniny.
34 Fa tsy ho vanona
ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy*, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny
mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]
35 Torontoronina
fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
*
1 [Ny teny
navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Efa nandre zavatra
maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
3 Efa tapitra va izay
ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
4 Izaho kosa mba
mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo
manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
5 Mahazo mampahery anareo
amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana
ataon'ny molotro.
*
6 Na dia miteny aza
aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy
mihena izany.
7 Fa ankehitriny efa
nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
8 Ary efa nampifezaka
ny tenako Hianao*, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga
ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
9 Amin'ny
fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny,
miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
10 Nisanasana vava
tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy
izy.
11 Efa
voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo
an-tànan'ny mpanota.
12 Tamin'ilay izaho
tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho
ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
13 Manodidina ahy ny
mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny
aferoko ho amin'ny tany.
14 Bangabangainy
lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
15 Lamba fisaonana*
no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny
tandroko.[Heb. lamba malailay]
16 Ny tavako
tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
17 Kanefa tsy
misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
18 Ry tany ô,
aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
19 Fa na dia
ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko
dia any amin'ny avo.
20 Na dia
mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra
kosa aho,
21 Mba
hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy
zanak'olombelona amin'ny sakaizako*.[Heb. sakaizany]
22 Fa rehefa
lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony
aho.
1 Efa ho ritra
ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
2 Eny,
fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko
aho.
3 Masina
Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety
hiantoka ahy?
4 Fa ny
fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy
hanandratanao azy.
5 Izay
manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.
*
6 Ary efa nanao
ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
7 Efa pahina ny
masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8 Ankona noho
izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny
mpihatsaravela-tsihy.40
9 Fa ny marina
mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
10 Avia avokoa indray
ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
*
11 Mihelina ny
androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;
12 Ny alina
ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny
maizina.
13 Raha mbola misy
antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita* fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no
hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
14 Ny fasana* no
nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny
fahalòvana]
15 Fa aiza ary ny
fanantenako? Ary iza no mahita azy?
16 Midina any amin'ny
vavahadin'ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny
vovoka aho.[Heb. Sheola]
*
1 [Ny teny
fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 Mandra-pahoviana no
hamandrika teny ianareo? Mba
hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
3 Sao ataonareo
ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
4 Ry ilay
mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho
lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
5 Tsy izany, fa
ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
6 Ny mazava
manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
7 Etena ny
herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
8 Fa ny tongony
ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny
harato izy;
9 Azon'ny
fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
10 Miafina ao
amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
11 Fampitahorana no
mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
12 Liana azy ny
loza*, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]
13 Eny, laniny
tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny
fahafatesana.
14 Ongotana
hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay
mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
15 Izay tsy
taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
16 Maina ny
fakany ao ambany, ary tapaka* ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
17 Ny
fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany
izy.
18 Roahina
hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao
tontolo izao.
19 Tsy manana
fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao
amin'ny fonenany.
20 Ny manjo azy
dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
21 Izany tokoa
no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala
an'Andriamanitra.
*
1 [Ny teny
navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2
Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy
amin'ny fiteny?
3 Efa im-polo izay
no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
4 Ary raha diso
tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
5 Raha
mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6 Dia aoka ho
fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy
tamin'ny fandrika haratony.
7 Indro, miantso mafy
aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8 Ny lalako dia
nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana
alehako.
9 Ny voninahitro
nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
10 Efa nandrava ahy
manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny
fanantenako.
11 Dia nampirehetiny
tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
12 Miara-mandroso ny
antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby
manodidina ny laiko.
13 Ny rahalahiko efa
nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
14 Efa tsy misy eto
intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
15 Ny vahiny izay
mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa;
Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
16 Antsoiko ny
mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
17 Ny fofonaiko
mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
18 Eny, ny ankizilahy
madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy
ireny.
19 Na dia izay
nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay
olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
20 Ny taolako
miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany
sisa azoko enti-mandositra.
*
21 Mamindrà fo amiko,
mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa
mikasika ahy.
22 Nahoana no
manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny
nofoko?
23 Enga anie ka ho
voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
24 Enga anie ka ho
voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho
mandrakizay izy!
25 Kanefa raha izaho,
dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo
ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany]
26 Ary rehefa levona
ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita
an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]
27 Eny, izaho
no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana
ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako]
28 Raha hoy
ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny
mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy]
29 Dia matahora ny
sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra,
mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
*
1 [Ny teny
fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 Noho izany dia
mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho* ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany
no mahatonga]
3 Reko lalandava ny
anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
4 Tsy fantatrao va fa
hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny
tany,
5 Dia vetivety foana
ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny
mpihatsaravelatsihy?44
6 Fa na dia mipaka
amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
7 Dia ho very
mandrakizay toy ny dikiny* ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza
izy?[Na: ny tain'omby atainy]
8 Manidina tahaka ny
nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny
alina izy.
9 Ny maso izay
mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony
ny fitoerany.
10 Ny zanany
hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11 Ny taolany
dia feno ny herin'ny fahatanorana*, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka
izany.[Na: ota tsy fantatra]
12 Na dia mamy
ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
13 Ary tsitsiny
ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
14 Dia miova ny
haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
15 Harena no
nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 Ny poizin'ny
vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17 Tsy ho faly
mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18 Tsy azony
atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny
hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19 Fa nampahory
sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20 Satria tsy
mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany
indrindra izy.
21 Tsy misy tsy
tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22 Ho
poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no
hamely azy.
23
Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny,
halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24 Raha
mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25 Tsoahany
izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy
amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
26 Ny
aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro
azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
27 Hambaran'ny
lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
28 Ho lasa ny harena
tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.
29 Izany no anjaran'ny
ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
*
1 [Ny teny
navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Mihainoa dia
mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
3 Mandefera amiko ianareo,
fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà
ihany indray ianareo.
4 Raha ny amiko, moa
ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny
fanahiko?
5 Jereo aho, dia aoka
ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
6 Eny, raha
mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
7 Nahoana no
velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
8 Ny zanany koa
mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
9 Ny ankohonany
miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
10 Ny
ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11 Mamoaka ny
zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12 Mihoby
mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
13 Mandany ny
androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany
any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
14 Kanefa anie ireo
no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny
lalanao.
15 Zinona izay
Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
16 Indro, tsy
avy amin'ny tenany* ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny
ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
*
17 Indraindray
foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary
amelaran'Andriamanitra fandrika ireny* noho ny fahatezerany,[Na:
izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]
18 Ka tonga
tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny
tafio-drivotra.
19
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia;
fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
20 Aoka ny
masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro
ny fahatezeran'ny Tsitoha.
21 Fa
mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny
androny?
22 Moa Andriamanitra
va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb.
avo]
23 Maty ny anankiray,
raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana
ahiahy;
24 Feno ronono ny
fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
25 Ary ny anankiray
maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
26 Samy mandry ao
amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
*
27 Indro, fantatro ny
hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
28 Fa hoy ianar