[page principale | nouveautés | La Bible | la foi | sujets | études AT | études NT | index ouvrages | index auteurs | index sujets | centres d’intérêt]
2 Samoela
Accès direct aux
chapitres de 2 Samuel : 1, 2,
3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 10, 11, 12, 13, 14, 15, 16, 17, 18, 19, 20, 21, 22, 23, 24
1 [Ny nataon'i Davida, rehefa
nahare ny nahafatesan'i Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary
nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra
indroa andro tao Ziklaga izy.
2 Ary tamin'ny andro
fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly,
triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i
Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka.
3 Ary hoy
Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy
tany amin'ny tobin'ny Isiraely aho.
4 Ary hoy
Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Maśna ianao, ambarao amiko. Dia hoy
izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty,
ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany.
5 Ary hoy
Davida tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly
sy Jonatana zanany.
6 Dia nanambara
taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary,
indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny
mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy.
7 Dia niherika
izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho.
8 Ary hoy izy
tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho.
9 Ary hoy
indray izy tamiko: Maśna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina
ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko.
10 Dia nanatona
azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy*, ka
dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny
sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo]
11 Dia
noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa
ny olona rehetra teo aminy.
12 Ary nisaona
sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly
sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria
lavon-tsabatra ireny.
13 Ary hoy
Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky
ny vahiny Amalekita aho.
14 Dia hoy
Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny
voahosotr'i Jehovah?
15 Dia niantso
zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka
maty.
16 ary hoy
Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no
efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah.
17 Ary Davida
nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao
18 (ary nasainy
nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao
amin'ny Bokin'i Jasara* izany): [Jasara = Ilay mahitsy]
19 Ilay
voninahitrao*, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo
ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra]
20 Aza
ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i
Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny
zanakavavin'ny tsy mifora.
21 Hianareo
tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha
angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana* ny ampingan'ny
mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka** tsy nohosorana diloilo.[*Na:
nanariana][**Na: toy ny an'izay]
22 Ny
tsiṕkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny
tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana.
23 Saoly sy
Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na
dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho
ny liona.
24 Ry
zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany
jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo.
25 Endrey! lavo
teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana.
26 Ory noho ny
aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga
ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy.
27 Endrey! lavo
ny mahery, ary levona ny fiadiana!
1 [Ny
nanjakan'i Davida tamin'ny Joda, sy ny nanjakan'Isboseta tamin'ny Isiraely, ary
ny niadian'izy roa tonta tao Gibeona] Ary rehefa afaka izany, Davida dia
nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda
anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona
no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2 Dia niakatra
nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay
novinadin'i Nabala Karmelita.
3 Ary ny olona
izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa,
ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.
4 Ary dia avy
ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny
taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any
Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.
5 Ary Davida
dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe:
Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo
tamin'ny nandevenanareo azy.
6 Koa haneho
famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao
izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7 Ary
ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo;
fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho
mpanjakany.
8 Fa Abnera,
zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta,
zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
9 dia
nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita* sy Jezirela sy ny Efraima sy ny
Benjamina ary ny Isiraely rehetra.[Na: (Gesorita)]
10 (Ary
efa-polo taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka
amin'ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i
Davida.
11 Ary ny andro
nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy
enim-bolana.
12 Ary Abnera, zanak'i
Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany
Gibeona.
13 Ary Joaba,
zanak'i Zeroia, sy ny mpanompon'i Davida nivoaka ka nihaona tamin'ireo teo
amoron'ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin'ny lafin'ny kamory
avy izy.
14 Ary hoy
Abnera tamin'i Joaba: Maśna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto
anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
15 Dia nisy
nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay
an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i
Davida.
16 Ary izy
rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny
sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao
Gibeona izany hoe Helkata-hazorima*.[Helkata-hazorima = Tamin'ny sabatra
maranitra]
17 Ary mafy ny
ady tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida
Abnera sy ny lehilahy amin'ny Isiraely.
18 Ary mba teo
koa izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela
dia haingan-tongotra tahaka ny gazela* any an-efitra.[Izahao i. and. 19]
19 Ary Asahela
nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily
akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.
20 Ary Abnera
niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21 Dia hoy
Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa
Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
22 Ary hoy
indray Abnera tamin'i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko
inona moa izay hamely anao hikarapoka amin'ny tany, ary hataoko ahoana no
fijery an'i Joaba rahalahinao?
23 Nefa tsy
nety nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia
niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka
tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy
nahafatesany dia nijanona.
24 Ary Joaba sy
Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy,
izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty
ny masoandro.
25 Ary ny
taranak'i Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary
nijanona teo an-tampon'ny havoana anankiray.
26 Ary Abnera
niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa
hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona
tsy hanenjika ny rahalahiny?
27 Ary hoy
Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao*, dia efa lasa nody
any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.[Izaho and.
14]
28 Dia nitsoka
ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny
Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
29 Ary Abnera
sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay*, dia nita an'i
Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.[Heb.
Arabà]
30 Ary rehefa
niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary
sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i
Davida.
31 Fa ny
mpanompon'i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin'ny Benjamita
sy ny olon'i Abnera.
32 Ary Asahela
dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba
sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava
ratsy ny andro.
1 [Ny
nandrosoan'ny fanjakan'i Davida, sy ny nihenan'ny an'Isboseta kosa, ary ny
nivadihan'i Abnera hanaraka an'i Davida, sy ny namonoan'i Joaba azy] Ary
naharitra ela ny adin'ny tamingan'i Saoly sy ny tamingan'i Davida, nefa Davida
nihahery, fa ny tamingan'i Saoly kosa nihahosa.
2 Ary Davida
niteraka zazalahy tao Hebrona: koa Amnona, tamin'i Ahinoama Jezirelita, no
lahimatoany;
3 ary Kileaba,
tamin'i Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita, no lahiaivo; ary ny
fahatelo dia Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora;
4 ary ny
fahefatra dia Adonia, zanak'i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak'i
Abitala;
5 ary ny
fahenina dia Jitreama, tamin'i Egla, vadin'i Davida. Ireo no naterak'i Davida
tao Hebrona.
6 Ary raha
mbola niady ny tamingan'i Davida sy ny tamingan'i Saoly, Abnera dia nampiseho
hery niandany tamin'ny tamingan'i Saoly.
7 (Ary Saoly
nanana vaditsindrano, Rizpa no anarany, zanakavavin'i Aia) Kanefa Isboseta
niteny tamin'i Abnera hoe: Nahoana no nalainao ny vaditsindranon'ikaky?
8 Dia tezitra
mafy Abnera noho ny tenin'Isboseta, ka hoy izy: Lohan'alika no miandany amin'ny
Joda va aho? He! izato izaho manisy soa ny tamingan'i Saoly rainao sy ny
rahalahiny sy ny sakaizany izao ka tsy nanolotra anao ho eo an-tànan'i Davida,
nefa aho izao helohinao noho ny amin'iny vehivavy iny?
9 Hataon'Andriamanitra
amin'i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy
araka ny nianianan'i Jehovah tamin'i Davida,
10 ka hampiala
ny fanjakana amin'ny tamingan'i Saoly aho ary hampitoetra ny seza fiandrianan'i
Davida amin'ny Isiraely sy amin'ny Joda hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
11 Dia tsy
nahavaly an'i Abnera intsony izy noho ny tahony azy.
12 Ary Abnera
dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay* hanao hoe: An'iza ny
tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao
hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.[Na: hisolo vava azy]
13 Dia hoy izy:
Tsara izany; izaho hanao fanekena aminao; kanefa zavatra iray loha no ilaiko
aminao: Tsy hahazo mihaona amiko ianao, raha tsy entinao atỳ Mikala,
zanakavavin'i Saoly.
14 Ary Davida
naniraka olona nankany amin'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, hanao hoe: Omeo ahy
Mikala vadiko, izay efa nifanekena ho vadiko tamin'ny mariky ny fahafatesan*'ny
Filistina zato lahy.[Heb. saron-tsotsoka]
15 Ary Isboseta
naniraka naka an'i Mikala tany amin'i Paltiela vadiny, zanak'i Laisy.
16 Ary io
vadiny io nanaraka azy ka nitomany teny aoriany hatrany Bahorima. Fa hoy Abnera
taminy: Mandehana miverina. Dia niverina izy.
17 Ary Abnera
efa niteny tamin'ny loholon'ny Isiraely hoe: Efa ela izay no nitadiavanareo
an'i Davida ho mpanjakanareo;
18 koa
tanteraho izany ankehitriny, fa Jehovah efa nilaza an'i Davida hoe: Amin'ny
tànan'i Davida mpanompoko no hamonjeko ny Isiraely oloko ho afaka amin'ny
tanan'ny Filistina sy amin'ny tanan'ny fahavalony rehetra.
19 Ary Abnera
efa niteny tamin'ny Benjamita koa, ary lasa izy hilaza amin'i Davida ao Hebrona
koa izay rehetra tian'ny Isiraely sy ny taranak'i Benjamina rehetra hatao.
20 Dia tonga
tany amin'i Davida tao Hebrona Abnera sy olona roa-polo lahy nanaraka azy. Ary
nanao fanasana ho an'i Abnera sy ny olona nanaraka azy Davida.
21 Ary hoy
Abnera tamin'i Davida: Hiainga aho, dia handeha hamory ny Isiraely rehetra ho
etỳ aminao mpanjaka tompoko, mba hanaovany fanekena aminao ary hanjakanao
amin'izay rehetra irin'ny fonao. Ary Davida nampandeha an'i Abnera; ka dia lasa
soa aman-tsara izy.
22 Ary, indreo,
tonga ny mpanaraka an'i Davida sy Joaba avy nitoha ka nitondra babo be; ary efa
tsy teo amin'i Davida tao Hebrona intsony Abnera, fa efa nalefany izy, ka dia
lasa soa aman-tsara.
23 Nony tonga
Joaba sy ny miaramila rehetra izay nanaraka azy, dia nisy nanambara tamin'i
Joaba hoe: Tonga tao amin'ny mpanjaka Abnera, zanak'i Nera, nefa nalefany izy,
ka dia lasa soa aman-tsara.
24 Ary Joaba
nankao amin'ny mpanjaka ka nanao hoe: Inona izany nataonao izany? Nahoana no
efa tonga teto aminao Abnera ka nalefanao fotsiny, ka dia afaka soa aman-tsara
izy?
25 Fantatrao
anefa ny amin'i Abnera, zanak'i Nera, fa hamitaka anao no nahatongavany
hahalalany ny ivoahanao sy ny idiranao ary hahalalany izay rehetra ataonao.
26 Dia nivoaka
Joaba avy tao amin'i Davida ka naniraka olona hanaraka an'i Abnera, ary
nitondra azy niverina avy any amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Siraha
ireo: nefa tsy fantatr'i Davida izany.
27 Ary nony
niverina tao Hebrona Abnera, dia nentin'i Joaba nitanila tao anaty vavahady hiresaka
aminy mangingina, kanjo nasiany tamin'ny kibony ka matiny ho todin'ny ran'i
Asahela rahalahiny.
28 Ary rehefa
afaka izany, dia nahare Davida, ka hoy izy: Tsy manan-keloka mandrakizay eo
anatrehan'i Jehovah izaho sy ny fanjakako ny amin'ny ran'i Abnera, zanak'i
Nera.
29 Hitsingerina
amin'ny lohan'i Joaba sy ny tarana-drainy rehetra anie ny todin'izany; ary tsy
ho tapaka amin'ny taranak'i Joaba anie ny marary mitsika, na ny boka, na ny
mamahana amin'ny tehina, na ny lavon-tsabatra, na ny tsy manan-kohanina.
30 Toy izany no
namonoan'i Joaba sy Abisay rahalahiny an'i Abnera noho ny namonoany an'i
Asahela rahalahiny tao Gibeona tamin'ny ady.
31 Ary hoy
Davida tamin'i Joaba sy ny olona rehetra izay teo aminy: Triaro ny
fitafianareo, ary misiḱna lamba fisaonana*, ka aoka hisaona eo anolohan'i
Abnera ianareo. Ary Davida mpanjaka nanaraka ny tranovorona.[Heb. lamba
malailay]
32 Dia
nandevina an'i Abnera tao Hebrona izy; ary ny mpanjaka nanandratra ny feony ka
nitomany teo amin'ny fasan'i Abnera; ary ny vahoaka rehetra dia mba nitomany
koa.
33 Ary ny
mpanjaka nanao hira fisaonana an'i Abnera hoe: Tahaka ny fahafatesan'ny adala
va no tokony ho nahafatesan'i Abnera?
34 Ny tananao
tsy nifatotra, ary ny tongotrao tsy nigadra; Fa tahaka ny fikarapok'izay
asian'ny olon-dratsy no nikarapohanao. Ary ny vahoaka rehetra dia mbola
nitomany azy indray.
35 Ary izy
rehetra dia avy hampihinan-kanina an'i Davida raha mbola antoandro, nefa Davida
nianiana hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza,
raha mba hitendry hanina na inona na inona akory aho mandra-pilentiky ny
masoandro.
36 Ary azon'ny
vahoaka rehetra ny hevitr'izany ka nankasitrahany, dia tahaka ny nankasitrahany
izay rehetra nataon'ny mpanjaka.
37 Ka dia
fantatry ny vahoaka rehetra sy ny Isiraely rehetra tamin'izany andro izany fa
tsy avy tamin'ny mpanjaka no nahafaty an'i Abnera, zanak'i Nera.
38 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'ny mpanompony: Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy
malaza no maty androany tamin'ny Isiraely?
39 Ary tsy mbola
manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo
zanak'i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay
nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
1 [Ny namonoana
an'Isboseta, sy ny namalian'i Davida ireo namono azy kosa] Ary nony ren'ny
zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary
raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
2 Ary nisy roa
lahy, lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary
Rekaba no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i
Benjamina (fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina;
3 ary ny
Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
4 Ary Jonatana,
zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy
tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza
azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia
nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
5 Ary Rekaba sy
Bana, zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga
tao an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny.
6 Ary niditra
tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny
kibony, dia lasa nandositra.
7 Fa raha
niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany
tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia
notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny
tani-hay* izy.[Heb. Arabà]
8 Ary nitondra
ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka
hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao;
fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny
mpanjaka tompoko.
9 Ary hoy
Davida tamin'i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak'i Rimona Berotita: Raha velona
koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny fahoriana rehetra,
10 ilay
nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny
mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin*'ny
teny mahafaly nentiny;[Na: dia olona nampoizina homeko valim-pitia noho]
11 koa mainka
raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa
tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny
tany intsony va ianareo
12 Ary Davida
nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny
tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta
kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.
*
1 [Ny
nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an'i
Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany] Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona
ny firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy
nofonao.
2 Fa hatry ny
fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no
mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe:
Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3 Eny, tonga
tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida
mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia
nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.
4 Telo-polo
taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
5 Tao Hebrona
no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no
nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
6 Ary ny
mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary
hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny
mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe*: Tsy ho tafiditra eto
Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:]
7 Kanjo afak'i
Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
8 Ary hoy
Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho
eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i
Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao
an-trano.
9 Dia nitoetra
tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i
Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo* mbamin'ny ao
anatiny.[Heb. fiarovana]
10 Koa dia
nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
11 [Ny amin'ny
lapan'i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro,
naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa
mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.
12 Dia
fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka
nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
13 Ary Davida
mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany
Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.
14 Ary izao no
anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
15 sy Jibara sy
Elisoa sy Nafega sy Jafia
16 sy Elisama
sy Eliada ary Elifeleta.
17 [Ny
nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny
olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina
rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana
izy.
18 Ary dia
tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
19 Ary Davida
nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao
eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo
an-tananao tokoa ny Filistina.
20 Ary Davida
tonga tao Bala-perazima* ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny
fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny
anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
21 Ary
nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.
22 Ary niakatra
indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
23 Ary
nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino
avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo
balsama.
24 Ary raha toa
mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia
faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny
miaramilan'ny Filistina.
25 Ary dia
nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina
hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.
*
1 [Ny
namindrana ny fiaran'i Jehovah nankany Jerosalema] Ary novorin'i Davida indray
ny lehilahy voafantina rehetra tamin'ny Isiraely, dia telo alina.
2 Dia niainga
Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra
ny fiaran'Andriamanitra izay niantsoana* ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro,
Izay mipetraka amin'ny kerobima.[Na: izay nantsoina tamin']
3 Ary nataony
teo amin'ny sariety vaovao ny fiaran'Andriamanitra ka nentiny avy tao
an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*; ary Oza sy Ahio, zanak'i Abinadaba, no
nampandeha ny sariety vaovao.[Na: Gibea]
4 Ary dia
nentiny niala tao an-tranon'i Abinadaba teo ankavoana niaraka tamin'ny
fiaran'Andriamanitra izany; ary Ahio nandeha teo alohan'ny fiara.
5 Ary Davida sy
ny taranak'Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah tamin'ny
karazan'ny zava-maneno rehetra natao tamin'ny hazo kypreso, dia tamin'ny
lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.
6 Ary nony
tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin'ny
fiaran'Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran'ny omby ny fiara.
7 Dia nirehitra
tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah; ary namely azy teo Andriamanitra noho ny
fahadisoany, ka dia maty teo anilan'ny fiaran'Andriamanitra izy.
8 Ary dia
tezitra* Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe
Perez-oza** ny anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na:
nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an'i Oza]
9 Ary Davida
natahotra an'i Jehovah tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana no ho
entina atỳ amiko ny fiaran'i Jehovah?
10 Ary Davida
dia tsy nety namindra ny fiaran'i Jehovah ho ao aminy ao an-Tanànan'i Davida;
fa naviliny ho ao an-tranon'i Obed-edoma Gatita.
11 Ary
nipetraka telo volana tao an-tranon'i Obed-edoma Gatita ny fiaran'i Jehovah; ka
dia notahin'i Jehovah Obed-edoma sy ny ankohonany rehetra.
12 Ary nambara
tamin'i Davida mpanjaka hoe: Jehovah efa nitahy ny ankohonan'i Obed-edoma sy
izay nananany rehetra noho ny fiaran'Andriamanitra. Dia nandeha Davida ka
nampakatra ny fiaran'Andriamanitra tamim-pifaliana avy tao an-tranon'i
Obed-edoma ho any an-Tanànan'i Davida.
13 Ary rehefa
namindra inenina ny mpitondra ny fiaran'i Jehovah, dia namono omby sy
zanak'omby mifahy izy hatao fanatitra.
14 Ary Davida
nitsinjaka mafy dia mafy teo anatrehan'i Jehovah sady nisalotra efoda rongony
fotsy.
15 Ary Davida
sy ny taranak'i Isiraely rehetra nampakatra ny fiaran'i Jehovah tamin'ny hoby
sy ny feon'ny anjomara.
16 Ary nony
tonga teo an-Tanànan'i Davida ny fiaran'i Jehovah, dia nitsirika teo
am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka
nibitaka sy nitsinjaka teo anatrehan'i Jehovah; ka dia nikizaka azy tao am-pony
izy.
17 Ary
nampiditra ny fiaran'i Jehovah ny olona ka nametraka azy teo amin'ny fitoerany
tao amin'ny lay izay naorin'i Davida hitoerany; ary Davida nanatitra fanatitra
dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah.
18 Ary nony
voatitr'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano
ny vahoaka tamin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
19 Dia nomeny
mofo iray sy hena iray didy* ary ampempam-boaloboka iray avy ny olona rehetra,
dia ny Isiraely rehetra, na lahy na vavy. Ary dia samy nody tany an-tranony avy
ny olona rehetra.[Na: divay eran'ny kapoaka]
20 Ary Davida
koa mba nody hitso-drano ny ankohonany. Fa Mikala, zanakavavin'i Saoly, nivoaka
hitsena an'i Davida ka nanao hoe: Akory ity voninahitry ny mpanjakan'ny
Isiraely androany! ilay nanary lamba anikeheo teo imason'ny zanakavavin'ny mpanompony,
tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.
21 Ary hoy kosa
Davida tamin'i Mikala: Teo anatrehan'i Jehovah, Izay nifidy ahy noho ny rainao
sy ny ankohonany rehetra ka nanendry ahy ho mpanapaka ny Isiraely, olon'i
Jehovah, eny, teo anatrehan'i Jehovah no nitsinjahako.
22 Ary mbola
hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa
hiaraka hanam-boninahitra amin'ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.
23 Ka dia tsy
nanan-janaka intsony mandra-pahafatiny Mikala, zanakavavin'i Saoly.
*
1 [Ny
nanirian'i Davida hanao tempoly sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny
haharetan'ny fanjakany, ary ny vavaka nataon'i Davida tamin'izany] Ary raha
nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny
fahavalony rehetra manodidina azy izy,
2 dia hoy ny
mpanjaka tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano
sedera, nefa ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
3 Dia hoy
Natana tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah
no momba anao.
4 Ary tamin'ny
alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5 Andeha, lazao
amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao
trano hitoerako?
6 Fa tsy mbola
nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy
tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra
toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely]
7 Ary
tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy
nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny
Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy
ianareo?
8 Koa lazao
amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho
no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho
mpanapaka ny Isiraely oloko.
9 Ary nomba
anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny
fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe
ambonin'ny tany ianao.
10 Ary hifidy
tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay
amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny
faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha
11 sy tahaka ny
hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana*
anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa
fa hanome taranaka** ho anao Izy.[*Heb. nampiadana][**Heb. hanao trano]
12 Ary rehefa
tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako
handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
13 dia io no
hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny
fanjakany ho mandrakizay.
14 Izaho ho
rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny
tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
15 nefa ny
famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly,
izay nesoriko teo alohanao.
16 Ary ny
taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza
fiandriananao hitoetra mandrakizay.
17 Araka izany
teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana
tamin'i Davida.
18 Ary Davida
mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa
aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka
ankehitriny aho?
19 Ary mbola
ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa
voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana
lavitra aza. Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô.
20 Ka inona
intsony no holazain'i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny
mpanomponao.
21 Noho ny
teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io,
hampahalalanao ny mpanomponao.
22 Koa
amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao,
ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.
23 Ary aiza moa
no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay
nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary
hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo
anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny
andriamaniny?
24 Dia
nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô,
no efa tonga Andriamaniny.
25 Ary
ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao
sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
26 Ary aoka
hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro,
no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida
mpanomponao.
27 Fa Hianao,
Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny
mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao*; koa izany no nampahasahy ny
fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.[Heb. hanao trano ho anao]
28 Ary noho
izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao,
ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,
29 dia aoka ho
sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo
anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny
fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
*
1 [Ny
nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny
Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia
nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.
2 Ary nandresy
ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny
kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka
dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
3 Dia resin'i
Davida koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody
ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
4 Ary Davida
nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy
miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny
soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5 Ary tonga ny
Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i
Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
6 Ary
nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga
mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida
teny amin'izay rehetra nalehany.
7 Ary nalain'i
Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny
nankany Jerosalema.
8 Ary teo Beta
sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina
be dia be.
9 Ary nony
ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera
rehetra Davida,
10 dia
nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy
hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa
Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka
volamena ary fanaka varahina;
11 dia
nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy
ny volamena izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny,
12 dia tamin'i
Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny
babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.
13 Ary Davida
nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo
amin'ny Lohasahan-tsira.
14 Ary
nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma
rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon'i Davida. Ary
Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
15 [Ny mpanao
raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely
rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
16 Ary Joaba,
zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no
mpitadidy ny raharaham-panjakana;
17 ary Zadoka,
zanak'i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no
mpanoratra;
18 ary Benaia,
zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana*; ary ny zanak'i Davida no
mpanolo-tsaina**. [*Heb. Kerenita sy Peletita][**Na: mpisorona]
*
1 [Ny soa
nataon'i Davida tamin'i Mefiboseta] Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny
tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana?
2 Ary nisy
mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i
Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho
mpanomponao no izy.
3 Ary hoy ny
mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny
fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i
Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
4 Ary hoy ny
mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao
an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara.
5 Ary Davida
mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao
Lodebara.
6 Ary nony
tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia
niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty
ny mpanomponao.
7 Ary hoy
Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i
Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao,
ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva.
8 Dia
niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty,
no mba jerenao?
9 Dia niantso
an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra
nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny
tomponao.
10 Koa ianao sy
ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra
hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny
tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana
zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
11 Ary hoy Ziba
tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny
mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny
latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy.
12 Ary
Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra
tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
13 Ary
Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no
nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
*
1 [Ny nahatonga
ny niadian'i Davida tamin'ny Amonita sy ny Syriana, ary ny nandreseny azy] Ary
rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, ka Hanona zanany
no nanjaka nandimby azy.
2 Ary hoy
Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy
tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy.
Ary tonga tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona ny mpanompon'i Davida.
3 Ary hoy ireo
mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny
rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy
hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan'i Davida ireo mpanompony ireo
hankatỳ aminao?
4 Dia
nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady
nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 Ary dia nisy
lasa nanambara izany tamin'i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa
afa-baraka* loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin'ny mpanjaka: Mitoera
any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
6 Ary nony
hitan'ny taranak'i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan'i Davida izy, dia
naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia
miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin'ny mpanjakan'i Maka, olona arivo
lahy, ary tamin'ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
7 Ary nony
ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny
lehilahy mahery.
8 Ary ny
taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahady; ary ny
Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny
an-tsaha kosa.
9 Ary rehefa
hitan'i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona
tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny
Syriana.
10 Ary ny olona
sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny halahany hiady amin'ny taranak'i
Amona.
11 Ary hoy izy:
Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny
taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao.
12 Mahereza
ary, ka aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ny
tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
13 Ary Joaba sy
ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin'ny Syriana; ary dia nandositra niala
teo anoloany ireo.
14 Ary nony
hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy
niala teo anoloan'i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy
namely ny taranak'i Amona ka tonga tany Jerosalema.
15 Ary nony
hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nivory izy.
16 Ary
Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony*; ary dia tonga
tany Helama izy; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadadezera, no nitarika
azy.[Eofrata]
17 Ary nony
nambara tamin'i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa
nita an'i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin'i
Davida, ka dia rafitra ny ady.
18 Ary vaky
nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy
fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin'ny Syriana Davida sady namely
an'i Sobaka koa, ilay komandin'ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
19 Ary nony
hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny
Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy.
Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.
*
1 [Ny nanaovana
fahirano an'i Raba, sy ny nakan'i Davida ny vadin'i Oria] Ary rehefa niherina
ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i
Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny
taranak'i Amona ireo sady nanao fahirano an'i Raha; fa Davida kosa nijanona
tany Jerosalema ihany.
2 Ary nony
harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo
an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary
ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
3 Ary Davida
dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no
Batseba, zanakavavin'i Eliama, sady vadin'i Oria Hetita?
4 Ary Davida
naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary
ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin'ny halotoany, dia nody tany
an-tranony.
5 Ary
nanan'anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin'i Davida hoe: Manan'anaka aho.
6 Ary Davida
naniraka tany amin'i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita.
Dia nasain'i Joaba nankany amin'i Davida Oria.
7 Ary nony
tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr'i Joaba sy ny olona ary
ny toetry ny ady.
8 Ary hoy
Davida tamin'i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao
an-tranon'ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin'ny mpanjaka
izy.
9 Nefa Oria
nandry teo am-baravarana ny tranon'ny mpanjaka, teo amin'ny mpanompon'ny
tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
10 Ary nisy
nanambara tamin'i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy
Davida tamin'i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midina
mody any an-tranonao?
11 Fa hoy Oria
tamin'i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin'ny trano
rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon'ny tompoko mitoby any an-tsaha,
ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny
vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany
aho.
12 Ary hoy
Davida tamin'i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia
halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson'iny
Oria.
13 Ary nasain'i
Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony
hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin'ilay nandriany teo amin'ny
mpanompon'ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
14 Ary nony
maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin'i Joaba, ka nampitondrainy
an'i Oria izany.
15 Ary izao no
soratra nataony tao amin'ny taratasy: Arosoinareo amin'ny ady mafy Oria; dia
ilaozy izy mba hasiany ho faty.
16 Ary raha
mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an'i Oria ho eo amin'izay
hitany misy lehilahy mahery.
17 Ary ny
mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin'i Joaba, ka nahafatesana ny
mpanompon'i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
18 Ary Joaba
naniraka hilaza tsara any amin'i Davida ny toetry ny ady;
19 ary nandidy
ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin'ny mpanjaka ny toetry ny ady,
20 ka tezitra
ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany
ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin'ny manda izy?
21 Fa iza no
namely an'i Abimeleka, zanak'i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato
fikosoham-bary* taminy avy teo amin'ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa
nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao
mba maty koa.[vato amboniny]
22 Ary nandeha
ilay iraka, dia tonga tamin'i Davida ka nanambara taminy izay rehetra
nanirahan'i Joaba azy.
23 Ary hoy ny
iraka tamin'i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha
izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan'ny vavahady kosa izy.
24 Ary ny
mpitifitra teo amin'ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny
mpanompon'ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
25 Dia hoy
Davida tamin'ny iraka: Izao no holazainao amin'i Joaba: Aza malahelo amin'izany
ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin'ny tanàna,
ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
26 Ary nony
ren'ny vadin'i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.
27 Ary rehefa
afa-tsaona izy, dia nampanalain'i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny
izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak'i Jehovah izany nataon'i
Davida izany.
1 [Ny
nibebahan'i Davida, rehefa nanarin'i Natana, ary ny nahafahany an'i Raba] Ary
Jehovah naniraka an'i Natana hankao amin'i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy
ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray
manan-karena, ary ny iray malahelo.
2 Ilay
manan-karena nanana ondry aman'osy sy omby betsaka;
3 fa ilay
malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak'ondry vavy kely iray
monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny
zanany; fa tamin'ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin'ny
kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny
zananivavy.
4 Ary nisy
vahiny tonga tao amin'ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman'osiny sy ny
ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an'ilay vahiny tonga tao
aminy; fa ny zanak'ondry vavin'ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony
nahandro ho an'ilay olona tonga tao aminy.
5 Dia nirehitra
mafy ny fahatezeran'i Davida tamin'izany olona izany, ka hoy izy tamin'i
Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
6 ary ilay
zanak'ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany
zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
7 Dia hoy
Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry
ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho
afaka tamin'ny tànan'i Saoly;
8 ary nomeko
anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary
nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao
izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
9 koa nahoana
ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria
Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa
novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy.
10 Koa noho
izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria
nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao.
11 Izao koa no
lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny
ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao;
ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao.
12 Fa ianao
nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany
eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao.
13 Dia hoy
Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana
tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
14 Nefa noho ny
nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho
faty tokoa ny zaza izay haterakao.
15 Ary Natana
nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria
tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.
16 Ary nifona
tamin'Andriamanitra ho an'ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka
nandry tamin'ny tany mandritra ny alina.
17 Ary ny
loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin'ny tany;
nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
18 Ary nony
nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon'i Davida natahotra hilaza
ny nahafatesan'ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny
zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika
ahoana no filaza aminy ny fahafatesan'ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
19 Ary nony
hitan'i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka
hoy izy tamin'ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
20 Dia niarina
tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary
nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka; ary dia
nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia
nihinana izy.
21 Ary hoy ny
mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny
zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina
sy nihinan-kanina kosa.
22 Ary hoy izy:
Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy
izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny
zaza, na tsia?
23 Kanjo maty
izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va
aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
24 Ary Davida
nampionona an'i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary
niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona*. Ary Jehovah tia
azy,[Solomona = Miadana]
25 dia naniraka
an'i Natana mpaminany ka nanao ny anaran'ny zaza hoe Jedidia* noho ny amin'i
Jehovah.[Jedidia = Tian'i Jehovah]
26 Ary Joaba
namely an'i Raban'ny taranak'i Amona ka nahafaka ny tanànan'ny mpanjaka.
27 Ary Joaba naniraka
olona tany amin'i Davida nanao hoe: Namely an'i Raba aho ka nahafaka ny tanàna
misy rano.
28 Koa vorio ny
olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao
izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.
29 Ary Davida
namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.
30 Dia nesoriny
ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka* teny an-dohany talenta volamena iray no
lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany tao
an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.[Na: Malkama; izahao Zef. i. 5]
31 Ary dia
navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin*'ny tsofa sy ny fangao-by lehibe
ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin'ny fandoroam-biriky; toy izany no
nataony tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka
rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Na: (nampiasaina tamin')]
*
1 [Ny ratsy
nataon'i Amnona, sy ny namonoan'i Absaloma azy, ary ny nandosiran'i Absaloma]
Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana
anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.
2 Ary Amnona
nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra
tamin'i Amnona ny haka azy.
3 Fa Amnona
nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary
Jonadaba dia olona fetsy loatra.
4 Ka hoy izy
taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro
isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i
Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.
5 Ary hoy
Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha
avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara
anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko
mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
6 Dia nandry
Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy
taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa
ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
7 Ary Davida
naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any
an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
8 Dia nandeha
Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka
koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny
ny mofo.
9 Dia noraisiny
ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy
Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
10 Ary hoy
Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako
ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao
amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.
11 Ary nony
nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy
hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
12 Ary hoy ny
anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny
Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianao.[Heb.
fahadalana]
13 Ary ny
amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny
adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa
tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
14 Nefa tsy
nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy
ka nandry taminy.
15 Ary dia
halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny
fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
16 Ary hoy izy
taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa
nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
17 Dia niantso
ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity
vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
18 Ary niakanjo
akanjo lava* razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho
akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka
nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]
19 Ary nasian'i
Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia
niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
20 Ary hoy
Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany
aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra
tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
21 Fa nony
ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny
fahatezerany.
22 Ary Absaloma
tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i
Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny.
23 Ary nony
afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky
an'i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy.
24 Ary nankao
amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao;
koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko
mpanomponao.
25 Fa hoy ny
mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra,
fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety
nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
26 Dia hoy
Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no
handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
27 Fa nanery
azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra
handeha hiaraka aminy.
28 Ary Absaloma
nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona
azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa
aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho
lehilahy mahery ianareo.
29 Ary ny
zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia
nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny
ampondrany ka nandositra.
30 Ary raha
mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe:
novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana
na dia iray akory aza.
31 Dia
nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany;
ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
32 Ary
Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy
hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona
ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i
Tamara anabaviny.
33 Koa aoka ny
mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny
mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
34 Fa Absaloma
nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy
olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra.
35 Ary hoy Jonadaba
tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny
nolazain'ny mpanomponao tokoa.
36 Ary nony efa
voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary
nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba
nitomany mafy dia mafy koa.
37 Fa Absaloma
nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora.
Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
38 Ary Absaloma
efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
39 Ary Davida
mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma*; fa nionona izy noho ny amin'i
Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy
hivoaka hamely an'i Absaloma]
1 [Ny nodian'i
Absaloma, sy ny nampihavanana ny rainy taminy] Ary Joaba, zanak'i Zeroia,
nahalala fa ny fon'ny mpanjaka nalahelo an*'i Absaloma ihany.[Na: mbola tezitra
tamin']
2 Koa naniraka
tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Maśna
ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo
ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
3 dia mankanesa
ao amin'ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen'i Joaba teny izy.
4 Ary nony
niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin'ny tany
izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
5 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena
tokoa aho, fa maty vady.
6 Ary izaho
mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy
mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny
ka nahafaty azy.
7 Ary, indreo,
ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe:
Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny
rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa
ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ
ambonin'ny tany.
8 Ary hoy ny
mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.
9 Ary hoy
ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho
amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza
fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
10 Dia hoy ny
mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy
haninona anao intsony izy.
11 Ary hoy
ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i
Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao
mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho
latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.
12 Ary hoy
ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny
indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
13 Dia hoy
ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra?
Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany
ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.
14 Fa tsy
maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo
raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy
hanariany ilay noroahiny.
15 Fa izaho no
tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no
nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka
izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.
16 Eny, ny
mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin'ny tanan'ny
lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin'ny zanako hiala amin'ny lova
nomen'Andriamanitra.
17 Dia hoy ny
mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa
ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy
ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
18 Ary ny
mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra
hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
19 Ary hoy ny
mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany*? Dia hoy ny
navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy
mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho
amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny
rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan'i Joaba va no aminao
amin'izany rehetra izany?]
20 Ny hampiova
tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa
hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra
etỳ ambonin'ny tany.
21 Ary hoy ny
mpanjaka tamin'i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha,
alao hody Absaloma zatovo.
22 Dia
niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy
Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho,
ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny
mpanompony.
23 Dia niainga
Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
24 Ary hoy ny
mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary
Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
25 Ary tsy nisy
lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny
Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy
nisy tsiny izy.
26 Ary raha
nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy;
fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely
roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.
27 Ary Absaloma
niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy
tsara tarehy izy.
28 Ary Absaloma
nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny
tavan'ny mpanjaka ihany izy.
29 Ary Absaloma
dia naniraka tany amin'i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin'ny mpanjaka, fa
tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa
mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
30 Koa dia hoy
izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy,
ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny
mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
31 Ary Joaba
niainga nankany amin'i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny
mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin'ny afo?
32 Fa hoy
Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa
atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany
Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa
ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka
aho, dia aoka hovonoiny.
33 Ary Joaba
nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny
mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo
anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.
*
1 [Ny
niodinan'i Absaloma, sy ny nandosiran'i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma
dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka
eo alohany.
2 Ary Absaloma
nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka
raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia
nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao?
Ary hoy izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao.
3 Dia hoy Absaloma
taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona
voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao.
4 Ary hoy koa
Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy
atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko
rariny izy!
5 Ary isaky ny
nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka
noraisiny sy norohany izany olona izany.
6 Ary toy izany
no nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka
hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny
Isiraely.
7 Ary nony
afaka efa-polo taona*, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao,
aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah.
[Na: (efa-taona)]
8 Fa nivoady
aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha
mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.
9 Ary hoy ny
mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany
Hebrona.
10 Ary Absaloma
naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao
mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao
Hebrona.
11 Ary nisy
roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema,
nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona
na inona.
12 Ary Absaloma
naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao
an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary
nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba
an'i Absaloma.
13 Ary nisy
olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny
lehilahy amin'ny Isiraely.
14 Ary hoy
Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna,
andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha
hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony
idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.
15 Ary hoy ny
mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra
sitraky ny mpanjaka tompoko.
16 Dia nivoaka
ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy
tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.
17 Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoa