[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
Estera
Accès
direct aux chapitres d’Esther : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10
1 [Ny fanasana
lehibe nataon'i Ahasoerosy, ary ny nanesorana an'i Vasty vadiny] Ary tamin'ny
andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka
hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny
fanjakany),
2 dia
tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny
fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3 tamin'ny
taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny
mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i
Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny
fanjakany;
4 ary nasehony
andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny
fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
5 Ary rehefa
tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na
lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo
amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
6 ary nisy
lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy
volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary
nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora
fotsy sy hara ary marmora mainty.
7 Ary ny olona
dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary
betsaka ny divain'andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.
8 Ary ny
nisotroan'ny olona dia araka ny tenin'andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy
izany no nandidian'ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan'ny
olona araka izay sitrapony avy.
9 Ary Vasty,
vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny
tranom-panjakana, izay an'i Ahasoerosy mpanjaka.
10 Ary tamin'ny
andro fahafito, nony faly ny fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny
Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa,
tsindranolahy* fito izay nanompo teo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka, [Heb.
ionoka]
11 ba hitondra
an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry
ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa
maha-te-hizaha izy.
12 Fa Vasty,
vadin'ny mpanjaka, nandà ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy* ka tsy
nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny
fahatezerany.[Heb. ionoka]
13 Dia hoy ny
mpanjaka tamin'ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny
raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
14 ary ny teo
akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana,
mpanapaka fito tamin'i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin'ny mpanjaka ka
nipetraka tamin'ny fitoerana aloha teo amin'ny fanjakana):
15 Ahoana no
hanaovana an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy
nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin'ny tsindranolahy* izy?
[Heb. ionoka]
16 Dia namaly
Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny
mpanjaka ihany no nanaovan'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa
tamin'ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran'ny
fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka;
17 fa hiely any
amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka
hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy
mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety
izy.
18 Ary na dia
amin'izao andro izao aza ny andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny
nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra
voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny
faniratsirana.
19 Koa raha
sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny
mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa
tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny
voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara
noho izy.
20 Ary raha
torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay
hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny
vehivavy rehetra.
21 Dia sitraky
ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i
Memokana ny mpanjaka,
22 ka
nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny
mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny
fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy
hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
*
1 [Ny
nifidianana an'i Estera ho vadin'i Ahasoerosy] Rehefa afaka izany, nony efa
nionona ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an'i Vasty sy izay
efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
2 Ka dia hoy
ireo zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana
zazavavy virijina tsara tarehy;
3 ary aoka ny
mpanjaka hanendry olona any amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra,
dia aoka hovorin'ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana
renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny
mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
4 koa izay
zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an'i Vasty. Dia sitraky ny
mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
5 Ary nisy
Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak'i Jaira,
zanak'i Simey, zanak'i Kisy, avy tamin'ny taranak'i Benjamina,
6 izay efa
nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i
Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i
Babylona.
7 Ary izy
nitaiza an'i Hadasa (Estera izany), zanakavavin'ny rahalahin-drainy, izay tsy
nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary
noraisin'i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
8 Koa nony re
ny tenin'ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny
zazavavy maro ho andin'ny fehin'i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny
mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
9 Ary nahafaly
azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy
ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina
homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny
fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
10 Nefa Estera
tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay
mba tsy hilaza izany izy.
11 Ary Mordekay
nitsangantsangana isanandro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, mba
hahafantarany izay toetran'i Estera sy izay anaovana azy.
12 Ary nony
tonga ny andro hidiran'ny zazavavy tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy
mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba
fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin'izay ny andro fidiovany, dia
enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin'ny zava-manitra
sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny vehivavy),
13 koa nony
hiditra ao amin'ny mpanjaka ny zazavavy tamin'izany, dia nomena azy izay
rehetra nilainy ho entiny avy amin'ny tranom-behivavy ho ao an-tranon'ny
mpanjaka.
14 Tamin'ny
hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa
nitoeran'ny vehivavy, ho amin'ny fehin'i Sasegaza, tsindranolahin'1 ny
mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin'ny
mpanjaka intsony izy, raha tsy tian'ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
15 Ary rehefa
tonga ny anjara-andron'i Estera, zanakavavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay
izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon'ny mpanjaka, dia tsy
nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin'i Hegay,
tsindranolahin*' ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia
teo imason'ny olona rehetra izay nijery azy.
16 Dia nentina
ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon'ny fanjakana, tamin'ny
volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin'ny taona fahafito nanjakany.
17 Ary tian'ny
mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka
teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny
satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.
18 Ary ny
mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia
fanasan'i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an'ny fanjakana rehetra
isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen'ny mpanjaka.
19 Ary raha
nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka
Mordekay.
20 Nefa Estera
tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan'i
Mordekay azy ihany; fa ny tenin'i Mordekay dia nankatoavin'i Estera tahaka ny
fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
21 Tamin'izany
andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka, dia tezitra
Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ilay
mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka izy.
22 Ary
fantatr'i Mordekay izany ka nambarany tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka; dia
nambaran'i Estera tamin'ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain'i Mordekay
azy.
23 Atỳ
rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona
tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo
anatrehan'ny mpanjaka izany.
*
1 [Ny
fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay, sy ny hevitra nataony handringanana ny
Jiosy] Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka
Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony
teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
2 Ary ny
mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika
sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa
Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
3 Dia hoy ny
mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay:
Nahoana ianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?
4 Nefa na dia
niteny taminy isan'andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka
nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany
Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.
5 Ary rehefa
hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo
anatrehany, dia tezitra loatra izy.
6 Ary nataon'i
Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery
ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny
Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
7 Tamin'ny
volana voalohany (volana Nisana izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo
nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo
anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan'andro isan'andro sy ny isam-bolana
isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany)
8 Ary hoy
Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka
eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna
noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary
tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
9 koa raha
sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta
volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha aho ho entina ao
an-trano firaketan'ny mpanjaka.
10 Dia
nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i
Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy.
11 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa
hanaovanao azy araka izay sitrakao.
12 Dia
nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo
tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i
Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny
mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy,
ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i
Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra
fanombohan'ny mpanjaka.
13 Ary ny
taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny
fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy
rehetra, na tanora na antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny
indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana
faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
14 Ny kopen'ny
teny izay natao didy ho amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba
ho hitan*'ny olona rehetra hampiomana azy ho amin'izany andro izany.[Na: dia
novakina tamin']
15 Dia nivoaka
ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana
renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny
tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
1 [Ny
alahelon'ny Jiosy, ary ny nataon'i Mordekay sy Estera mba tsy hahatanterahan'i
Hamana izay nokasainy] Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia
nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona,
dia nankeo afovoan'ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
2 ary tonga teo
anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo
amin'ny vavahadin'ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
3 Ary tany
amin'ny isan-tokony tamin'ny fanjakana rehetra nalehan'ny tenin'ny mpanjaka sy
ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary
nidradradradra, sady maro no nandry tamin'ny lamba fisaonana aman-davenona.
4 Ary niditra
ny ankizivavin'i Estera sy ny tsindranolahiny* ka nilaza izany taminy. Dia
nalahelo indrindra ny vadin'ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin'i
Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray
izy.[Heb. ionoka]
5 Ary Estera
niantso an'i Hatàka, tsindranolahin*' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy,
ka nampitondra teny azy ho any amin'i Mordekay, mba hahafantarany izay
anton'izany.
6 Dia nivoaka
Hatàka nankany amin'i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo
anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka;
7 dia
nambaran'i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan'ny vola izay
nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny mpanjaka noho ny
handringanana ny Jiosy.
8 Ary nomeny
azy koa ny kopen'ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba
haseho amin'i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao
amin'ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an'ny fireneny.
9 Ary tonga
Hatàka ka nanambara ny tenin'i Mordekay tamin'i Estera.
10 Fa Estera naniraka
an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe:
11 Ny mpanompon'ny
mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa
na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na
vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy
izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho
anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo
andro izay.
12 Dia nolazaina
tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera.
13 Ary Mordekay
nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka
mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka;
14 fa raha hangina
mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy
amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa
dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy
no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana?
15 Dia nampitondra
valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
16 Mandehana ary,
vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka
aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny
ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka,
na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
17 Dia lasa Mordekay
ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.
1 [Ny naneken'ny
mpanjaka ny tenin'i Estera, sy ny fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay] Ary nony
tamin'ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana
teo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny mpanjaka, dia teo anoloan'ny
tranon'ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin'ny seza
fiandrianan'ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin'ny vavahadin'ny trano.
2 Ary nony hitan'ny
mpanjaka fa, indro, Estera, vadin'ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia
nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny
tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny
loha-tehina.
3 Dia hoy ny mpanjaka
taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka, ary inona no
tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao
izany.
4 Dia namaly Estera
ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio
amin'ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
5 Dia hoy ny
mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin'i Estera. Ary ny
mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.
6 Ary hoy ny mpanjaka
tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao
izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana
aza, dia homena Izany.
7 Dia namaly Estera
ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
8 Raha mahita fitia
eto imason'ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy
hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin'ny fanasana
izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin'ny
mpanjaka ihany aho.
9 Dia nivoaka
tamin'izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita
an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana
na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
10 Kanefa nanindry fo
ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany
sy Zaresy vadiny izy.
11 Ary nambaran'i
Hamana tamin'ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan'ny zanany mbamin'Izay
voninahitra rehetra nomen'ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho
ny mpanapaka sy ny mpanompon'ny mpanjaka.
12 Ary hoy koa
Hamana: He! Estera, vadin'ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany
hiaraka amin'ny mpanjaka ho amin'ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy
hiaraka amin'ny mpanjaka aho koa rahampitso.
13 Nefa na dia
izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita
an'i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka aho.
14 Dia hoy
Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo
hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona
eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any
amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia
nampanao ilay hazo izy.
*
1 [Ny
nanandratana an'i Mordekay, sy ny alahelon'i Hamana noho izany] Ary tamin'iny
alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny
tantara; ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
2 Ka, indro,
voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny
tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady
hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.
3 Ary hoy ny
mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay
noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy
nomena azy.
4 Ary hoy ny
mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao
an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny
amin'ny hanantonana an'i Mordekay amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana
azy.
5 Ka hoy ny
zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy
ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
6 Dia niditra
Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy
tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza
indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
7 Ka dia hoy Hamana
tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,
8 aoka halaina
izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa
nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
9 dia aoka
izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay
malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay
lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka
hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna,
ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay
tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
10 Dia hoy ny
mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny
voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo
am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
11 Dia nalain'i
Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary
nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo
an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay
tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
12 Ary Mordekay
niverina nankeo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho
any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13 Dia
nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra
nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy
amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo
anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
14 Ary raha
mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin*' ny mpanjaka ka
naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb.
ionoka]
1 [Ny
nanonganana an'i Hamana sy ny namonoana azy] Ary ny mpanjaka sy Hamana dia
nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho ao amin'ny fanasana
2 Ary hoy
indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa
inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no
tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina
izany.
3 Dia namaly Estera,
vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry
mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako
ary ny fireneko araka ny fangatahako;
4 fa namidy izahay,
dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha
tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho;
kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
5 Dia namaly
Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa
izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory?
6 Fa hoy Estera: Io
Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo
anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana.
7 Ary tezitra dia
tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny
an-tanimbolin'ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin'i
Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy.
8 Ary ny mpanjaka
niverina avy teo an-tanimbolin'ny trano ho ao amin'ilay efa nisotroany divay
teo, ary Hamana sendra niapoka tamin'ny farafara nandrian'i Estera. Dia hoy ny
mpanjaka: Moa hisavika ny vadin'ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io?
Raha vantany vao naloaky ny vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy
nanarona ny tavan'i Hamana
9 Ary Harbona,
tsindranolahy* anankiray, izay teo anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro
miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony,
izay nataon'i Hamana hanantonany an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny
mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin'io izy. [Heb. ionoka]
10 Ary Hamana dia
nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao
izay no nionona ny hatezeran'ny mpanjaka.
1 [Ny nanandratana
an'i Mordekay, sy ny nahazoan'i Estera teny avy amin'ny mpanjaka ka hamela ny
Jiosy hiaro tena] Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho
an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary
Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy
2 Ary nesorin'ny
mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny
an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
3 Dia niteny teo
anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka
nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny
hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
4 Ary ny mpanjaka
nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona
teo anatrehan'ny mpanjaka
5 ary nanao hoe: Raha
sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka
ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova
ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany
hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
6 fa hataoko ahoana
no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny
fandringanana ny havako?
7 Dia hoy Ahasoerosy
mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny
tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny
hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
8 ary ianareo kosa
dia manorata amin'ny anaran'ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka
tombohy amin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny
soratra izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka
tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka
9 Dia nantsoina
tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo
tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay
rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy
ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany
Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany
avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany
sy araka ny fiteniny.
10 Ary nanoratra
taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny
peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa
mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny
soavalivavy;
11 ka ny Jiosy izay
teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary
handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra
izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany
12 amin'ny andro iray
ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia
amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo
(volana Adara izany).
13 Ny kopen'ny teny
natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny
olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny
fahavalony.
14 Dia lasa ny
tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka
nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana
renivohitra koa ny lalàna.
15 Ary tamin'ny
nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana
manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo
akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana
Sosana.
16 Ny Jiosy dia nahazo
fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
17 Ary teo amin'ny
isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny
didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy
sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga
Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
*
1 [Ny naharesen'ny
Jiosy ny fahavalony izay nikasa handringana azy] Ary tamin'ny andro fahatelo
ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany),
rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia
ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra
(kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
2 dia nivory tany
an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i
Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy
olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana
azy.
3 Ary ny mpanapaka
rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora
mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny
fahatahorana an'i Mordekay izy.
4 Fa Mordekay dia
lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony
eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
5 Ary nasian'ny Jiosy
ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa
nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.
6 Ary tany Sosana
renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;
7 ary Parsandata sy
Dalfona sy Aspata
8 sy Porata sy
Adalia sy Aridata
9 sy Parmasta
sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
10 izy folo
lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa;
kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
11 Androtrizay
ihany dia nambara tamin'ny mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.
12 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny
Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i
Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny
fanjakan'ny mpanjaka! Dia
inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa
homena izany.
13 Dia hoy Estera:
Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny
natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy
folo lahy, zanak'i Hamana.
14 Dia nasain'ny
mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy
folo lahy, zanak'i Hamana.
15 Dia nivory indray
ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny
volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany
tsy mba norobainy tsy akory.
16 Ary ny Jiosy
sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka
afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa
ny fananany tsy mba norobainy)
17 tamin'ny andro
fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin'ny andro
fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
18 Fa ny Jiosy izay
tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy
tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro
fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy
firavoravoana.
19 Koa noho izany ny
Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny
andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana
sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.
20 [Ny nanendrena ny
andro firavoravoana Porima, sy ny fahalehibiazan'i Mordekay] Ary Mordekay
nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny
Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy
mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
21 mba hampitandrina
azy ny andro fahefatra ambin'ny folo sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny
volana Adara isan-taona,
22 dia araka ny andro
nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny
alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro
fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny
mahantra izany.
23 Ary ny Jiosy
nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan'i Mordekay
taminy,
24 satria Hamana,
zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana
ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;
25 fa raha nankeo
anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina
ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny
Jiosy, ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.
26 Izany no nanaovana
ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora*. Ary araka ny teny
rehetra tamin'izany taratasy izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa
nanjo azy izany [Pora = Filokana]
27 dia nanao lalàna
tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray
aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny
fotoany isan-taona;
28 ary mba
hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny
fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny
isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy
hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.
29 Ary Estera,
vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra
tamin'ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima
izany.
30 Ary nampitondra
taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby
roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy
fahamarinana,
31 mba hampitandrina
azy Ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay
Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka. azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny
tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.
32 Ary ny tenin'i
Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao
amin'ny boky izany.
*
1 Ary
Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.
2 Ary izay
rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin'ny filazana ny
fahalehibiazan'i Mordekay, araka izay nanandratan'ny mpanjaka azy, tsy efa
voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Media sy
3 Fa Mordekay
Jiosy no nanarakaraka an'i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin'ny Jiosy ka
nankasitrahan'ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady
nilaza fiadanana tamin'ny olona rehetra iray firazanana aminy.