[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intéręt]

 

1 Tantara

 

Accčs direct aux chapitres de 1 Chroniques : 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24, 25, 26, 27, 28, 29

 

Chapitre 1

1 [Filaharan'ny firazanana hatramin'i Adama ka hatramin'i Abrahama] Adama, Seta, Enosy,

2 Kenana, Mahalalila, Jareda,

3 Enoka, Metosela, Lameka,

4 Noa, Sema, Hama ary Jafeta.

 

5 Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseta ary Tirasa.

6 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.

7 Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima ary ny Dodanita.

 

8 Ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.

9 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragarna ary Sabteka. Ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.

10 Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery teo ambonin'ny tany.

11 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita

12 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita (izay nihavian'ny Filistina) ary ny Kaftorita.

13 Ary Kanana niteraka an'i Sidona, lahimatoany, sy Heta

14 ary ny Jebosita sy ny Amorita sy ny Girgasita

15 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita

16 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Harnatita.

 

17 Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpahada sy Loda sy Arama sy Oza sy Hola sy Gatera ary Maseka.

18 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.

19 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega*, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.[Palega = Fizarana]

20 Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera

21 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla

22 sy Ebala sy Abimaela sy Sheba

23 sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.

24 Sema, Arpaksada, Sela,

25 Ebera, Palega, Reo,

26 Seroga, Nahora, Tera,

27 Abrama (dia Abrahama izany).

 

28 [Ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Esao sy Jakoba] Ny zanakalahin'i Abrahama dia Isaka sy Isimaela.

29 Izao no taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, dia Kedara sy Abdela sy Mibsama

30 sy Misma sy Doma sy Masa sy Hadada sy Tema

31 sy Jetora sy Nafisy ary Kedma. Ireo no zanakalahin'Isimaela.

32 Ary ny zanakalahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama. Izy no niteraka an'i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin'i Joksana dia Sheba sy Dedana.

33 Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Ketora.

 

34 Ary Abrahama niteraka an'Isaka. Ny zanakalahin'i Isaka dia Esao sy Isiraely.

35 Ny zanakalahin'i Esao dia Elifaza sy Regoela sy Jeosy sy Jalama ary Kora.

36 Ny zanak'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama sy Kenaza sy Timna ary Amaleka.

37 Ny zanakalahin'i Regoela dia Nahata sy Zera sy Sama ary Miza.

 

38 Ary ny zanakalahin'i Seira dia Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana sy Disona sy Ezera ary Disana.

39 Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana.

40 Ary ny zanakalahin'i Sobala dia Aliana sy Manahata sy Ebala sy Sefy ary Onama. Ary ny zanakalahin'i Zibona dia Aia sy Ana.

41 Ary ny zanakalahin'i Ana dia Disona. Ary ny zanakalahin'i Disona dia Hamrana sy Esbana sa Jitrana ary Kerana.

42 Ary ny zanakalahin i Ezera dia Bilana sy Zavana ary Jakana. Ny zanakalahin'i Disana dia Oza sy Arana.

 

43 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely: Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanānany.

44 Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera, avy any Bozra.

45 Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama, avy any amin'ny tanin'ny Temanita.

46 Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanānany.

47 Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy any Masreka.

48 Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy any Rehobota eo amoron'ny Ony.

49 Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.

50 Ary maty Bala-hanana, dia nanjaka nandimby azy Hadada; ary Pao no anaran'ny tanānany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.

51 Dia maty koa Hadada. Ary ny loham-pirenen'i Edoma dia Timna loham-pireneny, Alva loham-pireneny, Jetata loham-pireneny,

 

 

52 Oholibama loham-pireneny, Elaha loham-pireneny, Pinona loham-pireneny,

53 Kenaza loham-pireneny, Temana loham-pireneny, Mibzara loham-pireneny,

54 Magdiela loham-pireneny, Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenen'i Edoma.

Chapitre 2

1 [Ny amin'ny zanakalahin'Isiraely, sy ny taranak'i Joda, ary ny fonenany] Izao no zanakalahin'Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona

2 sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.

*

3 Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.

4 Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an'i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin'i Joda rehetra.

5 Ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.

6 Ary ny zanakalahin'i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.

7 Ary ny zanakalahin'i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin'ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona*.[Heb; natao herema]

8 Ary ny zanakalahin'i Etana dia Azaria.

9 Ary ny zanakalahin'i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;

10 ary Rama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona, lohan'ny taranak'i Joda;

11 ary Nasona niteraka an'i Salma; ary Salma niteraka an'i Boaza;

12 ary Boaza niteraka an'i Obeda; ary Obeda niteraka an'i Jese;

13 ary Jese niteraka an'i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,

14 sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,

15 sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;

16 Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin'i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;

17 ary Abigaila niteraka an'i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain'i Amasa.

18 Ary Kaleba, zanakalahin'i Hezrona, niteraka tamin'i Azoba vadiny sy tamin'i Jeriota. Izao no zanakalahin'i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.

19 Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain'i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an'i Hora taminy;

20 ary Hora niteraka an'i Ory; ary Ory niteraka an'i Bezalila.

21 Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;

22 ary Segoba niteraka an'i Jaira, izay nanana tanāna madinika telo amby roa-polo tany amin'ny tany Gileada.

23 Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanāna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanāna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i Gileada.

24 Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy.

25 Ary ny zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.

26 Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin'i Onama.

27 Ary ny zanakalahin'i Rama, lahimatoan'i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.

28 Ary ny zanakalahin'i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin'i Samay dia Nadaba sy Abisora.

29 Ary ny anaran'ny vadin'i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an'i Abana sy Molida taminy.

30 Ary ny zanakalahin'i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.

31 Ary ny zanakalahin'i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin'i Sesana dia Ahelay.

32 Ary ny zanakalahin'i Jada, rahalahin'i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.

33 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin'i Jeramela.

34 Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.

35 Ary ny zananivavy nomen'i Sesana ho vadin'i Jara mpanompony; ary izy niteraka an'i Atahy taminy.

36 Ary Atahy niteraka an'i Natana; ary Natana niteraka an'i Zabada;

37 ary Zabada niteraka an'i Efiala; ary Efiala niteraka an'i Obeda;

38 ary Obeda niteraka an'i Jeho; ary Jeho niteraka an'i Azaria;

39 ary Azaria niteraka an'i Haleza; ary Haleza niteraka an'i Elasa;

40 ary Elasa niteraka an'i Sismay; ary Sismay niteraka an'i Saloma;

41 ary Saloma niteraka an'i Jekamia; ary Jekamia niteraka an'i Elisama.

42 Ary ny zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny any Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresa, razamben'ny any Hebrona.

43 Ary ny zanakalahin'i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.

44 Ary Sema niteraka an'i Rahama, rain'i Jorkeama, ary Rakema niteraka an'i Samay;

45 ary ny zanakalahin'i Samay dia Maona, ary Maona no razamben'ny any Beti-zora;

46 ary Efaha, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an'i Gazeza.

47 Ary ny zanakalahin'i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.

48 Maka, vaditsindranon'i Kaleba, niteraka an'i Sabera sy Tirana.

49 Izy koa niteraka an'i Safa, razamben'ny any Madmana, sy Seva, razamben'ny any Makbena sady razamben'ny any Gibea; ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa.

 

50 Izao no zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata: Sobala, razamben'ny any Kiriata-Jearima,

51 Salma, razamben'ny any Betlehema, Harefa, razamben'ny any Beti-gadera.

52 Ary Sobala, razamben'ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota

53 ary ny fokon'i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraita; avy tamin'ireo no nihavian'ny Zoraita sy ny Estaolita.

54 Ny zanakalahin'i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraita

55 ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.

*

Chapitre 3

1 [Ny taranak'i Davida] Ary izao no zanakalahin'i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;

2 Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra;

3 Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak'i Egla vadiny, no fahenina.

4 Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.

5 Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela)

6 sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta

7 sy Noga sy Nafega sy Jafia

8 sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.

9 Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin'ireo.

10 Ary ny zanakalahin'i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin'i Abia, Josafata no zanakalahin'i Asa,

11 Jehorama no zanakalahin'i Josafata, Ahazia no zanakalahin'i Jehorama. Joasy no zanakalahin'i Ahazia,

12 Amazia no zanakalahin'i Joasy, Azaria no zanakalahin'Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,

13 Ahaza no zanakalahin'i Jotama Hezekia no zanakalahin'i Ahaza, Manase no zanakalahin'i Hezetia,

14 Amona no zanakalahin'i Manase, Josia no zanakalahin'i Amona.

 

15 Ary izao no zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.

16 Ary ny zanakalahin'i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak'i Jekonia.

17 Ary ny zanakalahin'Jekonia dia Asira*, Sealtiela no zanak'i Asira,[Na: Jekonia mpifatotra]

18 ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.

19 Ary ny zanakalahin'i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin'i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,

20 ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.

21 Ary ny zanakalahin'i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin'i Rafaia sy ny zanakalahin'i Arnana sy ny zanakalahin'i Obadia ary ny zanakalahin'i Sekania.

22 Ary ny zanakalahin'i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin'i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.

23 Ary ny zanakalahin'i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.

24 Ary ny zanakalahin'i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.

*

Chapitre 4

1 [Ny amin'ny taranak'i Joda sisa] Ny zanakalahin'i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.

2 Ary Reaia, zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; ary Jahata niteraka an'i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon'ny Zoraita.

3 Ary izao no avy amin'ny rain'i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran'ny anabaviny,

4 ary Penoela, rain'i Gedora, sy Ezera, rain'i Hosa. Ireo no zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata, razamben'ny any Betlehema.

5 Ary Asora, razamben'ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.

6 Ary Nara niteraka an'i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin'i Nara.

7 Ary ny zanakalahin'i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.

8 Ary Hakoza niteraka an'i Anoba sy Zobeba ary ny fokon'i Aharela, zanakalahin'i Haroma.

9 Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.

10 Ary Jabeza niantso an'Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny nangatahiny.

11 Ary Keloba, rahalahin'i Soha, niteraka an'i Mehira, rain'i Estona;

12 ary Estona niteraka an'i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain'Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.

13 Ary ny zanakalahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin'i Otniela dia Hatata.

14 Ary Meonotahy niteraka an'i Ofra; ary Seraia niteraka an'i Joaba, razamben'ny ao an-dohasahan'ny mpiasa; fa mpiasa ireo.

15 Ary ny zanakalahin'i Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin'i Elaha dia Kenaza.

16 Ary ny zanakalahin'i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.

17 Ary ny zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an'i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben'ny any Estemoa.

18 Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.

19 Ary ny zanakalahin'i Hodia vadiny, izay anabavin'i Nahama, dia ny razamben'ny an'i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.

20 Ary ny zanakalahin'i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.

21 Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;

22 ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.

23 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany.

*

24 [Ny taranak'i Simeona sy ny fonenany] Ny zanakalahin'i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,

25 dia Saloma no zanakalahin'i Saoly, Mibsama no zanakalahin'i Saloma, Misma no zanakalahin'i Mibsama.

26 Ary ny zanakalahin'i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i Zakora.

27 Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.

28 Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala

29 sy Bila sy Ezema sy Tolada

30 sy Betoela sy Horma sy Ziklaga

31 sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanāna nonenany mandra-panjakan'i Davida.

32 Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,

33 ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanāna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.

34 Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,

35 ary Joela sy Jeho, zanak'i Josibia, zanak'i Seraia, zanak'i Asiela,

36 ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia

37 sy Ziza, zanak'i Sify, zanak'i Alona, zanak'i Jedaia, zanak'i Simry, zanak'i Semaia;

38 ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin'ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.

39 Ary nankany amin'ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, hitady ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.

40 Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak'i Hama no nonina tany taloha.

41 Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana* hitany tao sy nandringana** azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.[*Na: sy ny Meonita][**Heb. nanao azy ho herema]

42 Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin'ny taranak'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka nanana an'i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho mpifehy azy.

43 Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.

*

Chapitre 5

1 [Ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase] Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;

2 fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),

3 ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.

4 Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,

5 Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,

6 Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.

7 Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria

8 ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.

9 Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.

10 Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada* izy.[Na: tany antsinanan'i Gileada]

*

11 Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;

12 Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.

13 Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.

14 Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza;

15 Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany.

16 Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.

17 Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.

18 Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipėka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

19 Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.

20 Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tānany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.

21 Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;

22 fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.

*

23 Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.

24 Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.

25 Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.

26 Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.

27 [Ny taranak'i Levy] Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.

28 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

29 Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.

30 Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa;

31 ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy;

32 ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota;

33 ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;

34 ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza;

35 ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana;

36 ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema);

37 ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba;

38 ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma;

39 ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria;

40 ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka;

41 ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.

*

Chapitre 6

1 Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary.

2 Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona: Libny sy Semey.

3 Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

4 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ary izao no fokon'ny Levita araka ny rainy:

5 Avy amin'i Gersona: Libny no zanak'i Gersona, Jahata no zanak'i Libny, Zima no zanak'i Jahata,

6 Joa no zanak'i Zima, Ido no zanak'i Joa, Zera no zanak'Ido, Jeateray zanak'i Zera.

7 Ny zanakalahin'i Kehata dia Aminadaba, Kora no zanakalahin'i Aminadaba, Asira no zakalahin'i Kora,

8 Elkana no zanakalahin'i Asira, Ebiasafa no zanakalahin'i Elkana, Asira no zanakalahin'i Ebiasafa,

9 Tahata no zanakalahin'i Asira, Oriela no zanakalahin'i Tahata, Ozia no zanakalahin'i Oriela, ary Saoly no zanakalahin'i Ozia.

10 Ary ny zakalahin'i Elkana dia Amasay sy Ahimota.

11 Ny amin'i Elkana, ny zananilahy dia Zofay, ary Nahata no zanakalahin'i Zofay,

12 Eliaba no zanakalahin'i Nahata, Jerohama no zanakalahin'i Eliaba, Elkana no zanakalahin'i Jerohama.

13 Ary ny zanakalahin'i Samoela dia Vasny lahimatoa sy Abia*.[Na: (Jozla sy Abia faralahy); izahao and 18 sy 1 Sam. viii.2]

14 Ny zanakalahin'i Merary dia Maly, Libny no zanakalahin'i Maly, Semey no zanakalahin'i Libny, Oza no zanakalahin'i Semey,

15 Simea no zanakalahin'i Oza, Hagia no zanakalahin'i Simea, Asaba no zanakalahin'i Hagia.

16 Ary izao no notendren'i Davida ho mpiventy hira tao amin'ny tranon'i Jehovah, rehefa voapetraka tao ny fiara,

17 ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,

18 dia izao no nanompo mbamin'ny zanany: Tamin'ny zanakalahin'ny Kehatita dia Hemana mpihira, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Samoela,

19 zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Jerohama, zanakalahin'i Eliala, zanakalahin'i Toa.

 

20 zanakalahin'i Zofa, zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Mahata, zanakalahin'i Amasay,

21 zanakalahin'i Elkana, zanakalahin'i Joela, zanakalahin'i Azaria, zanakalahin'i Zefania,

 

22 zanakalahin'i Tahata, zanakalahin'i Asira, zanakalahin'i Ebiasafa, zanakalahin'i Kora,

23 zanakalahin'i Jizara, zanakalahin'i Kehata, zanakalahin'i Levy, zanak'Isiraely.

24 Ary Asafa rahalahiny, izay nitsangana teo amin'ny ankavanany, dia Asafa, zanakalahin'i Berekia, zanakalahin'i Simea,

25 zanakalahin'i Mikaela, zanakalahin'i Beseia, zanakalahin'i Malkia,

26 zanakalahin'i Etny, zanakalahin'i Zera, zanakalahin'i Adaia,

27 zanakalahin'i Etana, zanakalahin'i Zima, zanakalahin'i Simey,

28 zanakalahin'i Jahata, zanakalahin'i Gersona, zanakalahin'i Levy.

 

29 Ary ny rahalahin'ireo kosa, dia ny zanakalahin'i Merary, nitsangana teo amin'ny ankaviany: Etana, zanakalahin'i Kisy, zanakalahin'i Abdia, zanakalahin'i Maloka,

30 zanakalahin'i Hasabia, zanakalahin'i Amazia, zanakalahin'i Hilkia,

 

31 zanakalahin'i Amzy, zanakalahin'i Bany, zanakalahin'i Samera,

32 zanakalahin'i Maly, zanakalahin'i Mosy, zanakalahin'i Merary, zanakalahin'i Levy.

33 Ary ny Levita rahalahin'ireo koa dia efa nomena hanao ny fanompoana rehetra ao amin'ny tabernakelin'ny tranon'Andriamanitra.

 

 

34 Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra* teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.[Heb. nandoro ho fofona]

35 Ary ny zanakalahin'i Arona dia Eleazara, ary Finehasa no zanakalahin'i Eleazara, Abisoa no zanakalahin'i Finehasa,

36 Boky no zanakalahin'i Abisoa, Ozy no zanakalahin'i Boky, Zerahia no zanakalahin'i Ozy,

37 Meraiota no zanakalahin'i Zerahia, Amaria no zanakalahin'i Meraiota, Ahitoba no zanakalahin'i Amaria,

38 Zadoka no zanakalahin'i Ahitoba, Ahimaza no zanakalahin'i Zadoka.

39 Ary izao no fonenany araka ny vohiny tao amin'ny zara-taniny avy, dia ny an'ny taranak'i Arona, avy amin'ny fokon'ny Kehatita; fa azy ny loka:

40 Nomeny azy Hebrona tao amin'ny tanin'ny Joda sy ny tany manodidina azy.

41 Fa ny saha momba ny tanāna sy ny vohiny kosa nomeny an'i Kaleba, zanak'i Jefone.

42 Ary ny taranak'i Arona nomeny an'i Hebrona, tanāna fiarovana, ary Libna sy ny tany manodidina azy ary Jatira sy Estemoa sy ny tany manodidina azy

43 ary Hilena sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy

 

44 ary Asana sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy;

45 ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin'ny folo no isan'ny tanānan'izy mianakavy rehetra.

46 Ary ny an'ny taranak'i Kehata sisa tamin'ny fokon'izany firenena izany dia tanāna folo araka ny filokana tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase.

47 Ary ny an'ny taranak'i Gersona araka ny fokony dia tanāna telo ambin'ny folo tamin'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary ny firenen'i Manase any Basana.

 

48 Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary araka ny fokony dia tanāna roa ambini ny folo avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.

49 Dia nomen'ny Zanak'i Isiraely ho an'ny Levita ireo tanāna ireo sy ny tany manodidina azy.

 

50 Ary nomeny tamin'ny filokana ireto tanāna tononina ireto avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ary ny firenena taranak'i Benjamina.

51 Fa ny sasany amin'ny fokon'ny taranak'i Kehata dia nahazo tanāna avy tamin'ny firenen'i Efraima.

52 Ary nomeny azy Sekema, tanāna fiarovana, tao amin'ny tany havoan'i Efraima sy ny tany manodidina azy ary Gazera sy ny tany manodidina azy

53 ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy

 

54 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy;

55 ary ny avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.

56 Ary ny an'ny taranak'i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase;

57 ary ny avy tamin'ny firenen'Isakara dia Kadesy sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy

58 ary Ramota sy ny tany manodidina azy ary Anema sy ny tany manodidina azy;

59 ary ny avy tamin'ny firenen'i Asera dia Masala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy

60 ary Hokoka sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny tany manodidina azy;

61 ary ny avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy.

62 Ary ny an'ny sisa, taranak'i Merary, dia avy tamin'ny firenen'i Zebolona, dia Rimono sy ny tany manodidina azy ary Tabara sy ny tany manodidina azy;

63 ary any an-dafin'i Jordana, tandrifin'i Jeriko, atsinanan'i Jordana, koa dia avy tamin'ny firenen'i Robena, dia Bazera any an-efitra sy ny tany manodidina azy ary Jaza sy ny tany manodidina azy

64 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy;

65 ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota-gileada sy ny tany manodidina azy ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy

66 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy.

 

 

*

Chapitre 7

1 [Ny taranak'Isakara sy Benjamina sy Naftaly sy ny antsasaky ny firenen'i Manase sy Efraima ary Asera] Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.

2 Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.

3 Ary ny zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.

4 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.

5 Ary ny rahalahiny ao amin'ny fokon'ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.

*

6 Ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.

7 Ary ny zanakalahin'i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.

8 Ary ny zanakalahin'i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera.

9 Ary ny isany araka ny firazanany amin'ny fireneny, izay samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.

10 Ny zanakalahin'i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara

11 Ireo zanakalahin'i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan'ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.

12 Sopima koa sy Hopima, zanakalahin'Iry, ary Hosima, zanakalahin'i Ahera.

*

13 Ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.

*

14 Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana* vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada.[Heb. Aramiana]

15 Ary Makira naka vady ho an'i Hopima sy Sopima; ny anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.

16 Ary Imaka, vadin'i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny zananilahy dia Olama sy Rakema.

17 Ary ny zanakalahin'i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira, zanakalahin'i Manase.

18 Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an'Isehoda sy Abiezera ary Mahala.

19 Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.

*

20 Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,

21 Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.

22 Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.

23 Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany.

24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).

25 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela,

26 Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.

27 Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.

 

28 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;

 

29 ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.

*

30 Ny zanakalahin'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin'ireo.

31 Ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain'i Birzavita.

32 Ary Hebera niteraka an'i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin'ireo.

33 Ary ny zanakalahin'i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin'i Jafleta.

34 Ary ny zanakalahin'i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.

35 Ary ny zanakalahin'i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.

36 Ny zanakalahin'i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra

37 sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.

38 Ary ny zanakalahin'i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.

39 Ary ny zanakalahin'i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.

40 Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.

*

Chapitre 8

1 [Ny amin'ny taranak'i Benjamina sy ny firazanan'i Saoly] Ary Benjamina niteraka an'i Bela, lahimatoa, sy Asbela, lahiaivo, sy Ahara, fahatelo,

2 sy Noha, fahefatra, ary Rafa, faralahy.

3 Ary ny zanakalahin'i Bela dia Adara sy Gera sy Abihoda

4 sy Abisoa sy Namana sy Ahoa

5 sy Gera sy Sefofana ary Horama.

6 Ary izao no zanakalahin'i Ehoda (izao no lohan'ny fianakavian'ny mponina any Geba; ary nitondra azy ho babo tany Manahata,

7 Namana sy Ahia ary Gera; izy no nitondra azy ho babo), niteraka an'i Oza sy Ahihoda izy.

8 Ary Saharaima niteraka tao amin'ny tany Moaba taorian'ny nisaorany an'i Hosima sy Bara vadiny.

9 Ary Hodesy vadiny no niterahany an'i Jobaba sy Ziba sy Mesa sy Malkama

10 sy Jeoza sy Sakia ary Mirma. Ireo no zananilahy, samy lohan'ny fianakaviany avy.

11 Ary Hosima no niterahany an'i Abitoba sy Elpala.

12 Ary ny zanakalahin'i Elpala dia Ebera sy Misama ary Samera, izay nanorina an'i Ono sy Loda sy ny zana-bohiny;

13 Beria koa sy Sema, izay lohan'ny fianakavian'ny mponina ao Aialona sady nandroaka ny mponina tao Gata;

14 ary Ahio sy Sasaka sy Jeremota

15 sy Zebadia sy Arada sy Adera

16 sy Mikaela sy Jispa sy Joha (zanakalahin'i Beria ireo),

17 ary Zebadia sy Mesolama sy Hizky sy Hebera

18 sy Jismeray sy Jizlia sy Jobaba (zanakalahin'i Elpala ireo),

19 ary Jakima sy Zikry sy Zabdy

20 sy Elienay sy Ziletahy sy Eliala

21 sy Adaia sy Beraia sy Simrata (zanakalahin'i Simey ireo),

22 ary Jispana sy Hebera sy Eliala

23 sy Abdona sy Zikry sy Hanana

24 sy Hanania sy Elama sy Antotia

25 sy Jifdia sy Penoela (zanakalahin'i Sasaka ireo),

26 ary Samseray sy Seharia sy Atalia

27 sy Jaresia sy Elia sy Zitry (zanakalahin'i Jerohama ireo).

28 Ireo no lohan'ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.

29 Ary tao Gibeona no nonenan'ny razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka,

30 ary Abdona no lahimatoany, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nadaba,

31 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakera.

32 Ary Miklota niteraka an'i Simea. Ireo koa dia niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.

33 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

34 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an'i Mika.

35 Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.

36 Ary Ahaza niteraka an'i Joada; ary Joada niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;

37 ary Moza niteraka an'i Binea; Rafa no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Rafa, Azela no zanakalahin'i Elasa

38 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy, ka izao no anarany: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Azela.

39 Ary ny zanakalahin'i Eseka rahalahiny dia Olama, lahimatoa, sy Jeosy, lahiaivo, ary Elifeleta, faralahy.

40 Ary ny zanakalahin'i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipėka, ary nanana zanakalahy sy zafy maro izy, dia dimam-polo amby zato. Ireo rehetra ireo no taranak'i Benjamina.

*

Chapitre 9

1 [Ny amin'ny mponina tany Jerosalema talohan'ny namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.

2 Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanānany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.

3 Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:

4 dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.

5 Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.

6 Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.

7 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,

8 sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;

9 ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy.

 

10 Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina

11 sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,

12 ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera.

13 Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.

 

14 Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary,

15 ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,

16 ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita.

 

17 Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;

18 ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.

19 Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.

20 Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.

21 Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

22 Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.

23 Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.

 

24 Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.

25 Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.

26 Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.

27 Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.

28 Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.

29 Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.

30 Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.

31 Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.

32 Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.

33 Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.

34 Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.

35 [Ny amin'ny fianakavian'i Saoly] Ary tao Gibeona no nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;

36 ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,

37 dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.

38 Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.

39 Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

40 Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.

41 Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza*.[Izahao viii. 35]

42 Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;

43 ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.

44 Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.

*

Chapitre 10

1 [Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zananilahy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

2 Ary ny Filistina nanenjika fatratra an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba sy Malkisoa, zanakalahin'i Saoly.

3 Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipėka izy; ary raiki-tahotra izy noho ny mpandefa tsipėka.

4 Ka hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho; fandrao avy irery tsy mifora irery ka hanao ahy ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadiany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.

5 Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiana fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka maty.

6 Ka dia niara-maty Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny ankohonany rehetra.

7 Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanānany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.

 

8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny faty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zananilahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.

9 Dia nesoriny ny akanjony, ka nentiny ny lohany sy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany tamin'ny sampiny sy ny olona.

10 Dia napetrany tao an-tranon'ny andriamaniny ny fiadian'i Saoly, ary nohomboany teo amin'ny tempolin'i Dagona ny lohany.

11 Ary nony ren'ny mponina rehetra tao Jabesi-gileada izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,

12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany ka nitondra azy ho any Jabesy, ary nandevina ny taolany teo ambanin'ilay hazo terebinta tany Jabesy izy, ary dia nifady hanina hafitoana.

13 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra

14 ary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.

*

Chapitre 11

1 [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjaka handimby an'i Saoly, sy ny nahazoany an'i Jerosalema] Ary dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.

2 Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.

3 Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Samoela.

 

4 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.

5 Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanānan'i Davida izany).

6 Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.

7 Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanānan'i Davida

8 Ary nandrafitra ny manodidina ny tanāna hatrany Milo* izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanāna.[Heb. fiarovana]

9 Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.

10 [Ny amin'ny lehilahy maherin'i Davida izay niady hampanjaka azy] Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.

11 Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja.

12 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.

13 Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.

14 Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.

15 Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.

16 Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.

17 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.

18 Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.

19 Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.

 

20 Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.

21 Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.

 

22 Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery* tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.[Heb. lionan'Andriamanitra]

23 Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tānan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tānan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.

24 Izany zavatra izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.

25 Indro fa be voninahitra tamin'ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.

26 Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba, sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,

27 sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita

28 sy Ira, zanak'Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita

29 sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita

30 sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak'i Bana Netofatita,

31 sy Itahy, zanak'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita

32 sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, sy Abiela Arbatita

33 sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita

34 sy ny zanak'i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak'i Sage Hararita,

35 sy Ahiama, zanak'i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak'i Ora,

36 sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita

37 sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak'i Ezbay,

38 sy Joela, rahalahin'i Natana, sy Mibara, zanak'i Hagry.

39 sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,

40 sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita

41 sy Oria Hetita sy Zabada, zanak'i Ahelay,

42 sy Adina, zanak'i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,

43 sy Hanana, zanak'i Maka, sy Josafata Mitnita

44 sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak'i Hotama Aroerita,

45 sy Jediaela, zanak'i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny

46 sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak'i Elnama, sy Jitma Moabita

47 sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.

Chapitre 12

1 [Ny lehilahy mahery izay nanatona an'i Davida, fony izy mbola nenjehin'i Saoly] Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo

2 sady mpitondra tsipėka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipėka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.

3 Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita

4 ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita

5 sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita

6 sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita

7 ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.

 

8 Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela* eny an-tendrombohitra izy.[Izahao 2 Sam. i. 19]

9 Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,

10 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,

11 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,

12 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,

13 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.

14 Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.

15 Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.

 

16 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.

17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.

18 Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza*, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy]

 

19 Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.

20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.

21 Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila.

22 Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.

23 [Ny amin'ny miaramila avy tamin'ny Isiraely rehetra izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka azy] Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:

24 Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.

25 Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.

26 Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo.

27 Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;

28 ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.

29 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany.

30 Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.

31 Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida.

32 Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.

33 Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.

34 Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona.

35 Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.

36 Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.

37 Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.

38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra